Alahady faha-26 mandavan-taona Taona B
- Fanisana 11,25-29
- Salamo 18
- Jakôba 5,1-6
- Md Marka 9,38-43.45.47-49
Iza avy no tena an’i Kristy?
Anareo mpanan-karena kosa indray izao: mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona. Raha tsy azo ny zavatra tian’i Md Jakôba lazaina dia tahaka ny hoe mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fiadanana eto an-tany, ka sanatria iriany ho fadiranovana avokoa ny olombelona rehetra. Tsy ny harena amin’ny maha harena azy no melohin’ny Apôstôly fa ny mety ho fanangonana azy tsy an-drariny na koa ny tsy fampiasana azy araka ny tokony ho izy. Any amin’ny fiantombohan’ny taratasiny i Md Jakôba dia mampahatsiaro antsika fa ny filan-dratsy rehefa eken’ny olona dia miteraka ota, ary ny ota rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana (Jak 1,15).
Ny hahavelona antsika no sitrapon’Andriamanitra ka ny haren’ny tany, nohariany sy natolony antsika olombelona dia fitaovana ihany hahasambatra antsika, ary fitaovana nomeny mba hampisy heviny ny fiainantsika amin’ny fahafahana manampy ny hafa na amin’ny fahaizana mandray avy amin’ny hafa mba hisaorana an’Andriamanitra irery ihany. Sanatria manko lasa tanjona ny haren’ny tany, dia ny fiainana sy ny fahasambarana indray no lasa fitaovana hikatsahana azy.
Fahafatesana no tambin’ny ota, ka raha ny faniriana hanangon-karena no hametsena ny karaman’ny mpiasa, ary hahavitana mamono hatramin’ny olo-marina satria manelingelina ny tombontsoa; raha sanatria ny hanim-py sy fanaranam-batana amin’ny fahafinaretana no atao fomba fiainana manoloana ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny hafa, dia famokisana ny fo ho amin’ny fahafatesana izany, hoy i Md Jakôba. Ampahatsiahiviko mandrakariva mandritra ny karemy fa raha tsy mihoatra izay laniana amin’ny fetin’ny Lundi de Paques ny fifampizarana angonina mandritra ny karemy sy lazaina fa hanampiana ny mahantra, dia mbola fihatsaram-belatsihy handaminana eritreritra ny antsika fa tsy fiainam-pitiavana mifanaraka amin’ny Evanjely.
Tamin’ny alahady heriny isika dia nampahatsiahivin’ny Boky Fahendrena fa ny faharetana sy ny fandeferana no mampiavaka ny Zanak’Andriamanitra. Efa maro ny tranga nampikomy ny mahantra sy ny fadiranovana mba hamadika ny rafitra misy eo amin’ny fiaraha-monina fa matetika ra mandriaka sy faty mikararana no setrin’izany ary indraindray aza, tsy mihatsara fa vao mainka mihamafy ny ady atrehin’ireo voan’ny tsindrihazolena. Tsy ny olona manko no olana fa ny toe-tsaina sy ny fahotana mahazo vahana ao anatin’ny fontsika. Araka izany, raha ny mpanan-karena sy izay nahazo fahefana no manomboka manova izay tsy ara-drariny eo amin’ny seha-piainana ikatrohany dia hanjary paradisa ity tany ity. Mampalahelo ny mahita olona mamerina amin’ny hafa ny zavatra efa niaretany rehefa mba mahazo fahefana fa vao mainka mampalahelo ny mahita olona maniry sy mandrombaka fahefana mba hiarovana ny tombontsoa manokana. Lavitra ny Evanjely izany toe-tsaina izany. Fanompoana no anaran’ny fahefana araka ny Evanjely.
Mila fibebahana ny fandraisana ny Evanjely izay mandidy ny mpianatr’i Kristy hivarotra ny fananany rehetra ka hizara izany ho an’ny mahantra raha tiany ny ho lavorary. Izany fahalavorariana izany no mifanaraka amin’ny toetra maha zanak’Andriamanitra. “Na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro” (Lk 14,33). Mba firy araka izany no tena mpianatr’i Kristy?
Ny Vakiteny I dia mbola mandeha lavidavitra kokoa noho ny fitantanana ny harena eto an-tany. Ambaran’ny Boky Fanisana fa tsy ireo 68 tao an-toby ihany no nandray ny Fanahy izay tao amin’i Môizy fa i Eldada sy Medada ihany koa. Tsy anarana fe anarana anefa ireo, satria אֶלְדָּד ‘Eldādh dia “ilay notiavin’Andriamanitra” no dikany ary מֵידָד Mêdhādh kosa dia ny fitiavana iainana vokatry ny fahatsapana fa notiavina, izany hoe ireo miaina ny fitiavana satria tonga taratry ny fitiavana itiavan’Andriamanitra azy. Ireo no afaka mandray ny Fanahy ka haminàny, hanambara ny hafatr’Andriamanitra izay azo fintinina amin’ny teny fohy hoe: tia antsika Andriamanitra ary miantso antsika mba ho tia tahaka ny itiavany antsika. Eldad sy Mêdad.
Fa ny tena zava-doza dia ny fahadisoan-kevitra, sahala amin-dry Josoe, handrara azy roalahy tsy haminany, sahala an’ireo Apôstôly milaza amin’i Jesoa am-pireharehana fa avy nandrara ilay nandroaka demony tamin’ny anarany satria tsy miaraka amin’izy ireo (Evanjely Mk 9, 38), vokatry ny fiheverana fa zavatra nobaboina ny fanomezan’ny Fanahy Masina ka na izay olona manome tanana antsika amin’ny asa ankinina amintsika aza, dia sakanana satria manakana antsika tsy hieboebo sy tsy hirehareha. “Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika” (Mk 9, 40), “izay tsy momba Ahy, manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory Amiko dia manahaka” (Mt 12, 30). Izay mety ho fanilihana sy fitsitokotokoana dia tsy azo heverina fa fiombonana amin’i Kristy.
Ny avonavona no manakana ny olona tsy hahita ny soa sy ny loharano iaviany ka mahatonga azy tsy ho faly amin’ny fahitana ny soa ataon’ny hafa. Tsy avelan’i Jesoa handrara na iza na iza hanao soa isika, eny fa na dia ireo tsy mitovy fomba fihevitra na ireo tsy miombona amintsika ao amin’ny foto-pinoana aza.
Mila ianarana ny mifaly amin’ny soa vita, na iza na iza sitrak’Andriamanitra hanatanterahana izany. Mampianatra antsika ny vakiteny I mba hampandray anjara ny hafa amin’ny asam-pamonjena, ho tompon’andraikitra hanao tan-tsoroka amin’ny fitantanana ny vahoaka, mba tsy hahatongavana amin’ny fahakiviana ka haniriana ho faty, tahaka an’i Môizy (Fan 11,15).
Fa mbola izany koa no hamafisin’ny Evanjely ka hiverenantsika hohalalinina misimisy kokoa.
- Md Marka 9,37-39
Ry Mpampianatra o! Nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay, nefa tsy namantsika ka noraranay…
Nolazain’i Marka fa tsy naharoaka ilay Demony moana ny mpianatr’i Jesoa (Mk 9, 18) kanefa kosa manankana olona tsy miara-dia amin’izy ireo mampiasa ny anaran’i Jesoa handroahana demony. Mipetraka ny fanontaniana: raha misy olona mahavita tsaratsara kokoa noho isika amin’ny asa ampiandraketina antsika sy ny mission anirahana antsika, tokony ho faly ve isika sa ho sahirana hihosy loha, hitady ny fomba hanakanana azy satria isika fa tsy izy ireo no “tompon’andraikitra« ? Misy olona afaka mampiasa ny anaran’i Jesoa ve dia misy tsy mahazo mampiasa ka tokony horaràna?
Araka ny fitantaran’i Lioka moa dia i Joany no nihazakazaka nitantara tamin’i Jesoa fa nosakanany ireo nandroaka ny demony tamin’ny anaran’i Jesoa satria tsy miaraka Aminy, tsy manaraka ny drafitra napetraka harahin’izay te ho mpikambana (Lk 9,49). Mampieritreritra ihany ny trangan-javatra toy izany. Raisintsika ohatra hoe raha toa ka eo am-pijinjàna vary isika no mandalo ny olona iray mba hanome tanana ka mahavita bebe kokoa noho isika dia ho tezitra ve isika. Raha samy mitondra mody izay voajinjany dia marina sy mitombona ny fialonana, fa raha mijanona ho an’ny tompom-bokatra kosa ny vary azo, ary ny asa, atao maimaim-poana, hadalana miharo tsinjaka ny fandraràna izay mahavita bebe kokoa noho ny tena. Fa nahoana àry no tezitra ireo Apôstôly?
Trangan-javatra toy izany dia mety mitranga koa na ao amin’ny Fiangonana ankehitriny aza rehefa samy mitady ny voninahitra ho azy sy miezaka hisehoseho ho mahavita misimisy kokoa noho ny hafa, ka adino fa i Kristy no miantso ny rehetra ary ny asa vita no hafaliana ho Azy niantso ny rehetra sy ny tsirairay ho eny an-tanim-boaloboka, ary “denie iray” avy no karama itovizan’ireo miditra amin’ny dimy maraina sy ireo miditra amin’ny dimy hariva, hany ka tsy afaka ny hifaly amin’ny soa hoentina hiderana ny anaran’i Jesoa, rehefa olon-kafa no mahavita izany.
Mazava ny tenin’i Jesoa ho an’izay te ho mpianany: izay mitolona mba ho an’ny fahasambaran’ny madinika sy ny ory dia momba Azy; izay tsy misaina izany kosa dia manohitra Azy. Matoa misy fialonana sy fifandirana eo anivon’ny Fiangonana dia satria nanjary fitadiavam-boninahitra sy tombontsoa manokana ny asam-panompoana, ary ny zava-doza aza indraindray dia adino hatramin’ny antony niantsoan’i Kristy ny Mpianany: hitory ny Evanjely amin’ny fanaovan-tsoa maimaim-poana (Mt 10,8). Sarotra ny mahita kristianina hiady hanatontosa asa fanompoana raha toa ka ny avy ao am-paosy no mivoaka ary tsy misy kabary fisaorana sy mari-pankasitrahana ny asa atao fa asa maharitra sy mitaky fandavan-tena isan’andro.
Mazava anefa ny valisoa miandry ny tsirairay: mitovy ny valisoa omena ny Mpaminany sy izay mandray ny Mpaminany, mitovy ny valisoan’ny olo-marina sy izay mandray ny olo-marina (Mt 10,41); ary izay manome rano eran’ny kapoaka ny mpianatr’i Kristy dia tsy ho very valisoa.
Tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny anaran’i Jesoa ka hanaratsy azy vetivety foana. Mampandinika antsika izany amin’izay ataontsika, raha miara-mamory amin’i Kristy isika na sanatria manahaka, izany hoe na hisintona ny olona ho antsika sy hanaraka ny fombantsika na hitondra azy ireo ho any amin’i Kristy, ka ny hazavana avy Aminy no handresy ny herin’ny maizina(Mt 12,30).
- Md Marka 9,40-49
Nifanaraka tamin’ny mpiasany ilay tompon’ny saha fa denie iray avy isan’andro no karamany (Mt 20,2). Mitovy ny horaisin’ireo niditra vao maraina sy ireo niditra tamin’ny ora farany; mitovy ny valisoa omena ny Mpaminany sy izay mandray ny Mpaminany, mitovy ny valisoan’ny olomarina sy izay mandray ny olomarina (Mt 10,41); ary izay manome rano eran’ny kapoaka ny mpianatr’i Kristy dia tsy ho very valisoa, hahazo ny valisoan’ny Mpianatra niaritra ny hain’andro. Moa ve tsy ny paradisa no natolotr’i Jesoa an’ilay jiolahy nandray Azy ho mpamonjy tamin’ny ora farany hahatapitra ny ainy?
Tsara hotsipihina àry aloha hoe: Izay manome rano iray kapoaka “amin’ny anaran’i Jesoa”: mila mandinika ihany isika hoe amin’ny anaran’iza no anaovantsika soa. Izay mahatsiaro fa fahasoavana sy tombom-pitiavana no ananany zavatra azo atolotra dia amin’ny anaran’Ilay nanasoa azy no hanolorany izany ho an’ny hafa fa tsy amin’ny anaran’ny tenany. Raha toa ka tsapantsika fa avy amin’Andriamanitra avokoa izay eo am-pelatanantsika (1Kôr 4,7) dia mazava loatra fa fisaorana Azy no manokatra ny fontsika hanao soa.
Mety hisy hieritreritra araka izany hoe inona àry no hiasana vao maraina ao raha mitovy ny kandra! Ny risika tokony ho fantatra dia misy ireo voaantso hiasa ao amin’ny saha ka tsy mamaly ary tavela any ivelany satria lasan’ny sasany ny toerana (Mt 22,3) ary tsy ny hakamoana no tsy niasan’ireo niditra tamin’ny ora farany. Manaporofo izany ny faharetan’izy ireo teny an-kianja mba hiandry ny mpanakarana.
Ao amin’ny fitantaran’i Matio (10,42) dia ireo madinika no mpianatr’i Kristy. Tsy valisoa aorian’ity fiainana ity anefa no lazain’ny Evanjely fa ny tombontsoa manokana azon’izay mandray ny mpitondra ny Evanjely: ho zary trano honenan’ny Evanjely (Mk 6,10). Fa izay hanafintohana ireo mpianatra ireo kosa, izay mamandrika azy ireo mba hianjerany ka tsy hahafahany mitory ny Evanjely, dia tsaratsara ho azy ny havarina any anaty ranomasina. Azo lazaina ho madinika ihany koa ireo olona nentanim-pinoana handray ny Evanjely kanefa mitsoaka matanjaka noho ny toeran-tsy zaka sy ny fanafintohinana ataon’ny sasany.
Tsy ny fandosiran’ny olona anefa no inona. Na ilay zatovo mpanankarem-be aza niala teo amin’i Jesoa rehefa nilazany ny marina (Mk 10,22), marobe no lasa rehefa nolazainy fa tsy misy lalana hafa hahafahana mihazo ny fahasambarana raha tsy mihinana ny nofony, izany hoe mampifanaraka ny fiainana amin’ny fiainany (Jo 6,66). Eto dia mazava ny antony mahatonga an’i Jesoa miteny io amin’ny mpianatra: izay mialona ka manao toeran-tsy zaka amin’izay mahavita bebe kokoa noho izy (nandroaka demony nefa tsy isan’ny mpianatra) dia tsaratsara ho azy ny mivarina any an-dranomasina.
Ahoana ary no hahafahana mioitra amin’izany? Ambaran’i Md Marka amin’ny andininy manaraka ny Evanjely anio (and. 49-50) fa ny olona tsirairay dia hosiraina amin’ny afo. Ny sira moa, araka ny torolalan’ny Levitika (Lev 2,13) dia mila atao amin’ny sorona atolotra an’Andriamanitra mba hitahirizana sy handiovana azy, etsy andaniny, ary mba hampisy tsiro azy kosa etsy an-kilany. Mila mandio ny tenany araka izany izay te ho tonga fanatitra mendrika an’Andriamanitra. Raha ny tanana na ny tongotra na ny maso no manakana antsika tsy ho mendrika dia anjarantsika ny mandio izany.
Fanafintohinana ny tanana tsy mahay afa-tsy ny manangona ho azy, mangalatra sy mifetsy, tsy afaka ny hizara, ary raha mba mitsotra dia ny hanendrikendrika na ny hikapoka ny hafa no atao. Fanafintohinana ny tongotra mahavita mitsinjaka sy mihazakazaka raha ny hafinaretana sy ny voninahitry ny tena no katsahina, saingy malaina kosa amin’ny fandosirana ny ratsy. Raha ny tongotra no sanatria tonga fakam-panahy hanatonana ny ratsy na handosirana ny adidy, aleo tapaka izy toy izay tsy hiditra any amin’ny fiainana. Izay tsy mahavita manala eo amin’ny fiainany ny zavatra manakana azy tsy hamokatra (fanafintohina, tahaka ilay aviavy tsy nahitana vokatra (Mk 11, 13-14.20-21) dia holatsain’ny fiainana na ho ela na ho haingana.
Raha sanatria tsy afaka ny hahita ny tsara intsony ka ny hitsikilo ny ratsy ataon’ny hafa mba hifosana sy hialonana no ampiasana ny maso, dia mila fehezina mba tsy hivarinana any amin’ny lohasahan’afo. Tsy nahary ny maso ihany, fa ny hodi-maso koa, Andriamanitra, hoy ny Olon-kendry iray, satria antsoiny isika hanakipy ny maso tsy hijery izay mety ho varavarana hidiran’ny fahotana sy mety hanakana tsy hitia. Manala tsiny ny zavatra rehetra ny fitiavana (1 Kôr 13, 7).
Sokajian’i Joany telo moa ireo ratsy manandevo ny olona: ny “filan’ny nofo” moa dia entiny hilazana ny filàn’ny vatana izay efa tsy voafehin’ny olona intsony; ny “fitsiriritan’ny maso” te hahazo izay rehetra tazany, ἐπιθυμία (epithumia) no ampiasain’i Joany, amin’ny hoe filan’ny nofo sy fitsiriritan’ny maso, izany hoe faniriana miverimberina ka tonga fijaliana ny tsy fahatanterahany, ny foto-tenin’io matoanteny io dia θύω (thuô), izay misy heviny roa: “sacrifier” –“s’emporter”, ka rehefa tsy mahazo izay ilainy araka izany ny nofo sy ny maso dia mety ho sorena na sanatria an’izany hahavita hanadino ny fitiavan’Andriamanitra mba hahazoana ny zavatra irina; ny zavatra fahatelo mampanalavitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia ny “rehaka amin’izao fiainana izao” (ἀλαζονεία – alazoneia), ny fitokisana amin’ny haren’ny tany hireharehana amin’ny mpiara-belona ka mampivily lalana tsy hitokisana intsony amin’Andriamanitra (1Jo 2,16-17).
Ny tsy fahaizana mifehy tena ny amin’izany, hoy i Jesoa, dia tsy hoe mahatonga any amin’ny afobe rehefa maty, fa mety hamarina ny tena manontolo ao amin’ny gehen’afo izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo (miverina in-telo moa io fa araka ny manuscrit sasany dia amin’ny andininy 48 ihany no lazainy).
Ny tsy fitandremana ka tsy hahafehezana ny tena dia manakana amin’ny fidirana amin’ny fahasambarana. Ny antony voalohany dia satria ny fiainanao ihany no ho potika ka ho lasa fakofako, hatsipy ao amin’ny fanariam-pako ao atsimon’i Jerosalema (gehen’afo)[1]. Ary tsy vitan’izany fa ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa, hoy ny Ntaolo. Izay no olitra tsy mety maty ho an’izay mandà ny lalana atoron’Andriamanitra hahasambatra azy, araka ny lazain’i Izaia mamarana ny bokiny (Iz 66,24).
Ny mpianatra manko dia tsy vitan’ny hoe fanatitra diovina amin’ny afo sy ny Fanahy ihany (i Jesoa no manao Batemy azy ireo Mt 3,11//Lk 3,16) fa antsoin’i Jesoa koa ho tonga fanasina ho an’ny tany (Mt 5,13). Izy ireo no hahatonga izay mibebaka sy mandray ny Evanjely ho fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra. Raha sanatria ka lefy anefa dia tsy azo ampodiana intsony ny tsirony. Antsoin’i Jesoa hahatsiaro mandrakariva ny maha sira antsika araka izany isika mpianany ka ho tsara fihavanana amin’ny olona rehetra (tsy sanatria handroaka izay tsy namana).
Hitombo ao amintsika anie ny fitiavana nanentana an’i Md Vincent de Paul (27 septambra), Olomasina Mpiharo an’i Madagasikara, hanolotra ny tena manontolo ho fanasoavana ireo sitrak’i Kristy ho endrika isehoana, hanomezantsika kosa hasina sy lanja ny fiainantsika. Ary ny Fankalazana ny fetin’i Misely sy Rafaely ary Gabriely (29 septambra) sy ny Fetin’ny Anjely mpiambina (2 oktobra) anie dia hahafahantsika manavao ny fiekem-pinoantsika milaza fa “mino an’Andriamanitra nahary ny zavatra rehetra, na ny hita maso na ny tsy hita”, ka ireo Anjely, iraka, hari-tanany ho toky ho antsika amin’ny famaliana ny antsom-pahamasinana hahasambatra antsika.
Andriamanitra Ray iombonana ô, Ianao no avian’ny marina rehetra; ary nampianarin’i Kristy anay ka fantatray fa izay manao ny marina dia manao ny asanao. Koa ny Fanahinao Masina anie handio ny fonay: hahafahanay hanao soa hatrany, sy tsy hifidy olona hanaovan-tsoa, ary hahay mankasitraka ny soa rehetra ataon’ny mpiara-belona aminay.
[1] Ny lohasahan’i Hinnom, γέεννα – geenna, avy amin’ny teny hebrioהִנֹּם – גַּיְא – (gai’-hinnom, lohasahan’ny fitomaniana) tany am-piandohana dia fanangonana sy fandoroana ny sisan-taolana. Fa rehefa nitranga izay tantarain’ny 2Mp 21,6 tamin’ny nisoronan’i Manase ny zaza amin’ny sampy Môlôka, dia nataon’ny Jody ho vavahadin’ny Demony io Lohasahan’i Hinnom, atsimo andrefan’i Jerosalema io ka lasa toerana fandoram-pako, nantsoina hoe gehena.