Alahady faha-25 Taona A Mandavantaona
- Izaia 55, 6-9
- Salamo 144
- Filipiana 1, 20d-24.27a
- Md Matio 20, 1-16a
Ny Fihevitr’Andriamanitra tsy fihevitsika
na ny marimarina kokoa ny fihevitsika no manalavitra ny fihevitr’Andriamanitra
Nahoana no hijaly? « Mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny« , hoy i Md Piera (I Pi 4, 13). « Ny halehibeazan’ny fitiavana, hoy i Md Augustin no mampihena ny fijaliana tsy maintsy zakaina« . Izany ny misterin’ny Hazofijaliana izay ankalazaintsika ny 14 septambra. Anisan’ny hazofijaliana zakaintsika isan’andro isan’andro ny fifamelana izay takian’ny fiaraha-monina. Tsy fifamelana sy fifanitsiana hisehosehoana ka hanambaniana na hanafintohina ny hafa anefa fa fitadiavana miaraka ny sitrapon’Andriamanitra, ka hifanohantohanana sy hifanohintohinana amin’ny fanatanterahana azy.
Miankina amin’izay mety ho « voahangy sarobidy » niantefan’ny safidintsika anefa no hironan’ny fontsika koa (jereo ny alahady faha-17 A). Noho ny fikatsahana io voahangy sarobidy io no hahafoizana ny voahangy hafa rehetra. Raha izany dia mba hisy olona hiasa maimaim-poana ve? Ho sanatria anie izany! I Md Piera aza, vaky vava ka nanontany an’i Jesoa hoe : « Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka anao, ka inona ary no ho azonay? » (Mt 19, 27) Angamba mety tsy ho an’ny vokatra hita maso no hiasana fa ho an’izay maharitra mandrakizay, saingy eo mandrakariva izany antony izany. Izany no nahalasa saina an’i Md Paoly, ny amin’ny hilàna azy eo anivon’ny Filipiana (Vak II Fil, 1, 20-24.7). Mahatsapa anefa izy fa na eo na tsy eo, ny zava-dehibe dia ny fiainana araka ny Evanjely, ny “fitondran-tena mendrika ny Evanjely”.
Na samy mitady valisoa aza anefa isika amin’ny asa sy ny andraikitra sahanintsika na eo amin’ny fiaraha-monina na eo anivon’ny Fiangonana, dia tokony tsy hohadinoina mandrakariva fa tsy fifaninanana ho ambony noho ny hafa tsy akory, na ny hitsinjovana tombontsoa manokana ho an’ny tena fa ny hahazo ny valisoa nampanantenaina (efa nifanarahana), ilay denie iray lazain’ny Evanjely (Mt 20, 1-16).
“Inona ny valisoa ho azonay nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao?” Izany no fanontanian’i Md Piera manoloana ny tsy fahafoizan’ilay zatovo ny harem-beny ka nandehanany amin’alahelo. Izay mahafoy ny zavatra rehetra araka izany dia mety hihevitra hahazo mihoatra noho ny an’ny hafa ve?
“Hahazo ny denie iray nifanarahana ianao”, hoy ny valin-tenin’i Jesoa. Denie iray izay ampy hahasambatra anao sy ny ankohonanao. Ny mahagaga anefa dia ny nanomezan’ilay tompom-boaloboka karama mitovy ho an’ireo izay niasa adiny iray monja, sady amin’izay indray izy ireo no nahazo ny karamany voalohany. Amin’ny faran’ny Matio toko faha-19 dia lazain’i Jesoa fa ireo nahafoy ny zavatra rehetra dia hiaraka hanjaka Aminy. Ireo izany no ho mpitantana ny fananany (ἐπίτροπος epitropos), hizara ny karama amin’ny mpiasa rehetra. Ny hanome ny karama araka ny “rariny sy ny hitsiny”, araka ny hatsaram-pon’ny tompony no anirahana azy ireo.
Azontsika tsoahina amin’izany fa tsy mpila tombony ilay tompon’ny saha fa mampiasa ny fananany hanasoavana ny olon-drehetra. Izany no anehoan’Andriamanitra ny hatsarampony. Fitaovana entiny miantso ny olon-drehetra ho amin’ny fahasambarana ihany ny fiantsoana ataony hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka. Fa rariny tokoa ve raha ireo reraka niasa nandritra ny andro indray no omena karama farany, ary amin’izay mitovy amin’ny an’ireo izay niasa adim-pamantaran’andro iray monja.
Ho an’Andriamanitra dia “rariny” (δίκαιος dikaios) izany, satria izy ireo dia niharitra ny masoandro niasa, saingy niasa nombam-panantenana kosa, efa niomana handray ny denie iray rahariva, izay no nifanarahana. Ireo nidonanam-poana (ἀργός argos) hatramin’ny ora farany kosa, niaina ny fitaintainana nandritra ny andro, tsy noho ny hakamoana sanatria fa noho izy tsy nisy nanakarama no nahatonga izany ary tsy mbola hainy akory aza izay ho azony, niasa kely adiny iray. Izay efa niaina ny tsy fananana asa ivelomana dia mahalala ny fahoriana aterak’izany fotoana hiandrasana hahazoana karama kely mba hivelomana izany. Raha ny fahasambaran’ny olona marina tokoa araka izany no katsahina dia rariny raha izy ireo no ampifaliana voalohany, satria ireo efa niditra vao maraina dia efa niaina ny fanantenana hahazo karama nandritra ny andro, ary marina ny lazain’i Antoine de Saint-Exupéry hoe “ny fiandrasana ny hasambarana antenaina dia efa fanombohan’ny hasambarana sahady”. Ambaran’i Jesoa amintsika araka izany fa tokony hisy am-baratonga ny fitsinjovantsika ny olona, sao sanatria ny tsy mila vonjy akory no andaniana ny androatokom-piainana ka raha ireo niditra voalohany no omena karama voalohany dia mbola ho fanaintaina ihany ny an’ireo niditra farany, hihevitra ny denie iray hozaraina 12, heverina ho rariny araka ny asa nataony.
Sarotra anefa ny mahazo ka maka tahaka izany fampianaran’i Jesoa momba ny Fanjakan’ny Lanitra izany. Ny fomba niainany miara-misakafo sy mandany andro miaraka amin’ny mpanota sy ny poblikana aza efa nanahirana ny olona (Mt 9, 11). I Jesoa moa misakafo miaraka amin’ny mpanota saingy sarotra ny hahazo fa hozaraina ho an’ny mpanota ny komonio, mba hankalazana izany fiarahana misakafo Aminy izany, kanefa na dia mamerina mandrakariva aza isika hoe “Tompo o, tsy mendrika aho”, asa na mba mihevi-tena ho mpanota na sanatria hihevitra ny tenantsika ho tsara kokoa noho ny hafa? Mahamenatra fa feno fiantsaram-belatsihy ny fiainantsika matetika, eny fa na dia any am-piangonana aza. Ny mpanota indrindra, hoy i Papa François, no mila mankany am-piangonana satria mila an’Andriamanitra sy ny famindram-pony mbamin’ny fahasoavany zarainy ao amin’ny sakramenta, hahafahany manova ny fiainany amin’ny tsaratsara kokoa, fa tsy sanatria hivarilavo amin’ny haratsiany.
Izay “tompon-trano” (οἰκοδεσπότης ao amin’ny fiandohan’ny Evanjely) izay “tompon’ny tanimboaloboka” ihany koa (ὁ κύριος τοῦ ἀμπελῶνος) dia toa tsy nandraharaha izay nataon’ny mpiasa tany an-tsaha fa ny hivoaka hizaha ny mpiasa mbola midonanam-poana no nataony, hatramin’ny ora farany. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana no tanim-boaloboka hiantsoany antsika isan’andro isan’ora, ka anomezany antsika ny fahasambarana, mampisy heviny ny fianantsika, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny indrafony tsy hita lany. Tsy sanatria hampanararaotra antsika akory izany, tsy azo adinoina ilay zatovo mpanan-karena, nahare ny antson’i Jesoa hahafoy ho an’ny mahantra, kanefa naleony nionona amin’izay fananana kely nolovainy (noheveriny ho betsaka) ka nandeha amin’alahelo. Samy tsy afaka ny ho faly ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra na izay tsy mahafoy ny ananany mba hanasoavana ny hafa, na izay “ratsy maso” satria sitrak’Andriamanitra ny hampiadana ny hafa, manome ny hafa zara raha miasa karama mitovy amin’izay “nisasatra nandritra ny andro”. Izay tsy tia ny hiadanan’ny olombelona rehetra dia tsy ho afaka ny higoka ny fahasambaran’ny lanitra.
Mampandinika antsika izany satria tsy tamin’ny andron’i Md Matio, antony nanoratany ny Evanjely ihany, no misy kristianina mihevitra ho tompon-daka satria mpikatroka talohan’ny hafa. Ny toko 20, 17ss moa, aorian’ny filazan’i Jesoa fanintelony ny hijaliany rehefa tonga any Jerosalema (toko 21), dia mampahatsiaro an’izay te hanjaka miaraka amin’i Jesoa fa ny Ray no mandahatra ny toerana voalohany. Lalana mankamin’izany kosa ny fiarahana misotro ny kalisy Aminy (azo vakiana ny Jeremia 25, 15; 49, 12; 51, 7 sy ny fitomaniana 4, 21 momba ny kalisy) sy ny fanekena ho mpanompon’ny rehetra raha te ho lehibe noho ny hafa.
Ilay zatovo mpanan-karena dia tsy vonona hizara an’izay eo an-tanany, tsy afaka ny hitovy saranga amin’ny mahantra nasain’i Jesoa hizarana ny fananany ary alahelo no setrin’ny tsy fanekeny. Raha tiantsika ny hiditra amin’ny fiainana ka higoka ny hafalian’Andriamanitra dia mila maka tahaka ilay hany “Tsara” maniry ny hahasambatra ny olombelona rehetra isika. Izay tonga farahidiny satria lany nozaraina tamin’ny mahantra ny fananany no lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra.
Izay mahatsapa fa fahasoavana maimaim-poana no mahavoavonjy azy, hoy i Md Paoly, dia halemy fanahy, hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra azy (Efezy 4, 32). Ka raha sanatria tara ny firotsahan’ny sasany teny amin’ny tanim-boaloboka ka tsy nahavita araka izay noheverintsika dia ho haintsika anie ny hanome ny tsirairay ny karama mahasambatra sy hiadanan’ny hafa, araka ny fanomezam-pahasoavana sitrak’Izy Ray hotantanantsika. Antso avo ho an’ny zanak’Andriamanitra nomena andraikitra hanakaràma izany. [1]
Mety ho tonga amintsika koa anefa ny famoizam-po, tahaka ireo Jody efa very fanahy mbola velona tany an-tsesitany tany Babilônina, mba mitalaho amin’Andriamanitra fa toa tsy misy mangirana ihany izay mba ho fanantenana ny fahafahana sy ny fiverenana an-tanindrazana araka ny nampanantenain’ny Mpaminany. “Mitadiava ny Tompo”, satria mety ho hita Izy, hoy Izaia, ka ny hahafahana mahita Azy dia ny fialàna amin’ny lalan’ny ratsy fanahy sy ny fomba fihevitry ny olo-meloka mpamitaka (Vak I). Izay ihany no hahitana ny tena endrik’Andriamanitra dia Izy ilay “antra sy mangoraka ( חַנּ֣וּן וְרַח֣וּם), tsy malaky tezitra ary be fitiavana, … tsara fo amin’ny asany rehetra ary eo anilan’izay miantso Azy” (Sal 144). Ny madio fo no afaka hahita izany endriny izany (Mt 5, 8).
Mila fanadiovana mandrakariva ny fomba fisainantsika, satria indraindray tsy fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra no ataontsika ao anatin’ny vavaka fa fangatahana “fahasoavana” hahatanteraka izay irintsika, ka rehefa tsy tanteraka izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapontsika dia heverina fa Andriamanitra no tsy mihaino vavaka. Mampalahelo fa betsaka no leon’ny fihobohana, tsy noho izy tsy afaka nanao ny sitrapon’Andriamanitra fa noho izy tsy afaka nanatanteraka ny programan’asa nokasainy. Tsy voninahitra ho an’ny tena anefa no katsahin’izay mino marina fa ny voninahitr’i Kristy, na velona izy na maty, araka ny nolazain’i Md Paoly, izay any an-tranomaizina ary tsy mahalala akory izay hanjò azy aorian’ny fitsarana, ka raha ho velona izy, afaka manohy ny fitoriana ny Evanjely, raha maty kosa, dia izay no zavatra tsara kokoa, satria fijoroana ho vavolombelon’ny Evanjely, Martiry (Vakiteny II : Fil 1, 20d). Ny mampalahelo anefa, dia izay lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio: fa noho ny tahotra ny fahafatesana dia nisy ny niaran’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany (He 2, 15). Ny tahotra matetika dia manakana antsika tsy hiaina an-kalalahana, tsy hiaina am-pitiavana. Ny zava-doza dia izany tahotra mitondra amin’ny fanandevozana izay: fanandevozan’ny fitiavan-tena sy izay mety ho fihevitr’olombelona lavitra ny fihevitr’Andriamanitra.
Mampalahelo raha noho ny fahitàna ny denie noraisin’ny hafa no tsy hahasambatra antsika amin’ny denie iray koa efa eo am-pelatanantsika, denie izay nifanarahana ka nandrasana hatramin’ny maraina. Mila fibebahana (שׁוּב shoub, fiverenana amin’ny Tompo) ny toe-tsaina tsy faly amin’ny fahasambaran’ny hafa, satria ianao ihany no tsy ho sambatra. Izay tsy fahafahana midera ny anaran’Andriamanitra “mandrakizay” dia fahabangan’ny fahasambarana. Ny nadika hoe mandrakizay moa (Sal 144, 2), dia ny hoe עוֹלָ֥ם וָעֶֽד (le-Hôlam va’êd), maharitra (Hôlam) ary tsy misy fiafarany (‘ad), izany hoe fiderana an’Andriamanitra izao ka ho mandrakizay. Ny fahafahana mibanjina ny endik’Andriamanitra, ny fahalalana an’Andriamanitra marina no fiainana mandrakizay, hoy Md Joany (Jn 17, 3).
Araka ny evanjely nazavaintsika teo, tsy ny asa vita na ny faharetan’ny fotoana niasana no handraisan-karama fa ny famaliana ny antso ho any an-tanim-boaloboka. Tsy midika koa anefa sanatria ho fanaovana izay danin’ny kibo! Ireo mpikaraman’ny ora farany tsy sanatria nanao mafy fo velona tsy hikarama (na noho ny hakamoana) fa « tsy nisy nanakarama« , tsy an’asa… Izay te ho tonga amin’ny hafenoan’ny fahasambarana dia hiteny toa an’i Md Paoly hoe : “i Kristy no hahavelomako”, izany hoe: tsy ho velona aho raha tsy aina avy Aminy, raha tsy omban’ny fahasoavany; ary tsy hisy dikany ny fiainako raha tsy ho Azy, ho fiainana mendrika ny Evanjeliny.
Tsy fitadiavana tombontsoa intsony anefa izany fa “efa ampy ho ahy ny fahasoavany” (2 Kor 12, 9), ary tsy azo adinoina fa ny Eokaristia sy ny hoe charisme, dia avy amin’ny teny grika hoe χάρις charis, izay nadikan’ny latinina hoe gratia, ny soa atao maimaim-poana ho an’ny hafa. Ny teny fisaorana kosa, dia mampahatsiaro antsika fa tsy miandry valiny izay nanao soa: Misaotra tsy misy fisaorana, mahasoava. Amin’ny teny frantsay: Merci, avy amin’ny latinina hoe merces, takalom-bidiny na valisoa, dia valiana hoe “de rien”, tsy misy, maimaim-poana, araka ny fisaorana amin’ny teny hafa (italiana, espagnol: grazie, gracias).
Ny mpanota, hoy i Jesoa, mamaly fitia izay mety nahazoany tombony na mety hahazoany valin-tanana. Ny Zanak’Andriamanitra kosa dia mitia (ἀγαπάω, agapao) maimaim-poana, tsy miandry valiny. Inona ny valisoa (μισθός, misthos) ho azo raha miandry valiny? Tsy hiandry valisoa (μισθός Mt 5, 46) vao hanao zavatra satria mahalala fa izay atao noho ny fitiavana ihany no hahazoany fankasitrahana (χάρις, gratis – χαίρω, mifaly Lk 6, 33) maharitra ho amin’ny mandrakizay. ary ny valisoa, tokana, maimaim-poana hamonjeny antsika noho ny famindram-pony (Tito 3, 5) dia ny hilazan’Andriamanitra fa “zanany isika”, afaka mandova ny fanjakany.
Tsy ho afaka ny hiditra amin’izany fomba fisainana maha-zanaka izany izay mbola jamban’ny fitiavan-tenany, “ratsy maso” ka tsy afaka ny mifaly amin’ny soa azon’ny hafa, satria mazava loatra fa tsy afaka ny hampifaly ny hafa amin’ny fanaovany soa ihany koa. Mila kolokoloina ny hafaliana amin’ny fanaovan-tsoa, hoy Papa François, raha tiantsika ny hitombo amin’ny fanahafana an’Andriamanitra mba ho mendrika ny maha-zanany (Matio 5, 43-48).
Raha tsy zary fahasambarantsika anefa ny hasambaran’ny mpiray finoana amintsika, raha toa ka tsy ny fitiavana no manainga antsika hiasa fa ny tombontsoa fotsiny dia ho fanafintohinana ho antsika ny hahita ireo zara raha niasa, tonga taorinantsika teny an-tanim-boaloboka, nefa mandray karama alohantsika ary mitovy amin’ny raisintsika. Fialonana hanilihana ny tena tsy hiombona amin’ilay tompon’ny tanim-boaloboka: “alao ny anao dia mandehana”, hoy i Jesoa.
Ny tsirairay ary no hanaiky havaozin’ny Fanahy, satria ny » hevitr’Izy Tompo tsy hevitsika, ary ny lalantsika tsy mba lalany » (Vak I Iz 55, 6-9) ka hizotra mandrakariva amin’ny lalam-pibebahana, eo am-pamaliana ny antso loloha lanitra ho amin’ny fahamasinana (LG 40) dia ny ho lavorary tahaka ny fahalavorarian’ny Ray izay any an-danitra (Mt 5, 48) izay mampiposaka ny masoandro amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina (and. 45).
[1] Azo alalinina koa ny hasin’ny asa sy ny fisasarana! http://www.vatican.va/edocs/FRA0076/_INDEX.HTM