Alahady faha-27 mandavan-taona Taona B
- Jenezy 2,18-24
- Salamo 127
- Hebrio 2,9-11
- Md Marka 10, 2-16
Fianakaviana iray ny olombelona.
Amin’ny volana Oktôbra moa dia mankalaza ny volan’ny Raozery isika, tsy hoe mba hanaovana io fivavahana io amin’ity volana ity, fa mba hahatonga ny fanaovana azy ho fahazarana mandritra ny androm-piainana. Ny Raozery moa dia vavaka andinihantsika ny misterin’i Kristy sy ny Fanavotana antsika ka hiezahantsika mampifanaraka ny fiainana amin’izany Mistery izany. Ny vavaka averimberina kosa, vavaka izay famintinana ny misterin’ny fahatongavana ho nofo sy ny marina tokony hotadidiana mandrakariva amin’ny maha olona mpanota sy misy fetra antsika, hahay hanisa ny andro ka hianatra ny fahendrena (Salamo 89), dia hangataka ny vavak’i Masina Maria Virjiny, satria matoky fa raha ny loharanon’ny fahasoavana aza, dia i Jesoa Kristy, nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’i Maria, mainka ve fa izay fahasoavana angatahintsika mba hahafahantsika manara-dia marina tokoa an’i Jesoa Zanany (Md Bernard).
Izany rehetra izany dia mba hahatongavana any amin’ny mandrakizay, hiarahana hihoby ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra. Izay no nahatonga an’i Md Joany Paoly II hilaza fa tokony hohiraina mandrakariva ny Voninahitra amin’ny fankalazana ny Raozery satria io no faratampon’ny fibanjinana ny voninahitr’Andriamanitra Trinite Masina sady mandrafitra sy manome lanja ny vavaka kristianina rehetra (Rosarium virginis 34).
Ny volana Oktôbra koa dia volan’ny Misiôna, hamohafohazana ao am-pon’ny kristianina fa tokana no antom-pisiany dia ny hitory ny Evanjely. Ny Eglizy, Sakramenta manambara amin’izao tontolo izao ny Famonjen’Andriamanitra (Ad Gentes 5) dia tsy manana adidy afa-tsy ny fitoriana ny Evanjely (AG 1), hitory amin’ny olona tsirairay fa tian’Andriamanitra izy. Tsy manana faniriana afa-tsy ny hahasambatra antsika tsirairay avy ny Eglizy, ka hampivondrona antsika ho vahoaka tokana mankalaza an’Andriamanitra (Lumen Gentium LG 17). Izany maha izy azy ny Eglizy izany no antony ivavahantsika manokana ho an’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ity volana ity, ka hampitombo ny hafanam-pontsika amin’ny fanohanana ireo manokana ny fiainany manontolo ho amin’izany asa fitoriana izany.
Raha iverenantsika ireo vakiteny manambara ny maha fianakaviana iray antsika mivondrona ao amin’i Kristy, ny Vakiteny I dia mitantara ny namoronana ny vehivavy avy amin’ny taolan-tehezan’ny lehilahy, rendriky ny torimaso. Ambaran’ny Boky Jenezy fa ireo zavaboary nomen’i Adama anarana dia tsy nahitan’Andriamanitra mpanampy hitovy aminy. Tsy azo adinoina fa tsy anarana fa toetra ny hoe “adama”, avy amin’ny tany novolavolaina, maneho ny mampalemy, ny maha tsinontsinona antsika, siny tany mora vaky (2 Kor 4,7), kanefa natao hitondra ny raki-tsarobidin’ny endrik’Andriamanitra, hoy Md Paoly.
Ambaran’ny Boky Jenezy fa mpanampy hitovy aminy no atao ho an’ny lehilahy, satria tsy tsara raha irery izy (and. 18). Lazain’ny and. 24 anefa fa “handao ny ray aman-dreniny izy ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo”. Tsy azo raisina ara-bakiteny araka izany ny zavatra voalaza, satria tsy milaza ny fahariana ny vehivavy taorian’ny lehilahy, efa eo ny reny izay ilaozana. Ny Jen 1,27 dia milaza ny fahariana ny lehilahy sy ny vehivavy miaraka. Ny fandaozana ny ray aman-dreny dia mazava loatra fandaozana ny fiaraha-monina, izay hoe tsy olona irery fa nipoitra avy ao amin’ny fianakaviana iray, saingy hiroso amin’ny fanambadiana kosa rehefa vonona handray ny andraikitra samirery, handao ny ray aman-dreny, ka ho tonga nofo iray ihany amin’ny vadiny.
Ambaran’ny Boky Jenezy fa tsy afaka ny ho sambatra ny olona raha irery, ary ny fanaovana ny fiainana ho foto-pahasambarana ho an’ny hafa no maha feno fatra ny hasambarana. Tsy ho mpanampy andevozina fa mpanampy hotiavina sy hanolorana ny tena manontolo araka izany no safidian’ny lehilahy mba ho vadiny. Ny taratasin’i Md Paoly ho an’ny Efezianina moa dia manazava izany amin’ny antsipiriany. Ambaran’ny Vakiteny II fa ohatra amin’izany fanomezana ny fiainana ho fahasambaran’ny hafa izany i Kristy, ilay nanandrana ny fahafatesana mba hamonjeny ny olombelona rehetra, ary mariky ny fitiavana lavorary ny fanekena hitovy zo aman-kasina amin’ny olona nohasoavina. Raha sanatria araka izany, ny olona iray mihevitra ny tenany ho ambony noho ny olona nohasoaviny, dia efa ny fitiavan-tena fa tsy ny fitiavana ombam-pahasoavan’Andriamanitra no nanosika ny fony hanampy ny hafa, ka ho very valisoa ihany izy, satria tsy hanandrana ny fahasambarana ampanantenain’ny Ray ho an’ny zanany (izay mitovy endrika sy toetra Aminy).
Oharin’ny Salamo 127 amin’ny foto-boaloboka mahavokatra ny vady ary amin’ny solofon’oliva manodidina ny latabatra ny zanaka. Matoa mahavokatra ny voaloboka, ary matoa misy solofony ny oliva dia satria eo ny fikarakarana natao azy, ary ambaran’ny Salamo fa ny fahatahorana ny Tompo sy ny fanarahana ny Lalàny no fikarakarana tsara indrindra azo atao sady maha lava velona.
Ny Misterin’ny Paka no nahaterahan’ilay Adama vaovao any amin’ny voninahitry ny Rainy. I Jesoa Kristy maty teo amin’ny hazofijaliana, “nitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra” (vak II) no ambaran’ilay Adama, natory tamin’ny torimasony (Jen 2,21-22) ka namoronan’Andriamanitra an’ilay Eva vaovao, renin’ny olombelona rehetra, dia ny Eglizy. Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika momba izany misterin’ny fahaterahana izany:
766. Ny Fiangonana anefa, dia teraka indrindra tamin’ny fanoloran-tenan’i Kristy manontolo ho amin’ny famonjena antsika, nataony mialoha tamin’ny fanorenana ny Eokaristia ary tanteraka teo amin’ny Hazofijaliana. “Ny fanombohana sy ny fitomboan’ny Fiangonana dia voambara amin’ny ra sy ny rano nivoaka avy tao amin’ny lanivoan’i Jesoa nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana” (LG 3, Jo 19,34). “Satria tao amin’ny lanivoan’i Kristy nodimandry teo amin’ ny Hazofijaliana no teraka ny sakramenta mahatalanjon’ny Fiangonana manontolo, famantarana velona manambara an’Andriamanitra” (SC 5). Tahaka ny namoronana an’i Eva tamin’ny taolan-tehezan’i Adama rendrika tao anatin’ny torimaso, no nahateraka koa ny Fiangonana tao amin’ny fon’i Kristy voalefona, fony Izy maty teo amin’ny Hazofijaliana (jer. Md Ambroise, Lk 2,85-89).
Teo no nanomezan’i Jesoa antsika ny Fanahy (Jo 19,30), izany hoe nananganany ireo “rahalahiny” rehetra ho tonga zanak’Andriamanitra, ka tsy ho kamboty intsony ary afaka miantso ny Ray iombonana hoe “Abba” (Ga 4,6). Io Fanahy io no ho Mpanafaka alahelo mandrakizay ho an’izay manaiky hotarihiny ho amin’ny hafenoan’ny fahamarinana.
Ndeha kosa izao hojerentsika ny hafatra ambaran’ny Evanjely, satria raha fiombonana mba ho tonga nofo iray, fiombonana hatramin’ny anarana (ish- ishshah) no nolazain’ny Boky Jenezy, toa zary lamaody ny fisaraham-bady, indrindra rehefa tsy feno ilay fanirian’ny sasany ny ho sambatra sy hiadana.
- Md Marka 10,1-12
Amin’ity toko fahafolo ity dia mandao an’i Galilea i Jesoa ary mihazo an’i Jerosalema (and. 32). Ara-jeografia araka izany dia sisin’ny tanin’i Jodea, andafin’i Jordany (Perea) dia azo heverina ho tany tsy dia nonenan’ny olona loatra, saingy lazain’i Marka fa nivory teo ny vahoaka, izany hoe tonga mba hihaino ny fampianaran’i Jesoa, liana amin’ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hatramin’ny Farisianina aza moa tonga, saingy ny haka fanahy azy no anton-dian’izy ireo.
Mahazo misao-bady va ny lehilahy? Fanontaniana ihany koa no navalin’i Jesoa azy ireo, mba hilazany ny antony nahatonga an’i Môizy hanome alalana hisao-bady, araka ny Boky Deoterônômy (24,1-4). Ny fisaraham-bady manko efa nisy hatrizay, ary saika nanaiky izany avokoa ny kolontsaina rehetra, eny fa na dia ny Hebrio izay nahazo Lalàna (torolalana) mazava avy amin’Andriamanitra aza mikasika ny hasin’ny fanambadiana (Jen 1,27; 2,24). Satria mafy hatoka, fo vato tsy mbola afaka hanaraka ny lalàn’Andriamanitra izy ireo, dia noezahan’ny Lalànan’i Môizy harovana farafaharatsiny hahay ny zon’ny vehivavy voaroaka.
Misy lehilahy tsy valahara manko, mandroaka ny vadiny tsy amin’antony ka raha sanatria manambady olon-kafa any ilay ramatoa voaroaka dia endrikendrehany ho nijangajanga ka dia toraham-bato. Izy amin’izay afaka manao izay tiany hatao. Araka izany, ny fanomezana taratasy fisaoram-bady an-dravehivavy dia ny mba hahafahany manambady koa raha toa ka misy lehilahy tia azy, ary mba hampisaina an-dralehilahy mialoha ny handroaka azy satria tsy afaka ny hiverina aminy intsony izy aorian’ny taratasy fisaorana.
Tsy izany anefa no fandaharan’Andriamanitra, hoy i Jesoa. Tsy mandrava ny lalàn’i Môizy izy sanatria fa kosa mamerina amin’ny tena izy ny hasin’ny fanambadiana izay firaisam-po mahatonga ny mpivady ho nofo iray, ho tena iray (ny σάρξ moa no nandikana ny בָּשָׂר [bāsār] izay avy amin’ny hoe בּשׂר, mitondra hafaliana: tena iray miombom-pifaliana). Ny firaisan’ny mpivady araka izany dia mariky ny fifanolorany hasambarana feno, ka ny fandaozana ny ray aman-dreny (lazain’ny Jenezy) dia midika ny fahavononana feno hanolo-tena manontolo ho an’ilay tiana, tsy hanana antom-pahasambarana afa-tsy ny hahasambatra ilay notiavina. Ny firaisana tsy manambara firaisam-po sy fanoloran-tena tanteraka ho fahasambaran’ny hafa noho izany dia fitaka fa tsy fitiavana. Tsy fanerena araka izany fa sitra-po malalaka asesiky ny fitiavana no mahatonga ny mpivady haniry ny hifankatia ho doria, atambatry ny jiogam-pitiavana avy amin’Andriamanitra (συνέζευξεν, συζεύγνυμι / suzeugnumi dia midika hoe ampiraisina amin’ny jioga – ζυγός zygos). Tsy fitiavana izay fitiavana tsy maniry ny ho doria, misalasala sao tsy haharitra.
Misy fampianarana tsy azo atao am-banin-javatra koa lazain’ny Evanjely anio: inona no lazain’i Môizy?
Indraindray isika mihevitra ny hiafina ao ambadik’i Môizy, ao ambadiky ny Lalàna sy ny fomba amam-panao, saingy tsy azo adinoina na oviana na oviana fa misy lalàna sy fomba amam-panao tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra fa fambara ny hamafin’ny fon’ny olona tsy mbola te hibebaka. Mila mandinika mandrakariva isika sao sanatria lalàna maneho hamafisam-po no indraindraina sy hiheverana ho lafatra.
“Nony mby tao an-trano”.
Raha ny marina dia eny an-dalana mankany Jerosalema i Jesoa sy ny Mpianatra, araka izany dia azo heverina fa tian’i Marka asiana tsindrim-peo ny hevitry ny fampianarana ho an’ireo izay mivondrona ho trano iray, ho Eglizy. Ho an’izay te hanara-dia an’i Kristy manko, tsy vitan’ny hoe tsy afaka hisaraka amin’ny vadiny (and. 9) fa tsy azo atao fa fijangajangana ny fampiakarana vady faharoa, na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy.
Ny Fiangonana anefa dia mila mijery mandrakariva ny fiainan’ny olona, mazàna rotidrotiky ny fahotana sy ny fahalemena, tahaka ny nataon’i Paoly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1Kor 7,10-16) hikatsaka izay hizoran’ny mpino ao amin’ny fiadanana, indrindra raha tafalatsaka amin’ny firaisana amin’ny olon-tsy mpino izy, sao izay no lalana hitondrana azy amin’ny famonjena, hoy i Md Paoly…
Ny tapany faharoa amin’ny Evanjely dia milaza fampianarana hafa koa.
- Md Marka 10,13-16
Nisy nitondra zazakely (παιδίον – paidion) maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, kanefa notenenin’ireo mpianatra mafy ireo nitondra. Tsy izay naharoaka demony amin’ny anaran’i Jesoa ihany no nanaovan’ireo mpianatra toeran-tsy zaka fa ny zazakely koa, satria matahotra sao tsisy toerana ho azy ireo intsony angamba any amin’ny fanjakan’ny lanitra fa ho lasan’ny zazakely avokoa (Mk 9,36).
Tezitra i Jesoa nahita izany, na ny marimarina kokoa nalahelo mafy (ἀγανακτέω agan – feno achtos – alahelo) satria tsy azon’ireo mpianatra fa tsy mampihena ny anjaran’izy ireo akory ny fitomboan’ny olona miditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy lova vokatry ny fahamendrehana sanatria fa fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Ny kely sy ny zaza no afaka mandray azy an-kafaliana araka izany, satria ny mpanankarena tsy mila zavatra omena maimaim-poana (mampitovy zo amin’ny mahantra izany ka tsy tantiny). Iza ary, mihoatra noho izy ireo no afaka hanatona an’i Jesoa?
Izay te ho mpianatr’i Jesoa koa, manaraka ny ohatra nomeny, dia manokan-tena handray ireo mahantra sy toy ny zaza, satria tsy manan-kavaly. Tsy amin’ny anaran’ny tenany anefa no anaovany izany fa amin’ny anaran’i Jesoa (Mk 9,40-49), mba tsy hahavery ny valisoa miandry azy ireo. Mahatsapa manko izay manao soa fa tsy azy fa “talenta” napetrak’Andriamanitra eo am-pelatanany no entiny hanaovan-tsoa, ka ny fikolokoloana ny madinika sy ny tsy manam-piahy no fampamokarana tsara indrindra hahafahana mampitombo izany “talenta” izany. Izany no hahafahany miantso ho “rahalahy” ireo nohasoavina ka tsy hiheverana ny tena ho ambony noho izy ireo.
Tsy afaka ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, hoy i Jesoa, izay tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely. Izay mihevitra ho mahavita tena, mihevitra fa ny fahaizany sy ny fiezahany no ahafahany manao zavatra na manan-javatra dia tsy afaka ny hiaiky fa fitiavana Andriamanitra ka izay manam-be dia hotakiana be, satria nomeny mba ho afaka hitia bebe kokoa. Izay mihevitra ny tenany ho mahavita azy dia tsy afaka ny hiantso an’Andriamanitra ho “Ray” “Abba”.
Fihinin’i Jesoa ireo zaza, ilazana ny fitiavany manokana azy ireo, ilazana fa vonona ny ho fiarovana ho azy ireo izy. Tsy maintsy ho mpiaro ny madinika sy izay verezin-jo (toy ny zaza – zaza bodo tamin’ny andron’i Jesoa) ihany koa ireo te hanara-dia Azy. Hitso-drano sy hanamasina no iantsoan’i Jesoa ny Mpianany fa tsy hanjakazaka na sanatrian’izany hahavita handroaka tahaka ireo Mpianatra fahiny. Hahay hanaja ny safidin’ny hafa koa anefa raha toa ka tsy mbola vonona ny hiaina ny Evanjely izy ka mbola “hiala amin’alahelo” (tahaka ilay mpanan-karena lazain’ny Evanjely Mk 9,13-28).
Mazava ny Tenin’i Malakia Mpaminany: “Mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.Fa hàlako ny fisaoram-bady, hoy YHWH, Andriamanitr’i Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasiahana ny fitafiany, hoy Iavehn’ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka” (Ma 2,15-16). Mba ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika mandrakizay anie ny Sakramentan’ny Fanambadiana Kristianina, ka ho loharano hanabeazana ny “taranaka araka an’Andriamanitra” (Ma 2,15), ka hahatonga ny tokantrano kristianina ho misionera, evanjely velona ho an’ny tontolo manodidina azy.
Rehefa mahaheno aho hoe ny fianakaviana no taniketsan’ny fiantsoan’Andriamanitra dia mametra-panontaniana hoe aiza no misy taninketsa malalaka noho ny tanimbary! Tsy tanin-ketsa ao an-tokan-trano fa irony tany mamokatra karakaraina tsara mba hahazoana masom-boly hafafy any amin’ny tanin-ketsan’ny hafa. Ho toerana hikolokoloana sy hiainana ny maha iraka ny Eglizy anie ny Fianakaviana Kristianina rehetra.
Ry Ray Mpahary ny tany aman-danitra ô, ny fitiavanao no loharanon’ny fitiavana marina, ary hita taratra amin’ny fahafoizan-tenan’ny ray aman-dreny miahy ny ankohonany ny fanasoavanao anay. Koa hanentana ny aim-pahasoavana ao aminay tsirairay avy anie ny fanomezan’ny Fanahinao Masina: hahatanterahanay ny didy fototry ny didy rehetra, dia ny fifankatiavana nampianarin’i Kristy.