Alahady faha-20 mandavan-taona Taona D
- Jeremia 38, 4-10
- Salamo 39
- Hebrio 12, 1-4
- Lioka 12, 49-53
Tolona ambony vatolampy ny fiainana,
izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha.
Tsy ny fanaovan-dratsy ihany no hakan’ny demony fanahy antsika fa mahomby kokoa noho izany ny fanakanana ny hafa tsy hanao soa ka hanakiviana izay miezaka, hanosoram-potaka izay manelingelina ka mety hiafara amin’ny famonoana azy mihitsy aza.
Ny Mpaminany, izany hoe izay manaiky hitory ny tenin’Andriamanitra anefa dia tsy afaka hitory teny mifanaraka amin’izay mahafinaritra ny sofin’ny mpihaino, fa hitory izay andidian’Andriamanitra azy, hilaza ny zava-misy tsy amim-pitaka ary hanonona ny zavatra amin’ny anarany. Tsy zakan’izay maniry hitakoko ao amin’ny haizina anefa ny fandrehetana jiro hanazava ny tontolo hiafenany. Faniriana handrehitra afo, hanazava sy hanafana anefa no nahatongavan’i Kristy (Evanjely).
Teo amin’Israely, herintaona mialoha ny handravan’i Nabokodonozora ny tanànan’i Jerosalema, raha nihevitra ny hiantehitra amin’ny tafiky ny Ejipsiana ny Jody mba hanafaka azy eo an-tanan’ny Kaldeana, dia nolazain’i Jeremia mazava fa fahadalàna lehibe ny mitoky amin’olombelona. Izy aza moa ny fianakaviany izay nanatonany mba hakàny ny zara lovany no nisambotra azy sy nampanao azy an-tranomaizina. Izany no nahatonga azy nampangaina ho mpanakivy ireo mbola vonona hitolona ho amin’ny fahafahana.
Tsy mbola nisy olona ka hoe nanoro lalana mba tsy hianteherana amin’ny herin’olombelona ka tsy nampangaina ho mpamadika firenena. Manembatsembana ny voninahitra sy ny tombontsoan’ireo lazain’i Jesoa fa mpanjaka mizaka ny jentily, sy mandidy izay atao hoe mpanao soa (Lk 22, 25) manko izany. Ny tantara no hahalalantsika ny fahamarinan’ny tenin’i Jeremia (Andriamanitra no mandahatra), fa sarotra ho an’ny olombelona tsy nanao afa-tsy ny nikendry ny tombontsoany ny hahatakatra ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra.
Abdemeleka (Mpanompon’ny Mpanjaka) no nangataka tamin’ny Mpanjaka Sedesiasa (Tsedekia, Andriamanitra Fahamarinana) ny hanafahana an’i Jeremia tao an-davadranon’i Melkiasa (Andriamanitra no Mpanjaka). Vahiny, Etiopiana (כּוּשִׁי , koshì, mainty fihodirana) no mba mitsetra azy. Izany no sitrak’Andriamanitra hamaliana ny vavak’izay mitoky Aminy, Izy ilay hanafaka ny mpanompony amin’ny fota-mandrevo (Salamo 39 setriny). Samaritana, hoy Jesoa, ao amin’ny Evanjely, no nangoraka ilay sisan’ny Jiolahy. Tsy miankina amin’ny andraikitra na ny saranga na izay mety ho voninahitra ny hatsaram-panahy. Mampianatra antsika zavatra maro izany, na amin’ny fitsaratsarana ety ivelany ny hafa, na amin’izay mety ho hakanosàna ka tsy hasahiana hiroso hiaro ny marina satria matahotra ny tsy ho henoina.
Raha toa ka laza amam-boninahitra na tonbontsoa manokana na ny fiheverana ho tsara sy masina noho ny hafa anefa no hikatrohana amin’ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny finoana, na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho diso fanantenana manoloana ny tsikera, ny fialonana sy ny hasomparana ataon’ny hafa. Izay tapa-kevitra kosa hijoro ho fanasina sy fahazavana dia hahazo izay lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio, izay toa mifanohitra amin’ny zo maha-olona, saingy lalana tokana hahafahana manara-dia marina an’i Jesoa Kristy.
Ho an’ireo kristianina alaim-panahy hisintaka ka tsy hanoy intsony ny maha-kristianina azy amin’ny fiainana araka ny Evanjely no nanoratana ny taratasy nangalana ny Vakiteny II (Hebrio 12, 1-4). Indraindray manko adinon’ny Kristianina fa Kristy voahombo, nofantsihana tamin’ny hazo no arahiny. Izay mahazo ny lôjikan’ny Lakroà ihany no afaka mijoro ho tena kristianina tokoa.
Ao amin’ny toko 11 izay nangalana ny vakiteny II tamin’ny alahady heriny no hitanisan’ny mpanoratra ny fijoroana ho vavolombelon’ireo olona nialoha antsika tamin’ny lalan’ny finoana, hatramin’i Abrahama ka hatramin’ny androntsika izao.
Tsy nisy nahazo ny fampanantenana anefa ireny vavolombelona deraina sy ankalazaina noho ny finoana ireny, na dia teo aza ny fiaretany fijaliana sy ny fitokisany an’ilay Andriamanitra tsy mivadika. Vavolombelona ho antsika izy ireo, araka izany, isika izay efa mankalaza ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana, ary mpandova ny fahasoavana ao amin’ilay mandavorary ny finoana. Raha hazakazaka ary no atao, dia mazava loatra fa ny fanesorana izay mampavesatra no fahendrena. Izany no amporisihin’ny Vakiteny II antsika voalohany indrindra: hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika sy ny fahotana manarona ary hizakazaka am-paharetana.
Ho an’izay mahalala mikasika ny fifanalàna hazakazaka dia mahazo tsara izany torohevitra izany. na ny kiraro na ny akanjo aza, dia izay faran’izay maivana no manampy amin’ny hazakazaka. Tsy ho sanatria vesaran’ny fihinanan-doatra (κραιπάλη kraipale, aretin’andoha vokatry ny fisotroana divay) sy ny fimamoana (μέθη methê, fimamoana, intoxication) ary ny fiahiana izao fiainana izao (βιωτικός biotikos) ny fo (Lk 21, 34) ka hanampoka ny fahatongavan’ny famonjena, izany hoe ny zavatra andrasana indray no handosirana sanatria.
Ny faharoa, raha sanatria misy zavatra mandrakotra ny tena na ny tarehy dia tsy ho hita ny lalana sy izay mety ho sakana, na izay mety ho torolalana hahafahana mahatratra ny tanjona, ka mety hanezakezaka any amin’ny lalana tsy izy. Ny fahotana dia tsy manao afa-tsy ny mampanalavitra antsika amin’ny tanjona hotratrarina, ary izay rahateo moa no heviny amin’ny teny hebrio (hatthàh). Ady manohitra ny ota no hatrehina nefa tsy vitsy no latsaka amin’ny fahotana satria efa tsy ny fitiavana fa ny avonavona sy ny fitiavan-tena no nikatrohana. Niaritra ny nafitsoky ny mpanota i Kristy mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio.
Ny fahatelo dia izay faharetana izay mihitsy. Ny faharetana no hamonjena ny tena, hoy i Kristy (Lk 21, 19). Raha adino ny tanjona dia mety ho ezaka toy ny ranotrambo no atao fa tsy fitsitsiana aina hahafahana mitozo hatramin’ny farany. Tsy misy afa-tsy ny fanazaran-tena anefa no hahafahana mampitombo ny vovok’aina haharetana hatramin’ny farany. Sady manaza-tena araka izany isika no mizotra mankany amin’ny tanjona, izay tokony ho banjinina lalandava dia i Kristy satria ao Aminy no hanombohan’ny finoana sy hahatratrarany ny hafenoany (antienne d’invitatoire du carême).
Tsy ady atao samirery izany fanalàna hazakazaka izany fa diabe, fiaraha-mizotra miaraka amin’ireo nialoha antsika sy izay ho avy hafarantsika. Izany no sinaody. Izay tsy mahatsiaro ho tompon’antoka amin’ny ady ataon’ny hafa dia efa lavitra ny fandresena. Mampalahelo ny maheno kristianina mirehareha amin’ny zavatra tokony hahamenatra. Anisan’izany ny an’ny sasany manasa tanana amin’ny fahavoazan’ny namana, fa ratsiratsy kokoa noho izany ny fiheverana fa tsy misy hidiran’ny sasany amin’ny fiainan’ny tena, indrindra raha ny fiezahana ho masina, hanahaka an’i Kristy no resaka.
Mbola hotohizan’ny taratasy ho an’ny Hebrio moa ny fanazavana ny fomba entin’Andriamanitra manananatra ny zanany amin’ny alahady heriny.
“Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady!” Izay no anombohan’i Jesoa hilazana amintsika ny iraka nahatongavany : ny mission (iraka) amin’ny maha-Kristy (voahosotra) Azy : hanipy afo… Mampahatsiaro antsika koa ny fiantsoana an’i Moizy izany afo mirehitra izany : afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3, 3). Afo manambara ny Fisian’Andriamanitra eo anivontsika, fisiana izay tsy mahafoana ny maha-izy antsika (hevitry ny kirihitr’ala tsy may) fa kosa mampiseho ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fitiavany mirehidrehitra hamonjy ny vahoakany. I Moizy manala ny Kapany, satria “mandia tany masina” dia sady manaisotra izay mety ho salovan’ny fahafatesana (hodi-biby maty no hanaovana ny kapa) no milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy, araka ny fitenin-drazantsika hoe : mandiha tany ka mety ho solafaka, tsy afaka ny hiantehitra amin’ny heriny ka tsy maintsy hijanona (tsy afaka mandeha amin’ny fasika tsy misy kapa) eo anatrehan’ny Afo mirehitra mba hodioviny sy hohamasininy ho tonga iraka araka ny fony.
Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany. Afo mivaivay handevina toy ny mololo ny mpiavonavona sy ny mpanao ratsy rehetra, hoy i Malakia Mpaminany (Mal 3, 19). Afo hanadiovana ny volamena sy ny volafotsy, afo handoroana izay akofa sy mololo ihany koa eo amin’ny fiainana (Lk 3, 17; 1 Kor 3, 13). Efa mahazatra antsika ny mahita ny sarin’ny Fo masin’i Jesoa mirehitr’afo : mirehitra fitiavana, tsy handringana fa hitady izay hanavotana ny mpanota mba hibebahan’izy ireo ka handovàny ny fiainana. Afo hanadiovana izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
Ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ lashon esh = lela afo) lazain’Izaia fa mandoro sy mandevina izay manipaka ny Lalàn’YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’Israely (Izaia 5, 24) no zary lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς, glossai Hosei puros) hampianatra azy ireo hiteny araka ny Fanahy.
Isaky ny mahita ny sarina lelafo eo ambonin’ny lohan’ny Apostoly isia araka izany dia tokony hahatsiaro fa ny Fanahy Masina no afaka mandoro izay rehetra manakana antsika tsy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary izay tarihin’ny Fanahy dia hampiasa ny lelany, izany hoe ny teniny, mba hampiombona fa tsy hanasaraka. Izay tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy afaka ny hitoka-monina fa hiombona ao amin’ilay Jerosalema vaovao.
Ny mahalasa ny saina anefa dia ny nanoizan’i Jesoa ny filazana ny mission (iraka) nanirahana azy : “tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa fisarahana aza…”
Dia ahoana no hilazantsika isaky ny lamesa hoe : “Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin’ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan’ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao,” raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa? Moa tsy izy ve no ilay Mpanjakan’ny Fiadanana izay hampiraotra ny zakan’omby amin’ny zanaky ny liona (Izaia 11, 6-9)?
“Manome antsika ny fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana”, (Dio ci dà la Pace ma non ci lascia mai in pace, St François d’Assise), fiadanana tsy maintsy hisahirànana. Ny Fiadanana izay andikana ny hoe “Paix” amin’ny tenintsika eo amin’ny sehatry ny finoana (na dia mahadika azy bebe kokoa aza ny hoe fandriam-pahalemana = mandry – alina), dia ny fahafahantsika miaina ny maha-kristianina antsika na eo aza ny fahasahiranana sy ny zava-maro samihafa manohantohana.
Fa inona moa no antony hiadiana? Mba hijoroana ho vavolombelon’ny fandresen’Andriamanitra. Tsy afaka ny hiady anefa izay tsy mahay manavaka akory ny namana sy ny fahavalo, izay tsy mahalala akory na tsy te hahalala izay tanjona hironan’ny fony ka sanatria hanara-drian-drano, hialokaloka ao ambadiky ny alok’izay heverina ho avo, na ao amin’ny poizina afafin’ny fiheverana fa izay ataon’ny besinimaro no mety. Tonga hanampy antsika hanasaraka ny tsara sy ny ratsy i Jesoa mba hahafahantsika manavaka ny namana sy ny fahavalo, ary mazava loatra fa ny afo no fitaovana sarobidy indrindra, fantatry ny sain’olombelona hahafahana manavaka: manazava mba hanavahana ny tarehin-javatra sy olona; manafana, mandoro sy mandevina.
Ny fifampiandaniana dia toa zary tandra vada-hoditry ny fiaraha-monina fa loza ho an’izay manao sotrbe lava tango ka ny mampiady olona amin’ny fiantsaram-belatsihy no atao fiainana. Tsy ady amin’ny mpianakavy manko no sitrak’i Jesoa fa ny hijoroan’izay mpianany ho vavolombelona mahatoky tsy mivadika, na dia ny fianakaviany akaiky aza no mitsangan-ko fahavalony.
Ny fandraisana ny Tenin’i Jesoa ka hanaikena hotarihin’ny Fanahiny dia mety hampisaraka ny mpianakavy aza ka hampisy fifanoherana na dia eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny aza (Mikea 7, 6) satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra azy. Nampahatsiahivin’i Jesoa ny mpianany fa raha halan’izao tontolo izao izy dia tsy hafa noho izany no hafitsok’izy ireo ny mpianany (Jn 15, 18).
Misy olona mihevitra tahaka ireo manam-boninahitry ny tafik’i Sedesiasa voalazan’ny Bokin’i Jeremia (Jer 38, 4-10) fa Andriamanitra no hiady ho azy ireo ka haneha-doza hila faty. Ampianarin’io Mpaminany io isika hilaza ny marina ka tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra hanakonana ny avonavona sy ny eboebontsika. Ny fiarovan’Andriamanitra izay voafidiny ka irahiny dia ny fanomezany azy hery hijoro amin’ny marina hatramin’ny farany, io no Afon’ny Fanahy, irin’i Jesoa hirehitra eto amin’izao totolo izao, mba hanavao ny endriky ny tany.
Ankoatry ny afo koa anefa, dia manana Bateny hanaovana batemy Azy i Jesoa, “batemy” (rano) izay andrasana am-pahoriana kanefa afo no tiana harehitra. Inona no hevitr’izany? Izay rehetra maniry hanara-dia an’i Jesoa dia mila mandatsaka ao an-tsaina fa “famantarana hotoerina Izy” (Lk 2, 34). Fitiavana no notoriany nefa fankahalana sy fanamelohana ho faty no nahazo Azy. Tsy maintsy handalo amin’ny fahafatesana mahafa-baraka ilay lalana mitondra amin’ny voninahitra, ary tsy afaka ny hitory ny mifanohitra amin’izany izay maniry ny ho mpianany.
Voaantso ho vavolombelon’ny fitiavana ny kristianina, voaantso haneho amin’ny fiainany fa Andriamanitra no ambonin’ny zavatra rehetra (vavaka fanombohana) eny fa na dia nety hampifanohitra amin’ny havana aman-tsakaiza aza izany.Ny Fanahy Masina anie hanome hery antsika hiala amin’ny fihavanana sandoka izay mampisaraka na mampifanohitra amin’i Kristy ka handrotsaka ao am-pontsika ny fiadanana izay ateraky ny fitiavana marina (vavaka manokana taona D).