Alahady faha-22 mandavan-taona Taona B
- Deterônômy 4,1-2.6-8
- Salamo14
- Jakôba 1,17-18.21b-22.27
- Md Marka 7,1-8a.14-15.21-23
Tsy mora ny manaraka an’i Jesoa fa misy hazofijaliana.
Tany Ejipta dia ny Faraona no andriamanjaka, solontenan’ny andriamanitra RA, ka izay voadininy ao am-pony no voalaza fa mifanaraka amin’ny sitrapon’ny andriamaniny ka raiketina an-tsoratra sy omena ny mpitsara mba hampiharina amin’ny tany ama-monina. Teo amin’i Israely kosa dia tsy mba toy izany. Omena dika mitovin’ny Lalànan’Andriamanitra vita soratra ny Mpanjaka amin’ny andro hametrahana azy eo amin’ny fiketrahana ka hamaky izany sy hianatra hatahotra an’Andriamanitra ary voadidy hanaraka an-tsakany sy an-davany izay rehetra voasoratra ao amin’ny Lalàna (Dt 17,18-20). Izay voalaza tamin’ny vakiteny I anio araka izany, na ny mpanjaka aza dia voadidy hanaraka izany: Aza manampy izay andidiako anareo na manala izany akory fa tandremo ny didin’ny Tompo Andriamanitrareo.
Amin’ny fiainana andavanandro dia maro no maniry ho toa an’i Faraona, hitovy amin’Andriamanitra (Jen 3, 5) ka hihevitra ny hanapaka araka izay masaka ao an-tsainy sy araka ny fironan’ny fony amin’izay heverina ho mety sy tsy mety, ho marina sy ho diso. Fakam-panahy mahazo ny olona koa ka mila tandremana ny manala izay mavesatra amin’ny lalàna, ka miala tsiny amin’ny fahalemena sy ny haratsian’ny fon’olombelona. Fa ratsiratsy kokoa noho izany anefa ny manampy zavatra hafa ankoatra ny voasoratr’Andriamanitra (Lalan’ny Fitiavana) satria hiafara amin’ny fiheverana ho Lalànan’Andriamanitra izay mety ho vokatry ny fahendren’olombelona fotsiny ihany (Ez 28,1), ka hahatonga ny tompon’andraikitra hihevitra ny tenany ho “andriamanitra” tsy maintsy harahina.
Teo amin’Israely izay efa lasan-ko babo, nesorina an-keriny teo amin’ny tany nomen’Andriamanitra ny Razany dia misy heviny manokana ny fanarahana ny Lalàna izay fehin’ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany, ka hahafahan’izy ireo miverina amin’ny fitokisana amin’YHWH no Sady hahatsiaro fa “tany masina” no nomen’Andriamanitra honenan’izy ireo. Ny hoe masina moa dia hoe “hafa”, “voatokana”, ka mampahatsiaro azy ireo, fa mampahatsiaro antsika koa fa mitaky fomba fiainana “hanesorana ny kiraro” ny tany masina, ka fomba fiainana manokana, miavaka no takian’izany ho an’izay te honina eo. Azo heverina koa anefa fa ilay fomba fiainana mifanaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra no maha-masina ny tany onenan’ilay vahoaka masina, vahoaka voatokana ka miavaka amin’ny fahendreny sy ny fahaizany mampiasa saina.
Ny Taratasin’i Md Jakôba izay vakiana manomboka anio ary tohizana mandritra ny alahady 5 mifanesy moa dia mampianatra antsika mikasika ny fanatanterahana izany lalànan’Andriamanitra izany eo amin’ny andavanandrom-piainana. Ho an’izay mahatsapa fa ny hahasambatra ny olona no sitrapon’Andriamanitra dia tsy hisalasala amin’ny fanatanterahana ny didiny. Hazavana Andriamanitra, hoy i Md Jakôba ary tsy misy aloka miserana ao Aminy. Avy Aminy avokoa ary avy Aminy irery ihany ny loharanon’ny soa rehetra, ka ny fitozoana mihaino amin-kalemem-panahy ny Teniny sy ny fanarahana ny Lalànany, dia ny lalan’ny fitiavana, no izorana amin’ny fahalavorariana. Tsy afaka misaraka araka izany ireo dingana telo ireo.
Efa tsara ny mihaino, ary mila mihaino amim-pahalemem-panahy, saingy tsy izay akory no fahalavorariana, satria izay tsy vonona hanao dingana amin’ny fampiharana ny teny amin’ny fiainana dia sahala amin’ny olona mahalala ny lalana aleha, saingy tsy vonona ny hanao dingana akory hahatratrarana ny tanjona, tahaka ny olona mividy solika ho an’ny fiarakodia fa tsy atao ao anaty réservoir fa tahirizina anaty bidon ao anaty fiara ihany. Fizorana ho amin’ny fahasambarana, mazava loatra, ny fanarahana ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana, ary izany lalana izany no atoron’ny Lalànan’Andriamanitra, dia ny Lalan’ny fitiavana izay manadio ny fo amam-panahy ka hahafahana mibanjina ny endrik’Andriamanitra.
Izany no mahatonga an’i Md Jakoba milaza mazava fa ny fanampiana ireo tsy manam-piahy ary ny fiarovan-tena mba tsy ho voaloton’ny fitiavan-tena sy haren’izao tontolo izao no hahafahana mijoro tsy aman-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra.
Izany fifanarahan’ny fiainana amin’ny Lalànan’Andriamanitra izay ambaran’ny foto-pinoana sy mety hankalazaina amin’ny fombam-pivavahana izany no lazain’ny Evanjely.
- Md Marka 7,1-13
Ny fampifanarahana ny fomban-drazana sy ny kolontsaina malagasy amin’ny Evanjely dia tsy lalan-tokana azo fintinina amin’ny fampanaraham-bolontany fotsiny. Misy volon-tany mifangarika amin’ny foto-pinoana ka mbola mila diovin’ny Evanjely. Misy fomba nentim-paharazana sasany sy foto-pisainana tsy mifanaraka akory amin’ny Evanjely, ka tsy maintsy diovina izy ireny, na fadiana mihitsy aza. Misy kosa anefa efa voa tsara nafafin’ny Fanahy ary efa nahazo laka ka zary tany lonaka hahafahan’ny Evanjely mivelatra sy mamokatra. Anisan’izany, ohatra, ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Ny Evanjely tsy mahakasika ny fiainan’ny olona koa anefa dia tsy avy amin’i Kristy, ilay Teny tonga nofo. Ny fandanjalanjana ny fampanaraham-bolontany sy ny fitoriana ny Evanjely dia miteraka fifandirana mety hiafara amin’ny ady sy ny fisarahana aza indraindray, raha tsy mafy orina izay mampitambatra dia ny hahasambatra ny olona rehetra ka hahatsapany fa fitiavana Andriamanitra.
Ho an’ny Jody dia mizara roa izao tontolo izao: ny madio (pur) izay mitondra amin’ny fiainana ary ny maloto mila diovina raha tsy te hifatratra any amin’ny fanjakan’ny haizina sy ny fahafatesana (hadès). Araka izany dia mila manaraka amin’ny antsipiriany ny fomba fidiovana, satria izay “maloto” dia mila sarahina amin’ny tontolo mahakasika an’Andriamanitra Velona sy ny mpino Azy, ary tsy afaka miverina hiombom-piainana sy hafaliana indray amin’ny mpino “madio” izay “maloto” raha tsy efa avy midio, araka ny fomba nifandovàna. Ny tsy fanarahana ireny fomba aman-dalàna ireny dia maha voasazy ary mety haha-voaozona mihitsy aza (Jo 7,49).
Ny mpianatr’i Jesoa dia tsy nanaraka izany fomba izany. Tsy dia resaka fahadiovana (hygiène) loatra no tian-kambara eto fa ny fombafomba nentim-paharazana. Azonao alaina sary an-tsaina izany rehefa mahita zinga mifatotra eo amin’ny paompy fanasana tanana ianao, rehefa avy any an-tsena ohatra, dia mazava loatra avy nifampikasokasoka tamin’ny tsy mpino tany ka mila midio, ary satria tsy fomba ny manasa tanana amin’ny rano mandeha amin’ny paompy (tsy fanta-piaviana) fa tsy maintsy tovozina amin’ny zinga ny rano hisasana amin’izay mba fantatra hoe avy ao anaty zinga… Toy izany koa ohatra ny zoma hariva, tsy afaka maka sary satria tsy afaka mampiasa “flash” noho izy heverina ho fandrehetana afo, izay voararan’ny fombafomba…
Lazain’ny Boky Eksaody fa mila misasa tanana sy tongotra ny mpisorona rehefa miditra sy mivoaka ny tempoly sy ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty (Eks 30,17-21) ary tsikelikely dia lasa fahazaran’ny olona rehetra, ary tonga didy mila tandreman’ny olon-drehetra toy ny anakandriamaso, mihoatra noho ny Didin’Andriamanitra izany fomba fidiovana izany.
Rehefa izay no mitranga dia zava-doza no aterany. Rehefa mahavita ny fombafomba ny olona dia mihevitra fa efa milamina ny konsiansy (feon’ny fieritreretana) ka afaka mandeha am-piadanana. Diniho ohatra ny fomba fivavaka izay lasa fahazarana fotsiny ka tsy ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fikatsahana ny sitrapony intsony no mahamay fa ny fahaizana na tsia tsianjery ny vavaka (na ny marina fomba fivavahana), ny fihiràna azy izay manampy amin’ny hakanto hitiavana hivavaka bebe kokoa fa tsy mahasolo ny vavaka tsy akory raha mijanona ho fanononana azy an-tendro-molotra (piliavava) ihany izany. Mpihatsaravelatsihy izay manao toy izany hoy i Kristy. Ny teny grika hoe ὑποκριτής – hypokritès moa dia entina hilazana ny mpilalao an-dampihazo: mpihatsaravelatsihy izay miseho ho mpivavaka, nefa ny fiainany lavitra izany fivavahana izany. Mpamalan-kira izay tsy mampifanaraka ny fiainany amin’ny tononkira hirainy amin’ny feo mangany.
Sao sanatria an’izany mbola mihatra amintsika ny fananaran’i Jesoa ka rehefa mahavita “denier de culte” sy mandrotsaka rakitra ho an’ny pretra sy ny fanohanana ny fiangonana dia milamina ny konsiasy, ka na maty noana aza ny mpifanolo-bodirindrina, na hahantra eo aza ny raiamandreny dia tsy mampaninona satria efa nahavita ny adidy masina (Korban).
Sao sanatria amin’ny fotoana hanaovana famadihana izao, ny maty fonosin-damba fa ny velona na maty mosary aza tsy raharahiana akory. Tsy izay sty nahavita famadihana no manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra fa ireo tsy manampy ny kamboty sy ny mananotena (Vakiteny faharoa), ireo mandainga na misaina ratsy hahavoa ny hafa na maka zana-bola na mandray tamby hahavoa ny marina (Salamo 14 setriny).
Tsy ho sanatria isika no hanao vavaka an-tendro-molotra ka hanana fo manalavitra an’Andriamanitra (Iz 29,13 grika). Tsy ambony na oviana na oviana noho ny Tenin’Andriamanitra sy ny didim-pitiavany ny fanajana izay mety ho tenin’olombelona sy fomban-drazana sy fomban-tany nifandovana ka tsy mitondra amin’ny fifankatiavana. Tsy hanaovana tsinontsinona ny fomba sy ny soatoavina izany sanatria, fa fahamailoana kosa sao mifanipaka amin’ny fitiavana ny fiheverana ho fanajana azy ireny.
Fahasoavana ho antsika ny maha malagasy, manankarena soatoavina manampy hiaina ny Evanjely.
- Md Marka 7,14-23
Tsy ny fitandremana ny lalana aty ivelany no hitsarana ny mampadio na tsia ny zavatra iray fa noho izy manampy ny olona hivoatra na tsia. Tsy misy sakafo maloto ka tokony hofadiana raha tsy mifanohitra amin’ny fahasalaman’ny olona. Na ny mpianatra aza moa tsy nahazo izay nolazain’i Jesoa ka mbola nanontany azy tonga tany an-trano. Mazava anefa ny fampianarany: madio ny hanina rehetra. Nanahirana ny fifadiana sakafo fa nampikorontana hatramin’ny fiaraha-mivavaka sy fiaraha-manao lamesa teo amin’ny kristianina jody sy hafa firenena (Ga 2,11snm).
Izay mivoaka avy amin’ny olona no mahaloto ny olona. Misy 12 ny fahalotoana notanisain’i Jesoa ka ny 6 voalohany dia manondro maro (au pluriel): ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny vono olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana; ny 6 hafa kosa dia manondro tokana (au singulier): ny hosoka (risoriso), ny fijejojejoana (libertinage), ny fialonana, ny vava ratsy (blasphémie), ny avonavona sy ny hadalana; izay zavatra rehetra izay no avy ao anatin’ny olona ka mampaloto azy.
Niezaka nojerena ny antony mahatonga ireo fahalotoana ireo hoe enina sy enina, dia hita ho misy fifandraisany, ka ny zavatra atao indray maka monja, mahazo vahana ao am-po dia tonga fahotana miverimberina. Azo jerena ihany koa ny fivoaran’ireo fahotana ka mitondra amin’ny ratsiratsy kokoa raha tsy mibebaka: ny hosoka madinidinika ohatra no mahatonga hatrany amin’ny fakàna ny vadin’ny sasany; ny fijejojejoana sy ny tsy fahaizana mifehy tena no mampiròna any amin’ny fijangajangana; ny fialonana no mahatonga hamono olona; rehefa kamo na tsy mahavokatra ny nitsembohana dia miteny ratsy an’Andriamanitra ary tsy afaka ny hionona amin’izay an’ny tena ka miafara amin’ny fakàna ny zavatry ny hafa, mangalatra (somary noterena ihany); ny fiavonavonana no mahatonga ny tahotra sao hihoaran’ny hafa ka aleo tazonina ho an’ny tena izay kely ananana ary izany no mampihidy ny fo tsy hizara (fahihirana); fahaverezan-tsaina ny fanimbana zavatr’olona noho ny hasomparana, na ny marimarina kokoa ny hadalana sy ny tsy fiheverana loatra (ἀφροσύνη – aphrosunè) no mampiroaroa saina (πονηρία – ponèria izay nadika moa hoe hasomparana sy haratsiana, satria avy amin’io ny πονηρός – ponèros, ilay ratsy angatahintsika mba hanafahan’Andriamanitra antsika ao amin’ny “Vavaka nampianarin’ny Tompo”). Mila mivavaka isika mba tsy ho tratran’izany faharatsiana mampiroaroa saina ka handeha hisompatra ny zavatry ny hafa. Habibiana tsy mendrika ny maha-olona akory izany.
Ny ratsy manakana antsika tsy hahita an’Andriamanitra dia izay manakana antsika tsy hadio fo, ka ny πονηρός (ponèros), ny fihahakahan-kevitra, vokatry ny hadalana, vokatry ny ἄφρων (aphrôn hamaivanan-doha sy tsy fieritreretana) no loto tian’i Jesoa hoesorina ao am-pontsika.
Ny fanesorana ireo rehetra ireo ao am-pontsika no mampadio antsika. Tsy ny fanasana tanana sy tongotra araka ny voalazan’ny Eksaody (Eks 30,17-21) no atoron’i Jesoa ny mpianany ho fidiovana fa ny fanesorana izay toetra mety mampalahelo sy nahadiso manoloana ny rahalahy: raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny otely ianao ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao dia avelao eo amin’ny otely aloha ny fanatitrao ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray (Mt 5,23-24).
Tsy sanatria ny tsy fanarahan’ny rahalahy ny fombafomba litorjika no hanaovana izay mampalahelo azy na hanambaniana azy mandritra ny Sorona sy ny Fankalazana. Aza misy anie izany. Handio ny fontsika amin’izay mety ho antom-pahalotoana anie Izy Tompo ka hahatonga antsika ho Sorona velona ankasitrahiny.
Andriamanitra Rainay ô, fatratra ny fitiavanao ny voarinao: koa arovy izahay tsy hivily hiala amin’ny didim-pitiavanao ka hanaraka ny sitrapon’olombelona. Satria ny Teninao no mahavelona, ny hasin’ny Fanahinao no manadio ny fo, ary ny fahazavanao ihany no hahatari-dalana anay ho tafita ao Aminao ho sambatra miaraka amin’i Jesoa Zanakao.