ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Jeremia 23,1-6
- Salamo 22
- Efezianina 2,13-18
- Md Marka 6,30-34
Andian’ondry eo an-tanan’Andriamanitra isika.
Aorian’ny fandinihantsika ny fanirahan’i Jesoa ny Apôstôly hitory ny Evanjely, dia miverina amin’ny toetra tokony hananan’izay mahazo andraikitra amin’ny famahanana ny andian’ondriny ny Vakiteny anio.
Ny Vakiteny I dia mampahatsiaro antsika ny tantaran’i Israely izay azo vakiana ao amin’ny 2Mp 22 ss. Tamin’ny andron’i Jôsiasa dia mba niverina tamin’ny laoniny ny vavaka sy ny fankalazana isan-karazany, saingy matin’ny Faraôna-Nekao tao Megidao izy, ary i Joakaza no nandimby azy, saingy nalefan’ny Faraôna ho sesitany tany Ejipta koa io ka i Jôakima (Eliakim rahalahiny) no napetrany nandimby azy, ity farany dia mpanjaka nanao izay ratsy teo imason’i YHWH, tsy nivaky loha afa-tsy amin’ny fanorenana lapa ho azy, ary na ny karaman’ny mpiasa aza tsy voaloany akory, mainka moa fa ny fitsinjovana ny rariny sy ny mahantra. Ny loza dia ny vahoaka no noporetiny mba hahafahany mandoa ny hetra notakian’ny Mpanjakan’i Ejipta izay namono ny rainy ihany, ka niheverany fa hiaro azy amin’ny fanjakan’ny Babilôna izay tamin’ny hafenoan’ny tanjany tamin’izany. Notafihin’i Nabokodônôzôra anefa i Jerosalema ny taona 598 tal. K. ka rava ary nentiny ho babo am-patorana any Babilona ny Mpanjaka miaraka amin’ny fanaka sasany tao an-Tempoly (2Tan 36,5snm). I Jôakima zanakalahiny no nandimby azy telo volana mahery kely fa mbola ratsy kokoa noho ny nataon’ny rainy no nataony, ary nasain’i Nabokodônôzôra nosoloina an’i Matanìa izay nomeny anarana hoe Sedesiasa. Saingy sady feno avonavona no tsy nanetry tena teo anatrehan’ny Mpaminany Jeremia io ary nioko tamin’ny Mpanjakan’i Babilôna izay nampianiana azy ihany koa, ka ny vahoaka rehetra no nentin’i Nabokodônôzôra ho sesitany tany Babilôna ny 587 tal. K. rehefa avy nofongorany tanteraka ny tanànan’i Jerosalema.
Ny hamahana sy ny hanangona no nanomezana fahefana an’ireo Mpanjaka ireo saingy nanary sy nanahaka ny ondry no vokatry ny fitondran-tenan’izy ireo. Tsara ho tadidiana mandrakariva izay lazain’ny Boky Fahendrena hoe: “Fitsarana mafy no atao amin’izay mandidy. Ny madinika avela heloka amim-pamindram-po fa ny manam-pahefana kosa hofaizina mafy” (Fah 6,5-6). I Md Piera moa dia mihanta amin’ny Pretran’ny Fiangonana izay vavolombelon’ny fijalian’i Kristy mba “hamahana ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketany, ka hitandrina azy ireo tsy an-terivozona fa an-tsitsa-po araka an’Andriamanitra, tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po, tsy amim-pizakazakana fa amin’ny fisehoana ho fakan-tahaky ny ondry” (1P 5,1-3).
Izany no Mpiandry araka ny fon’Andriamanitra, araka ny fon’ilay Mpiandry tokana nampanantenainy ka hahafahan’ny ondry mandry tsy amin-tahotra na hivadi-po, satria ho tahaka ny mpanjaka hendry manao ny rariny sy ny hitsiny amin’ny tany (Vak I). Tsy fanomezana didy fa fanomezana sakafo no atao hoe mamahana, ka ny fitondran-tena no zary torolalana hitarihana ny hafa ho amin’ny fiadanana marina. Izany no maha kristianina ny Kristianina.
Izany no endriky ny Eglizy omen’i Md Paoly antsika, ka tsy fiangonana hanangana rindrina sanatria, satria efa noravan’i Kristy tamin’ny Rany ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana ka hahafahana manatona ilay Ray iombonana ao amin’ny Fanahy Masina. Tsy ny efitra lamban’ny Tempoly izay noheverina hanasaraka ny tontolon’Andriamanitra amin’ny fiainan’ny olona nohariany ho sambatra ihany no triatra, fa izay efitra mbola hiheverantsika koa hanavahana ny hafa tsy hiombom-piadanana amintsika. Tsy afaka ny tsy ho mpanorina fiadanana ny Kristianina, rehefa mahatsapa fa i Kristy no fiadanany, ka ny fitoriana ny Evanjeliny dia tsy hafa fa fanorenana ny fiadanan’ny seza fiandrianan’i Davida (Iz 9,6) ka hahafahan’ny liona sy ny zanak’omby mifalihavanja, ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-mitoetra (Iz 11,1-9). Asan’ny Fanahin’ny Tompo izany.
Fa rehefa avy mitory izany fiadanana izany isika. Inona no mbola tokony hatao? Ny Evanjely no hahafahantsika mamaly izany.
- Md Marka 6,30-34
Niverina ny Apôstôly ka nitantara tamin’i Jesoa ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Amin’ny maha iraka dia tsy ny hahafaly ny tena no himasoana fa ny hanao araka ny baiko azo. Mampalahelo raha sanatria manoloana ny lehibem-pikambanana fotsiny ihany na manoloana ny pretra na ny eveka na ny mba ho derain’ny olona no hitantarana ny zava-bita ka adinon’ny fiangonana ny miara-mitantara izay vita amin’i Jesoa ilay hany tokana maniraka.
Mila tsaroana mandrakariva fa ny iraka ampanaoviny no mampivondrona, ary vokatry ny fanadinoana izany ny fitadiavana izay hahafalifaly ny hafa sy ny hahazoana dera (filàna 19 hoy ny filaza) eo imason’ny olona fotsiny ihany fa tsy araka ny fanirian’i Kristy, ary ny ratsy aza dia ny fampiasana ny fahefana tsy hanasoavana fa hamenoana ny paosy. Firifiry ny faharavana ateraky ny fitadiavana voninahitra eo imason’ny olona eo anivon’ny Fiangonana.
Raha iverenana ny zavatra nitranga teo amin’i Israely dia manampy antsika hahazo ny fahalemen’ny olombelona manoloana ny fitiavan-tenany: mba hahafalifaly ny Faraôna-Nekao dia ny vahoaka no noteren’i Jôakima mpanjaka handoa ny hetra nifaranarahany tamin’io fahavalo namono an-drainy io.
Tsy vao voalohany anefa no nilazan’i Md Marka fa ho an’i Jesoa dia tsy nisy fotoana hihinanan-kanina akory noho ny fikarakarana ny vahoaka ary izany aza no nahatonga ny havany saika haka Azy, satria noheverin’izy ireo ho lasa adala Izy (Mk 3,20). Antsoin’i Jesoa “hitokana any amin’ny tany efitra (erèmos –désert)” anefa ireo mpianatra mba hiala sasatra.
Ny antony dia mazava: raha tsy mahay mitsahatra amin’ny fiasana be loatra ireo mpianatra dia ho moramora ny hianjerana ao anatin’ny tevan’ny atao hoe “activisme”, ka tsy ny fanitarana ny voninahitr’Andriamanitra intsony no himasoana fa ny voninahitry ny tena na izay mety ho voninahitry fikambanana, ny paroasy, ny diosezy, ka tsikelikely dia ho very ny fitokisana amin’Andriamanitra, adino ny hafatry ny Mpaniraka mba tsy hitondra afa-tsy “tehina”, manambara ny herin’Andriamanitra naniraka. Mora foana ny mivarina amin’ny fitokisan-tena sy ny fitokisana amin’ny kajikajy ka hitady hevitra araka ny olombelona fa tsy araka an’Andriamanitra mba hoenti-manao zavatra hisehosehoana sy hahombiazana, hahatratrarana ny tanjona napetraka amin’ny maha olombelona.
Ny fahaizana manokana fotoana hialana sasatra lazain’ny Evanjely dia mba hialana amin’ny mety ho toe-tsain’ny filàna tombony hita eo amin’ireo orinasa mpamokatra sasany ka hanerena ny mpiasa sy ny fomba fiasa hamokatra mihoatra ny mety mihitsy aza, ka tsy ny soa ho an’ny olona intsony no tadiavina fa ny hamokarana araka ny kajikajy sy ny hambom-po, ary raha sanatria manana fahefana kely dia ny hafa koa no terena mba hahatanterahan’izany.
Na inona na inona atao, raha tiana ny hahomby araka an’Andriamanitra (izay mazàna miafara amin’ny lakroà fa tsy amin’ny fahombiazana araka ny olombelona) dia tokony handany fotoana “hitantarana” sy “hifandinihana” amin’i Jesoa mba hifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra fa tsy ny an’ny olombelona ny fanapahan-kevitra raisina. Marina fa vavaka ny fiainana ary ny fikarakarana ny mahantra, ny fanaovana asa sosialy sns dia fitaovana enti-manitatra ny fanjakan’Andriamanitra, saingy raha tsy mahafoy fotoana hijanonana samirery miaraka amin’Izy Tompo isika, dia sarotra ny hahazoana hery sy fahiratan-tsaina mba tsy hikatsahana ny tombon-tsoan’ny tena fa ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany. Izay tsy manana fotoana atokana ho an’ny vavaka intsony dia tsy afaka handinika sy hahatsiaro ny soa noraisiny, ka tsy ny haneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny olona hasoaviny no ho tanjony fa ny hiseho ho “andriamanitra” mpanavotra ireo heveriny fa tsy afaka ny ho velona raha tsy izy, tsy afaka ny hijoro raha hilaozany.
Aina mamelona ny zavatra rehetra ataontsika ny fotoana hitokanantsika samirery miaraka amin’i Jesoa, ao an-tsambokely, ao amin’ny Egliziny, ka mazava loatra fa mbola misy antsoina mba hamoy ihany araka izany mba hahafahan’ny sambo mizotra mankamin’ny seranana. Ny fotoana atokantsika hivavahana na samirery, fa indrindra ny iombonana isam-pianakaviana, ny any am-piangonana dia tokony ho fitantarana ny hatsaran’ilay Andriamanitra niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavany mahagaga (1P 2,9) voalohany indrindra ary ho fanamafisana fa ao amin’ny fiombonana amin’i Jesoa no tanjon’ny fiainantsika manontolo, ka ny zavatra rehetra ataontsika ivelan’ny trano, any amin’ny toeram-piasana rehetra any, dia fitaomana ireo izay mbola lavitra ho amin’izany fiombonana izany (Vak II).
Tsy fitsoahana adidy araka izany fa fanovozana hery ny fihatahana masina sy ny vavaka. Ireo Apôstôly nihevitra ny hiala sasatra dia tsy afaka nanao izany raha tsy tao an-tsambokely niaraka tamin’i Jesoa ihany, satria vantany vao niantsona ny sambokely dia efa niandry azy ireo ny vahoaka. Toa ny Mpampianatra koa, ny mpianatra dia voaantso hanana fo mangoraka (σπλαγχνίζομαι – splanchnizomai; splanchnon=rahamim; jer. Mk 1,40-41): hahita ny vahoaka tahaka ny ondry tsy misy mpiahy ka hangoraka azy ireo.
Tahaka an’ireo nantsoin’Andriamanitra hamahana ny ondriny (jer. Ez 34,23; 37,24; Môizy ao amin’ny Fan 27,15-17…), i Jesoa sy izay te ho mpianany dia voaantso hitari-dalana ny vahoaka ho amin’ny vilo-maitso (Sal 22). Tsy mpitango ronono na mpitafy volonondry no hiantsoana ny mpiandry (Ez 34,1-11snm). Mampalahelo ny maheno ny fitakiana ny adidy amin’ny hafa kanefa ny tena indraindray tsy mandini-tena akory raha nahavita na tsia ny tokony ho natao tamin’izy ireny: fampianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny finoana, fanalàna hetaheta sy hanoanana ny vahoaka no iantsoan’i Kristy antsika Mpianany rehetra.
Hitako matetika ary lazain’ny olona koa indraindray ka mila dinihin’izay mihevitra hamaly ny antso amin’ny maha mpianatr’i Jesoa (tsy resaka pretra sy lahika manko izany fa fiainana amin’ny maha kristianina) ny tsy fahazakana intsony ny resa-bola eo anivon’ny Fiangonana. Mavesatra ny mieritreritra fa olona mikarama saraka an-tsaha mamelona olona efatra na dimy (ary inona moa no vitan’izany), kanefa ny sasany manam-bola hodorana amin’ny toaka sy ny sigara, na amin’ny hafinaretana sy amin’ny zavatra hafa izay tsy mifanaraka akory amin’ny fitondran-tena kristianina akory aza indraindray!
I Jesoa no mpiandry ondry araka ny fon’Andriamanitra, ventesin’ny Salamo setriny, mpiandry dia Izy Andriamanitra izay nampanantena fa hanangona ny ondriny ary hanangana mpiandry ho azy ireo (Vak I), Izy ilay tia loatra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana (Jo 3,16). Izay mahita hoe aiza no misy vilo-maitso ihany no afaka hitondra ny ondry ho any. I Jesoa no Lala-marina mitondra antsika ho any amin’ny fiadanana marina. Izay rehetra tsy mifanaraka Aminy dia fahaverezan-dalana. Tsy hoe mitondra amin’ny kijàna ihany anefa ilay Mpiandry ondry fa koa mandroso sakafo, maka vilona ho fahana. Izany no toetran’Andriamanitra, ary io no iantsoan’i Papa François ny kristianina mba ho tahaka an’i Kristy, amin’ny antsoina hoe Pastorale de proximité, izany hoe hahay hitondra “hanina” ho an’ireo ondry tsy afaka nirao-bilona teny an-kijàna. Tsy ho sanatria hanatitra vidim-bilona fa hanatitra sakafo no hanatonantsika ny ondry.
Salamon’ny fankalazana ny Batemy moa ity Salamo 22 ity hatrany am-piandohan’ny Eglizy. Ny Ranon’ny Batemy manala sasatra sy mamelona aina, ny tehina maneho ny fahefana, dia ilay fahefana manala ny tahotra ny aloky ny fahafatesana, mandraraka ilo eo an-doha satria manome ilay Fanahy loharanon’aina, ilay fanahy hitarika antsika amin’ny marina rehetra (Fankaherezana), ary ny sakafo sy ny kapoaka safomorona higohana ny aina ao amin’ilay Ra izay efa nandrava ny efitry ny fisarahana ka hahafahana mankalaza ny Kômonio, ny fiombonana tanteraka ho vatana iray ao amin’i Kristy. Izany no hasambarana sy fiainana manjohy antsika hatrany amin’ny mandrakizay.
Ny tsirairay no mandinika an’izay tokony ho vitany, mba ho fampianarana zavatra betsaka hitondra ny olona amin’ny fahavelomana no handaniana mondron-kery fa tsy sanatria ady amin’ny mpiandry na ny ondry andrasana tsy nahavita ny adidiny na sanatria hanoto mpiandry. Ny finoana, ny fanantenana sy ny Fitiavana anie hanentana ny fontsika haharitra lalandava hitandrina ny didim-pitiavana (Fangahataha).
Andriamanitra Ray ô, miantso sy manangona an’ireo zanakao marobe efa niely lanao, fa te-hanao fanekem-pihavanana Aminy. Koa tahio izahay hahay mihaino ny feon’i Jesoa Zanakao: mba hanovàny ny hakivianay hanjary fanantenana, sy hitahirizany anay ao amin’ny Fanahinao Masina, fa Izy Kristy ihany no Mpiandry mahatoky irahinao.