ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – Taona D
- Izaia 62,1-5
- Salamo 95
- 1Kôrintianina 12,4-11
- Md Joany 2,1-12
Manohy ny famakivakiana ny andavanandrom-piainana isika amin’ny fankalazana ny Paka isan-kerinandro, amin’ny fandinihana manokana sy amin’ny fankalazana ny halehibeazan’ny Famindram-pon’Andriamanitra izay miantso antsika ho amin’ny fibebahana lalandava, izany hoe amin’ny fanitsiana ny dia ho amin’ny lalam-pahasambarana. Amin’ity alahady faharoa ity no hamakiana ny fitantaran’i Md Joany ny herinandron’ny fahariana vaovao (Jo 1,19–2,12) izay zaraina amin’ny taona litorjika telo.
Amin’ity taona ity dia ny Fampakaram-bady tao Kanà no vakiantsika (Jo 2,1-12). Evanjely tsy zoviana amintsika loatra, hay tsianjery aza, ary lazaintsika hoe ny Epifania fahatelo[1], dia ny voaloham-pamantarana nataon’i Jesoa. Ambaran’i Md Joany fa naneho ny voninahiny i Jesoa ka nino Azy ny mpianany. Ny fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra (Epifania) hoy i Md Paoly (Vakiteny II alahady fankalazana ny Batemy, Epifania faharoa: Tt 2,11-14; 3,4-7) dia mba hanokanany vahoaka ho Azy, vonona hanompo Azy amin’ny asam-pahamarinana sy fitiavana. Tsy tahaka ny filazan’ny Evanjelista hafa anefa, amin’ny ninoan’ny vahoaka Azy fa voafetra amin’ny mpianatra ihany aloha izany finoana izany.
Manomana ny saintsika mba hahazo ny zava-mihafina ambaran’ny Evanjely ireo vakiteny hafa; indrindra moa ny Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 62). Manoloana ny fahakiviana sy ny sorisory nianjady tamin’ny Vahoaka niverina an-tsesitany ny taona 538 tal. K. kanefa tsy afaka ny hanomboka ny fanorenana ny Tempoly raha tsy efa ho roapolo taona taty aoriana (521) no nitorian’i Izaia ireo teny vakiana amin’ny Vakiteny I. Matetika isika no mihevitra fa raha ambinin’Andriamanitra tokoa dia tokony hahomby daholo izay atao, ary vita haingana, ka rehefa misy zavatra mampijaly na tsy mandeha araka izay nantenaina dia ny finoana ny fitiavan’Andriamanitra no mihozongozona.
Ny fitiavana anefa tsy mangina ary tsy mba miala sasatra. Tsy mangina, izany hoe tsy sasatra ny mamoaka teny mamy ary tsy afaka ny tsy hanonona ilay “anarana vaovao”, hoentina hiantsoana ilay malalan’ny fo. חֶפְצִי־בָהּ – ḥephtsî bāh no anarana iantsoan’ny Tompo antsika: ankasitrahako moa no nandikàna azy fa raha adika ara-bakiteny dia hoe tsy mahita hafaliana Andriamanitra raha tsy eo amin’ilay malalany. Ao amin’ny vahoaka nofidìny ho vady no ahitany ny hafenoan’ny hasambarany. Ny Bokin’i Ôsea Mpaminany moa dia mampahatsiaro antsika izany fifamatoram-pitiavana izany manao hoe:
Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay hianao;
hofofoiko ho ahy hianao amin’ny rariny sy ny hitsiny,
ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana (Ôs 2, 21).
Fa mialoha izay dia mampahatsiaro antsika ny halalin’ny fifandraisana ifandraisany amin’ny vahoakany Andriamanitra: Amin’izany andro izany – teny marin’ny Tompo,hianao hiantso ahy hoe: Vadiko : fa tsy hiantso ahy intsony hoe: Baala-ko (Ôs 2,18). Ny Baala moa indraindray koa no adika hoe vady. Fa raha ampifandraisina ny fanambaran’i Izaia sy Ôsea, dia ny tany no hahazo vady rehefa mankasitraka antsika ny Tompo. Baal no teny ampiasain’i Izaia amin’ny filazana ny tany ho vady. Baala dia entina ilazana ny fifamatoran’ny Tompo sy ny Mpanompo, ny fifehezana sy ny fiankinan-doha mety hisy eo amin’ny mpivady. Tsy izany anefa, hoy Ôsea, satria tsy hiantso an’Andriamanitra ho Baala ny vahoakany, fa hiantso azy hoe Vady (îsh – אִישׁ), ilay lehilahy tokana, natory tao amin’ny torimasom-pahafatesana mba hampakarany (hiterahany) ho vadiny ilay Eva vaovao, dia ny Eglizy, renin’ny Zanak’Andriamanitra rehetra. Ireo ilay “zanaka” hiantso azy ho vady, araka ny lazain’i Izaia Mpaminany, ary zanaka miombona tanteraka amin’ny reniny. I Kristy no mpampakatra ka isika, miombona amin’ny reny dia ny Eglizy, miombona amin’i Masina Maria sy ny Apostoly, no toy ampakarina miantso Azy ho ilay Adama vaovao אִישׁ)). Tsy mahagaga raha “renin’i Jesoa” no iantsoan’ny mpitantara ny Evanjely ilay vehivavy nasaina tao amin’ny fampakarambady; ary “ravehivavy”(γυνή– gunè) kosa, vehivavy ampakarina no iantsoan’ilay Mpampakatra azy.
Io fiombonana io no hamafisin’i Md Paoly amin’ny Vakiteny II (1 Kor 12, 2-11). Ny fahasamihafana misy, ny fanomezam-pahasoavana rehetra dia nozarazarain’Andriamanitra mba hanasoavana ny besinimaro. Izay fahaizana na mety ho zavatra ananantsika ka tsy ampiasaintsika ho amin’ny fanasoavana ny besinimaro, ho amin’ny fanorenana ny soa iombonana dia efa fisarahana ka tsy hahafahana miombona amin’ilay Mpampiakatra tokana, mba ho tonga tena iray Aminy ka ho tonga zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy.
Tahaka ny famalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra no hamalifalianao ny Andriamanitrao, hoy i Izaia. Manao ahoana moa izany famalifalian’ny mpampakatra izany? Raha jerena ny dikanteny dia sahala amin’ny hoe isika no mitady zavatra hamalifaliana an’Andriamanitra, ka raha toa ka tsy manao izany isika dia tsy faly izy. Raha ny marina dia isika no fifaliany, isika amin’ny maha izy antsika no maharavo Azy, ka izany haravoana izany no tiany hozaraina koa amintsika. Tsy azo adinoina anefa fa nohariany mitovy endrika Aminy sy hanahaka Azy isika, ka mazava loatra fa hafenoan’ny hafaliany ny fiezahantsika miseho amin’izany endrika hitovizana Aminy izany: mpamindra fo, hoy Md Lioka (Lk 6, 36).
Ny Fanahy no mizarazara ireo fahasoavana hoentintsika miombona amin’ny hafaliany. Ka raha ny hahasambatra ny olombelona rehetra no sitrapon’Andriamanitra, araka ny lohahevitra teny am-piandohana, dia ny fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana izany ho mandavorary ny hafaliany sy ny hafaliantsika. Izay mety ho fialonana ny fahaiza-manaon’ny hafa araka izany dia fitenenan-dratsy ny Fanahy izay mizarazara izany amin’ny olona rehetra araka ny sitrapony; ary izay mety ho fitazonana ho an’ny tena ny fanomezana noraisina kosa, dia fitsipahana ny fahasambarana miandry any amin’ny mandrakizay. Tsy afaka ny hanandrana ny fahalian’ny Lanitra izay tsy maniry ny hiadanan’ny olombelona rehetra, eny fa na dia tahaka ny mazava antsinanana ihany aza no hiposahan’ny fahamarinana ary mbola fanilo manazava ny haizina ihany ny famirapiratry ny famonjena.
Asian’i Joany tsindrim-peo amin’ny fitantarany koa fa ny hahazoana ny famonjena sy ny hafaliana dia ny finoana an’i Kristy, izany hoe ny fanatanterahana izay rehetra lazainy amintsika (Eks 19,8; Jo 2,5). Efa voalazan’ny “lovam-panahin’i Israely” ihany fa izany fanatanterahana izay voalazan’i YHWH izany no lalam-pahasambarana, ary avy ao amin’izany lovam-panahy izany no nipoiran’i Jesoa izay nilaza fa tsy misy ho foana ny Lalàna mandrapaha-tanterany (Mt 5, 17-18), saingy naleon’i Israely mitady andriamanitra hafa hotompoina toy izay hanaiky ny Tompo. An’ohatra moa no ilazan’i Md Joany izany aoriana kely, rehefa mitantara ilay samaritana misolo vady in’enina izy. Isika no menatra, fa Izy kosa, hoy i Izaia, hahita hafaliana amin’ny fikolokoloana antsika nofidìny ho “vadiny”.
Ny fitantarana ny famantarana voalohany nanehoan’i Jesoa ny voninahiny mba hinoan’ny mpianany Azy, raha dinihina tsara dia ampifandraisin’i Joany amin’ny Herinandro Masina. Raha vakìna ny toko roa voalohan’i Joany dia ahitantsika ny fizotry ny fahariana vaovao. I Jesoa no ilay Fahazavana ary i Joany no vavolombelona manambara Azy. Dia manomboka amin’ny fanambaràn’i Joany Batista ny fahatongavan’ny Mesia no anisàn’i Joany Evanjelista kosa ny andron’ny fahariana vaovao. Ny andro manaraka dia ny fanehoan’i Joany Azy ho ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra manala (ka mivesatra) ny fahotan’izao tontolo izao; ny andro manaraka indray dia ireo mpianatra roalahy no nanambaràn’i Joany ilay Zanak’Ondry ka lasa nanaraka an’i Jesoa nizaha izay itoerany.
Ary nony afaka hateloana, dia nisy fampakarambady tao Kanà any Galilea. Io ilay andro fahaenina namolavolan’Andriamanitra ny olona fa avy amin’ny vovontany no namoronany antsika (Jen 2,7). Eto kosa dia avy amin’ny rano no hamoronany ny divay vaovao, hahafeno fatra ny hafalian’izay noforoniny ka notiaviny, ireo izay “novidiany” (qanàh) tamin’ny rany (jereo. Eks 15,16; Dt 32,6; Sal 72,4; Ef 1,14; 1P 1,18; 2,9).
I Jesoa dia voaasa ao amin’ny fanasana. Tsy misosososo sahala amin’ny vinanto tsy mahare fosa Izy fa manaja ny safidintsika, miandry mba hasaintsika ho eo amin’ny fiainantsika, ka hahafeno fatra ny hafaliana.
Ny Divay dia tsy sakafo fototra ivelomana (ny mofo sy ny menaka no antom-pivelomana ho an’i Israely Sal 104,13) fa zava-pisotro mamelo hafaliana kosa. Ny hoe divay lany, araka izany, dia manambara tsy ny alahelo ihany fa ny fitaintainana koa satria tsy misy antenaina intsony! Aiza no hahita divay? Aiza no hanovo hafaliana? Tsy ny ho velombelom-poana manko no sitrak’Andriamanitra ho antsika olombelona fa ny mba ho henin-kavelomana, ho velona finaritra. Izay fiainana tsy laniana mba ho antom-pifaliana ho an’ny hafa dia fiainana efa lany divay.
Ilay Renin’i Jesoa, ho antsika dia i Masina Maria izay nahazoany ny nofo maha olona, izy no misolo tena antsika milaza amin-Janany izay efa fantany rahateo, satria efa hatramin’ny nahariana an’i Adama no efa lany ny divay (Jen 3, 1), ary manampy trotraka izany ny fivadibadihana mahazo antsika olombelona izay nofofoiny ho vady mandrakizay.
“Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany ravehivavy?”
Izay no valintenin’i Jesoa amin’i Masina Maria, amin’ny Eglizy reny, satria tonga Vady, ary betsaka ny fanazavana voasoratra mahakasika io teny io. Ny maharesy lahatra ahy ka zaraiko aminareo anefa dia ny hoe: fanontaniana entina ampahatsiahivana ny andraikitry ny tsirairay io teny io. Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany? Inona ny andraikitro, ary inona ny andraikitrao amin’ny famerenana indray ny hafaliana mba ho feno fatra? Amin’ny fanomezana divay vaovao, hampiravoravo ny fon’ny olombelona indray (Sal 104,15).
Teo amin’ny Jody dia ny siny vita amin’ny tanimanga no nampiasaina amin’ny rano fisotro madio fa ny siny vato kosa dia nasiana ny rano fampiasa amin’ny fidiovana araka ny fombafomba. Raha ny marina dia tsy mba lany ny rano ao, fa mety hoe maloto angamba. Raha takarina araka izany, ny zavatra tian’i Joany ambara, dia ny hoe tsy nahafeno ny hafalian’ny olona intsony ny fombafomba noheveriny hampandriana ny “conscience”, hampanginana ny feon’ny fieritreretany, ary avy amin’ny rano, izay tokony ampiasaina amin’izany no hamoronan’ilay hany Mpampiakatra ny divay vaovao, dia ny Ran’ny fanekem-pihavanana vaovao (Eks 24) halatsany mba hananganany ny olon-drehetra ho Zanak’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy Masina (Ezek 31, 31-34; 36, 25-27).
Ireo siny vato fidiovana, lazain’i Joany fa enina, isa manambara ny tsy fahafenoana, manambara fahabangana, manambara tsy fahampiana[2], nofenoin’ireo mpanompo hatramin’ny molony, ka tonga divay manambara ny loharanon-kafaliana (Sal 104,15). Midika izany fa tsy ny fahamendrehantsika tsy akory no hireharehana hahazoana hafaliana fa fahasoavan’Andriamanitra zarainy maimaim-poana ho an’izay manaiky ny torohevitr’ilay reny: “Ataovy izay rehetra lazainy aminareo”, ampahatsiahivany amintsika izay tokony hataontsika mba hahafeno fatra ny hafaliana, fanavaozana indray ilay fanekem-pihavanana hisafidianana ny lalan’ny Fiainana (Eks 19,8; 24,7; jereo Jôs 24,24). I Jesoa no ilay mpaminany nandrasana nasain’i Môizy hohenoina (Dt 18,15); Izy no Josefa vaovao, hohenoin’ny vahoaka mitofezaky ny mosary (Jen 41,55).
Tahaka an’i Masina Maria ihany koa ny Eglizy, miombona aminy, maka tahaka azy ka mampahatsiaro mandrakariva amin’ny olona fa tsy izy fa i Kristy no Tenin’ny Fiainana hahafahana manandrana indray ny hatsaran’ny Divay vaovao izay ampanantenain’Andriamanitra ho an’ny vahoakany (Iz 25,6), ary ho lohalaharana amin’ny finoana sy ny fampifanarahana ny fiainana amin’izany Tenin’ny Fiainana izany.
Tahaka ny hafalian’ny mpampaka-bady hoy Izaia (Iz 62,1-5), satria fisehoan’ny voninahitry ny Tompo amin’izao tontolo izao ka hanasan’ny Mpihira salamo ny tany tontolo hihira hira vao, hiderana ny famonjen’ilay Tia antsika (Sal 95).
Fa siny vato fidiovana araka ny fanaon’ny Jody fa tsy ny fitoeran-divay tranainy mahazatra ny olona no hofenointsika ny ranom-pahasoavana. Mila siny hoditra vaovao ho an’ny divay vaovao (Lk 5,37). Tsy ny loharanon-kafaliana araka izao tontolo izao izay naharìtra ny hafaliana no hotoizana. Siny vato enina vaovao no lazain’i Joany ary sokajin’olona enina no amondronan’i Md Matio ny fahabangana tsy mahasambatra ny olona: noana, mangetaheta, vahiny, tsy mitafy, marary, an-tranomaizina, satria tsy ny rano fa ny fitiavana no manarona ny fahotana (1P 4,8).
Ny Mpandahatra ny fanasana, izay mahita ny fahasoavana tanterahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny faneken’ny mpanompony dia tsy mahalala akory izay iavian’ny divay vaovao. Izay manaiky hiantso ny Mpampiakatra ihany no afaka hahalala ka hifaly amin’ny fitiavana atolony satria tonga “ampakarina” koa, miombona ao amin’ny Egliziny.
Ilay Tompon’ny aina milofika eo ambonin’ny hazo, tafasandratra hiala amin’ny tany, mba hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy moa (Jo 12,32) no hahatonga lafatra izay rehetra tantarain’i Joany satria “afaka hateloana” dia naneho ny voninahiny Izy. Eo, avy amin’ny fony nolefonina, no hanovozan’ny mpanompony ny rano sy ny rà (Jo 19,34) hamenoana ny siny vato fidiovana rehefa avy nanolotra ny Fanahy (Jo 19, 30) ho antoky ny fanekem-pihavanana vaovao (Ez 36,26-27) Izy.
Fahasoavana zarazarainy amintsika rehetra io divay misolo ny rano fidiovana vaovao io, tsy araka ny mety ho fahamendrehantsika fa araka ny halehiben’ny fahasoavany, ka ny fanomezam-pahasoavana zarainy amin’ny tsirairay, dia zary adidy hoenti-manompo sy manasoa ny olombelona rehetra, indrindra ireo sinivato enina lazain’i Kristy fa endrika isehoany amintsika (Mt 25). Tsy misy afaka milaza isika fa tsy nahazo fahasoavana, eny fa na dia tsy araka izay noheverina aza, ka mety hiteraka fialonana sy fifampiandaniana amin’ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miaina. Raha ataontsika ho voninahitr’Andriamanitra anefa ny zava-drehetra, dia ho hafaliana ho antsika koa ny mahita ny hafa, mifanome tanana amintsika, satria rantsam-batana mirafitra ho tena iray ao amin’i Kristy isika, voaantso mba haneho ny Fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina (Vakiteny II).
Ny divay vaovao tahirizina mandraka ankehitriny…
Izay tsy fizorana ho amin’ny tsaratsara kokoa dia tsy fizorana ho amin’ny Fanjakan’ny lanitra, tsy nizorana ho amin’ny Fanasan’ny Zanak’ondry. Ny marika hahalalana fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra iray, asan’ny Fanahy ny ezaka iray, dia tsy manao afo-mololo ka miredareda am-boalohany fotsiny. Vokatry ny hambom-pon’olombelona ireny. Ny Asan’Andriamanitra dia tahaka ny voa afafy amin’ny tany, ka mitombo mba hampitombo koa ny hafalian’izay rehetra manandrana avy amin’ny ranom-boaloboka azo avy amin’ny faneken’ny mpanompo hanatanteraka ny Teny voalaza.
Tsaroana manokana ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firaisam-pinoana. Iray ihany no Tompontsika, ary asan’Andriamanitra no hiaraha-mikatroka, hahasoa ny olona rehetra (1Kôr 12,4-11) ho vavolombelona mahatoky sy azo antoka hitory ny evanjely! Izay mibanjina ny voninahitr’i Jesoa dia hiaraka hidina Aminy any Kafarnaoma, any amin’ny tanànan’ny fanalana alahelo, satria tonga iray aina Aminy : tsy hanana antom-pivelomana afa-tsy ny hanala alahelo mba hahasambatra ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Ho fikarohana an’i Jesoa marina tokoa anie ny fiainan’ireo mitonona ho mpanara-dia Azy, ka tsy ho mpanara-dia fotsiny fa ho mpihaino sy ho mpanatanteraka ny teniny marina tokoa (Mt 2,2).
Tsy ho didy na tahotra ary sanatria no hivondronantsika isak’alahady, fa hafaliana te hihaona amin’ilay Mpampakatra, ka hitotorebika satria voaantso handray anjara amin’ny fetin’ny fampankarana. Tahaka ny hampakaran’ny zatovolahy izay virjiny ho vadiny no hampakaran’ireo zanakao (pluriel) anao (Iz 62,5 Vakiteny voalohany). Ho vadin-dreniny ve sanatria izy ireo? Azontsika amin’izany fa tanteraka amin’ny fiatombohan’ny (archè – ἀρχή) famantarana (semeion σημεῖον) nataon’i Jesoa io faminanian’i Izaia io. Izy no ilay Zanaka, ary hampakatra ny reniny (i Maria izay hanoharana ihany an’i Israely) miaraka amin’ny mpianany, ary eo am-pototry ny hazofijaliana Izy dia mbola manamafy io fiombonana io, mba hiombonan’ireo mpianany amin’i Israely, mba hitambatra ho firenena iray hihira hira vao sy hanambara ny voninahiny amin’ny firenena ary hitory ny asany mahagaga amin’ny vahoaka rehetra (Sal 95 setriny).
Ho famantarana maneho izany fiombonana lavorary izany anie ny Eglizy.
[1] Ny Epifania voalohany dia amin’ny fisehoana amin’ny Majy (6 janoary na ny alahady aorian’ny taom-baovao), ny faharoa dia izay ankalazaina amin’ny Batemin’ny Tompo (ny alahady manaraka ny Epifania I na ny 8 janoary raha sendra ka alahady ny taombaovao) ary ny Fisehoana tamin’ny fampakarambady tao Kanà ny fahatelo.
[2] Tsy mahagaga raha 666 no ilazan’i Joany ny tsy fahampiana sy ny haratsiana faratampony (Ap 13,18)