Alahady faha-23 mandavantaona – Taona D
“Raiso ny hazofijaliana dia izory izay nodiaviko” satria izay tia mahafoy.
- Boky Fahendrena 9, 13-18
- Salamo 89
- Filemona 9b-17
- Md Lioka 14, 25-33
Tsy mora ny manara-dia an’i Jesoa. Ambarany amintsika androany ny safidy miandry izay te-hanara-dia azy : “izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka ahy dia tsy mety ho Mpianatro” (and. 27).
Fa inona ny hazofijaliana tsy maintsy zakaintsika? Ary ahoana no hahalalantsika ny lalana hizoran’i Kristy?
Ankatroky ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny tanora katolika isika, hanentanana azy ireo hitsangana mba hijoro ho vavolombelon’ny zavatra hitany, sahala amin’i Md Paoly nahita ny voninahitr’i Kristy niseho tamin’ny fiainana vonton’ny Evanjely nasehon’ireo mpianatra. Anisan’izany i Anania, izay anisan’ireo kristianina nohenjehiny sy noheveriny hoentina am-patorana ho any Jerosalema nefa sady nanasitrana sy nikolokolo azy no mampianatra azy ny tsiambaratelon’ny Finoana, ny Harena sarobidy dia tsy iza fa i Kristy Jesoa.
Io Jesoa io no ilay Fahendren’Andriamanitra, tonga nofo mba hampahafantatra antsika ny hafenoan’ny voninahitra ka hahafahantsika mandray ny hafenoan’ny Fanahy, hahatsapana sy hiainana ny maha-zanak’Andriamanitra. Rehefa miteny hoe fahendrena izany moa ho an’ny Jody, na ho an’ny Baiboly manontolo mihintsy, dia ny fahalalàna ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana ka tokony hiainana no lazaina, ary olon-kendry izay sambatra, ny אָשֵׁר (‘asher), izay mizotra amin’ny lalam-pahasambarana araka ny matoanteny hoe אָשַׁר ‘ashar. Tsy lalana takatra vokatry ny ezaky ny olona anefa io, mba tsy hisy nofo hirehareha, ary izay rehetra nihevitra ny hanaraka ny lalam-pahasambarana atoron’ny sain’olombelona dia hiafara amin’ny fandavana an’Andriamanitra mandrakariva, tahaka an’i Adama, tahaka ny tilikambon’i Babela, tahaka an’i Piera izay “tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ka nahazoana teny mafy hoe : “mandehana ao ivohako, ry Satàna” (ὕπαγε ὀπίσω μου, nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko, Mt 16, 23).
Mazava loatra araka izany fa tany Alexandrie, ao anatin’ny fivelaran’ny filosofía sy ny kolontsaina grika mihintsy no ampianaran’ny Boky Fahendrena fa ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra no lalam-pahendrena, ary Izy irery ihany no mahalala izany lalana izany (Joba 28,23) ka omeny izay mangataka Aminy (Lk 11, 13).
Iza moa ny olona afaka hahalala ny hevitr’Andriamanitra? Izay no maha-Andriamanitra Azy, saingy Andriamanitra maniry ny hizara ny hasambarany mba hahafahan’ny olona koa manao tahaka ny ataony, dia ny olombelona izay toy ny ahitra eny an-tsaha, hoy ny salamo, ka ny fahalalany ny fetra no hianarany ny tena fahendrena. Arakaraka ny hitomboantsika amin’ny fahalalana izany fetra izany no maha-matotra antsika. Lazaina matetika ho ohatra ilay manam-noninahitry ny tafika Romana iray izay naniry ny hanova izao tontolo izao fahazaza, rehefa nanambady aman-janaka dia ny faniriana hanova ny ankohonany sisa no masaka tao an-tsainy satria fantany fa tsy ho vitany ny hanova izao tontolo izao, fa ny fahanterany no nahatsapany fa na ny tenany ihany aza dia tsy vitany samirery ny hanova azy fa mbola ilàny ny fanampian’ny hafa, ilàna ny fanampian’ny Fanahin’Andriamanitra, ho antsika mpino.
Vokatry ny fandraisana ny Fanahy omeny, amin’ny fankalazana ny Batemy, ny fananganany antsika ho zanany ao amin’i Kristy, ka hahatongavantsika ho iray tampo, samy zanaky ny Ray, ka na ny andevo nitsoaka mendri-pamaizana tahaka an-dry Onesimo aza, dia tonga rahalahy ho an’i Filemona, araka ny fiangavian’i Paoly.
Heverontsika amin’izany ny halalin’ny fitiavana atoron’ny Evanjely antsika ka iantsoany antsika ho vavolombelona: tsy hanao nai nona nai nona raha tsy teny hierana, ka naleon’i Md Paoly namerina an’i Onesima ho any amin’i Filemona, toy izay hitazona azy hanompo (eny fa na dia eo koa aza ny mety ho fiampangana ho mpiray tsikombakomba amin’ny andevo nitsoaka).
Toa ny mifanohitra amin’izany anefa no lazain’ny Evanjely: “Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mendrika ho mpianatro”. Ary avy eo hoe: mila mipetraka misaintsaina, manao kajikajy vao manao zavatra… Fa angaha tsy hoe tokony hitia hatramin’ny fahavalo ny mpianatra ary tsy hihevitra akory izay ho rahampitso na izay hohanina na izay hotafiana fa hitoky amin’ny fitsimbinan’Andriamanitra?
Izany tokoa, saingy mila azo ny hevitr’izany.
Ireo nanaraka an’i Jesoa tamin’izany andro izany dia voatery nisaraka tamin’ny fianakaviany, voatery mankahala (μισέω miseo), na ny dikan-teny tsaratsara kokoa hoe hankahalain’ny rainy, ny reniny, ny rahalahy sy anabavy, izay hoe hisafidy hitia an’i Kristy mihoatra ny fitiavana ny ray sy ny reny sy ny vady aman-janaka mbamin’ny iray tam-po ary hanao tsinontsinona hatramin’ny ainy aza. Noheverina ho “sekta” manko ny fanarahana an’i Jesoa ka mazava loatra ireo nanaraka Azy dia voaenjika niaraka taminy, ary mety hanefa hatramin’ny aina aza izany.
Tsy sanatria fisintahana amin’ny fianakaviana no atoron’ny Evanjely fa fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavana.
Hitantsika eo amin’ny fiaraha-monina iainantsika fa tsy toy izany raha jerena ety ivelany fa ohatra ny hoe afaka sy miaina malalaka ny safidy isika: tsy voatery hifanohitra ny mpianakavy mba ho tonga kristianina. Zary fiteny heno matetika ny hoe “samy manao izay tiany”, “tsy hifanerena ny finoana”. Tsy maintsy hitandremana anefa satria ny maha-kristianina indraindray, tsy tena vokatry ny fitia te hitondra ny hazofijaliana fa lasa fitadiavam-boninahitra na fikatsahana tombontsoa eo amin’ny fiaraha-monina ary misy ny manao ny asam-pinoana ho fitaovana hivelomana na hahazoana voninahitra bebe kokoa, na hitsinjovana ny tombontsoa fa tsy hoe hitiavana fa hisehosehoana ho ambony noho ny hafa. Manaporofo izany ny fifandirana, ny fikomiana na ny fisintahana mihitsy aza rehefa misy famindrana andraikitra na fangatahaha mba hanompo amin’ny sehatra tsy novinavinain’ny tena. Na aiza na aiza anefa misy fijoroana amin’ny tena maha-kristianina dia tsy maintsy misy fankahalana , ary manoloana ny fankahalana sy izay mety ho fanenjehana no hisehoantsika marina tokoa ho mpianatr’i Kristy na tsia.
Izay tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy ho afaka ny ho mpianatr’i Kristy. Tsy olona mirehareha satria nahatratra ny tanjona hotratrariny manko ny mpianatr’i Kristy fa olona mitovy tanteraka Aminy: mitondra ny hazofijaliana ary manaiky hifantsika eo, toy izay hampiasa ny fahefana hamaliana faty na sanatria hamoretana.
Ho an’izay tena mpianatr’i Kristy izany, tsy maintsy misy “safidy” atao ao: hihaina araka ny Evanjely. Tsy ny anarana no maha-kristianina fa io safidy io, safidy izay natomboka tamin’ny Batemy: fandavana an’i Satana sy ny fanangoleny rehetra mba hinoana an’Andriamanitra tokana olona telo. Tsy mora izany, ary misy hazofijaliana tsy maintsy zakaina ao.
Izany no tsy maintsy hipetrahana mandinika satria ny saina manontolo no entina mitia an’Andriamanitra ka izany no hahafahana mahita ny fetran’ny tena, hahafahana maminavina ny zavatra rehetra tokony atao, ary fiantombohan’ny fahamatoran’ny olona ny fahatsapany fa misy vokany avokoa ny safidiny rehetra, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, ary ratsiratsy kokoa ny vokatry ny lany andro eo am-pisikinana sy ny ela fitery ronono, tsy misafidy ka tsy ny tena intsony fa ny fiainana no misafidy.
Tsy sanatria tsy akory isika no handeha hitady fijaliana na sanatria i Kristy no faly amin’ny hijaliantsika. Tsy azo adino fa ny hazofijaliana (hazo fanorenana – stauros) dia famantarana ny ady atao amin’ny tsy rariny, famantarana ny fahavononana hiharitra hatramin’ny fahafatesana mba hanambara ny marina sy hanorenana ny tontolo vaovao irian’i Kristy, ka hijoroana mba hiharo ny marina ary mba hanehoana ny fara-fitiavana, tsy an-terisetra fa amin-kalemem-panahy. Izany no safidy mila amafisina ao am-po mba tsy ho fahadisoam-panantenana no vokatry ny fanarahana an’i Jesoa.
Voaantso hanaraka izany dian’i Kristy izany ny Mpianany hany ka mila mipetraka aloha mandinika. Averin’ny Evanjely in-droa izany, hilazana fa tsy olona manaonao foana ny kristianina fa vokatry ny vavaka sy ny fandinihana no hahafahana manapa-kevitra matotra hanarahana an’i Kristy. Fahotana mahafaty (ny tena sy ny hafa) ny manaonao foana. Dia samy mandinika isika, ary samy mahatsapa fa mbola lavitra izany maha-mpianatr’i Kristy antsika izany indraindray. Dia hihemotra sy hiverin-dalana ve sa sanatria hotohizana ihany ny maha-kristianina anarany fotsiny, na dia ho fisehoana ivelany ihany aza? Tsy afaka ny hanandrana ny hafenoan’ny hafalian’ny Evanjely anefa izay tsy mahafoy izay rehetra ananana sy ny maha-izy azy ny tena manontolo mba hanompoana ny Evanjely.
Andeha hiverenantsika izay fandinihana izay: nanomboka tamin’ny alarobia teo moa (31 aout 2022) dia nanao katesizy mikasika ny fandinihana mba hanapahan-kevitra ny Papa ary amafisiny fa ilain’ny olona rehetra ny manokana fotoana handinihana ny fiainana ka hanaovana safidy na amin’ny zavatra izany na amin’ny fifandraisana fa indrindra amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ka ampiasana ny saina, ny hakingana sy ny sitra-po mba hisafdianana ny fotoana tsara handraisana ny fanapahan-kevitra mahasoa. Tsy sarotra anefa ny safidy raha toa ka mahita ny tsaratsara kokoa tahaka ilay mpandrato voahangy na ilay nahita ny harena sarobidy, hoy ny Papa (Mt 13, 44).
Raha iverenana ny Evanjely anio dia zavatra roa no iompanan’ny “fipetrahana mba hisaina mialoha” lazain’i Jesoa: manao trano, izany hoe hanao fefy fiarovana mba tsy handroban’ny mpangalatra ny fananana sy ny harena; handefa miaramila hiady. “Ny vavaka, tolona fa tsy sento”. Tolona handresena izay rehetra manakana ny fo tsy hahafoy manontolo ka ho afaka hiaina araka ny Evanjely. Tsy ny pretra sy ny relijiozy irery sanatria no antsoin’i Jesoa hahafoy izay rehetra ananany fa izay te ho mpianany rehetra. In-telo farafahakeliny no averin’i Md Lioka io ( ao amin’ny Lk 12, 33 sy Lk 18, 22 koa ankoatry ny Evanjely anio). Matoa mbola sarotra ho antsika ny hahafoy dia mazava loatra mbola mifikitra amin’izay angonintsika ny fo amam-panahintsika fa tsy amin’ny harena atoron’ny Fahendren’Andriamanitra.
Tsy misy mahalala ny hevitr’Andriamanitra anefa, (Vak.I) indrindra rehefa mifatotra (migadra) noho ny Evanjely isika (Vak II) ka toa mialona ny fiadanan’ny ratsy fanahy (sal 73) ! Ny fahatsapana ny fahalemena sy ny fetran’ny tena (Sal 89 setriny) no manosika hanana fahendrena marina, hahaizana misafidy (decidere) izay sarobidy tsy maintsy ho tanana ary hamelàna kosa ny hafa rehetra (recidere), eny fa na dia zavatra mety ho tsara aza mba hahafahana manaraka marina an’i Kristy ka nahatsiaro mandrakariva ny teniny hoe : “Raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jn 15, 5b). Izay tsy nahafoy ny zavatra mifanohitra amin’ny heveriny ho nosafidiana dia tsy mbola nanao safidy tsy akory. Dia izay no hiandrandrantsika mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hahatsapantsika ny hasarobidin’ny haren’ny lanitra, ary mba hanandramantsika fa eo anivontsika ilay niantso antsika ary mamindra fo sy miantra mandrakariva. Izy ilay Zokintsika, endrik’ilay Andriamanitra Ray miandry ny fiverenan’ny Zaza Mpandany sy mitondra eo an-tsorony ny ondry nania.
Tsy mora ny mandray toy ny rahalahy ny olona iray izay sady andevo no nitsoaka, kanefa dia izany no angatahin’i Paoly hataon’i Filemona amin’i Onesimo. Tsy hatahotra ary isika ny hanamafy ny maha-mpianany antsika, handini-tena mandrakariva ka hanitsy izay mety ho faniriana sy tombontsoa tsy mifanaraka amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy. Tsy ny vola na ny voninahitra na ny sakaiza (fianakaviana) no tanjona, fa ny fampanjakana ny fahamarianana sy ny fitiavana, eny fa na dia hiafara amin’ny famoizana ny aina aza izany.
Mpanompo tsy mendrika isika eo anatrehan’Andriamanitra kanefa noraisiny hiray vatsy, hiray aina amin’ny Zanany lahitokana, ka ny Fanahiny Masina anie hitarika antsika hifandray amin’ny olombelona rehetra, satria samy zanaka tian’ny Ray, na dia ireo navahana tsy hohajaina sy ireo noheverina ho tsy azo hihavanana aza, mba hisantarana ny hasambarana maha-zanaka hiaraha-midera sy mankasitraka Azy Ry any amin’ny mandrakizay (Vavaka Komonio Taona D).
Dia ventsoy mangina ao am-po ilay hira hoe : “O ry Jesoa Kristy Tompo! Arahiko ianao na aiza na aiza”.