Alahady faha-23 mandavan-taona Taona B
- Izaia 35,4-7a
- Salamo 145
- Jakôba 2,1-5
- Md Marka 7,31-37
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery, aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo, tamy ny famaliana, ny famalian’Andriamanitra. נָקָם (nāqām) moa dia valifaty ary ny lWmg. (gemoul) kosa ny famaliana, ny valisoa. Ho an’Andriamanitra dia ny valisoa no famaliany, fa tsy mba tahaka ny fiheverantsika olombelona ny valifaty. Ny Tenany no ho avy dia hamonjy anareo, hoy Izaia.
Ny vahoaka Jody sesitany tany Babilôna, trotraky ny fiandrasana ny “famalian’Andriamanitra” no itenenan’i Izaia. Ny lohalika mangozohozo hitsambikimbikina tahaka ny serfa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana, satria loharano no hiboika any an’efitra.
Oviana no ho tanteraka izany?
Araka ny fitantaran’i Md Lioka (Lk 4) dia tamin’i Jesoa nitory teny tao Nazareta no nilaza na “anio” no tanteraka izany fampanantenan’Andriamanitra izany. “Anio” no toriana amin’ny malahelo ny Evanjely, ny vaovao mitondra hafaliana ao am-pony, “anio” no ilazana amin’ny olona tsirairay fa “tia azy” Andriamanitra, “zanaka malalan’Andriamanitra izy”. Mbola hiverenantsika amin’ny fanazavana ny Evanjely moa izay.
Avelao ho an’Andriamanitra ny fahatezerana, hoy i Md Paoly (Rm 12,19) fa azy ny valifaty sy ny famaliana (shillēm, Dt 32,35). Diso fanantenana anefa izay hiandry an’Andriamanitra hanorotoro ny hafa heveriny ho fahavalo, satria tsy handringana ny mpanao ratsy, fa ny hamongotra ny ratsy fa hiadanan’izy ireo miaraka amin’ny olo-marina no sitrak’Andriamanitra. Ny Shillēm, famalian’Andriamanitra dia mitovy fototeny amin’ny שָׁלוֹם (shālōm), ilazana ny fiombonana ao anatin’ny fihavanana lavorary.
Izany Endrik’Andriamanitra izany no tanisain’ny Sal 145, endrika asehon’ireo izay mino ka tonga zanany, tonga taratry ny fitiavany: mpitory vaovao mahafaly amin’ny asa atao, dia ny fanomezana sakafo ny noana, famahana izay mamatotra ny olona tsy hiaina ny fahafahana marina, miaro ny kamboty sy ny mpitondra tena mbamin’ny Vahiny, ary mamily ny olon-dratsy ho amin’ny lalam-pahasambarana.
Ny Evanjely, vaovao mahafaly iantsoan’ny Eglizy hotoriantsika dia ny fiainantsika ny fitiavana, hanehoana amin’ny olombelona rehetra ny fitiavan’Andriamanitra, ka izay rehetra tsy maneho izany fitiavana izany dia tsy hifanaraka amin’ny hafaliana ambaran’i Izaia ho an’izay miandry ny “andron’ny famalian’ny Andriamanitra”.
Ny Bokin’ny Siràka aza dia mampahatsiaro antsika fa “Eo amin’ny takolak’Andriamanitra no mirotsaka ny ranomason’ny mpitondratena ka miampanga an’izay mampitomany azy” (Si 36,18). Izay mitovy fijery amin’Andriamanitra dia manao ho ranomasony ihany koa ny ranomason’ireo izay mijaly sy fadiranovana. Ka raha sanatria tsy mampihontsona ny fontsika ny fahitana sy fiheverana ny fahorian’ny hafa, dia tsy tokony hamita-tena isika satria efa lavitra an’Andriamanitra ny fontsika.
Raha sanatria moa misy olona mifaly amin’ny fahavoazan’ny hafa dia efa ny ratsy no mameno ny fony, efa resin’ny ratsy izy. “Aoka isika handresy mandrakariva ny ratsy amin’ny fanaovana ny soa”, hoy i Md Paoly (Rm 12,21).
Tsy ny fahaizantsika anefa na izay mety ho heverintsika ho harena no hireharehana sy hiheverana fa nofidìn’Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina dia hita mazava fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra (1Sam 16,7). Teo amin’i Israely dia mazava fa an’Andriamanitra ny fitsaràna (Dt 1,17) ka “ny mahantra tsy hananana tombom-pitia ary ny mpanan-karena tsy hananana henamaso” (Lev 19,15). Izay mety ho fiangarana dia tsy mifanaraka amin’ny endrik’Andriamanitra (1P 1,17); ary izany no hamafisin’ny Vakiteny II hoe: aza asiana fizahan-tavan’olona ny finoanareo.
Toa tandra vadin-koditry ny fiaraha-monina ny fanilikilihana ny mahantra sy ny fanomezana toerana sy vahana ny mpanan-karena. Fa hoy i Md Jakôba hoe : Tsy ny mpanan-karena ihany ve no mampahory anareo sy mitarika anareo ho amin’ny fitsaràna? Tsy izy ireny ihany ve no miteny ratsy ny anarana tsara iantsoana anareo? (Jak 2,6-7). Inona anefa no hevitr’izay lazain’i Md Jakôba koa hoe: ny mahantra no nofidian’Andriamanitra ho mpandova ny fanjakany?
Tsy hoe mifanohitra amin’ny fahasambarana sitrak’Andriamanitra akory ny harena eto an-tany, satria izy ihany no nahary azy ireny. Saingy ny mety ho fitantanana azy no hahatonga ny harena ho fahasoavana na ho fahavoazana. Ny fivarotana ny harena mba hizarana azy amin’ny mahantra no hahazoana ny harena maharitra, dia ilay lova nampanantenaina lazain’i Md Jakôba, ka tsy mahantra noho ny hakamoana na noho ny hasomparan’ny hafa, araka izany, fa mahantra nanao ny tenany ho mahantra, nisafidy ny hahantra mba hampanan-karena ny hafa (jereo Mk 10,21; Lk 12,33snm).
Izay tsy mahatsiaro ny tenany ho mila an’Andriamanitra, dia tsy afaka ny ho fanehoana ny voninahiny. Izany no mahatonga an’i Md Paoly mampahatsiaro antsika fa “siny vita amin’ny tanimanga mora vaky no nofidian’Andriamanitra hitondra ny raki-tsarobidy” (2Kôr 4,7), ka na aiza na aiza, misy fireharehana amin’izay ataon’ny olombelona, dia hananosarotra ny hahatsiaro ny loharano iavian’ny zavatra rehetra, dia Andriamanitra. Inona moa no zavatra eo am-pelatanantsika ka tsy noraisintsika (1Kôr 4,7)?
Md Marka 7,31-37
Tamin’ny fitantarana ny martirin’i Joany Batista, (Mk 6,14-29) dia asian’i Md Marka tsindrim-peo ny lazan’i Jesoa, araka ny valin-teny nomeny ny mpianatr’i Joany: mahiratra ny jamba, sitrana ny mandringa, ary toriana amin’ny malahelo ny Evanjely (Mt 11, 5). Faminanian’i Izaia moa izany: hitsangana ny maty (Iz 26,1), handre ny marenina (Iz 29,18), hahita hazavana ny jamba (Mk 8,22-26) ary hiteny tsara izay mibadabada fiteny (Iz 35,5-6) araka ny henontsika amin’ny vakiteny I ka averin’ny Evanjely anio. Izany rehetra izany dia fanehoana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra (Iz 61,1).
Raha raisintsika ny fitantaran’ny Evanjely anio dia mbola any amin’ny faritanin’i Dekapôly ihany no mizotra ny tantara, izany hoe any amin’ireo Tanàna grika folo[1] nankinin’i Pompée amin’ny fiadidiana rômanina tany Siria fa tsy teo ambany fahefan’i Herôda. Tany amin’izany faritanin’ny “tsy mpino” izany no nandroahan’i Jesoa demony, ary any koa no mbola lazain’i Marka fa nahatanteraka ny faminanian’i Izaia anio.
Izany rehetra izany dia ahafahana milaza fa tsy voafetra ho an’i Israely ny famonjen’Andriamanitra, ary tsy miangatra Izy, tsy mifidy izay hohasoavina fa tia ny olona rehetra.
Tao no nisy lehilahy marenina (κωφός – kôphos) no moana (μογιλάλος – mogilalos). Raha adika ara-bakiteny ny “kôphos” dia olona manana fahasahiranana amin’ny fihainoana ary raha ny fototeny κόπτω (koptô) no jerena dia olona tsy afaka nifandray intsony amin’ny hafa ka mijaly noho izany fisarahana izany. Ny “mogilalos” kosa dia ilazana fa tsy moana loatra izy fa manana fahasahiranana (μόγις – mogis) amin’ny fitenenana, mibadabada fiteny. Ny safidy hampiasa io teny io fa tsy ny ἄλαλος (alalos) izay hilazana ny moana araka ny mahazatra, dia ny hampifandraisana azy amin’izay voalazan’i Izaia, henontsika tamin’ny vakiteny I teo, satria mogilalos, mibadabada, no nandikana ny teny hebrio םלֵּאִ (‘illem) amin’ny teny grika. Ambaran’ny Evanjely mazava fa olona no nitondra azy teo amin’i Jesoa mba hametrahan-tanana.
Moa ve tsy ny fomba firosoana amin’ny sakramenta no lazain’i Marka amin’izany? Tsy afaka hanatona an’i Jesoa sy handre ny feony isika raha tsy tantanan’ireo efa nahazo ka nandray ny teniny. Ireo no ray aman-dreny mpiantoka amin’ny batemy, ny katesista sy ny mpiandraikitra izay manana adidy hitarika ny olona ho any amin’i Jesoa ary miangavy Azy mba hametra-tanana amin’izay mbola tsy afaka ny handre sy hitory ny teniny.
Ny Ray aman-dreny no lohalaharana amin’ny fanabeazam-pinoana sy amin’ny fitondrana ho eo amin’i Jesoa ny solofo dimbin’ny ainy, ary andraikitra tsy azony ankinina amin’ny olon-kafa izany. Tsy misolo fa manampy azy ireo ny katesista sy ny mpanabe amin’ny ambaratonga sy ny seha-piainana tsirairay avy.
Fanentanana azy ireo handray andraikitra kosa no adidy voalohany miandry ireo olom-boahosotra sy olom-boatendry ka ny fampitàna sy ny fivelomana ny finoana no laharam-pahamehana amin’izany. Mampalahelo raha ny fandraisana andraikitra hafa sy ny resaka latsak’emboka no anaovana fanentanana bebe kokoa, mialoha ny hitantarana ny hafaliana maha kristianina, ka tsy ny fampianarana ny Tenin’ny fiainana hahafahana mihaino sy miteny ka hiderana an’Andriamanitra intsony no imasoana fa zavatra hafa. Raha tsy ny fahalalàna sy ny fihaonana amin’i Kristy no lohalaharana amin’ny asa pastôraly dia tsy maintsy hivaona amin’ny tsy izy ny fiainana maha kristianina.
Adidintsika efa nahalala ka mivelona amin’ny finoana, sambatra amin’ny maha kristianina ny maneho amin’ny hafa sy mizara aminy izany hafaliana sy hasambarana izany. Ny adidy tokana ampahatsiahivin’ny Evanjely anio dia ny vavaka (παρακαλέω – parakaleô) ataon’ny hafa mba hametrahan’i Jesoa tanana amin’ilay marenina sy mibadabada. Mila mandini-tena mandrakariva isika amin’ny fotoana atokantsika hivavahana ho an’ny hafa. Mila mandini-tena ny ray aman-dreny sy ny mpanabe amin’izay fotoana atokany isan’andro hivavahana ho an’ny olona iaindraiketany. Fa mila mandini-tena koa ny zanaka sy ny beazina amin’izay vavaka ataony mba hahazoana fanabeazana araka ny sitrapon’Andriamanitra.
I Jesoa kosa mitondra miavaka izay rehetra entina eo Aminy, mba tsy hifangaroany intsony amin’ny vahoaka fa ho masina, voatokana ho Azy (קֹדֶשׁ=qodhesh). Tsy afaka ny hisokatra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay tsy manaiky hitokana miaraka amin’i Jesoa, hanokana fotoana hanginana sy hivavahana miaraka Aminy. Izay tia ny tabataban’izao tontolo izao, tsy afaka ny hankafy na oviana na oviana ny fahanginana hahafahana mihaino, hiavahana amin’ny vahoaka.
Tsy ny fahaizan’i mompera mitory teny anefa na ny fahazotoan’ny katesista na ny fahombiazan’izay fanabeazana nataon’ny ray aman-dreny no mampisokatra ny fon’ny olona handray ny fahasoavana fa
- ny rantsan-tanan’Andriamanitra (manambara ny fitiavany manokana manaiky hifampikasoka amintsika),
- ny aina avy Aminy (ny rora araka ny foto-pisainana tamin’izany dia heverina ho fivainganan’ny fofon’aina, ka manambara araka izany ny fahasoavana arotsaky ny Fanahiny mpamelon’aina)
- ny vavak’i Kristy (sy ny Fiangonana) miandrandra ny Ray, satria raha tsy avy Aminy tsy misy zavatra na inona na inona vanona sy masina.
Ireo no mamaha ny olona amin’izay manakana azy tsy hifandray amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Ny fahasitranana avy amin’izany no hahazoany manavaka ny fampianaran’ny Evanjely amin’izay fampianarana hafa rehetra efa mety ho henonkenony tany (par ouï-dire). Teny samihafa manko no ampiasain’i Marka fa samy nadika hoe sofina moa izy ireo: nokasihan’i Jesoa tamin’ny rantsantanany ny sofina (τὰ ὦτα, οὖς – ta ôta, ous: sofina) ary nisokatra ny sofiny (αἱ ἀκοαί,ἀκοή – ai akoai, akoè:ny fandrenesana, fa entina hilazana ihany koa ny fampianaran’ny Evanjely): misokatra ny fandrenesana ka afaka mandre sy mandray ny fampianaran’ny Evanjely.
Tsara ho tadidiana mandrakariva araka izany fa misy fiantraikany amin’ny fomba fiainana ny fandrenesana, ka mila mandinika izay zavatra henoiny matetika ny kristianina, ary mila mangataka amin’i Kristy mba tsy ho vokin’ny resaka hampanalavitra amin’ny fihainoana ny Tenin’ny fiainana. Ny Teny voalohany lazain’i YHWH ho an’ny Vahoakany dia fiantsoana mba hihaino: שְׁמַ֖ע יִשְׂרָאֵ֑ל- shema‘ Yisrā’ēl : Mihainoa ry Israely (Dt 6,4) ary ny vavaka lafatra indrindra lazain’ny Baiboly dia izay nataon’i Salômôna nangataka ny fo mahay mihaino ( לֵ֤ב שֹׁמֵ֙עַ֙ , lēbh somē‘a, 1Mpan 3,9) izay nadikan’ny Baibolintsika hoe “saina mahiratra”, satria izay mahay mihaino no mahay manavaka, hahira-tsaina. Mbola hiverenan’ny Vakiteny I amin’ny alahady heriny moa izay fahaizana mihaino ny Tenin’Andriamanitra izay, satria avy ao no hanovozana ny hery hahafahana mijoro ho vavolombelona hatramin’ny farany (Iz 50,1snm). Ny fahaiza-mihaino no manasitrana ny fo, hoy i Papa François.
Ny sofina tsy mandre dia azo amintinana ny fahanginana, na izay safidìn’ny tena, na izay vokatry ny safidin’ny hafa na ny trangam-piainana, ary manana safidy malalaka ny tsirairay manoloana ny fahanginana: na hikatona sy hanidy ny sofina, hanamafy ny fo, na kosa hisokatra ka hanararaotra ny fahanginana ho fitaovana hahafahana mihaino, hahaizana mihaino.
Fangatahana an’Andriamanitra hanokatra ny sofina hahafahana mandre ny Teniny no vavaka ἐφφαθά (ephphatha, פָּתַח – pāthaḥ) ataon’ny Eglizy amin’ny Batemy: “I Jesoa mampalady ny marenina sy mampiteny ny moana anie hanampy anao hahazoanao mandre haingana ny Teniny sy mitory ny finoana Azy, hanomezana dera sy voninahitra an’Andriamanitra Ray”.
Lazain’i Md Marka fa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa. Eo ihany ilay tsiambaratelo “secret messianique” averimberin’ny Evanjelista fa tiany asiana tsindrim-peo koa fa tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely izay nandray azy. Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy i Md Paoly (1Kôr 9,16). Tsy afaka ny tsy higaga ny hatsaran’ny zavaboariny izay aterak’i Kristy ao amin’ny fahariana vaovao: “tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony” (jereo Jen 1,4.10.12.18.21.25.31).
Matoa mbola misy ny fanavakavahana sy ny tsindrihazolena eo amin’ny fiaraha-monina, matoa mbola misy “ny mpanakarena manao ny tsy rariny sady mandrahorahona sy mikitakita fa ny mahantra iharan’ny tsy rariny indray no voatery hiala tsiny” (Si 13,3), dia satria mbola tsy maninteraka ny fiainan’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina ny Tenin’ilay maniry ny hiadanan’ny zanany rehetra. Ny fankalazantsika ny Eokaristia, izay fanomezana zaraina mitovy amin’ny olona rehetra anie hanampy antsika hihoitra eo amin’ny seha-piainana andavanandro ka hahatonga antsika ho mpitory ny teny soa mahafaly amin’ireo mitebiteby fo, hampahatsiaro amin’ny olombelona rehetra ilay fitiavana tsy mivadika itiavan’Andriamanitra antsika rehetra.
Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie ny teny aloaky ny vavantsika vita batemy ka tsy ho teny miolankolana (μόγις – mogis) fa ho teny mahitsy (ὀρθός – orthos) hitarika izay mandre azy ho amin’ny fahasambarana. Hafaran’i Jesoa rahateo isika tsy hiroroa lela (Mt 5,37), ka hifanaraka amin’izay ankalazaintsika am-pinoana anie izay iainantsika manoloana ny adim-piainana.
Ry Andriamanitra Ray iombonanay rehetra ô, lehibe tsy takatry ny sainay ny fitiavanao, ary tena manan-kery tokoa ny Teninao: izay tanteraka amin’i Kristy Zanakao, ary tianao hotanterahina koa aminay mpianany. Koa sokafy ny fonay amin’ny herin’ny Fanahinao, mba handraisanay ny hafatrao sy hanambaranay azy amin-kafaliana.
[1] Selon Pline, ces villes étaient : Damas, Hippos, Philadelphie, Raphana, Scythopolis (Bethshean), Gadara, Dion, Pella, Gerasa, et Kanatha