Alahady faha-25 mandavan-taona Taona B
- Fahendrena 2,12.17-20
- Salamo 53
- Jakôba 3,16-4,3
- Md Marka 9,29-36
Ny fialonana mandrava fitiavana,
ny fanetren-tena ahavitana soa.
Ifanakano ny marina satria manahirana antsika izy.
Tamin’ny alahady heriny isika dia nandinika ilay Mpanompon’i YHWH mihaino ny Teny ka sahy mijoro am-pitokiana manoloana ny mpisompatra. Mitohy ny fandinihana izany misterin’ny fiainana izany, ary mahasanganehana ihany hoe fa maninona no avelan’Andriamanitra hivily lalana, ka hahavita hatramin’ny fanambarana hery hamonoana ny marina ny fon’ny zanany?
Tamin’ny fiandohan’ny taonjato IV talohan’i Kristy (v. 331 a. C), dia nisy Jody marobe niorim-ponenana tany Ejipta ary nivelatra tamin’ny lafiny rehetra, indrindra moa noho Alexandrie renivohitry ny kolontsaina, nalaza tamin’ny tranom-boky mankadiry sy ny nandikàna manontolo ny Baiboly jody ho amin’ny teny grika (version LXX, satria 72 lahy no nanao ny asa fandikàna), araka ny fangatahan’i Ptolomée II, manodidina ny 270 a.C. Mazava loatra fa miaraka amin’ny fivoarana sy ny fifangaroan’ny kolontsaina dia tsy mora ny manaja ny fomban-drazana sy ny zavatra mifanaraka amin’ny finoana.
Tao anatin’izany kolontsaina izany, ary amin’ny teny grika, 50-30 taona talohan’i Kristy no nanoratana ny Boky Fahendrena, nangalana ny Vakiteny I. Anisan’ny toetsaina nahazo vahana amin’ny fifaneraserana tamin’ny filôzôfia grika ny tsy fahafahana manaiky ny fampianaram-pinoana nifandovana teo amin’ny Jody. Singanina amin’izany ny fiheverana fa “kisendrasendra no nahatonga antsika ho teraka, ary aorian’ity fiainana ity dia ho tonga toy ny mbola tsy nisy akory isika” (Fah 2,2). Mazava loatra fa raha izany foto-pisainana izany no iaingana dia ny tondraka anio manan-jara no hahazo laka ary tsy afaka ny hanorina zavatra maharitra akory, amin’ny maha olona. Fireharehana amin’izay foto-pisainana izany ny tapany voalohany amin’ny toko II mialoha ny vakiteny vakiana anio.
Etsy an-kilany anefa, misy ny olona miezaka manao ny marina, mahatsapa fa fahasambarana ny fiainana ny fitiavana, ary isika rehetra, raha mbola manan-tsaina koa, dia mahafantatra tsara ny fahoriana ateraky ny tsy fivakisan-doha ataon’ny hafa manoloana ny fahoriantsika sy izay mety ho fahafahany mamonjy, ary mahatsiaro ho sambatra kosa rehefa mandeha araka ny tokony ho izy ny fiainana. Hadalàna sy fanahin-jaza ny fiheverana fa afaka ny hiliba sy hiravoravo mandra-pahafaty ny olona ka tsy “hatahotra ny ho tratry ny aloka”.
Manoloana ireo olo-marina maningana amin’ny ataon’ny besinimaro, dia mahatsiaro ho voasoketa ny tsy mpivavaka, fa indrindra ireo niala tamin’ny fivavahana Jody ka nanarakany fomban’ny tsy mpino, ka mba hampandry ny feon’ny fieritreretana dia atao aloha izay hampivarilavo ny olomarina, ary raha tsy mahomby izany dia ny famongorana azy tsy ho ety an-tanin’ny velona no hany sisa vahaolana heverina fa hahomby hampandriana ny feon’ny fieritreretana, satria fiampangana ho an’ny tena ny fitondran-tenan’ny olomarina.
Fa ny tena loza anefa dia ity : tsy ny fomba fiainana ihany fa ny foto-pinoana mihitsy no tian’izy ireo hozongozonina. Ary satria efa tsy misy finoana sy fahatahorana an’Andriamanitra intsony ao amin’ny tsy mpivavaka, dia izay iafaran’ny fiainan’ny olo-marina no heveriny hanaporofoana ny fananany ny rariny: Sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana ireo milaza ho zanak’Andriamanitra hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany.
Ny loza dia eo am-pelantanan’ireo mpampijaly ny fahefana ary rehefa amin’ny ratsy no hifampiandaniana no sady ampian’ny fialonana, araka izay lazain’i Md Jakoba amin’ny Vakiteny II, dia miseho avokoa izao karazan-dratsy rehetra izao. Tsy misy fiadanana sy fampihavanana raha tsy ao am-pon’ny olona aloha no fongorana ny filan-dratsy sy ny fitsiriritana mitondra amin’ny fialonana.
Mampianatra antsika zavatra marobe izany teny izany. Ao anatin’ny latsa amam-pijaliana no hahafantarana ny tena maha zanak’Andriamanitra antsika, hiavahantsika amin’izay tsy mino ny fitiavan’Andriamanitra (satria fitiavana no anarany) ka tsy nanaiky handray ny Teny izay hahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra (Jo 1,12), izay hihevitra an’Andriamanitra tsy ao an-tsainy velively, hoy ny Salamo (Sal 53). Toetra fariparitan’i Izaia hahalalana ny Mpanompon’i YHWH ny fahaiza-mandefitra, izay fahalavorarian’ny fanetren-tena ary dinihintsika mandritra ny herinandro masina ireo tononkira efatra namintinany izany.
Afaka mihira ny Salamo 53 setriny izay mitoky amin’ny Anaran’Andriamanitra: Hiantso vonjy amin’ny Anarany ary hidera ny hasoan’izany Anarana izany, dia ilay Anarana handohalihan’ny olon-drehetra (Fil 2, 10). Ireo nanaiky hiaina ny finoany dia tsy afa-bela amin’ny fiaretana fijaliana, ka ny faharetana hatramin’ny farany no entin’izy ireo mijoro ho vavolombelona marina, haneho ny fandresen’Andriamanitra. Isika moa efa manana ny valinteny lavorary ho an’ny tsy mpivavaka, ao amin’ilay nohelohina tamin’ny fahafatesana mahafa-baraka, ary nasandratry ny Ray ho Tompo sy Kristy, dia i Jesoa.
Teny am-piandohana isika dia nametraka fanontaniana mikasika ny antony amelan’Andriamanitra ny olona sasany hanjakazaka. Ny Evanjely dia mampiseho ny toetran’Andriamanitra manoloana ny fomba fisainana raiki-tapisaka ao amintsika.
- Md Marka 9,29-36
Rehefa misy zavatra tsy tian’ny olona ho heno na tsy tiany ho resahina dia hainy ny manodina ny resaka amin’ny zavatra hafa, ary rehefa tsy mahita havaly amin’izay fanontaniana apetraka na rehefa manahirana azy ny teninao dia hodiany fanina ny zavatra lazainao. Efa fanindroany izao no nilazan’i Jesoa tamin’ny Mpianatra fa hatolotra eo an-tanan’ny olona Izy, hovonoina fa hitsangan-ko velona (izany no Kérygme, mistery fototry ny finoantsika), saingy tsy fantatr’izy ireo izany teny izany sady tsy sahy nanontany akory izy ireo, hoy ny Evanjely. Raha ny marina dia tsy te hino ny fahamarinan’izany teny izany izy ireo, saingy tsy afaka ny hilaza ny mifanohitra amin’izany sao hahazo fanakianana tahaka an’i Piera eo indray tamin’ny nanambaran’i Jesoa voalohany ny hijaliany sy ny hahafatesany (Evanjely tamin’ny heriny). Dia aleon’izy ireo niady hevitra amin’ny zavatra hafa.
Hatolotra eo am-pelatanan’ny olombelona ny Zanak’olona. Iza no hanolotra Azy? Raha ny valinteny mifanaraka amin’ny fomba fisainantsika izao dia i Jodasy no hanolotra Azy amin’ny lohandohan’ny Mpisorona, ny Lohandohan’ny mpisorona kosa hanolotra Azy amin’i Pilaty ary i Pilaty hanolotra Azy amin’ny mpamantsika. Ny teny grika hoe παραδίδοται (paradidotai) ampiasain’i Marka eto anefa dia “au temps indicatif présent passif” (παραδίδωμι – paradidômi) izay lazain’ny Mpandalina Baiboly hoe “passif divin”, hilazana fa Andriamanitra no manao ny asa. Ny Ray no manolotra ny Zanany eo an-tanan’ny olombelona, ary ny Zanaka manolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray. Tsy faharesena araka izany fa fandresena no an’Andriamanitra, entiny hanehoana ny fitiavany lehibe indrindra ka hanekeny hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka (Fah 2, 20).
Nanolotra ny tenany i Jesoa: ny Egliziny izay Vatany Masina eo am-pelatanan’ny olona, ny Sakramentan’ny Fitiavany eo am-pelatanan’ny olona. Tsy hatahotra ny hoviraviraina sy ho faty i Jesoa satria babon’ny fitiavan-drahalahy ary matoky ny herin’ny Fanahy manangan-ko velona. Amin’ny Lamesa dia i Jesoa no atolotry ny Ray eo an-tanan’ny pretra mba ho sakafo hamelona ny fanahintsika, ka izay mino Azy dia hanolotra ny tenany koa ho Sorona hanohizana ny asam-pamonjena efa natombony.
I Jesoa hitan’ny Mpianatra manao soa hatraiza hatraiza no milaza mazava fa fanilihana sy famonoana no avalin’ny olona Azy. Tsy azon’ny mpianatra anefa izany. Vavaka fanaon’izy ireo ny salamo 36: “Ny Tompo dia tia ny rariny, ka tsy mandao ny mpivavaka aminy; hanafaka azy amin’ny ratsy fanahy”. Ahoana moa no tsy hiarovan’Andriamanitra ny Zanany, ilay Voahosony (Mesia) ka hamelany Azy hovonoin’ny olombelona? Sanatria anie izany, hoy i Piera (Mk 8,32). Saingy efa fantatsika ny valinteny azon’i Piera. Hevitr’olombelona avy amin’i Satana izany.
Araka izany dia naleon’ireo Mpianatra niady hevitra ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy ireo. Manoloana ny fanambaran’Andriamanitra ny halehiben’ny fitiavany dia naleon’ny Mpianatra mifandìtra amin’izay tombontsoa manokana mety ho azo amin’ny fanarahan-dia ny Mesia: handresy manko Izy ka hiara-manjaka Aminy no tanjona, ary samy maniry ny toeram-boninahitra voalohany ao amin’ny Fanjakany.
Mazava anefa ny fampianaran’i Jesoa: ao amin’ny tranon’ny fanalana alahelo (Kafarnaoma) dia tsy ny hibaiko no tanjona sy hifaninanana fa ny hitia, ny hanaiky hatolotr’Andriamanitra eo am-pelatanan’ny olona mba hanompo ny faraidiny. Tsy toerana hitadiavana voninahitra sy fahefana ny Eglizy fa fitaovana entin’Andriamanitra mitory ny fitiavany ka hifaninanana ny mba hanandratana ny hafa ho eo alohan’ny tena (Rm 12,10). Ny fanompoana no lalana hahatanterahana izany.
Tsy afaka handray izany fampianarana izany anefa izay mihevitra ho lehibe sy lalin-tsaina ka afaka miaro tena sy manapaka araka izay tiany. Izay miverina toy ny zaza, miankina tanteraka amin’ny Rainy, ary matoky sy milamina rehefa eo an-trotroan-dreniny (Sal 130) no afaka mandray ny Fanjakan’ny lanitra. Fanomezana maimaim-poana manko izany ka ho an’izay manan-karena, na ny marimarina kokoa mihevitra ho manan-karena sy mahavita tena dia sarotra ny hihevitra hitovy zo amin’ny mahantra, sarotra ny hizara ny fananana ka hanjary hitovy lova amin’ny faraidiny. Mariky ny toe-tsaina efa lavitra ny Evanjely ny mamorona zavatra hafa hampiavaka ny tena amin’ny hafa.
Izany dia miteraka fitsiriritana izay mahatonga fialonana izay miafara amin’ny famonoana mihitsy aza, hoy i Md Jakôba. Ary ny loza, dia indraindray ny vavaka aza dia zary fitalahoana amin’Andriamanitra mba hamaly ny fanirian-dratsin’ny tena, mba hahazoana “fahasoavana” hahombiazana ka hireharehana. Ratsy fangataka izay manao izany ka tsy hohenoina, hoy i Md Jakôba. Raha ny fahendrena avy any ambony kosa no angatahintsika dia hadio ny fontsika, izany hoe afaka hahita an’Andriamanitra mamirapiratra eo amin’ny tavan’ny hafa, ary afaka hahita ny zava-misy araka ny fahitan’Andriamanitra azy, ary izany no hahatonga antsika ho mpandova ny fanjakany satria tia fihavanana, mandefitra, mora toroana (εὐπειθής eupeithès), be indrafo amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy (Jak 3,17). Toetra tokony hananan’izay maniry handray an’i Jesoa ireo rehetra ireo satria izany ihany no hahafahana mahazo ka miaina ny lazain’i Jesoa hoe: “izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra” (Mk 9, 34).
Raha iverenana ny Evanjely dia tsara ho tadidiana fa tsy hoe hanao fanahin-jaza isika fa antsoina hiankin-doha tanteraka amin’ny fitiavan’ny Ray, ary tsy hoe hisaina tahaka izany fotsiny, fa handray azy ireo koa raha te handray an’i Jesoa. Sarotra ny mandray zaza iray ka hamihina azy tahaka ny nataon’i Jesoa. Ny hoe mamihina dia midika fitiavana, maneho ny fahavononana hiaro, tsy sanatria anefa hiaro ny hadalana na ny fanahin-jaza izay tokony hialana, fa hanolo-tena kosa hanasoa maimaim-poana, satria hitombo ny “zaza” ary hizotra amin’ny lalany, ary mety tsy hahatsiaro akory ny anaranao nanasoa azy aza. Io no ampahatsiahivin’i Papa François an’izay maniry ny ho ray marina araka ny fon’Andriamanitra: “Ny maha ray dia midika fampidirana ny zanaka amin’ny traikefam-piainana, amin’ny zava-misy marina. Tsy hoe fitazonana azy, tsy fanagadrana azy, tsy fiheverana azy ho fananana fa fanampiana azy ho afaka hisafidy, hiaina ny fahafahahana, hikopak’elatra” (Patris corde, n°7 §4).
Ny fitomboana ara-panahy, hoy Md Paoly dia ny fialana amin’ny maha zaza saina mba hiaina amin’ny maha zanaka (1 Kôr 14,20). Ny soa ataontsika araka izany dia ataontsika amin’Andriamanitra rehefa ataontsika amin’ny olona tsy manan-kavaly tahaka ny zaza, tsy mamokatra fa velomina, ary velomina am-pitiavana. Ny kisoa no omena hanina mba hatavy hakana hena sy hahazoana tombony, ny zaza velomina mba hanana ny fiainany safidiany araka ny fahafahany mba hahasambatra azy. Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’ny Tompo, ka izy no hamaly ny soa nataony, hoy ny Boky Ohabolana (19,17). Tsy fanarahana izay tian’izy ireo ny hevitry ny famihinana azy, araka ny efa voalaza (satria efa nisara-nono, hoy ny Sal 130) fa fanehoana kosa ny fitiavan’Andriamanitra izay vonona hitia hatramin’ny fahafatesana mba haneho amintsika ny lalan’ny fitsanganan-ko velona.
Ho haintsika anie ny ho mpamafy ny vokatry ny fahamarinana ao amin’ny fiadanana satria izany fiadanana izany no katsahintsika ka handeferana sy haharetana hatramin’ny farany satria ny fahaleferana (ὑπομένω – hypomenô) hatramin’ny farany no hahavonjy antsika (Mk 13,13).
Ry Andriamanitra Ray be indrafo ô, topazo maso miantra ireto zanakao ianjadiam-pahoriana eto an-tany: mba tsy hanary toky na ho kivy izahay, fa hankaherezin’ny Fanahinao, ary mba tsy hatoky tena kosa, fa hanana fon-janaka eo anatrehanao, ka hatoky hatrany an’ilay fanavotana nentin’i Kristy Mpamonjy.