Alahady faha-18 mandavan-taona Taona B
- Eksaody 16, 2-4.12-15
- Salamo 77
- Efeziana 4, 17.20-24
- Md Joany 24-35
RAIAMANDRENY MPAMELONA ANDRIAMANITRA.
Mitohy ny fampianaran’i Jesoa momba ny Eokaristia, izay ampitain’i Joany amin’ny toko faha-6 amin’ny Evanjely nosoratany (izay vakiana hatramin’ny alahady 21B). Amin’ny fiainana andavan’andro manko dia toa tsy fampitomboana mofo araka ny lohateny nomena ny Evanjely novakiana tamin’ny alahady heriny no hitantsika, fa hanohanana sy fahasahiranana, ka mampimenomenona ny vahoaka izay mila kisa amin’ny mpitondra tahaka ireo zanak’Israely tany Ejipta (Vakiteny I Eks 16, 2-15) ka hahavita hisafidy ny vilany feno hena tany Ejipta toy izay higoka ny fahafahana nomen’Andriamanitra.
Lazain’ny Vakiteny I fa hizahana toetra ny olona na handeha na tsia araka ny Lalàn’Andriamanitra no anomezany ny mofo avy any an-danitra, izay sakafon’ny Anjely, hoy ny Salamo 77. Mimonomonona ny vahoaka, saingy fanomezana hena sy mofo no navalin’Andriamanitra izany. Izany no toetran’Andriamanitra. Ny zavatra heverina ho mandeha na dia tsy nanaraka ny lalany aza isika, dia entiny hanomezana hery antsika mba hahatsapa ny fitiavany tsy mivadika ka hahafahantsika mitoky amin’ny Teniny izay Torah, torolalana manoro ny fahasambarana sy ny lalana hizorana hahatratrarana azy.
Tsara ho azo anefa ny fitantarana henontsika mba tsy handraisana an-tendrony ka hiandrasana fahagagana vao hanaraka ny lalàn’Andriamanitra. Ho an’ireo mpahay mikasika ny fivoaran’ny zavaboary sy ny fiainan’ny voro-manidina dia mahalala fa tsy zava-baovao ny “migration”, ny fifindran-toerana ataon’ny voro-manidina, ary anisan’izany ny papelika izay mifindra toerana avy amin’ny faritr’i Afrika mankamin’ny faritry ny Ranomasina Mena sy ny tany arabo manodidina, ary matetika dia eo amin’ny faritr’i Sinai no hakany aina, ka noho ny dia lavitra efa vita dia mora ho an’izay monina amin’ny faritra iny ny mihaza azy. Ny antsoina hoe “man hu” ( מָ֣ן ה֔וּא), mana, dia ny ditin’ny zavamaniry iray (“Tamarix mannifera”) maniry amin’ny tany efitra izay milatsaka amin’ny tany ary miha-mafy, ary azo hanina atao fanampin-tsakafo (jereo naoty TOB Eksaody 16, 15).
Fahagagana ve sa zavatra “normale” tsotra izao?
Rehefa mankany amin’ny dokotera isika satria marary ary mahazo fanafody dia sitrana, dia faly. Fa raha misy aretina kosa, mety tsy mandairan’ny fanafody (izay famintinana ny fahaizana tratry ny sain’ny mpikaroka) fa sitrana teo, satria hoe nangatahana vavaka tamin’ny olomasina, dia lazaina fa fahagagana, ka anaovana fisaorana mitafotafo sy hireharehana. Tsy samy fanomezan’Andriamanitra ve ny saina nahitana ny fanafody sy ny fanasitranana sitrany omena amin’ny fomba hafa tsy mbola takatry ny saintsika? Fa nahoana anefa no tsy mitovy ny toe-po entintsika misaotra Azy ny amin’izany?
Ny zavatra rehetra ataontsika sakafo mba hitahirizana ny aina amin’ity fiainana mandalo ity dia fanomezana avokoa. Tsy hoe satria nikarama isika na niasa dia tsy hahatsiaro izany maha-fanomezana ny sakafo izany. Firifiry ny olona mamboly sy miompy fa tsy nambinina! Izany no amerimberenantsika amin’ny vavaka fanolorana fa ny mofo sy ny divay dia vokatry ny tany sy ny asan’ny olombelona. Tsy afa-misaraka ireo. Na hiasa aza ny olona, raha tsy hamokatra ny tany dia zava-poana; ary raha tsy mandray ny andraikitra hizaka ny tany nankinina aminy, hampamokatra izay nomena azy ny olona, dia izy ihany no hizaka ny vokatr’izany.
Ny fitokisana amin’ny fitiavan’Andriamanitra no hahafahana mihanona amin’ny anjara sakafo sahaza anio, omer iray isan’olona (Eks 16, 16), ka tsy hitahirizana sakafo masiso ho an’ny rahampitso kanefa azo zaraina anio ho an’ireo noana sy mitofezaka, hahaizana hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra mialoha ny filana hafa rehetra (Lk 12, 22-34).
Ho an’ny mpino dia fisaorana mandrakariva ny fiainana satria fanomezana kolokoloin’Andriamanitra amin’ny “papelika” sy ny “mana” omeny antsika eny an-dalana eny, na dia fimenomenomana aza no am-betin-tenintsika, satria tsy mbola mahazo tsirony amin’ny hafaliana maha-kristianina ka alaim-panahy hiverina amin’ny hafinaretan’ny olona tranainy efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, araka ny lazain’i Md Paoly, ka tahaka ny Vahoaka Jody izay nisafidy ny hanina ho takalon’ny fahafahana.
Ampahatsiahivin’i Md Paoly ny fampianaran’i Kristy fa ny marina no maha-olon’afaka (Jo 8, 32) ary ny fahafantarana Azy araka ny fahamarinana no hahafahana miala amin’ny fitondran-tena taloha, ka hizotra amin’ny tena fibebahana marina tokoa, am-pahamarinana sy am-pahamasinana (Efez 4,17-24).
Tsy mandeha ho azy anefa izany fahafantarana an’i Kristy izany. Mandalina ny finoana isika, eny fa na dia voafintina ihany ho amin’ny fanomanana ny sakramenta aza izany ho an’ny ankamaroany. Mivelona amin’ny Teniny sy ny Tenany isika isan’alahady, na dia maro aza no toa tsy mahatsiaro noana sy mangetaheta izany sakafom-panahy izany intsony. Vitsy no mahatsapa fa aretina no mahatonga ny fahalainan-komana, ka tokony hanantona mpitsabo rehefa tsy misokatra loatra ny vavony! Ho an’izay tsy mahatsiaro noana dia tsy hisy dikany akory izay lazain’i Jesoa amin’ny Evanjely hoe : izay manantona ahy tsy ho noana intsony, ary izay manantona ahy tsy hangetaheta mandrakizay (Jo 6, 24-35).
Tsy haninkanim-poana anefa no haroson’i Kristy fa hanina tambin’ny asa. Ambarany mazàva fa mila miasa mba hahazo ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Asa inona no atao? Ny hinoana ilay nirahin’ny Ray. Dia miverina indray ilay fanontaniana hoe : inona ny finoana! Inona no atao mba handalinana ny finoana! Andry efatra no amintinana izany : ny foto-pinoana izay valin-tenintsika manoloana ny fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany; ny sakramentam-pinoana entintsika mankalaza izany fitiavany izany; ny fiainam-pinoana iezahantsika isan’andro mba hampifanaraka ny fianantsika amin’ilay olom-baovao nampitafiana antsika tamin’ny Batemy ary ny fiainam-bavaka izay tadim-poitra mampifandray antsika amin’ny loharanon’aina, hitomboantsika hatramin’ny fahaterahana ho any amin’ny mandrakizay.
Mahakasika ny saina amam-potom-pisainana araka izany ny finoana fa tsy sentom-po hoenti-manao bontolo sy handranitana ady amin’ny samihafa finoana sanatria. Izany foto-pinoana izany no irafetan’ny sakramenta, famantarana hita maso manambara sy mampahazo ny fahasoavana, mba handrafetana ilay vatan’i Kristy voaantso ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izany no mahatonga ny Eokaristia, sakramentan’ny fiombonana, ny Vatana aman-dRan’i Kristy, ho sakramenta tanjona sy loharanon’ny fiainana kristianina (SC 10). Izany safidy izany no mamaritra ny toe-piainan’izay te ho kristianina marina, ka tahaka an’i Kristy, na dia voaheloka ho faty tahaka ny jiolahy aza, mampiaiky volana ilay tompon-jato fa zanak’Andriamanitra marina tokoa (Mk 15, 39). Sanatria antsika anie no hanafintohana ny hafa hitsara antsika hoe : “Izany hono no mba… mpino”.
Izay no mahatonga antsika hangataka mialohan’ny hanina mandalo ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany eo anivontsika. Ny tena kristianina, eny fa na dia amin’ny maha-olona fotsiny ihany aza, (satria olona aloha vao kristianina) dia tsy hanakalo ny fahamendrehany ho takalon’ny hanina mandalo sy ny tombontsoa ara-nofo, ary hahafoy hatramin’ny ainy aza, raha izany no takian’ny fijoroany ho vavolombelona (martiry).
Ndeha hiverenantsika alalinina ny Evanjely.
- Md Joany 6, 22-29
Mitohy ny fitantaran’i Joany: ny vahoaka dia mbola nijanona teo amin’izay namokisan’i Jesoa ny olona dimiarivolahy. Ilay noheveriny halaina ho mpanjaka anefa efa tsy niverina intsony, niafara teo ambony hazo, nofantsihana ho faty, lasa any amin’ny voninahitr’ilay Rainy: “niakatra any an-tendrombohitra”. Ny Mpianatra kosa niparitaka amin’izay nalehany. Nisy sambo hafa koa, hoy ny Evanjely nitady an’i Jesoa tao akaikin’i Tiberiady teo amin’ny toerana nizarany ny mofo rehefa avy nankalaza ny Eokaristia, ny fisaorana. Izao no amaranan’ny litorjia ny Lamesa: “Ite missa est”, izany hoe mandehana fa vita ny lamesa, na ny marimarina kokoa, mandehana fa fanirahana izao, mandehana mitory ny Evanjelin’i Kristy. Manomboka ny fiampitana ho amin’ny hafenoan’ny fiainana.
Tao Kafarnaoma, tanànan’ny fanalàna alahelo eny an-dafin’ny ranomasina ny vahoaka no nandeha nitady Azy ka rehefa hitany Izy dia tsy ny fanontaniana napetraky ny vahoaka no novaliany fa nampianatra azy ireo Izy sy miantso antsika mba tsy hitady ny mofo izay mbola ho levona. Kafarnaôma moa dia mampahatsiaro ny fiantsoana ireo mpianatra voalohany, ka hamerimberina ao am-pontsika araka izany ny antony niantsoan’i Jesoa sy ny nanekentsika hanara-dia Azy.
Tsy ampy manko ny mitady an’i Jesoa, ilaina ihany koa ny manadio sy mandalina ny antony hitadiavana Azy. Ny vokatry ny tany, ny harena rehetra amin’ity fiainana ity dia mandalo ihany, famantarana (σημεῖον semeion) fa ny harena ao amin’Andriamanitra no maharitra, ny fiombonany aina ao amin’YHWH no fahasambarany mandrakizay (Dt 30,19s). Ny Zanak’olona irery ihany anefa, i Jesoa irery ihany no afaka manome antsika izany fiainana izany. Tsy azo adinoina anefa fa Izy mihitsy no maniry mba hananantsika ny hafenoan’izany fiainana izany. Tsy misy afa-tsy ny Zanaka no afaka manome antsika io fiombonan’aina io, satria ao Aminy, ilay hany zanaka lahitokana no hahafahantsika ho tonga zanaka mpandova ny fiainana. Tsy misy afa-tsy ny finoana Azy, izany hoe ny fanekena Azy ho modelim-piainana, fitahirizana ilay akanjo fotsin’ny Batemy hitafiana Azy ho fiainam-baovao dia Izy ilay Tenin’ny fiainana nahariana izao tontolo izao, izay no lalana tokana mitondra amin’ny hafenoan’ny fiainana.
Ny anjarantsika dia ny manatona Azy ka mino ny Teniny izay mitarika antsika amin’izany hafenoana sitrany hahasambatra antsika izany. Raha tsy “famantarana” (σημεῖον semeion) ny fitiavan’Andriamanitra no hitantsika ao amin’ny “fizarana ny mofo”, amin’ny sakafo hanintsika isan’andro, fa filaharana hihinana mofo fotsiny ihany (mba ho hitan’ny olona), na fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady tsy hiasana intsony, dia i Jesoa heverintsika ho raisina mihitsy no milaza amintsika fa diso hevitra isika. Izay mihinana ny Eokaristia dia mila miasa. Miasa mba hanorina ny mandrakizay.
Inona no atao mba hiasana ny asan’Andriamanitra, τὰ ἔργα τοῦ θεοῦ (Jo 6,28 asan’Andriamanitra au pluriel ny fanontaniana)? Mety hisy faniriana hanao ny tsara ihany manko, hoy Md Paoly, saingy ny ratsy tsy tiana indray ny vita (Rm 7, 14-20). Izao no asa’Andriamanitra, τὸ ἔργον τοῦ θεοῦ (Jo 6,29 singulier ny valiny), hoy i Jesoa, tsy maro fa tokana ihany: mino fa fitiavana Izy, mino fa i Jesoa ilay nirahiny no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ny fanolorany ny Zanany (Jo 3, 16) no porofon’ny fitiavany antsika, ary ny antony nandefasany io Zanany io dia ny mba tsy hahavery na dia iray aza ireo miombom-piainana Aminy (angonina ho ao anatin’ny sobika 12). Ny hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana hoentina sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy no anaporofoan’ny kristianina izany, ary izany no lazain’i Md Paoly amin’ny Efeziana (4, 17.20-24).
Ho sanatriavintsika anie ny hitady an’i Jesoa ho amin’ny fanatsarana ny fiainana ety an-tany fotsiny ka hanadinoana ny hakanton’ilay mandrakizay, tiany hosantarintsika dieny ety ao amin’ny fihinanana ny mofo, famantaram-pitiavana izay amelomany antsika ho amin’ny fanaovan-tsoa.
- Md Joany 6, 30-35
Tsy i Moizy, tsy ny raiamandreny na ny vola aman-karena no manome ny hanina fa Andriamanitra. izay no tokony ho tsaroana alohan’ny handrapahana ny sakafo: mankalaza an’Andriamanitra satria avy aminy mazava fo sy malala-tanana no nahazoana sakafo hohanina.
Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany moa, dia ato amin’ity toko faha-6 ity no hampianarany antsika ny fomba handresena ny fakam-panahy telo izay anombohan’ny Evanjely sinôptika ny ministeran’i Jesoa: fifandraisana amin’ny zavaboary (mofo), fifandraisana amin’ny namana (fanjakazakana) ary fifandraisana amin’Andriamanitra (finoana).
Tsy avy amin’ny vato na “avy amin’ny” (πόθεν pothen) vola no hahazoana ny mofo fa avy amin’Andriamanitra, ary tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny izay avy Aminy (Mt 4,3) ka nirahiny mba hamelona mandrakizay an’izao tontolo izao (Jo 6, 5). Izay manadino fa avy amin’Andriamanitra ny sakafo ivelomany dia mazava loatra fa hanao ny vola ho andriamanitra ka tsy ny hizara fa ny hanangona no ho masaka ao an-tsainy. Tsy ny hanova ny vato ho mofo fa ny hifampizara ny fanomezana noraisina avy amin’Andriamanitra no hahafahantsika miantoka ny hanina isan’andro angatahina amin’ny fivavahana.
“Homeko anao izao tontolo izao raha miankohoka hivavaka amiko ianao” (Mt 4, 9). Izy Tompo ihany anefa no ivavahana ka manoloana an’ireo nitady haka Azy an-keriny hatao mpanjaka, i Jesoa nandeha irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka (Jo 6, 15). Hitantsika tamin’ny alahady heriny. Ny fanompoana no fanehoana ny halebeazana ho an’izay mpianatr’i Jesoa, tsy hiondrehan’ny hafa fa hiondrika ho mpanasa ny tongotry ny hafa.
“Raha zanak’Andriamanitra ianao dia mianjerà any ambany any” (Mt 4, 6). Nolazain’i Jesoa fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombon-kase, ka ny finoana Azy no hampidiran’Andriamanitra antsika amin’ny fiainana. Ny hanao ny asan’Andriamanitra no nangatahin’i Jesoa ataon’ireo te hiditra amin’ny fiainana fa tsy ny haka fanahy an’Andriamanitra hitsambikina avy eny amin’ny tampon’ny zoron’ny tempoly. Ny valin-tenin’ireo tsy te hino anefa dia ny hangataka famantarana mba hinoana: “inona no ataonao mba ho hitanay ka hinoanay anao?” (Jo 6, 30).
“Sambatra izay tsy nahita nefa mino”, hoy i Jesoa. Tsy i Moizy no nanome ny mofo avy any an-danitra… Izay mino dia tsy hikatsaka ny voninahiny fa ny voninahitr’Andriamanitra. Ny olona rehefa mahita ny asa soa ataonareo, hoy i Jesoa, dia hanome voninahitra ny Ray any an-danitra (Mt 5, 16).
Ny mofo moa dia fanomezana mandrakariva, tsodranon’Andriamanitra amin’ny fahasasaran’ny olombelona, saingy ambaran’i Jesoa fa tsy mitsahatra ny manome hanina ny vahoakany Andriamanitra, ary tsy ny hahavoky ny vatana ihany, fa ilay Teny hamelona ny faniriana ka hizorana amin’ny lalan’ny fahasambarana. Ny Teniny no manoro antsika ny lalan’ny Fiainana, io Teny io no nahariany an’izao misy rehetra izao ary nanomezany antsika ny aina. I Jesoa no ilay “mofon’aina” manome ny fiainana ho an’izao tontolo izao.
“Izaho” (YHWH) no mofon’ny fiainana. I Jesoa no mofon’Andriamanitra manome ny fiainana ka izay te hanana ny fiainana dia mila manatona Azy, mila miala amin’izay mahazatra mba hihinana sy hisotro Azy. Tsy mora ny miala amin’ny sakafo amokisan’izao tontolo izao ny fo amam-panahintsika (haino aman-jery, resadresaky ny mpinamana, fandresen-dahatra politika, FB, sns), ka hiraiketan’ny fo amin’izay mandalo kanefa mety tsy hampisy heviny akory ny fiainana.
Ny hanoanana sy ny hetaheta tena izy dia ny faniriantsika ho velona, ny faniriana ho sambatra. Amin’ny fanomezana ilay mofo tena izy, “avy any an-danitra”, dia ny Tenany no hanatanterahan’i Jesoa ny faniriantsika te-ho tonga tahaka an’Andriamanitra (Jen 3, 5). Izy mihitsy no mamelona antsika mba hahafahantsika mahalala ny tena endrik’Andriamanitra ka miaina araka ny maha-zanany antsika.
Hitombo ao amintsika anie ny faniriana hivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra ka hivavaka mba hanomezany antsika mandrakariva ny “mofon’ny fiainana” (Jo 4, 15; 6, 34).
Andriamanitra Ray ô, ampitomboy ao aminay ny finoana an’i Jesoa ilay nirahinao mba hahiratra izahay hahalala ny ao am-pony, ary hodiovin’ny Fanahinao handray ny teniny; dia ho faly izahay, ry Ray, fa velominao ary ho sambatra fa ho afaka mandray an’ilay Mofo nambaran’ny Zanakao.