Alahady faha-27 taona D
- Habakoka 1, 2-3; 2, 2-4
- Salamo 94
- 2 Timote 1, 6-14
- Md Lioka 17, 5-10
Na hitsangana aza ny maty, raha tsy mihaino an’i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, tsy hino. Izay no valin-tenin’i Abrahama tamin’ilay mpanan-karena nitalaho fahagagana mba hibebahan’ny rahalahiny, henontsika tamin’ny Evanjely tamin’ny heriny. Tsy ny fahagagana manko no miteraka finoana, fa ny finoana no hahavitana fahagagana, ny finoana no mampahiratra ny maso hahita ny zava-mahatalanjona tanterahin’Andriamanitra isan’andro vaky eo amin’ny fiainantsika.
Ny fihainoana an’i Moizy sy ny Mpaminany, izany hoe, ny fihainoana ny Lalàna (Torah) sy ny fanatanterahana azy no miteraka ny Finoana. Ary ny maha-mpaminany dia ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahasahiana hitory azy na dia hifanohitra amin’ny fomba fihevitra sy fiainan’ny mpiara-monina aza. Izany no mahatonga an’i Jesoa tsy hamaly ny fangatahan’ny Apostoly, satria tsy fanomezana avy aminy fotsiny ny finoana fa miankina koa amin’ny fahahafahan’ny tsirairay ka hanomezany valin-teny, tsy ambava ihany fa amin’ny fiainana indrindra indrindra, hanova ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny Evanjely. Ambaran’i Paoly amin’i Timote (2 Tim 1, 6-14 = Vak II) fa izany dia fanomezana avy amin’ny Fanahy, dia ilay Fanahy mahery, be fitiavana ary mahonon-tena, manampy antsika tsy hiantehatra afa-tsy amin’ny herin’Andriamanitra, saingy anjarantsika kosa ny hitahiry ny fahasoavana noraisina ka haharitra amin’ny fiantsoana niantsoana antsika : ny “ho masina tahaka ny Raintsika izay Lavorary” (Mt 5, 48).
Tsy moramora anefa ny mitahiry izany fitokisana izany, indrindra rehefa sendra ny fahasahiranana sy tojo ny mangidy. Tsy Habakoka (חֲבַקּוּק ara-bakiteny, midika ho fifamihinana, Habak, mamihina) irery no nitaraina tamin’ny Tompo hoe . “Mandrapahoviana no hiantso Anao aho, nefa tsy mihaino ahy ihany ianao…mitaraina aminao aho nefa tsy vonjenao!” Fiainantsika isan’andro io. Ny Papa Benoit XVI ao amin’ny Taratasy Ansiklikany (Deus Caritas est n°35) milaza fa mety hitaraina toa an’i Joba isika… mety hikiakiaka toa an’i Kristy teo ambony Hazofijaliana, nefa tsy izay akory no tokony ho farateny! Jereo fa avy namaky ny fitarainan’i Habakoka isika tao amin’ny vakiteny voalohany dia niantsa ny hatsaram-pon’Andriamanitra tamin’ny Salamo fandinihana (Sal 94). Izany koa no nataon’i Kristy ho ohatra ho antsika, na mafy aza ny nanjò, tsy takatry ny saina ny tsiambaratelon’ilay Ray namela hijaly, nefa hanohy miteny am-pinoana hoe : “Eo am-pelatananao no ametrahako ny fanahiko (Lk 23, 46)”.
Ny bokin’i Habakoka moa, mety tsy manavanana antsika, kanefa misy teny notsoahana avy ao, nampiasain’i Lioka hanomboana ny Tononkiran’i Maria ohatra, ary vavaky ny Eglizy isaky ny Zoma 2 maraina: ny ahy dia ny Tompo no hafaliako ka miravo aho fa izy hamonjy ahy (Ha 3, 18); faly ao amin’Andriamanitra mpamonjy ahy ny foko (Lk 1, 47). Ary izay mino ka manantena izany famonjen’Andriamanitra izany no hilaza tahaka an’i Md Piera, mampiasa ny tenin’i Habakoka hoe : “tsy hahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany” (2Pi 3, 9//Ha 2,3).
Ireny heverina ho “fahanginan’Andriamanitra” ireny no manadio ny finoantsika ka hahamatotra azy, tsy ho finoanoam-poana toy ny finoan’ny mpanompo sampy izay mihevitra fa ny hatsaran’ny vavaka sy ny tolotra no handraisana valisoa, fa kosa ho fibanjinana ny endrik’ilay Andriamanitra tsy manana valisoa homena, satria tsy manana mpikarama na mpanompo fa kosa manangana ny olombelona rehetra ho zanaka mpiombon’antoka (antsika avokoa izay azy), ho zanaka mpandova.
Ny salamo 94, araka ny voalaza tetsy ambonym izay fanentanana ny hafa mba hankalaza ilay Vatolampy. Ny hoe vatolampy moa, dia mampahatsiaro mandrakariva ny fiainan’ny vahoaka Jody tany Masà (fihantsiana) sy Meribà (fifandirana). Ny fiainantsika dia tolona (Meribà) ka mahatonga antsika hisalasala, hila kisa sy hitsapa fanahy an’Andriamanitra (Masà), tsy hahatoky ny fitiavany, toy ny nanjò ny vahoaka Israely teny an-dalana mankamin’ny fahafahana rehefa main’ny hetaheta ka nitady rano (Eksaody 17, 1-7; Det 6, 19). Ny fahaizana manokatra ny fo ka hihainoana ny feony no lalana tokana hahafahantsika miverina amin’ny fahasambarana sitrany ho an’ny zanany rehetra.
Zavatra roa no tiako hasiana tsindrim-eo amin’ny fanentanan’ny Salamo: Andeha hiseho anoloany amin-tsaotra, hankalaza azy amin’antsa. Io no antsoin’ny Jody hoe Todàh (תּוֹדָה), fisaorana, Eokaristia hoy isika. Ny sorom-pisaorana ho an’ny Jody dia entina hamintinana ny fankasitrahana manoloana ny fitiavan’Andriamanitra tsy misy fetra, (Izy izay mitantana antsika tahaka ny ondry eo an-tanany) ka sady fiderana Azy izany no fiekena ny hadisoana amin’ny fitondran-tena tsy mahavaly fitia, ary fampanantenana fa hiezaka mba hitia bebe kokoa amin’ny ho avy, (hiezaka hihaino ny feony anio,) satria ny fihainoana izay lazain’ny olona iray dia sady mari-pitiavana no fanajana azy.
Izay no mahatonga ny Salamo miampita amin’ny zavatra faharoa izay manova ny fiainana: Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra. Raha tsiahivina vetivety ny tantara dia toy izao: taorian’ny fitsapana manoloana ny hanoanana ka nahazoana ny mana (Eks 16; mofo/vato), sy manoloana ny hetaheta ka nahazoana ny ranon’i Masa (מִסָּה Massah, fitsapana) sy Meriba (מְרִיבָה Meriybah, fikomiana) (Eks 17, 1-7/soif de pouvoir), ilay tanan’i Moizy misandratra, manome fandresena ho an’ny Israelita nanohitra an’i Amaleka (עֲמָלֵק `Amaleq, izay mitoetra amin’ny tany lemaka), dia manambara ny tsy hitokisan’izy ireo amin’ny herin’ny sabatra na amin’ny fahaiza-miady fa amin’ny fanampian’Andriamanitra asehony amin’ny alalan’ny Mpanompony mivavaka (Eks 17, 8-13/Andriamanitry ny aina).
Iverenantsika ny Evanjely, ny fangatahan’ny Mpianatra mba hampitomboan’i Jesoa ny Finoan’izy ireo toa tsy novaliany akory.
Md Lioka 17, 1-6
Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray hianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: Miongòta, ka mifindrà any anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
Ny finoana no hahafahana manongotra ny zavatra mety ho lalim-paka tanteraka, heverina fa efa tsara faniry toy ny voaroy ka tsy azo avarina any anaty ranomasina intsony. Ny finoana no hahafahana manesotra ny zavatra mety mibahana ao amin’ny fiainana, zavatra mety heverina ho tsara sy ilaina saingy tsy maintsy hongotana satria manimba ny tany, tsy hahafahany mamoa araka izay ilàna azy. Fa inona ny finoana?
Ny tapany voalohany nahatonga ny Apôstôly hangataka mba hampitomboana ny finoany dia satria heverina fa sarotra ny mamela heloka. Tsy maintsy misy ny fanafintohinana, hoy i Jesoa fa loza ho an’izay hiaviany. Manaja ny fahafahantsika Andriamanitra satria tia antsika, ka raha sanatria misy olona mitarika ny hafa ho amin’ny ratsy (manafintohina) dia mbola havela heloka koa ve izy?
Tsy sanatria « peine de mort » no lazain’i Jesoa amin’ny famarinana any anaty ranomasina. Tsy ny hanameloka izay mety ho niavian’ny fanafintohinana no hiantsoany ny mpiananany fa hitandrina mba tsy ho antony hahatafintohina ny hafa (jereo koa Lk 12, 1; 21, 34) ary hitady izay fomba hampibebahana izay mety mahavanon-doza.
Raha diso amintsika aza ny rahalahintsika dia tsy sazy fa fanananarana no tokony hatao azy. ἐπιτιμάω (epitimao, hanaro ny dikan-teny ao) moa dia azo adika hoe: kiakiahana, tenenina mafy, io no ilazana ny fandroahan’i Jesoa ny demony, saingy tsy adinoina ny zo maha-olona sy ny hasina maha-rahalahy azy. Mijanona ho rahalahy na izay nahavita ratsy aza. Izay no teboka hiaingan’ny famindram-po, tsy manafangaro ny ratsy vita amin’izay nanao azy.
Raha mibebaka izy dia avela. Tsy adino anefa fa ny famelana no mialoha ny fibebahana (Lk 6, 27-38). Tsy hoe mifanohitra amin’izay ny voalaza eto fa kosa manamafy fa raha tsy misy fibebahana dia tsy mamokatra akory ny famelana noraisina. Tsy afaka ny ho sambatra sy ho foto-pahasambaran’ny hafa izay mihevitra ny handeha hikonfesy nefa mikiribiby, tsy maniry akory hiala amin’ny ota mahazatra. Mamita-tena ihany.
Ny fibebahana anefa tsy indray andro, lalana tsikelikely ka ny fiverenana mangataka famelana no hahafahana miha-masina isan’andro. Izany no tsy maintsy hamelana mandrakariva, izany hoe hanomezana “possibilité” ny rahalahy mba hahafahany mitozo amin’ny lalam-pibebahana handavorariana ny tena.
Izany no hivavahana mba hahatsiarovantsika mandrakariva fa mialoha ny hamelantsika dia efa navelan’Andriamanitra koa isika.
Md Lioka 17, 7-10
Ndeha iverenantsika ny fangatahan’ny Mpianatra mba hampitomboan’i Jesoa ny Finoan’izy ireo nefa toa tsy novaliany akory. Ao amin’i Matio aza dia i Jesoa no nanome tsiny ny Mpianatra ho tsy ampy finoana, tsaroantsika ny teny nolazainy tamin’ny Mpianatra raha tsy naharoaka ny demony izy ireo (Mt 17, 16ss) : “io karazany io tsy azo roahina raha tsy amin’ny alalan’ny Fivavahana [sy ny fifadiankanina]”. Araka izany, tsy ny hampitomboana ny finoana loatra no himasoana, satria kely tahaka ny voatsinapy dia ampy hanaovana fahagagana raha afoy ka alevina mba hitsimoka sy hitombo ka ho tonga hazo (Mt 13), ampy hanovàna izay mety ho sakana tsy hahafahana mitondra voa, ny finoana no hahafahana manongotra izay efa lalim-paka ka hanary azy any anaty ranomasina, raha hita fa izany no mahasoa. Io vavaka nataon’ny Apôstôly io manko dia mitohy amin’ny fiangavian’i Jesoa hamela heloka hatramin’ny impitopolo fito. Tsy ny mampitombo ny finoana no tokony himasoana voalohany fa ny hampitsimoka (hahafoy izay manontolo hananana na dia kely aza, satria tsy misy voly hitsimoka raha tsy asitrika manontolo any anaty tany) ka hitahiry ny Finoana efa noraisina aloha (Vak II : 2 Timote 1, 6-14), na ny marimarina kokoa, hamelombelona (ἀναζωπυρέω = ana+zoo+pyr) mandrakariva ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatiny, tamin’ny fandraisana ny Fanahy mahery sy be fitiavana ary mahono-tena, ka manome hery hijoroana ho vavolombelona, amin’ny fanaovana ny fahamarinana satria “ny marina no ho velona amin’ny finoany” (Vak I : Habakoka 1, 2-3; 2, 2-4).
Mila tsaroana mandrakariva ny tenin’i Md Jakoba milaza fa “tsy mahavonjy ny finoana tsy arahin’asa” (Jak 2, 14s). Tsy mamela antsika hipetrapetra-poana ny finoana marina fa manosika antsika hiasa, mba “tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’i Kristy” (2 Timote 1, 6-14), tsy hitarain-tana-miompaka, tsy hitaky karama akory aza, satria “mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa ny tokony hatao ihany no natao” (Evanjely). Ireo mpandalina ny Baiboly dia maro no milaza fa tsy hoe “tsy mahasoa” no andikàna ny ἀχρεῖος (achreios) fa hoe “tsy mahazo tombony”, tsy mandray karama.
Izay mandray ny Evanjely manko ka manaiky ny ho tonga mpanompo dia tsy hihevi-tena ho tompo mandidy, hitsara ka hamela na tsy hamela heloka. Izay fihetrena ho mpanompo izay no hahafahana mijery ny hafa araka ny mason’i Kristy ka hahitana azy ireo ho toy ny mpiray tampo, tsy afaka ny tsy ho tiavina, tsy afaka ny tsy havela heloka.
Mpanompo miasa tany sy miandry ondry: io no lazain’i Md Piera hoe izay miasa ny tany (ny mpamafy ny voa, mpamaky lay, ny mpitoriteny) sy ny mpiandry ny ondry (mpikarakara ny finoana efa mitsiry) dia tsy afaka ny hanao izany amin’ny fikatsahana ny tombontsoan’ny tena sy ny fitiavam-bola (1 Piera 5, 2) fa babo ka asesiky ny fitiavan’i Kristy ilay maty ho an’ny olona rehetra (2 Kor 5, 14), mahazo maimaim-poana ka manome maimaim-poana (Mt 10, 8). Ny mitory maimaim-poana ny Evanjely no fahasambarako, hoy i Md Paoly (1 Kor 9, 18). Izay te ho mpianatr’i Kristy dia miaiky fa ao amin’ny fanompoana no mampisy hasiny ny fiainany, ao no hanahafany ilay tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo (Lk 22, 27).
Tsy Evanjely araka izay tiantsika holazaina anefa, fa “zavatra tsara” napetraka ka tahirizina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsy isika fa ny Fanahy Masina no mitahiry ny fampianarana hifanaraka amin’ny finoana marina, ka izay manaiky hotarihiny no afaka mahatsapa fa tsy tompony fa mpamerin-doha, mpanompo manao izay tokony ho natao ihany, raha nahavita izay tokony ho natao aza.
Ny finoana no hahafahantsika mahita sy mino fa ny fahasambarantsika no sitrapon’Andriamanitra ka ny fitadiavana sy fanekena ny didiny dia lalana mitondra amin’ny fahasambarantsika ihany. Izay manaraka ny didiny araka izany dia hisaotra Azy, fa tsy sanatria mbola hangataka valiny koa. Tsy sanatria hisy olona iray ho any amin’ny dokotera fa marisarisa, mangataka torohevitra dia mahazo, ary manaraka izany ka rehefa sitrana soa aman-tsara dia hihevitra ny hiverina any amin’ny dokotera hangataka valisoa. Angamba hiverina any hanolotra fisaorana, dia mba azo ekena. Fisaorana no afaka atolotr’izay mpanompo nanaiky ny baikon’ny Tompony, satria hasambarana mampisy heviny ny fiainany ny fanatanterahany izany baiko izany..
Amin’ny vavaka aorian’ny Komonio manokana ho an’ny Taona D dia mangataka isika mba hankaherezin’ny sakafo roa loha dia ny Teny sy ny Tenan’Andriamanitra, ka ho velom-pisaorana mandrakariva amin’ny soa sesehena atobany amintsika mba hahafahana manao soa amin’ny anarany sy hahafoy tena ho an’ny mpiara-monina ary hijoro tsy amin-tahotra ho vavolombelon’i Kristy. Raha amin’ny anaran’Andriamanitra no anaovantsika soa dia ho voninahiny marina tokoa ny fiainantsika manontolo ary ho fiombonana hafaliana aminy tanteraka.
Ho hafaliana sy fahasambarana ho antsika tokoa anie ny fanatontosana ny asam-panompoana angatahin’ny finoana amintsika.