Alahady faha-21 Taona A Mandavan-taona
- Vakiteny I: Iz 22, 19-23
- Salamo 137
- Vakiteny II: Rm 11, 33-36
- Evanjely: Mt 16, 13-20
Tany Sezarea an’i Filipo, zanak’i Eroda, eo amin’ny toerana ipoiran’ny iray amin’ireo loharano mitambatra ho Ony Jordany, noheverin’ny olona tamin’izany fa fonenan’ny andriamanitra Pan sy Nymphe, izay ninoan’ny olona fa nameno zava-tsoa an’izay niankohoka nitsaoka azy, nananganany tempoly lehibe koa teo, hanajana sy hisoronana amin’ireo sampy ireo, indrindra amin’ny fanondrahana ny tanin’izy ireo mba hampahavokatra azy. Teo no nanontanian’i Jesoa an’ireo mpianany, ary hanontaniany antsika rehetra koa hoe: Ataon’ny olona ho iza aho? Ary Ianareo kosa, manao ahy ho iza?
Raha manome harena sy vokatra miavosa ho an’ireo manompo azy Pan sy Nymphe, inona kosa no mba antenain’ireo mpianany avy amin’i Jesoa? Inona no mba lazain’ny olona momba Azy? Joany Batista, Elia, Jeremia na iray amin’ireo Mpaminany taloha? Ny fampidiran’i Matio an’i Jeremia eto amin’ny fitanisana dia efa entiny hilazana sahady ny hanjò ilay “Mpaminany vaovao”, ilay “Joany Batista nitsangan-ko velona” araka ny hevitr’i Herôda (Mt 14, 2), satria amin’ny Mpaminany rehetra dia i Jeremia no nijaly indrindra tamin’ny fifanoherana sy noho ny nafitsok’ireo Lohandohan’ny Mpisorona sy ny mpanora-dalàna tao Jerosalema.
Efa nanao dingana ihany ny fahalalan’ny olona an’i Jesoa ho mpaminany igagana saingy mbola tsy lavorary. Tsy figagana fotsiny toy izany koa anefa dia ampy hahafahana miaina amin’ny maha-mpianatr’i Kristy. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahalavorariana ny fiainantsika raha tsy lavovary ny finoantsika an’i Jesoa. I Md Piera misolo tena ny Apostoly dia mivoatra ihany koa amin’ny fiekeny ny finoana. Ny Apostoly rehetra no niaiky fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa (Mt 14, 33). Eto i Piera manampy fa Izy no “Kristy”, ilay Voahosotra, mpamonjy voalazan’ny Mpaminany sy andrasan’ny vahoaka, ilay vatolampy ho enti-mizaha toetra sy hamafàna ny fifanekena amin’ny fahafatesana (Izaia 28, 14-22), handresy araka izany ny vavahadin’ny afobe. Tian’i Jesoa ho azontsika fa ny Fiekem-pinoana dia manova ny fiainana, misy fiantraikany amin’ny fomba fiainana satria hisafidianana ny Andriamanitra marina hotompoina.
Na dia any amin’ny fifanatrehan-tava hahalalana Azy araka ny tena toetrany aza vao ho lavorary izay maha-izy antsika amin’ny fanahafana Azy (1 Joany 3,2), dia miainga avy amin’ny finoana fa ao amin’i Jesoa no hahafahana mibanjina ny endriky ny Rainy, dia ilay “Andriamanitra velona”, araka ny nolazain’i Md Piera: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Ao Aminy no misy ny fahavelomana ka tsy haharesy izay miorina eo amboniny ny vavahadin’ny afobe. Ny hoe afobe moa, (ᾅδης, hades), nadikan’ny Simbolin’ny Apostoly hoe “ambanin’ny tany” dia fandikàna ny שְׁאוֹל – shéol ka ny “Hades”, avy amin’ny “Ha-“, (négation) sy “εἰδῶ (eido), mahita, dia nadika hoe “fiainan-tsy hita”, ao amin’ny DIEM (dikanteny iombonana). Io no fahafatesana ka hiditra ny vavahadiny izay mpomba ny demony, hoy ny Boky Fahendrena, fa ny olona rehetra kosa, noharian’Andriamanitra ho amin’ny fahavelomana toa Azy (Fahendrena 2, 23-24). I Jesoa kosa nidina tany mba hitondrany ny hazavan’ny fitsanganany ho velona (KFK 633)
Izany finoana an’Andriamanitra velona izany dia fanomezan’ny Fanahy fa tsy sanatria hakingan-tsaina ka hireharehana. Fahasambarana izany ho an’izay mahatsapa fa tsy asan’ny nofo aman-drà no nanambara izany fa fanomezana avy amin’ny Ray any an-danitra. I Kristy no vato tokana iorenan’ny Eglizy ka tsy sanatria hisy sahy hitady fototra hafa ankoatrany, hoy i Md Paoly amin’ny Korintianina (1 Kor 3, 11), Izy no vatofehizoro mampiray ny fototra dia ny Apôstôly sy ny Mpaminany (Efezy 2, 19-21), Izy no vatovelona, narian’ny olona fa nofidian’Andriamanitra (1 Piera 2, 4-6).
Ny anarana iantsoana an’i Piera araka izany[1] dia “Πέτρος, petros”, vato arafitra amin’ny fanorenana; ny finoana an’i Jesoa ho Kristy kosa no “πέτρα, petra” vatolampy iorenan’ny Eglizy. Izay rehetra mino ka miaina araka ny finoana nambaran’i Piera araka izany dia mirafitra ho tempolin’ny Fanahy, araka ny fandaharan’Andriamanitra, ireo no olona malina nandray sy mivelona araka ny Evanjely ka mandrafitra ny tranony eo ambonin’ny vatolampy (Mt 7, 24-25). I Piera mety hiovaova, na i Jesoa aza niantso azy ho “satana” manafintohina Azy (Mt 16, 23), saingy ny finoana an’i Kristy kosa mafy orina mandrakizay. Raha sanatria tsy mandeha araka ny izy ny fiainantsika araka izany dia io finoana io no mila hamafisina sy havaozina, ary izany no ataon’ny Fiangonana isan’alahady. Tsy finoana hotantaraina amin’ny hafa, sanatria, fa finoana ivelomana isan’andro. Izany no nandraran’i Jesoa ny mpianatra tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no Kristy. Ny fiainantsika no anambarantsika izany finoana izany.
Izay miroso amin’ny fandalinana ny finoany dia hahatsapa ny halehibeazan’ny herin’Andriamanitra, ka hiaiky tahaka an’i Md Paoly fa Izy irery ihany (Andriamanitra) no mendrika homem-boninahitra, satria tsy valin’ny nataontsika tsy akory ny fanomezam-pahasoavana avy Aminy fa fitiavany maimaim-poana ihany (Vakiteny II Rm 11, 33-36). Tsara hotadidiana moa fa ny tsy faneken’ny Jody mpiray firenena aminy handray ny famonjen’i Kristy no nahavaky loha an’i Md Paoly, saingy tsapany koa fa lalana nitaran’ny famonjena ho an’ny Jentily izany, hahavelom-pialonana ny Jody ka hibebahany ho amin’ny fitsanganan-ko velona (vakiteny II alahady 20A), ary izany rehetra izany dia manambara ny fahendrena amam-pahaizana lalina ananan’Andriamanitra. Ny Vakiteny I (Iz 22, 19-23) izay mitantara ny loza hanjò an’i Sobnà dia tokony hampieritreritra antsika hoe : aiza tokoa moa no iorenantsika, iza no ianteherantsika! Iza i Kristy ho antsika! (Evanjely Mt 16, 13-20).
I Sobnà na Shebnah (mitomban-kery) dia «lehiben’ny mpanao fanjakana tamin’ny andron’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà. Firinga mihevotra izy io sady hafa firenena, ary mafy fitondra ny vahoaka. Izy no nitarika ny mpanjaka mba hanao fanekena tamin’ny Ejipsiana; nefa hevitra notoherin’Izaia mafy io, satria tsy sitrapon’Andriamanitra. Naongana tamin’ny raharahany izy taty aoriana araka ny tenin’ny mpaminany. I Eliasima mpandimby azy no notolorana ny fanalahidin’ny tranon’i Davida, izany hoe ny fahefana ao amin’ny fanjakan’i Davida» (jereo naoty Baiboly malagasy 1983 momba ny Izaia 22, 15).
Nandray ny Fanalahidy hamatotra sy hamaha koa i Piera sy ny Apostoly (Mt 18, 18). Manome “lakile” moa dia milaza ny fitokisana apetraka amin’izay hitantana ny fananana. Izay tompon’ny lakile no mandidy sy manapaka, “lakile” nalàna tamin’ny Mpanora-dalàna sy ny Farisiana ary nomena ny Eglizy kosa, tahaka ny nanalàna azy tamin’i Sobnà ka nanomezana azy an’i Eliasima. Ampahatsiahivin’i Matio ihany anefa fa “adidy” ny fanarahana izay mipetraka eo amin’ny fiketrahan’i Moizy, tsy amin’ny toetra ratsiny fa amin’ny fampianarany ny Lalàn’Andriamanitra (Mt 23, 2-3).
An’i Jesoa irery ihany, ilay Zanak’ondry voavono ho faty ny fahefana hamoha sy hanidy, hoy i Joany (Apok 3, 7), ka izay te hiditra ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra nosantariny dia tsy maintsy mandalo amin’ny fiekem-pinoan’i Piera sy ny Apostoly. Atao ahoana ny hiditra ao an-trano raha tsy fantatra akory aza hoe aiza ny varavarana! I Kristy no vavahady (Jo 10, 7) hahafahana miditra sy mivoaka ho amin’ny fiainana.
Tsy mpiandry varavarana, araka ny “blagues” marobe momba azy anefa i Md Piera. Ny hanampy ny olona hiditra ao amin’ny fiainana, ao amin’i Kristy, no ifandrimbonany miaraka amin’izay rehetra te ho mpianatr’i Kristy. Izany no ankalazantsika ny fetiny miaraka amin’i Md Paoly, ny 29 jona. Andraikitra nankinin’i Jesoa aminy sy amin’izay dimbiny kosa anefa ny “mamatotra” (δέω deo), mandrara amin’izay zavatra tsy mifanaraka amin’ny Evanjely, sy “mamaha” (λύω luo), manome alalana amin’izay azo atao. Tsy tery fa safidy no maha-kristianina ka asan’i Piera ny mamondrona sy mitahiry ny firaisan’ny Mpino, mamahana ny andian’ondry sy mankahery ny rahalahiny ao amin’ny finoana, izy no lohalaharana amin’ny fiainana ny fitiavana.
Mampalahelo fa ny tsy fahavitana ireo andraikitra nankinina tamin’i Piera sy ny mpiara-dia aminy ireo matetika no nahatonga fikomiana sy adilahy teo amin’ny tantara. Araka ny lazain’ny Soridalàn’ny Diosezin’Antsirabe hoe “mpiandry ondry manova feo”, tonga sakana sy fanafintohinana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Md Irené nilaza fa ny Evekan’i Roma (ny Papa) dia “ilay mpitarika, lohalaharana amin’ny lalan’ny fitiavana”, teny naverin’i Papa François tamin’ny andro naha-voafidy azy ho Papa ny 13 martsa 2013 io. Ny hampianatra antsika ny Lalàn’i Kristy sy ny Evanjeliny no laharam-pahamehana ho an’ny Apôstôly sy ny Dimbiny mbamin’izay rehetra maniry hiara-miasa amin’izy ireo. Izany no maha-Apôstôlika ny Eglizy ka mialoha ny hitenenana fa “tsy d’accord”, tsy mifanaraka amin’izay eritreretinao ny fampianaran’ireo dimbin’ny Apostoly (Papa sy ny Eveka) na ny fanapahan-keviny, dia amafiso mandrakariva aloha ny faniriana marina tokoa hiaina araka ny Evanjely, sao ny ambom-po sy ny avonavona no hanilihan-tena tsy hiombonana amin’ny Eglizy.
Na i Piera aza mety hiova, araka ny voalaza teny ambony, ka antsoina mba hanitsy ny fomba fisainany mandrakariva mba hisaina araka an’Andriamanitra fa tsy araka ny olombelona, sao hiala amin’ilay “Piera” sambatra satria nanambaran’ny Ray ny misterin’ny Fanjakany (Mt 11, 25), ka ho lasa “satàna” hihevitra ny handahatra ny fizotry ny tantara araka ny ambom-pony. Fanafintohinana ho an’ny olombelona manko ny hanaiky ny endrik’Andriamanitra hiakatra any Jerosalema ka hampijalian’ny loholona sy ny Mpanora-dalàna, tahaka ny nahazo an’i Jeremia sy ny Mpaminany (Mt 23, 37), kanefa kosa, izany no lalana mitondra amin’ny havelomana mandrakizay tsy maintsy izoran’izay te ho mpianatr’i Kristy.
Mazava ny tenin’i Jesoa amin’i Piera sy izay mbola misalasala noho ny fiheverana fa fandresena (araka ny olombelona) mandrakariva no ho an’izay manara-dia an’i Kristy: hanaraka Azy avy ao aoriana (ὕπαγε ὀπίσω μου, nadikan’ny baibolintsika hoe “mialà amiko” moa), hanaraka ny diany izay “tsy maintsy ho any Jerosalema” tsy sanatria hanamongo ny Romanina fa kosa hanolotra ny tenany ho Sorona, hanambarany fa tsy ny herisetra (Mt 26, 52) no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fahotan’olombelona fa ny fitiavana.
I Sobnà (Vakiteny I: Iz 22, 15) dia nitarika ny olona tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny hita maso, tsy handraharaha ny ho avy, ka namporisika azy ireo “hihinana sy hisotro fa ho faty ihany rahampitso » (Iz 22, 13). Ireny no “mpiavonavona ataon’ny Tompo tazan-davitra”, araka ny lazain’ny Salamo 137. Izay “nofidian’ny Tompo” kosa (Eliakim, celui que Dieu a établi) no afaka hifehy araka ny fitiavany satria “avy aminy, noho Izy ary ho azy ny zavatra rehetra” (Rm 11, 36). Ny fahefana ananantsika dia tsy natao hireharehana sanatria fa natao hanompoana, natao hanampiana ny hafa hiditra ny fanjakan’ny lanitra, ka ny fanadinoana fa tsy ny fahamendrehana loatra fa ny fahasoavana no mandahatra izany dia mety hanadinoantsika ny adidy miandry sy andrasana amintsika. Mahaiza misaotra sy mankasitraka ny Tompo nahary nifidy anao, tanatin’ny maro, tanatin’ny tsara. Misaora. Niangaram-pitiavan’i Jesoa Tompo ianao…Misaora, hoy ny hirantsika. Izay nahazo andraikitra dia tokony hitadidy lalandava izay nolazain’i Jesoa tamin’i Pilaty hoe : « tsy manam-pahefana Amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany » (Jo 19, 11).
Indraindray koa anefa, rehefa ny hafa no omena fahefana hifehy antsika dia toa zary vesatra sy fimenomenomana ny tsy fitovian-kevitra na ny fanapahan-kevitra raisiny tsy araka izay noheverintsika. Mampalahelo fa misy kristianina manery ny tompon’andraikitra hanao zavatra mifanohitra amin’ny Evanjely. Ny fahefana eo an-tanan’izy ireo dia “fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra” ka adidintsika ny manampy mpitondra amin’izany andraikitra izany, na amin’ny vavaka na amin’ny torohevitra, na dia sanatrian’izany aza hiharan’ny tenin’i Jesoa hoe «ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo fa aza maka tahaka ny ataony» (Mt 23, 3).
Ny Fampianarana nosoratan’ny Congrégation pour la vie Consacré momba ny anjara toeran’ny fahefana sy ny fanekena eo am-pitadiavana ilay Endrik’Andriamanitra (Faciem tuam, Domine requiram, 11 mai 2008) [2], dia mampahatsiaro fa manampy antsika hikaroka ny sitrapon’Andriamanitra ny ambaratongam-pahefana, mandrindra ny fiaraha-miaina ary mamelona ny zotom-po hitory ny tena Fahafahana marina ao amin’i Kristy.
Tsy natao ho an’ny relijiozy ihany anefa izany fampianarana izany ary ny 21 aogositra ahatsiarovana an’i Victoire RASOAMANARIVO Olontsambatra, dia mampahatsiaro antsika ny fanamasinan-tena iantsoana antsika rehetra, eny fa na dia amin’ny fanarahana ny fiainana tsy nosafidiana akory aza, rafitra napetraky ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina fa ny fanekeny, ny fandeferany sy ny fahamasinana nokolokoloiny tamin’ny fivavahana izay “aina” no zary fahasoavana nampibebaka hatramin’ny vady najainy sy nekeny ary notiaviny na an-kasoavana na an-karatsiana. Izany no tokony hanokanantsika fotoana handinika ireo soa sesehena notovozintsika avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, handalinantsika mandrakariva ny finoana, hampifanarahantsika azy amin’ny fiainana amin’ny famaliantsika am-panetren-tena ny fitiavan’Andriamanitra asehony maimaim-poana, amin’ny izarantsika izay noraisintsika amin’ny hafa ary ny hiarovantsika ny fahamasinana, tsy amin’ny hambo-po araka ny olombelona fa amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’ilay tia ny hahavonjy ny olon-drehetra. Izany rahateo no teny filamatra iainan’ny Diosezin’Antsirabe hoe (AIZA: alaliniko, iainako, zaraiko ary arovako ny Finoako).
Finoana an’i Jesoa, ilay Kristy Zanak’Andriamanitra velona. Kristy, izany hoe Mesia, ilay voahosotra, nofidian’Andriamanitra mba hanatanteraka ny fampanantenany. Raha toa ka mbola miandry olona na zavatra hafa ankoatr’i Jesoa sy ny Fiangonany isika mba hahazoana ny fahasambarana sy ny famonjena dia tsy mbola “Kristy” ho antsika Izy. Izy koa no Zanak’Andriamanitra. Ny Mpanjaka apetraka eo amin’ny fiketrahany moa no antsoin’ny Jody hoe zanak’Andriamanitra. Raha i Jesoa no mpanjakantsika dia ny didim-panjakany, ny didy vaovao hitia tahaka ny nitiavany antsika no tokony hibaiko ny fisainana sy ny fiainana. Fiekem-pinoana amafisina eo anatrehan’i Jesoa miaraka amin’ny mpino rehetra izany, saingy tsy lazalazaina amin’ny olona hafa, satria ny fiainana no entina mana-porofo fa Izy no Kristy sy Mpanjakantsika.
Mivavaha isika mba hihainan’ny Mpitondra ny vahoakan’Andriamanitra ny fiantsoana niantsoana azy, fa indrindra indrindra koa mivavaha ho an’ny andian’ondrin’Izy Tompo mba hahay hihaino ny feon’ilay Mpiandry tokana, nametraka ny fitokisany amin’ny Eglizy, sitrany ho “Reny sy Mpampianatra”.
[1] Tsy dia fanomezana anarana loatra satria i Marka sy Joany dia efa mampiasa ny hoe Piera, hatramin’ny fiantsoana ny Apostoly.
[2] Instruction Faciem tuam, Domine requiram, 11 mai 2008 jereo eto en français