Alahady faha-18 mandavan-taona Taona A
- Izaia 55, 1-3
- Salamo 144
- Romanina 8, 35. 37-39
- Md Matio 14, 13-21
Raiamandreny Andriamanitra fa mamelona ara-nofo sy ara-panahy.
Ny Fanjakan’Andriamanitra dia haren-tsarobidy izay manaitra ny fon’ny olona, ka iriany ary hivarotany izay rehetra ananay mba hahazoana azy (Alahady XVII A). Tsy dia ny fahafoizana loatra anefa no tokony hasiana tsindrim-peo fa ny safidy manosika hahafoy. Tahaka ny mpiantsena mankeny an-tsena, tsy hoe tsy tiana ny vola fa kosa afoy satria mahasoa kokoa ny zavatra hovidiana. Manana ny vidiny koa ny Fanjakan’ny Lanitra, ka izay te hahazo azy manontolo (saha), izay te hahazo ny tsara indrindra (voahangy) dia tsy afaka ny hihanona amin’izay efa nanany kanefa tsy nahasambatra azy akory. Tsy afaka ny tsy hiròna amin’ny harena ny fon’ny olona, ka izay itoeran’ny hareny no hitoetan’ny fony, ary izany no efa nampianaranin’ny Evanjely antsika mba hikatsaka ny harena maharitra fa tsy ho sodokan’ny fandriky ny harena mandalo (Mt 6, 19-21). Eo am-pikatsahana izany haren-tsaobidy izany dia sitrak’Andriamanitra ny manohana antsika tsy ara-panahy ihany fa na ara-nofo koa aza, amin’ny famokisana antsika hanina hahavoky ho amin’ny mandrakizay.
Raha sanatria ny Lanitra heverina ho fiandrasana zavatra aorian’ny fahafatesana ho valisoan’ny fijaliana ety an-tany, dia tsy fitiavana ary tsy maimaim-poana araka ny lazain’i Md Paoly hoe araka ny halehibeazan’ny fahasoavan’Andriamanitra mba tsy hisy hirehareha (Efezy 2, 8-9) ny famonjena antsika. Avy nandinika ny toko raha-13 manontolo amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio isika, nianatra ny fomba mba hahafahan’ny Teny mamokatra eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’izao tontolo izao ka hahazoana hanina sy voa hafafy mba hitaran’ny famonjena, araka ny lazain’Izaia mpaminany, amin’ny tohin’ny vakiteny I henontsika anio.
Manoloana ny fidodododoan’ny fadiranovana amin’ny fitadiavana anio izay efa notrosaina omaly ka hitadiavana rahampitso indray kosa izay hohaninana anio, dia eo koa ny adintsaina mahazo ny mpanana mbola te hanana hatrany ka miady saina amin’izay hahazoana tombony bebe kokoa hatrany. Misy ny miandry an’Andriamanitra hanafoana ny hanoanana amin’ny fahagagana, tsy azontsika hanomezan-tsiny Azy anefa ny hanoanan’ny ampaha-efatry ny zanany, satria ny antsasaky ny vokatry ny tany manontolo fotsiny dia ampy hamelona ny mponina rehetra, saingy giazan’ny maty eritreritra hanaovana fiainana ny anjaran’ny sasany. Ny hanafaka antsika amin’izany fandriky ny harena tsy mahasambatra izany no nanirahany ny teniny mba hanandraman’ny fanahintsika ny hanina mahavoky sy ny rano velona mahafaka hetaheta marina.
Na tandindon’ny sakramenta aza ny sakafo lazain’ny vakiteny anio, dia efa nahatsinjo sahady ny nolazain’i Jesoa ho sakafony i Izaia mpaminany (Iz 55, 1-3). « Aoka ny fanahinareo hiravo amin’izay hanina fy! »… izany hanina fy izany dia tsy inona fa ilay hanina “mahavelona ny fanahy”, izany hoe ny fihainoana ny Tenin’YHWH, satria izany no “hahatanterahan’ny fampanantenana”. Dia mova tsy ny lazain’i Kristy amintsika hoe : » Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka ahy sy manatanteraka ny asany » (Jo 4, 34). Tsy hanina fy ho an’ny vatana no amporisihan’ny Mpaminany ho tadiavintsika fa ny hanina hamokisana ny fanahy, ka hahafahana miala amin’ny lalana mahazatra ny olona mba hizorana amin’ny lalan’ny fahasambarana sitrak’Izy Andriamanitra (Iz 55, 7.9). Tsy vola aman-karena no ilaina mba hahafahana manandrana izany fa ny hanoanana sy ny hetaheta ny fahamarinan’Andriamanitra izay fahasambarana ho an’izay mino (Mt 5, 7).
Tsy zavatra mandeha ho azy ny faniriana ny fahamarinana. Misy olona mimenomenona amin’ny tsy rariny sy ny risoriso isan-karazany, tsy amin’ny maha-risoriso azy anefa fa satria tsy izy no migoka ny tombon-tsoa, ary porofon’izany ny fanararaotany izay “occasion” ananany mba hanaovany ratsiratsy kokoa. Maro no minenomenona amin’ny tsy fahamarinana fa vitsy no tena manana hetaheta lalina hamongotra azy eo amin’ny fiainana. Tahaka ireo Jody niantefan’ny tenin’Izaia ihany: maniry ny hody avy any an-tsesitany saingy maro no efa naka fy tamin’ny fiaianam-pahababoana tany Babilonina, ary izay tafaverina koa tsy hoe nahita tany tondra-dronono aman-tantely. “Lohasahan-dranomaso ity tany ity”, hoy Md Bernard, saingy toa vitsy no mitomany haniry hiala faingana ety. Tandindon’ny fomba fiainan’ny maro izany, mandany vola amin’izay tsy hanina sy mandany izay tsy nisasarana amin’izay tsy mahavoky araka ny lazain’Izaia Mpaminany, ary rehefa mba maniry hiala amin’ny gejan’ny fahotana ka hitolona ho amin’ny fahamarinana, toa voa mainka aza indraindray miha-mafy ny fiatrehana ny adim-piainana. Mitaky finoana lalina ny fitokisana amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy ny fahasahirana ihany anefa no mety hampiozongozona ny finoana an’Ilay Fitiavana mahefa ny zavatra rehetra nefa toa mamela ny zanany hijaly sy ho faty amin’ny tsy rariny fa mety ho ny fahombiazana sy ny harena ihany koa. Ao anatin’ny harena ny olona, hoy ny Salamo 49 dia tsy mahazo na inona na inona ary hanadino hatramin’ny tenany aza ka tahaka ny biby entina hovonoina (Sal 49, 21).
Ambaran’i Md Paoly fa « tsy misy mahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy » (Vakiteny II Rm 8, 35-39), na fahoriana na fahaterena na hanohanana, eny fa na dia zavatra mihatra aman’aina aza. Ny salamo setriny (Sal 144) dia milaza ny hatsaram-pon’Andriamanitra manome sakafo ara-potoana ny zanany rehetra. Mampametram-panontaniana antsika ihany izany rehefa tojo ny manahirana: ahoana ny hahazoana izany manoloana ny hanoanana mianjady amin’ny vahoaka!
Ny fitsinjovana ny vodiandro ho merika, izay lazaina ho fahendren’ny manan-tsaina mazàna dia manosika antsika hisaina ny ety an-tany fotsiny ihany. Ny Evanjely anefa mitantara fa rehefa feno fatra ny fitiavantsika an’i Kristy dia hahavita handeha an-tongotra lavitra hanaraka Azy amin’izay alehany ary hanariva andro hihaino Azy, ka tsy nahatsiaro mody. Ny Mpianatra moa, nahita ny andro hariva no nilaza tamin’i Jesoa hoe : « ravao ny vahoaka handeha hividy hanina… » (Mt 14, 13-21).
Raha alalinina ny fizotry ny Evanjely, avy naka ka nandevina ny fatin’i Joany ny mpianany no nandeha nitantara ny zava-nitranga tamin’i Jesoa, izay niala teo, niondrana an-tsambokely mba handeha hitokana samirery tany an’efitra. Ny toerana naha-lehibe Azy, ny tanindrazany (πατρίς patris), i Nazareta izay niverenany nampianarana tao amin’ny Sinagoga no nialan’i Jesoa indray, nefa vao eo izy no niala tany Kafarnanoma mba ho any, ary tao no nidirany farany tao amin’ny Sinagogan’ny Jody. Mampianatra antsika zavatra maro amin’izay tokony atao manoloana ny adin-tsaina izany: ho any an’efitra mba hivavaka.
Nolazaintsika fa mora ny mimenomenona amin’ny tsy rariny eo amin’ny fiaraha-monina, saingy tsy mora ny manatona ny Tompo satria mangetaheta marina tokoa izany fahamarinana izany. Amin’ny fitantaran’i Matio sy Marka, raha haravona, na noho ny fankahalan’i Herôdiada na dia noheverin’i Herôda ho lehilahy marina sy masina ihany aza i Joany (Marka 6, 17-20) na noho ny mety ho olana ara-politika manokana nateraky ny fampianaran’i Joany ka nahatonga an’i Herôda nitady hamono azy saingy natahotra ny vahoaka izay nanano azy ho mpaminany (Mt 14, 5), dia samy manambara ny hiafaran’izay mikatsaka marina tokoa ny fahamarinana.
Izany no hilàna ny fihatahana masina sy ny laretirety, handinihana ny tokony hatao, hananana hery hirosoana hatramin’ny farany amin’ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany mialoha ny zavatra rehetra (Mt 6, 33). Izay mahatsapa fa fahasambarana ny fanagadrana sy ny famonoana ny martiry toa an’i Joany Batista ihany (Mt 5, 10) no afaka hanasoa ny vahoaka, hisikim-ponitra hikolokolo (θεραπεύω therapeuo) ny farofy tahaka an’i Kristy, satria honena ny fony (σπλαγχνίζομαι splagchnizomai), alahelo ho azy ny mahita ny vahoaka marobe mandeha an-tongotra, miaritra ny andro manontolo manaraka an’ilay Lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy sanatria ho azon’ny fakam-panahy isika rehefa sorena amin’izay manahirana ka ny hafa mba mila vonjy indray no vingavingaina. “Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany”, hoy Md Paoly (Rom 12, 15).
I Herôda namory ny namany tao an-dapany, i Jesoa sy ny Mpianany kosa nahavory ny olona any an-tany efitra. Ny andro efa mandrorona, ny “ora” efa nipaika, ny tao an-tsain’ny mpianatra dia ny handrava ny vahoaka mba samy hitady izay harapany. Tsy araka ny hevitr’Andriamanitra anefa izany hoe samy manavotra ny tenany izany. Tsy ampy koa ny mitanisa ny fahorian’ny vahoaka. Izay no nanomezany baiko ny mpianany tsy hiala andraikitra fa “hamahana ny olona” naharitra nihaino an’i Jesoa tany an’efitra, hamaly ny fanirian’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, ka hahatanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Izay vonton’ny Evanjely dia tsy hamela izay nanatona azy, tsy ho voky ny hanina mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay ka sanatria hitondra tanam-polo hody any an-trano.
Tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa anefa ny Mpianatra. Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny avoakan’ny Vavan’Andriamanitra koa. Ny boky dimin’i Moizy (ny Lalàna) sy ny Mpaminany ary ny Salamo, izay Boky voalohany ao amin’ny Soratra (TNK) no lovam-panahy nananan’ireo mpianatra taorian’ny andro hariva, ilay nanoloran’i Jesoa ny ainy ho antsika. Ny hazandrano roa moa azo hanoharana ihany koa an’i Kristy sy ny baikony hitia an’Andriamanitra sy ny namana tahaka ny tena amin’ny fo manontolo. Ho ampy ny vahoaka ve izany? Hahavoky ny vahoaka ve izany? Ny fahendrena kely norantovina tao amin’ny seminera ve hahafahana mamoky ny vahoaka ho anay pretra? Ho ampy inona izany amin’ny famahanana ny vahoakan’Andriamanitra?
Tsy mangataka amintsika zavatra tsy ananantsika na oviana na oviana Andriamanitra fa mangataka kosa mba hanolorantsika manontolo izay ananantsika, mba hampiasantsika izany amin’ny “famokisana” ny vahoakany. Raha haintsika ny mitondra izay ananantsika any amin’i Jesoa dia hainy koa ny manova izany ho tso-drano (εὐλογία eulogia = berekhà, berakot), hankalazan’ny olona ny hatsaram-pon’ny Tompo. Izay mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny harena eo an-tanany dia tsy afaka ny tsy hizara izany amin’ny hafa. Tsy milaza fampitomboana ny mofo tsy akory ny Evanjely fa milaza ny tso-drano fisaorana sy ny fizarana izay eo am-pelatanana ho an’ny olona rehetra. Izay manaiky ny baikon’i Jesoa dia sady hamoky ny hafa (Sal 22, 27), no hameno ny sobikan’ny hafaliana eny an-tanany, tahaka ny Apôstôly roambinin’ny folo. Hafenoan’ny hafaliana no valisoan’ny fanaovan-tsoa. Isaory ny mahantra nandray ny fiantranano, hoy Md Basile, satria raha tsy izy tsy afaka mandray anjara amin’izany hafaliana izany ianao.
I Jesoa no ilay Mpiandry ondry (Salamo 22) mitondra ny ondriny amin’ny tanimbilona maitso. Aiza ho aiza any an-tany efitra moa no mba hisy ahitra hipetrahan’ny olona! Ambaran’ny Evanjely amintsika amin’izany ny asan’izy Tompo izay mampamokatra ny tany efitra (Izaia 35, 1-4), ny hatsaram-pon’ilay Mpiandry mitarika antsika ondriny ho amin’ny vilo-maitso, ka hahafahantsika misantatra ny fanasan’ny Paka mandrakizay omaniny ho antsika any amin’ny fanjakany.
Izay rehetra ananana no amidy mba hahazoana ny saha, ny voahangy rehetra efa voahangona no amidy mba hividianana ny voahangy tokana tsara indrindra. Tsy sanatria hitadiavana voninahitra anefa ny antony hamokisana ny vahoaka. Izany no antony naneren’i Jesoa ny mpianany hiondrana an-tsambokely vantany vao voky ny vahoaka. Ny fahaizantsika mizara izay ananantsika amin’ny hafa no hahafahantsika miditra ao amin’ny tontolonAndriamanitra ka handraisantsika anjara amin’ny fanatanterahana ny fampanantenana nataony. “Fahagagana” mandrakariva no vokatry ny fahalalaham-po. Mahatalanjona satria asan’Andriamanitra.
Mazava ny hafatra azo tsoahina avy amin’ny Evanjely fa tsy misakana velively ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ny fiahiana ny hanina, ary tsy ny hanadinoantsika ny fivelomana no takian’Andriamanitra amintsika. Tsy manakana antsika hanamasin-tena ny fiahiana ny fivelomana ary ny fahatsapana fa ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no tena mahavelona antsika (Vak I) dia manampy antsika hitoky ny fitiavany sy hanatontosa an-tsakany sy an-davany izay adidy miandry antsika.
Mety hampilofika antsika ny zava-mitranga, tahaka an’i Kristy nahare ny nahafatesan’ny rahalahiny (Joany Batista) ka nihevitra ny mba hanovo hery sy fitonian-tsaina tany an’efitra, satria efa lalana sahady miakatra mankany Kalvery ny tsy naha-voahaja Azy amin’ny maha-Mpaminany teo amin’ny toerana naha-be Azy sy ny tsy finoana nanakana Azy tsy hanao asa mahagaga betsaka tao Nazareta (Mt 13, 57-58). Saingy ny fahitana ny hetahetam-pon’ny hafa mila famonjena avy Aminy dia nampientana ny fony (rahamim : jereo Alahady faha-11 A). Ohatra no nomeny antsika ka meteza ary isika hotarihin’ny Fanahy, ka tsy hanao ny fahasahiranana sy ny fahoriantsika ho ala olana tsy hanaovan-tsoa.
Hanampy antsika hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fanomezana omeny antsika anie ny fihainoana sy fandinihana ny Soratra Masina fa indrindra ny fankalazana ny Eokaristia (ho an’ireo afaka miombona anjara amin’izany, misolo tena ny vahoakan’Andriamanitra manontolo), ary hanokatra ny fontsika hizara amin’ireo izay toa “niangaran’ny vintana”, hiantsoan’Andriamanitra antsika ho endriky ny fitiavany.