Alahady faha-26 Taona A Mandavantaona
- Ezekiela 18, 25-28
- Salamo 24
- Filipiana 2, 1-11
- Md Matio 21, 28-32
Ny toky fitaka fa ny atao no hita
Manaiky hiaritra ny hafanana sy ny harerahana isika rehefa mazàva ao an-tsaina ilay denie iray ho valin-kasasarana. Tamin’ny Alahady heriny, raha nahita ny sarin’ny voaloboka maintso napetrako tamin’ny matoan-dahatsoratra ny namana iray, dia nilaza tamiko fa hanahirana ny hiasa any an-tanim-boaloboka raha mbola manta ny voaloboka : indraindray tokoa tsy ny hamboly sy ny hikolokolo no heverintsika hatao fa ny hioty izay efa nokarakarain’ny hafa. Na ny Evanjely aza moa milaza fa maniraka antsika hioty any amin’izay tsy nisasarantsika (Jn 4, 38).
Mpiasa ao an-tanim-boaloboka izany, saingy ambony lavitra noho izany ny Fiantsoana iantsoana antsika : ho Zanaka ao amin’i Kristy. Raha mandinika ny fiainantsika anefa isika dia mazàna tonga vesatra ny miheritreritra ny lasa, ny an’ny tena sy ny an’ny hafa. Ny an’ny tena, ireo otan’ny fahatanorana sy ny fahadisoana, angatahana fifonana lalan-dava amin’izy Tompo (salamo setriny Sal 24, 7); ny an’ny hafa, rehefa mitambesatra ny tsiaron’ny ratra nosedraina ka tsy hahafahana mamela marina tokoa amin’ny fo manontolo… tsy hino fa mety hibebaka ny ratsy fanahy, na dia mety ho amin’ny ora farany aza (vak I Ezek 18, 25-28), ka hitondra tena tahaka ny fiangavian’i Md Paoly hoe : hanao ny namany ho ambony noho ny namany avy (Vak II Fil 2, 1- 11).
Tsy mandeha ho azy ny finoana fa azo atao ny mibebaka, ka sarotra ny mino ny fiovana na ny an’ny tena fa indrindra ny an’ny hafa. Ny fomba fiteny “tanana zatra mitrotra” na ny “nandalo Ramaka”… na “tsy matoky saka fa trondro ny loaka”… dia manaporofo izany fahasarotana izany. Saingy ho antsika kosa, ny fanarahana ny lalan’ny Tompo dia ny fialana amin’ny haratsiana : izany no fibebahana. Raha tsy tsapantsika anefa fa ny hanehoan’Andriamanitra ny fahefany dia ny mamela heloka sy mamindra fo (Vavaka fangatahana) dia tsy ho vitantsika ny hamela heloka hatramin’ny impitopolo fito (Alahady 24 A), ary tsy ho vitantsika ny hifaly amin’ny hafa mahazo ny hivelomany isan’andro (denie iray) toa antsika na dia tsy niasa tahaka antsika aza (alahady 25 A).
Ny toko faha-21 ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio moa dia filazana ny fiakaran’i Jesoa ao Jerosalema, tanànan’i Davida. Araka ny fitantaran’i Md Matio manokana dia misy drafitra arahiny ny amin’izany. Asa telo anehoana ny fahefan’ny Mesia ny voalohany: ny fidirana mitaingina ampondra (Mt 21, 1-11); ny fandroahana ny mpivarotra tao an-tempoly sy ny nanasitranany ny jamba sy ny mandringa (and. 12-17) ary ilay aviavy tsy namoha sy maina (and. 18-22). Avy eo dia misy fanontanian’ny Jody mahakasika niavian’ny fahefan’i Jesoa manoloana ireo famantarana telo ireo (Mt 21, 23-27).
Avy amin’Andriamanitra sa avy amin’ny olona ny fahefan’i Jesoa? hoy ny fanontanian’ny Jody. Avy amin’Andriamanitra sa avy amin’ny olona ny Batemin’i Joany? hoy ny navalin’i Jesoa (Mt 21, 23-27). Ary satria ny fandàvana ny hitady ny marina no mahatonga ny Jody hilaza ho tsy mahafantatra ny valin’izany dia amin’ny fanoharana telo no ilazan’i Jesoa ny fomba fandavan’ny lohandohan’ny Mpisorona sy ny loholona ny marina ambaran’izay irak’Andriamanitra hitondra ny Teniny ka handavany ihany koa ny fanjakan’ny lanitra: ny fanoharana ny amin’ny zanaka roalahy (Evanjely 26 A: Mt 21, 28-32), ireo mpamboly voaloboka mpamono olona (Evanjely 27 A: Mt 21, 33-46) ary ny fanoharana fahatelo no tohizan’ny Evanjelin’ny Alahady 28 A (Md Matio 22, 1-14), fanoharana ny amin’ilay fanasana amin’ny fampakaram-bady.
Ireo zanaka roalahy lazain’ny Evanjely anio ary dia entina ilazana ny fandraisana ny Teny avy amin’ilay Ray sy ny fanatanterahana azy mba hampisy heviny ny fiainantsika ka hidirana amin’ny hafenoan’ny fahasambarana, ka tsy sanatria ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena no hialoha antsika any amin’ny fanjakan’ny lanitra, satria nihaino ny lalan’ny fahamarinana notorian’i Joany, kanefa isika tsy mihaino ilay Teny tonga nofo, “lalana sy fahamarinana ary fiainana” omen’ny Ray ho antsika.
Ny mpamboly nanankinana ny tanim-boaloboka dia entina ilazana ny fizotry ny tantaram-pamonjena teo amin’Israely. Ambaran’i Matio fa nandefa ny Mpaminany taloha (ireo ao amin’ny Bokin’ny Tantara sy ny Mpanjaka) sy ny taty hafara (ny Mpaminany 12) Andriamanitra, kanefa nitovy avokoa ny nafitsoky ny olona azy ireny: nosamborina, nokapohina, novonoina sy notorahana vato. Ny handray ny vokatra no nanirahany ireo mpanompo ireo. Ny zanany no nirahiny farany, saingy adinon’ireto mpanompo fa raha tsy mbola maty ilay naniraka ny zanany dia tsy hahazo lova izy ireo fa nitady loza. Tsy sanatria isika nofidiany no tsy hanome ny vokatry ny tanim-boaloboka rehefa irahin’Andriamanitra hitaky izany eo amintsika ny solo-tenany, dia ireo mahantra sy fadiranovana ary tsy manam-piantra, mbola halalinintsika amin’ny Alahady 27A. Ny fanoharana fahatelo dia mikasika ny Fanasana amin’ny fampakaram-bady (Alahady 28A).
Na ny hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka, na ny hioty ny vokatra fotsiny ary na ny hihinana fotsiny koa aza, rehefa handà ny olona dia mahita ala olana foana. Tsy Andriamanitra anefa no tsininy fa ny toe-po feno avonavona manakana antsika tsy hiaiky ny fitiavany maimaim-poana.
Andeha ary hiverenantsika ny antsipirihin’ny Evanjely anio izay mety hanampy antsika amin’ny fanatanterahana marina tokoa ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny fanoharana ny fomba fanekena dia ny fifandraisan’ny ray sy ny zanaka. Ny ray moa, araka ny fampianaran’ny psikolojia sy ny ara-tsôsialy, dia ny olona natao hanampy ny zanaka mba hanaja ny fitsipika sy ny lalàna misy eo amin’ny fianakaviana sy ifanarahana eo amin’ny fiaraha-monina. Izy koa no mampianatra ny zanaka hisitaka tsikelikely amin’ny reniny, ka hampahatsiaro azy fa tsy izy no ivon’izao tontolo izao, tsy heveriny ho toy ny reniny, hanome nono azy daholo akory ny manodidina azy, fa handray andraikitra kosa izy, tsy maintsy handao ny trano fonenany, hivoaka hiasa any an-tanimboaloboka. Tsy sanatria tsy fitiavana azy anefa no anaovan’ny rainy izany, fa kosa ilay lalana tokana hahafahany mampisy heviny ny fiainany, ka hahafahany miatrika ny ho aviny.
Tamin’ny herinandro dia voalaza fa nitovy ny karaman’ireo niasa adim-pamantaran’andro iray sy ny niharitra ny masoandro tontolo andro. Izany no hilazana ny hatsaram-panahin’ny tompon’ny tanimboaloboka. Anio dia ny zanany roalahy no irahiny. Mazava loatra, fa manoloana ny halemem-panahin’ny rainy, dia tsy mampaninona ny zanaka loatra ny hamaly hoe: tsy handeha hiasa aho, na ny hilaza handeha nefa tsy ho any akory. Ny mpiasa niasa adiny iray aza nahazo denie iray ve.
Amin’ny fitantarana hita ao amin’ny Baiboly 2011 moa dia mifamadika ny fitantarana ireo zanaka roalahy, satria nampanarahan’ny mpandikateny ny antsoina hoe “codex vaticanus” (IV s), izay nihevitra fa Israely no ilay zanaka lahimatoa nanaiky saingy tsy nanatanteraka, ka nampifamadika ny toeran’ireo zanaka, hilazana fa ny tsy mpino nandà nefa nibebaka (μεταμέλ(λ)ομαι), dia ny Fiangonana. Tsy izay loatra anefa no tanjon’ny fanoharana ary tsy manova ny votoatin’ny hafatra tiana hampitaina koa izany. Ny dikanteny vakiana amin’ny Litorjia rahateo mbola mijanona ny dikan-tenin’ny 1983 izay heverina fa mifanaraka kokoa amin’ny dikanteny be mpampiasa (Diatessaron sy ny an’ny Aban’ny Fiangonana toa an-dry Iréné, Origène, Eusebe sns).
Samy voairaka hiasa any an-tanimboaloboka ireto zanaka roalahy: ny voalohany nandà nefa nanenina dia nandeha ihany avy eo, ny faharoa kosa nilaza fa handeha kanefa tsy nandeha. Ho an’i Matio, ny teny lazaina dia “toky fitaka”, fa ny “atao no hita”. Ny fiainantsika andavanandro no anaporofoantsika fa miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo marina tokoa isika. Ny fibebahana (metanoia) dia ny fampifanarahana ny fiainantsika amin’ny sitrapon’ilay Mpaniraka.
Ny fahitana ny “lalan’ny fahamarinana” notorian’i Joany no nampibebaka ny mpamory hetra (τελώνης telones) sy ny mpivaro-tena ka idiran’izy ireo ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Izany lalam-pahamarinana (צְדָקָה) izany moa dia miverimberina matetika ao amin’ny Boky Ohabolana (mampahazo harena: Ohab 8, 20; lalan’ny fiainana: Ohab 12, 28; hahitana ny satroboninahitra: Ohab 16, 31; avadiky ny kolikoly: Ohab 17, 23; mahafaty ny fialàna aminy: Ohab 21, 16; hahazoana ny fiainana sy ny voninahitra ny fanarahana ny fahamarinana sy ny fitiavana: Ohab 21, 21). Ny fampifanarahana ny fiainana amin’ny Tenin’Andriamanitra, na ny fanekena hiasa araka ny sitrapony, araka ny lazain’ny Evanjely anio no lalana mitondra ao amin’ny fiainana sy ny voninahitra (כָּבוֹד kabôd).
Ny halehiben’ny fitiavana, hoy i Kristy, dia arakaraka ny fahafoizana : “tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’izay lazainy ho tiana” (Jn 15, 13). Ohatra no navelany ho antsika : ny fahafoizana ny maha-Andriamanitra Azy mba hietry toy ny mpanompo (doulos = andevo) (Fil 2, 6-7), hanome ohatra antsika fa tsy ny anaram-boninahitra tsy akory no inona fa ny fiainantsika mifanaraka amin’izay andraikitra nankinina amin’ny tena. Andriamanitra moa naka ny fomban’ny mpanompo, ny antsika kosa indraindray, izay nantsoiny hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka, mihevitra ny tenany ho andriamanitra, mitady haka ny tanimboaloboka ho azy aza indraindray (Evanjely 27A).
Mampandinika ihany ny tenin’i Jesoa tamin’ny Lohandohan’ny Mpisorona sy ny loholona : “Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikana sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny Fanjakan’ny Lanitra” (Mt 21, 31). Tsy hoe tsy afaka hiditra any izy ireo, fa miankina amin’ny fanekeny hihavao ka hanaiky hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka kosa.
Ny Vakiteny I (Ez 18, 25-28) dia mampianatra antsika ny tena fibebahana marina ka hahazoantsika ny hevitry ny sakramentan’ny fibebahana sy ny fampihavanana, araka ny tokony ho izy. Tahaka an’ireo Jody nitenenan’i Ezekiela ihany isika indraindray ka mihevitra fa Izy Tompo no manasazy ny vahoakany. Tsy sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra no mampijaly antsika fa vokatry ny fahotana ataon’ny olombelona ihany. Ny mampalahelo dia ny sasany no manota ary ny tsy manan-tsiny no mizaka ny vokany. Tsy ny fahotana anefa no tompon’ny teny farany. Afaka mibebaka ho amin’ny fiainana mandrakariva ny tsirairay. Ampy anefa ve ny manatona ny pretra, milaza ny fahotana sy mandray ny famotsorana mba hampilamina ny “conscience”, ny feon’ny fieritreretana?
Tsia, tsy ho ampy hahavelona ka tsy hahafaty izany, hoy Ezekiela.
Singa dimy no ampianarin’ny Eglizy antsika mba hahafahana “manokatra ny maso”, izany hoe mandinika (רָאָה ra’ah) ka miala amin’ny fahadisoana rehetra mba ho velona. Ireto ireo dingana dimy (05) farafahakeliny tokony ho tsaroana mba hiomanana amin’ny konfesy tsara araka ny fampianarann’ny Fiangonana:
1- Ny fiantsoana ny Fanahy Masina hanilo ny saintsika hahalala izay zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Soratra Masina (examen de conscience). “Ny hatsaram-pon’ny Tompo no hanoroany lalana ny mpanota”, hoy ny Salamo 24;
2- Fanenenana marina tokoa amin’ny fahotana vita, izany hoe ny fahatsapana fa nanimba ny fiainana, mitondra amin’ny fahafatesana ny tsy marina natao;
3- Fikasana hanatsarana ny fiainana sy fitadiavana ny fomba tsy hiverenana intsony amin’ny fahotana, amin’ny fanarahana ny hitsiny (מִשְׁפָּט mishpat) sy ny rariny (צְדָקָה tsedaqah);
4- filazana amin’ny pretra ny fahotana (konfesy): izay fankalazana ny halehibeazan’ny indrafon’Andriamanitra manoloana ny faharatsian’ny olombelona;
5- Asa fivalozana (fanonerana) na asa fandavorariana (satisfaction).
Ampahatsiahiviko mandrakariva ny kristianina ny torohevitr’i Kardinaly M. Martini, arseveka tany Milan, momba ny konfesy[1]. Zavatra telo, hoy izy no tokony hifantohan’ny saina amin’izany:
- : ny fahotana dia ny fanaovana tsinontsinona ny fitiavana, ka tsy fahaizana mampifanaraka ny fiainana amin’izay lalana mitondra amin’ny fahasambaran’ny tena sy ny hafa. Ny fahatsiarovana fa fitiavana ny Ray no manentana ny fo haniry ny hiverina, hanaiky hiasa any an-tanim-boaloboka satria izany no mendrika ny maha-zanaka. Tombontsoa holovain’ny zanaka ihany izay vokatra ho azo eo.
Io no lazain’ny Salamo 24 mivavaka amin’Izy Tompo hoe: “Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao izay efa hatramin’ny fahagola. Noho ny fitiavanao, ry Tompo, adinoy ny otako fahazaza” (Salamo setriny).
- : hitodrana eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fiainana, indrindra ireo izay tsy nifanaraka tamin’ny fitiavana ka tsy nahasoa ny tena sy ny hafa, hilazantsika aminy fa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehany isika, hilazana ihany koa ireo hetaheta tiantsika ankinina manokana amin’ny famindram-pony.
- hanavaozantsika fa tsy ny ezaka ataontsika loatra fa ny herin’ny Fanahy Masina izay manavao ny fo sy ny fiainana no itokiantsika mba tsy hampirona intsony ny fiainantsika ao anatin’ny fahotana izay manimba ny fiainana (ny antsika sy ny an’ny hafa) ary mahatonga antsika tsy ho sambatra (sy tsy hahasambatra ny hafa) ka hitady hasambarana amin’ny zava-mandalo: “Iraho ny Fanahinao, ry Tompo, dia havaozinao ny endriky ny tany” (Sal 104, 30).
Izany no antony mahadiso ny fiheverana fa hiezaka aloha ka rehefa miova ny fiainana vao hankalaza ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony amin’ny Kônfesy. Misy manko ny tsy mazoto mikônfesy satria mihevitra fa fiatsaram-belatsihy fotsiny ihany no andehanana any amin’ny pretra nefa ny fiainana tsy miova akory. Ataontsika ahoana anefa ny hiova raha tsy ny fahasoavan’Andriamanitra no mambomba antsika! Fankalazana sy fanamafisana ny finoana sy ny fiankinana amin’izany fahasoavana izany ny Kônfesy, ary amin’ny maha-sakramenta azy dia mitaky kosa ny faniriantsika hihavao marina tokoa.
Fotoana sarobidy handinihana ny fiainana io ka tsy tokony atao an-tsirambina ny fanomanana azy. Izay mety ho faharavan’ny fihavanana amin’Andriamanitra sy ny namana manko dia manakana ihany koa ny hafaliana tsy ho lavorary. Ilaina ny mikonfesy matetika satria tsy ny fahotana manimba ny fiainantsika ihany no tanisaintsika eo anatrehan’ny pretra, fa ny fankalazana ny indrafo tsy hita lanin’Izy Tompo ihany koa, ao no hahatadiavantsika fa talenta iray alina no trosantsika navelany, noho isika tsy manan-kaloa. Ao no hanovozantsika ny fahasoavana hanohana ny faniriana sy ny ezaka hanatsarana ny fiainana maha-zanak’Andriamanitra. hiovana hevitra amin’izay rehetra mety ho fandavana ny iraka nampanaoviny antsika.
Raha mahatsapa tena ho zanaka ary isika, dia hitondra tena araka ny maha-zanaka, tsy ho sanatria hihanona amin’ny maha-mpikarama ka hiasa ihany ho an’ny denie iray, na sanatria hiaina amin’ny fiatsaram-bela-tsihy ka hanao “eny” eo am-bava ihany (Evanjely Mt 21, 28-32).
Fiainana izany maha-zanaka izany ny fandraisana ny hafa ho iray tampo ka hifankatiavana marina tokoa, amin’ny “fiheverana ny hafa ho ambony noho ny tena”, hoy i Md Paoly (Vak II). Tsy hoe sanatria hanaratsy ny tena, (satria raha tsy mahita ny asan’Andriamanitra ao amin’ny tena isika, tsy afaka ny hisaoratra Azy,) fa kosa hijery ny hafa amin’ny maha-izy azy, vonona hanompo ny hafa. Fanoharana ampiasaiko matetika ny hoe: raha olona heverinao ho manan-kaja no mivahiny ao an-tranonao, misomebiseby ianao amin’ny fandraisana azy.
Raha ny Papa na ny Eveka, solontenan’i Kristy no tonga hamangy, manakory ny fiomanana sy ny hafaliana enti-mandany vola aman-karena amin’izany. Izany toe-po izany koa anefa no tokony ho entinao mandray ny namana, izay miara-mitoetra aminao isan’andro. Rehefa ny endrik’i Kristy noana, mangetaheta, tsy mitafy, marary, mivahiny sy migadra no tonga mandondòna ao am-baravarantsika, manahoana nny hafaliana sy ny fietseham-po entintsika mandray Azy?
Mbola mila fibebahana lalina ny fomba fifandraisantsika, mbola feno fifampiandaniana sy filan-dera foana, lavitra ny fiainana ao amin’i Kristy, nolazain’ny Vakiteny II. Ndeha hiaraka hivavaka amin’ny Mpanao salamo mba “hampahafantarin’Andriamanitra antsika ny lalany ary hampianariny antsika ny sori-dalana” (Sal 25, 4) hampahiratra ny masontsika (Ez 18, 27), ka hanenenantsika amin’ny fandavana ny sitrapony (Evanjely) ka hizorantsika indray amin’ny fahasambarana atorony.
Andro iraisam-pirenena hahatsiarovana ireo mpitsoa-ponenana sy voatery mandao ny tanindrazany moa ny alahady faha-efatra amin’ny volana septambra. Tsaroantsika manokana ireo olona mivahiny lavitra ny tanindrazany, ary enga anie isika kristianina ho lohalaharana amin’ny fiantrana azy ireny, sady izany no “iraka”, mission, ivelomantsika manokana mandritra ny volana ôktôbra.
[1] (Cfr. incontro al Signore Risorto, Volume I. pp. 109-113)