Alahady faha-16 mandavantaona Taona D
- Jenezy 18, 1-10/ Salamo 14
- Kolosy 1, 24-28
- Md Lioka 10, 38-42
Mahaiza mampiantrano an’Andriamanitra.
Ny ohatra navelan’ilay Samaritana dia manampy antsika hahazo bebe kokoa ny toetra mampiavaka ilay Mpampianatra milaza amin’izay mikatsaka ny fanjakany mba “handeha ka hanao toy izany ihany koa”. Tsy Mpisorona na Levita minia tsy hijery ny fahorian’ny hafa sanatria fa mpivahiny manaiky hiara-mitoetra amintsika mba hitsabo ny ferintsika ary hanankina antsika amin’ny Fiangonany mba hahasambatra antsika, ary manankina amintsika koa izao tontolo izao mba hitondrantsika ny anjara biriky amin’ny fanorenana ny Fanjakan’ny Fitiavana. Izay tapa-kevitra hiakatra ho any Jerosalema ihany no hahita hafaliana amin’ny fahatongavana ao (Sal 122, 2) satria araka ny hafatr’i Md Lioka dia mankany Jerosalema no lalana mitondra amin’ny fiainana. Izay mandao an’i Jerosalema dia ho ratsy fihafara eny an-tanan’ny jiolahy, ka na dia velona aza (tahaka ny Mpisorona sy ny Levita) dia ho mafy fo velona (indifférent) amin’ny fahorian’ny hafa.
Ny Vakiteny I (Jen 18, 1-10) dia mitantara ny fandraisan’i Abrahama ireo Vahiny Telo tonga tamin’ny fotoana mafana indrindra any an-tany efitra. Ambaran’ny vakiteny fa nihazakazaka i Abrahama, nikarakara faingana izay hohanin’izy ireo niaraka tamin’i Sarà sy ny mpanompony. Izany fahafoizan-tena sy fahalalahan-tanana izany dia novalian’Andriamanitra tamin’ny fanambarany fa hahazo fara aman-dimby izy ireo. Tsara ny manamarika fa amin’ny fiandohan’ny tantara dia mahita olona telo Abrahama, saingy olona iray ihany avy eo no iresahany. “Tres vidit, et unum adoravit”, telo no hitany fa iray no nitsahoany, hoy Md Augustin. Io famangiana io moa no noraiketin’i Andrej Rublëv antsary amin’ilay “icone” malaza nataony momba ny Trinite Masina.
Nivahiny aho nampiantranoinareo (Mt 25, 35). Zavatra lalina kokoa noho ny fandraisam-bahiny, izay toetra mampiavaka ny tatsinanana, ary toetra tokony hananantsika koa, araka ny hafatr’i Md Paoly (Rom 12, 13) anefa no ambaran’ny Vakiteny. Sarotra ny hanaiky fanampiana avy amin’ny olona tsy fantatra akory, ary mora ny manasoa ny olona antenaina fa afaka mamaly soa koa. Toe-tsaina tsy mifanaraka amin’ny atoron’ny Tenin’Andriamanitra anefa izany. Ny Tenin’Andriamanitra dia fanambarana momba Azy, hahalalantsika Azy sy entintsika koa hanadio tsikelikely izay mety ho fahatakarantsika tsy mifanaraka amin’ny fanambaràny. Ambaran’ny Boky Jenezy fa Andriamanitra Mpivahiny ny Andriamanitsika, ary manaiky ny fanajàna sy ny fandraisana ataontsika. Tsy valin’ny mety ho fahalalantsika fomba anefa no ataony, fa fanamafisana ihany izay efa nampanantenainy antsika.
Izy no nampanantena an’i Abrama (efa 75 taona) ho fanasoavana ny firenen-drehetra sy hanome azy ny “tany nampanantenanina” ka hahatonga azy ho firenena lehibe (Jen 12, 2.7). Tsy azon’i Abrahama veroka anefa izay mety ho fahatanterahan’izany teny izany, ka nampiloa-bava azy hoe: “izaho ho faty tsy hamela taranaka ka ny mpandova ny tranoko dia i Elehezera avy any Damasy” (Jen 15, 2), saingy nolazain’Andriamanitra fa ho tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranany. Efa 99 taona no mbola nisehoan’Andriamanitra sy nampanantenainy ny haha-maro isa azy (Jen 17, 2) saingy nihomehy no nataony (Jen 17, 17). Lazain’ny andininy faha-22 amin’io toko faha-17 io fa tapi-niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra dia niakatra niala teo aminy ary Abrahama kosa namòra ny nofon-tsitsin’ny lehilahy rehetra.
Io Tompo niakatra niala teo io no niseho tamin’i Abrahama, tahaka ny Mpivahiny mitataovovonana amin’ny andro migaingaina. Ary i Abrahama ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy no indro fa mitsangana eo anilan’Izy Tompo, manaiky hisitraka ny sakafo natolony.
Aza adino, hoy ny Taratasy ho an’ny Ebrio fa nisy ny nampiantrano vahiny kanefa tsy fantany akory fa Anjely no noraisiny (Heb 13, 2). Ireo nanao soa ny mahantra sy madinika koa, hoy Md Matio, tsy nahalala akory fa ny Tompo no nanaovany soa (Mt 25, 35-43). Ny fampiantranoana manko, ho an’ny olona taloha dia antoky ny aina ho an’izay tsy maintsy hivahiny lavitra. Mampalahelo fa isaina amin’ny ratsantanana sisa ireo Mpivahiny (pèlerins) izay manohy ny diany tsy mitondra na vola na kitapom-batsy, satria matoky ny fitsimbinan’Andriamanitra miseho amin’ny hatsaram-pon’ny mpino Azy.
Ankehitriny dia misy ihany ny mampiantrano fa tsy misanda izany araka izay azony atao, hahazoana tombony araka izay tratra. Iza no hiantrano ao an-dain’ny Tompo? Izay misaina ny marina ao am-pony, tsy mba maka zana-bola ary tsy manao na inona na inona mety hahameloka ny marina, tsy mandainga ary fady azy ny manisy ratsy sy ny maneso ny mpiara-monina hoy ny Salamo 14. Aiza no hahitana izany olona izany?
Ny mpifetsy sy ny mpampanjana-bola no manjakazaka sy manefoefo. Ary tsy afa-bela amin’izany fakam-panahy izany isika kristianina. Izay hahazoana tombony sy hampanan-karena haingana no tadiavina. Ny vola manko no maha-rangahy, ka na hivarotana ny haja amam-boninahitra sy ny fahadiovan’ny tena aza tsy maninona. Indraindray aza misy mahavita manararaotra ny faharesen’ny sasany mba hangalana ny fananany sy izay mety azo amidy varo-boba hiariana harena tsy marina.
Raha ny marina moa dia izay lazain’ny Eksaody 20 ihany no ampahatsiahivin’ny Salamo eto: ny tsy mamono olona, ny tsy mijangajanga, ny mangalatra, ny tsy miampanga lainga sady tsy mamela ny lela handainga dia lalana mitondra ho amin’ny fahasambarana: fahasambaran’ny hafa sy ny tena, ary mapisy heviny ny fiainany. Asiako teny kely ny mikasika ity tsy famelàna ny lela handainga ity.
Ny hoe mpiampanga lainga, dia ny mitantara zavatra tsy marim-pototra akory, indrindra faha mahakasina ny fiainan’ny olona, ny hajany sy ny voninahiny izany. Toy ny volon’akoho ny haja amam-boninahitra, hoy Md Philipe Neri, ka raha sanatria voavolo dia sady pahon’ny rivotra no tsy azo apetraka intsony. Tsy mampihena ny heloka sy ny haratsian’ny olona iray tsy akory ny fifosany olona iray, na dia tsy izy aza no namorona. Raha sanatria araka izany, te ho voaray ao an-tranon’Andriamanitra isika, ary te honina ny vohitra masina, dia hanalavitra ny fosafosa sy ny fitantarana zavatra tsy mari-pototra, (chiachiericcio) izay manapotika fiaraha-monina sy mandrava ny fiangonana, hoy Papa François. Tsy vitsy koa ny olona maivan-doha, mino izay rehetra laziana aminy, ka tsy mba manadihady kely akory ny amin’ny fahamarinan’ny teny voalaza.
Tsy ny fanarahana ny lalàna izay mety hifanaraka amin’ny tombontsoa fotsiny anefa fa ny fitiavana no hitsarana antsika. Sao sanatria manko ny hetra sy ny adidy “tsy maintsy atao” (satria fampandehanan-draharaha) vita ihany fa ny fitiava-namana “0”, zéro: adino ny “rariny (κρίσις) sy ny famindram-po (ἔλεος) ary ny finoana (πίστι)”, hoy ny Evanjely, mampahatsiaro antsika izay “tsara sy izay takìn’ny Tompo efa nampahafantarina antsika dia ny hanao ny rariny (מִשְׁפָּט), handala ny fitiavana (חֶסֶד) ary hiara-dia amin’ny Tompo amim-panetren-tena (צָנוּעַ)” (Mikea 6, 8).
Ny tahotra ny hijaly sy ny ho very tombontsoa dia mety hampivarilavo sy hamily ny fiainana tsy hizotra araka ny Evanjely, saigy ampahatsiahivin’i Md Paoly antsika kosa fa arakaraky ny iombonantsika fijaliana amin’i Kristy, arakaraky ny hiarahantsika mitolona aminy no mahabe sy maha-lavorary ny hafaliantsika koa miaraka aminy, ary izany no antony hiaretany fijaliana ho an’ny hafa mba hahalavorary ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra (Kol 1, 24-28).
Tsy fijaliana takian’Andriamanitra amintsika anefa izany, fa fijaliana vokatry ny hamafisan’ny fon’ny olombelona, ka hiarahana mijaly amin’i Kristy izay maniry ny hahavoavonjy ny olona rehetra, amin’ny fitoriana ny Evanjely (Mk 13, 9-10). Miantso antsika tsirairay avy handray anjara amin’io fitoriana ny Evanjely io Andriamanitra, ary tsy misorona Izy miantso satria sahala amin’ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia no anirahany antsika (Mt 10, 16), fahoriana tsy mampihontsona izany satria efa anjarantsika, hoy Md Paoly (1 Tes 3, 3) ary tsy ho antsika irery ihany fa ho an’ny mpino rehetra manaiky ny hiaina sy hitory ny marina (1 Pi 5, 9).
Md Lioka 10, 38-42
Ny ohatra navelan’ilay Samaritana dia manampy antsika hahazo bebe kokoa ny toetra mampiavaka ilay Mpampianatra milaza amin’izay mikatsaka ny fanjakany mba “handeha ka hanao toy izany ihany koa”. Tsy Mpisorona na Levita minia tsy hijery ny fahorian’ny hafa sanatria fa mpivahiny manaiky hiara-mitoetra amintsika mba hitsabo ny ferintsika ary hanankina antsika amin’ny Fiangonany mba hahasambatra antsika. Izay tapa-kevitra hiakatra ho any Jerosalema ihany no hahita hafaliana amin’ny fahatongavana ao (Sal 122, 2) satria araka ny hafatr’i Lioka dia mankany Jerosalema no lalana mitondra amin’ny fiainana. Izay mandao an’i Jerosalema dia ho ratsy fihafara eny an-tanan’ny jiolahy, ka na dia velona aza dia ho mafy fo velona (indifférent) amin’ny fahorian’ny hafa.
Mba hahafahana manara-dia an’i Kristy dia tsy maintsy mampiantrano azy, mila mitoetra eo an-tongony mba hihaino ny fampianarany. I Jesoa izay nilaza fa i Maria no nisafidy ny anjara soa (ἀγαθός agathos) izay tsy halàna aminy dia tsy nanambany ny asan’i Marta akory fa manampy antsika kosa hiala amin’ny mety ho fanaovana ny asa ho fitaovana hoentina hanambaniana na hisehosehoana eo anatrehan’ny hafa. “Tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?” Tsy Marta irery no tratran’izany fakam-panahy izany. Nahoana no izaho foana no mamafa fiangonana, hoy ny sasany? Nahoana no izaho foana no mamafa trano, sns… Raha tsy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no hiaingana, dia mety hahavita asa tsy mifanaraka akory amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika fa hanao izay noheverintsika ho marina na izay heverintsika hahazoana dera sy voninahitra fotsiny ihany. Izay te ho mpianatra dia tsy maintsy mandray ny baiko avy amin’ny Mpampianatra aloha vao mitozo amin’ny asany araka izay baiko voarainy.
Amin’ny lalana miakatra mankany Jerosalema dia mila “manala ny kiraro” koa isika satria tany masina no itsahana (Eks 3, 5). Ny fijanonana hibanjina ny Misterin’Andrimanitra dia tsy maintsy atao laharam-pahamehana raha tiana ny hiaina ny maha-kristianina. Ny fihaonana marina tokoa amin’Andriamanitra dia tsy mampatoritory fa manainga antsika kosa hamaly ny hetahetany hanavotra ny vahoakany. Na izay tsy mahita fotoana intsony hivavahana, na izay milaza fa efa nivavaka ka tsy mila miasa intsony, dia samy tsy izy, diso hevitra sy diso lalana. Mifampiantso ny asa sy ny vavaka, ka ny fahaizana mandamina ireo no hahafahana mizotra amin’ny fahamasinana. Izay kamo miasa dia tsy mba nivavaka tsara, ary izay kamo mivavaka kosa ka milaza fa efa niasa dia miasa ho an’ny tenany ihany fa tsy ho voninahitr’Andriamanitra. Raha sady kamo miasa no kamo mivavaka moa dia efa kamo izay. Mila mibebaka.
Aminay Pretra, tatidiko ny hafatr’i Papa François hoe: tandremo sao mandeha mivoaka hitory teny kanefa tsy nanokana fotoana mba hivavahana akory, satria tsy i Kristy intsony no hotoriana amin’ny olona fa ny tena, raha sanatria tsy feno an’i Kristy ny fo. Izany no tsy maintsy hanokanan’izay manana andraikitra manokana amin’ny fitorian-teny fotoana hivavahana sy handinihana ny Tenin’Andriamanitra, handalinana azy mba hanaiky hovany hatrany amin’ny aty fo lalina: handalina ka hino, dia hitory izay inoana ary hiaina izay toriana.
Tsy ny pretra ihany no voalaza amin’izany fa ny raiamandreny manoro ny fomba fiainana amin’ny zanany, ny mpanabe mampita fahalalana, ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Mila omanina amin’ny vavaka avokoa ireny rehetra ireny, ary mila tohizana amin’ny vavaka mba hiasan’ny Fanahy ka hanavaozany ny endriky ny tany.
Marta, Marta! Antso miverina indroa, tahaka ny an’i Moizy (Eks 3,4), Samoela (1 Sam 3, 10) na i Saoly (Asa 9, 4). Voaantso ho tonga lavorary ao amin’i Kristy isika rehetra hoy i Md Paoly ka izany no ampandrenesany sy ampianarany ny fahendrena rehetra (Kolosy 1, 24-28). Tsy afaka ny hiroso ho amin’ny fahalavorariana anefa izay tsy mitady ny lalana mitondra mankany. Ho antsika dia ny mitoetra eo anilan’ny tongotr’i Jesoa no lalana sarobidy indrindra. Tsy manapaka fa mandavorary ny fiakarantsika any Jerosalema ny maka aina, manitsy ny dia, manaiky hatoron’ilay Samaritana tsara fanahy ny tokony hatao mba hahafahana mandova ny fiainana mandrakizay sy hahatonga antsika ho lavorary ao amin’i Kristy. Izany no mahatonga ny Apôstôly hilaza fa tsy rariny raha hilaozana manao zavatra hafa, eny fa na dia hikarakara ny mahantra aza ny fitorian-Teny (Asa 6, 2), satria ny Tenin’Andriamanitra no loharanon’ny fiainam-panahy rehetra.
Hanadio sy handavorary ny asantsika an-davanandro anie ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, ka hahatonga ny fiombonana aina sy saina amin’i Kristy ho fototra ivelomana, na ao amin’ny mangidy na amin’ny mamy, ka hikatsahantsika ny Fanjakan’ny lanitra aloha sy ambonin’ny zavatra rehetra (Mt 6, 33).
Dia mirary soa ho antsika rehetra.