Alahady faha-15 Mandavan-taona Taona A
- Izaia 55, 10-11
- Salamo 64
- Rômana 8, 18-23
- Md Matio 13, 1-23
Nokendren’Andriamanitra hisy vokany eo amin’ny Fiainantsika ny Teniny.
« Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ahy » hoy i Jesoa (Alahady faha-13 A Mt 10,37-42).
Eo am-panarahan-dia Azy anefa dia mahatsapa isika fa tsy zavatra mandeha ho azy izany, misy manomboka amin-kafanam-po kanefa tsikelikely mahatsapa fa mihoatra ny fetran’ny tena ny lanjan’ny hazofijaliana ka hahatrotraka sy hanjary vesatra, ary mety hampiverin-dalana aza. Dia ireo « mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana” indrindra no antsoin’i Jesoa mba hanatona Azy hohamaivaniny« , hianatra Aminy, hahatsiaro fa “raha tsy Izy tsy hahefa na inona na inona” (Jo 15, 5) ka hanavao ny fitokisana Azy, ary hianatra hitia hatramin’ny farany (Alahady faha-14 A Mt 11, 25-30). Tsy araka ny sitrapontsika anefa ny lalana atorony hahazoana ny fiadanana fa amin’ny fiantsorohana ny jiogany miaraka amin’ny hazofijaliantsika, izany hoe manaiky ho mpanompony, manaiky hiasa ho Azy, ho mpianany hiara-miasa Aminy hampiseho amin’ny olona ny fifankatiavana marina.
Zavatra mitranga ombieny ombieny anefa, indrindra rehefa tojo ny fahoriana, dia ny mimenomenona sy ny manome tsiny an’Andriamanitra : fa nahoana izao Andriamanitra izao no lazaina fa fitiavana nefa mamela antsika hijaly, mamela ny maty eritreritra hanjakazaka? Ho an’izay efa mandroso amin’ny finoana dia afaka milaza toa an’i Md Paoly hoe « tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika ny fahorian’izao fiainana izao » (Vakiteny II Rm 8, 18-23). I Kristy miantso antsika hitondra ny hazofijaliantsika dia mbola mampahatsiaro antsika fa rehefa manonja ny vesatry ny fiainana dia ny “jiogany”, izany hoe ny “lalàn’ny fitiavana” no hanamaivana antsika. Rehefa adino ny tanjona dia miha-lavitra ny lalana, miha-mafy ny ady… Ny hafaliana fa ho tera-bao no hiaretan’ny reny ny fijalian’ny fitondrana am-bohoka sy ny fanaintainam-piterahana. Izany no fitiavana, satria tsy fantany akory ny ho ampitson’io zaza hitondrany ny tsy eran’ny aina io (Rahamim : jereo ny alahady faha-11 A).
Mazava loatra araka izany fa rehefa adino ny maha-fandalovana ny tany, dia ho zavatra hafa no zary ivom-piainana, raha adino ny hihafarana dia hohadinoina hatramin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika, ka tsy ny hitia bebe kokoa no hifaninanana fa ny fikatsahana hafinaretana mandalo izay mazàna handavana ny hazofijaliana, saingy hitadiavana fomba hanamarinana ny tena mandrakariva mba hampilamina ny eritreritra.
Ny Vakiteny voalohany dia mamarana ny Fizaràna faharoa amin’ny Bokin’Izaia Mpaminany, izay lazaina koa hoe “Bokin’ny fampiononana”. Nandritra ny sesitany tany Babilônina no nanoratana azy. Tany an-tsesitany moa, rehefa nandeha teny ny taona dia nitombo teny ihany koa ny fanirian’ny Vahoaka Jody hiverina an-tanindrazana. Fampanantenan’Andriamanitra izany, saingy toa tsy misy mangirana akory. Ao anatin’izany toa fahadisoam-panantenana izany no nieveran’ny ankamaroany fa mitovy amintsika olombelona koa Andriamanitra: mampanantena nefa tsy manatanteraka akory. Manoloana izany kosa no anamafisan’ny Mpaminany ny fampianarany amin’ny vakiteny anio fa mahatoky ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy mba poak’aty ny Tenin’Andriamanitra ary Teny mafy orina mandrakizay. Raisin’Izaia ho ohatra hahazoantsika ny fiasan’ny Tenin’Andriamanitra ny ranon’orana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka mampahazo voa famafy ny mpamboly sy hanina ho an’ny mpihinana. Tsy vokatra azo eo noho eo anefa izany fa mitaky fikolokoloana ary manaraka ny vanim-potoanany avy ka mila faharetana.
Ambaran’i Izaia fa ny Tenin’Andriamanitra izay nafafiny ao am-pontsika dia tiany hamokatra. Mahavokatra ny Teniny rehefa mahatanteraka izay tiany. Ka inona àry no tian’Andriamanitra ho tanterahintsika? Ho tonga voa afafy sy sakafo mahavelona, hoy ny valintenin’ny Mpaminany (Vakiteny I Iz 55, 10-11).
Manoloana ny zava-mitranga àry dia tokony ho laharam-pahamehana ho antsika ny mikaroka ny sitrapon’Andriamanitra izay tsy inona fa ny lalam-pamonjena ho antsika amin’ny fampamokarana ny Teniny. Miankina amin’ny fahaizantsika mandray azy, hoy i Jesoa no hahafahantsika mampamokatra izany Teniny izany. Impiry moa no efa novakiana tamintsika sy nodinihintsika ity Evanjely mitantara ny Mpamafy ity (Mt 13, 1-23) saingy tsy sahintsika ny mitsara tena hoe firy heny ny vokatra azo avy amintsika, na hoe karazana tany manao ahoana no andraisantsika ny Tenin’Andriamanitra.
Ny mampalahelo aza indraindray dia toa tsinontsinoavintsika ny Tenin’Andriamanitra na ampiasaina hiarovana tombontsoa manokana, ka hisafidianana ireo toko sy andininy mahafinarinaritra ihany ka hodiana tsy hita ireo izay mahakitikitika ny fiainana… Isak’alahady dia manontany tena isika ny amin’izay Tenin’Andriamanitra tsaroantsika ka enti-miaina ny herinandro vaovao! Indraindray aza vao vita lamesa dia efa tsy misy tsaroantsika intsony izay vao nankalazaintsika… Aza adinoina ny fampianaran’i Md Jerôma hoe : « Ny tsy fahafantarana ny Soratra Masina dia tsy fahafantarana an’i Kristy« , satria Izy no ilay Teny tonga nofo ka tonga miara-monina amintsika.
Mety hisy hanala tsiny tena koa aza fa hoe sarotra ny mahazo ny Soratra Masina, na sanatria hilaza fa tsy hadisoan’ny tany velively no tsy hamokatra fa ny mpamafy no vendrana, mamafy amin’ny lalana, eny anaty vato, eny anaty tsilo! Dia hotsinotsinoavintsika tahaka izany ve sanatria ny fitiavana tian’i Jesoa aseho amin’ny sitrapon’ilay Mpamafy te hamonjy ny olon-drehetra?
Andeha hiverenantsika hodinihina ny Evanjely hahafahantsika mahazo ny hafatra tian’i Matio ambara, momba ny fampianaran’i Jesoa ka hozaraintsika telo, araka ny perikôpa hizaran’ny Baiboly azy ihany.
Tsara ny manamarika anefa fa ny toko faha-12 izay tsy novakiana amin’ny Litorjian’ny alahady dia manohy ny fitantarana ireo sedra atrehin’i Jesoa manoloana ny asa fitoriana: ny ady hevitra amin’ny mpianatr’i Joany dia nanatsoahan’i Jesoa ny fiovana tsy maintsy atao mba hiavaozana amin’ny tsaratsara kokoa hatrany: Siny hoditra vaovao ho an’ny divay vaovao (Mt 9, 17//Mk 2, 22), Ny filazany kosa ny toe-tsaina tokony hananana amin’ny fiainana an-davan’andro sy ny fanajana ny Lalàna izay nofintininy amin’ny fampianaran’i Osea Mpaminany (Osea 6,6) hoe “ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona” dia nahatonga ny farisianina hikaon-doha hitadiavana izay hamonoana Azy (Mt 12, 1ss//Mk 2, 23ss).
Raha fintinina dia voaroaka tao Nazareta tanàna nahalehibe Azy Izy, tao Kafarnaôma dia nolazain’ny sasany ho adala, ny mpianany nandao Azy (Jo 6, 66), ny Farisianina nitady izay hahafaty Azy (Mt 12, 14), ny fianakaviana nampàka Azy (Mt 12, 46). Raha manoloana ny trangan-javatra toy izany isika, dia hanontany tena ihany raha mbola hanohy hitory ny Tenin’Andriamanitra na tsia, tahaka ireo Jody tany an-tsesitany nanontany tena raha marina na tsia ny fampanantenan’Andriamanitra. Manoloana ny mety ho tsy fahombiazana amin’ny asa fitoriana indrindra ary no mila hiverenana hamakiana ity fampianaran’i Jesoa ity, mba hahazoantsika hery vaovao, “hanantenana na dia tsy misy tokony hantenaina aza” satria Andriamanitra mpamelona ny maty ary mahay mampisy ny tsy misy (Rm 4, 17-18).
Ny toko faha-13 amin’ny Evanjely nosoratan’i Matio dia entin’i Jesoa hanambarana amintsika ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fanoharana fito moa izy ireo raha ny marina, izay vakiana amin’ireto alahady telo mifanaraka ireto : ny Mpamafy (alahady XV), ny ahi-dratsy, ny voan-tsinapy sy ny lalivay (alahady XVI), ny rakitra nafenina tany an-tsaha, ny voahangy ary ny harato (alahady XVII) ka amin’ny maha-fanoharana azy dia mampita hevitra iray amin’ny alalan’ny sarisary mora raisin’ny saina, saingy manainga azy kosa handinika sy handalina mba hahatakatra ny zava-miafina sy sarobidy kokoa. Fanoharana no nampianarany.
Ny Fanoharana efatra voalohany moa (ny mpamafy – Evanjely anio – , ny ahidratsy, ny voatsinapy sy ny lalivay) dia nataony ho an’ny vahoaka, ny telo hafa kosa (rakitra nafenina tany an-tsaha, ny voahangy sarobidy ary ny harato) dia nataony ho an’ny mpianany rehefa nody tany an-trano. Ny fiainantsika no toy ny fanoharana, ka raha tsy azontsika ny hevitry ny fijaliana sy izay mety ho fifanoherana dia mety ho fahakiviana na fahadisoam-panantenana no hanjohy antsika.
Amin’ny fanoharana anio dia entina ilazana fa ny Teny dia tahaka ny voa afafy mandrakariva, tsy mamarana fa manomboka ny fiainana amin’ny fikasohana amin’ny tany ka hitsiriany sy hitomboany ary hamokarany.
I – Md Matio 13, 1-9: Fanoharana ny amin’ny mpamafy.
Nivoaka ny mpamafy.
Amin’ny fiafaran’ny toko faha-12 dia tao an-trano ilay Mpamafy nizara ny Teny tamin’ireo rahalahy sy anabavy ary reniny, izao dia nivoaka teny amoron’ny ranomasina, teny amin’ny toerana nitangoronan’ny olona, satria hiara-monina amintsika olombelona no nahatongavany (Mk 1, 38). Izy no ilay mpandrato misarika ny olona ho any Aminy mba handova ny fiainana mandrakizay hiaraka Aminy. Avy ao amin’ny sambo, dia ny Fiangonana, no hitenenany amin’ireo manatona Azy eo amoron-dranomasina. Eo amin’io sambofiara vaovao io no hiandrasany izay te hiaraka Aminy ho any am-pitan’ny ranomasina, hanao ny Eksaody vaovao, hizotra ka hamakivaky ny “tany efitry ny fiainana” ho any amin’ny tany ampanantenainy dia ny Tranon’ny Rainy izay misy toerana maro.
Nivoaka ny Mpamafy mba hamafy. Lazain’ny Evanjely fa tsy misafidy tany hamafazana ny voa ity mpamafy ity. Ho antsika dia mety ho adalana izany, satria azony atao tsara ny tsy mamafy afa-tsy amin’ny tany lonaka. Saingy noho ny fahalalaham-pony dia ny tanimboly rehetra no amafazany, entanin’ny faniriana mba hioty be dia be ihany koa amin’ny taom-pijinjana. Tsy misy zoron-tany afaka hilaza araka izany fa tsy nandray ny voa. Fomban’ny mpamboly tamin’ny andron’i Jesoa koa moa ny mamafy aloha vao miasa ny tany, hanotofana bainga ny voa. Ny tany tsirairay kosa anefa, tsy namokatra araka ny hatsaran’ilay mpamafy, fa araka ny zava-misy nentiny nampitsimoka ny voa.
Amin’ny fiainantsika andavan’andro, mora ny manome tsiny ny hafa na manome tsiny an’Andriamanitra mihitsy aza rehefa tsy mahomby ny zavatra iray, saingy mila dinihantsika ihany koa sao tsy tsinin’ny mpamafy fa tsirambina ataon’ny tany mandray ny voa. Ny sakana voalohany dia ny fanaovana hitsin-dalana. Tsy misy voa afaka hitsimoka amin’ny toerana falehan’ny olona. Ny voro-manidina no hitsindroka ny voa eny. Tsy afaka ny hampitsimoka ny Teny izay tsy vonona hiala amin’ny mahazatra ka hanomboka hanatona ny morontsiraka mba hihaino ny Teny manova ny fiainana.
Izay mafy fo toy ny vato koa, tsy manaiky hiova hatrany amin’ny atifony lalina dia tsy afaka ny hampamokatra ny Teny. Izay “superficiel”, tsy mandalina ary tsy vonona ny handatsaka ao am-pony lalina ny Teny, na hitsiry aza ny voa dia tsy afaka ny haharitra amin’ny daniky ny andro hampalazo ka hamono izay mba nitsiry. Ireo voly nitsiry koa, raha sanatria miara-mitsiry amin’ny fiahiana ny fiainana dia tsy afaka hitondra voa, satria hogiazan’ny tsilo.
Misy kosa anefa ireo latsaka amin’ny tany lonaka ka mitsiry sy mamokatra. Mety ho tonga ao an-tsaintsika hoe: fa firy ny voa? Tsy i Jesoa irery ihany ve ny voa nafafin’Andriamanitra mba hanatanteraka izay nandidiany mialoha ny hiverenany any aminy (Izaia 55, 11)? Izy tokoa no ilay voa nafafy, ka na dia mitoetra maharitra ao ambanin’ny tany aza, dia miandry ny fotoana hahafahany mamokatra, mihoatra noho izay andrasantsika.
Heveriko anefa fa ireo karazan-tanimboly ireo (lalana, tany be vato, tany be tsilo, tany lonaka) dia ao am-pontsika tsirairay avy ao. Anjarantsika ny mijery ny zoron-tsaha amokaran’ny teny, ka tsy hahakivy antsika amin’izay tsy mamokatra (na ao amintsika na ao amin’ny zaridainan’ny hafa), fa kosa hifaly amin’ny vokatra manome hanina ho antsika sy voa hafafy hoentika manitatra ny Fanjakan’Andriamanitra. Izay tsy mioty ao amin’ny tany lonaka dia hamafy tsilo ihany ao amin’ny zaridainan’ny hafa.
Ho tany lonaka hamokaran’ny Teny anie ny Fiangonantsika.
II- Md Matio 13, 10-17: nahoana no fanoharana?
“Nahoana no fanoharana no hitenenanao aminy?” Ny vahoaka dia eny amoron-dranomasina no nitenenan’i Jesoa amin’ny fahoharana. Ny Mpianatra kosa, izany hoe ireo tapa-kevitra ka nanatona Azy, vonona ny hiakatra eo an-tsambokely miaraka Aminy, vonona ny hihaino ny hevitra mihafina ambaran’ny fanoharana, izy ireo no hanehoana ny tsiambaratelon’ny fanjakan’ny lanitra, tsy hitan’ny mpaminany sy ny olomarina maro.
Nahoana anefa no tsy maintsy hiharitra ny tsy fankatohavana sy ny hamafisam-pon’ny vahoaka ny Marina? Tsy afaka ny manova ny fon’izy ireo ve Andriamanitra ka amin’izay dia tsy hisy marina hovonoina na hohenjehina intsony? Mistery mihoatra ny saintsika izany. Izaho manokana aloha tsy mahalala ny antony, saingy kosa afaka mandray ny valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fijalian’ny marina. Ireo fanoharana ambarany araka izany dia manambara izany mistery izany, manome saina sy hery antsika izay te hanara-dia ilay hany Marina hahatozoantsika hatramin’ny farany, indrindra raha sendra tsy mahatsiaro ho mioty vokatra amin’izay nisasarana.
Tsy sanatria Andriamanitra no manafina ny mistery amin’ny sasany. Mpanavakavaka Izy raha izany. Sitrany ho tonga amin’ny fahalalana ny marina avokoa ny olona rehetra, hoy Md Paoly (1 Tim 2, 4). Izay tsy manaiky ka manamafy ny fony, tsy hoe tsy hanambarana ny Teny, fa kosa hitoriana azy amin’ny fomba faran’izay tsotra indrindra aza: apetraka eo anatrehany ny Teny mitondra amin’ny fiainana. παραβάλλω (paraballo) moa dia midika hoe mametraka eo anilany na eo alohany ka avy amin’io ny hoe παραβολή izay nadika hoe fanoharana. Izany no hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany hamafy ny Teniny ka ho ren’ireo miseho ho be marenina sy ho hitany miharihary avokoa ny fanambarana, ka safidiny ny hanidy sofina sy hanakimpy maso na tsia.
Tahaka ny tolotra nofonosina koa anefa ny fanoharana ka na ho ela na ho haingana, dia hosokafan’izay handray azy, hizahany ny hevitra ambarany. Tahaka ny lahinjiro mirehitra izy, ka na mitsilopilopy aza, rehefa ao anatin’ny haizina hahafahana manilo ny lalan-kombana ihany. Izany no mahatonga ny fanazavana ny hoe “fanoharana” nataon’i Matio mialoha ny hanazavany ny hevitry ny “voa nafafy”, hilazany fa fahasambarana no azon’izay manatona an’i Jesoa ka manaiky hanokatra ny fony mba handray ny fampianarany.
Hitombo ao amintsika anie ny faniriana hahazo ny fampianaran’i Jesoa.
III- Md Matio 13, 18-23: Fanazavana.
Izay mihaino ny teny ka mahalala azy no mamoa.
Misy karazan-tany efatra anefa, izay azo lazaina ho ambaratonga amin’ny fandraisantsika ny Teny ka hahafahantsika mampamokatra azy eo amin’ny fiainantsika. Heveriko fa tsy ny tanin’ny hafa sy ny zaridainako no lazain’ny evanjely eto, fa fizaran-tany ao amintsika tsirairay avy. Teny iray ihany no afafy fa ny tany kosa, izany hoe ny fontsika tsirairay avy, mampamokatra azy arakaraka ny handraisantsika ny Teny.
Ambaran’ny Evanjely fa raha izay mahazatra sy izoran’ny olon-drehetra (lalana) ihany no hizorana ka hiheverantsika hampitsimoka ny teny dia hiandry vasoka eo isika. Sakana voalohany tsy hahafahana mandray ka mahazo ny teny ny fitompoan-teny ho fantatra, ny fiheverana ho manana ny marina ka tsy hitady lalan-kafa sy vaovao tsaratsara kokoa mba hahafahana mandray ny Teny ka mampamokatra azy, tsy hikaroka izay tian’ny Teny ambara satria heverina ho efa hay tsianjery, ka tsy mampametra-panontaniana intsony fa manao mafy fo velona, tahaka ny tany masaky ny lalana, ka mazava loatra, tsy ho afaka ny hampamokatra azy.
Ilay Ratsy (πονηρός poneros) koa etsy an-kilany, satria ilay rain’ny lainga sy mpamono olona hatrany am-piandohana (Jo 8, 44) dia manao izay tsy hitoeran’ny Teny ao am-pontsika, satria izay no lalana hahafahany manasaraka ny olombelona amin’Andriamanitra, manasaraka ny rantsana amin’ny foto-boaloboka. Devoly (diabolos, diable) satria manasaraka antsika amin’izay rehetra mitondra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.
Tsy vitan’ny hafanam-po toa afo-mololo fotsiny koa anefa sanatria ny fandraisana ny teny, tsy tsobo-dranon-dRamiangaly… Tsy afaka ny hamokatra ny teny raha tsy lalim-paka amin’ny fiainantsika, mahababo antsika ka tsy ho voahozongozon’ny rivo-maherin’ny fahoriana sy ny fanenjehana. Raha tsy miharitra ny fahoriana isika tsy hahazo ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tsy maintsy tandremana koa anefa ny fitaky (ἀπάτη apate) ny harena sy ny fiahiana izao fiainana izao izay mamono ny Teny ka tsy hahafahany mamokatra. Izany no mahatonga ny Apôstôly hilaza fa tsy rariny raha hilaozana manao zavatra hafa, eny fa na dia hikarakara ny mahantra aza ny fitorian-Teny (Asa 6, 2). Tsara hodinihina mandrakariva hoe manodidina ny inona ny adihevitra sy ny iompanan’ny resaka ifananovantsika Kristianina, sao sanatria hahazo laka ny resa-bola sy ny fiahiana ny hoenti-manana.
Raha fintinina ireo sakana telo tsy hahafahantsika mandray ka mampamokatra ny teny dia ny tsy fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo (manao mafy fo velona), ny tsy fitiavana Azy amin’ny fanahy manontolo (tsy fitozoana sy tahotra ny ho faty), ary ny tsy fitiavana Azy amin’ny hery manontolo (fifikirana amin’ny harena mandalo). Izay maheno ka manaraka ny lalam-pahasambarana atoron’ny Teny no hampamokatra azy, eny fa na dia tsy mitovy koa aza ny vokatra azo. Ny Martiry, nanolotra ny hareny sy ny ainy (100%), ireo izay nanolotra ny hareny saingy tsy nanana “occasion” hanolorana ny aina (60%), ireo niezaka niaina ny teny tamin’ny fo manaiky sy tsy voazara saingy tsy nahita occasion hanolorana ny ainy sy ny hareny (30%) [B. Gerhardsson, The seven parables in Matthew 13, p. 31].
Tsy ezaka avy amintsika anefa sanatria no mampamokatra ny voa afafy fa fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana. Ny andrasany amintsika dia ny hahaizantsika mamantatra ka manova ireo toetra tsy mampamokatra ny Teny voafafy ao am-pontsika. Efa nomena antsika ny Fanahy Fitiavana maha-zanaka mpandova (Rom 5, 5; 8, 17) ka mamelona ao am-pontsika ny fanantenana fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hamokatra ny Teny satria tsy hiverina amin’izay naniraka azy raha tsy efa mahatanteraka ny iraka nampanaovina azy (Izaia 55, 11).
Raha mbola misy mamparisarisa ny fontsika tsy hitia, tsy hamela heloka, tsy ho sambatra dia mila mandinika isika sao tsy mbola naninteraka ny fiainantsika ny teny. Ho toy ilay Adama (tany) vaovao, hanahaka ny endrik’Andriamanitra mpahary antsika anie isika, hampamokatra ny Teniny amin’ny asam-pitiavana ivelomantsika isan’andro vaky.
Efa narotsany ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomeny antsika ny Fitiavana, io ilay voaloham-bokatry ny Fanahy, hiandrasantsika ny fananganan-janaka amam-panavotana, ny Sakramenta hanohizany ny famonjena antsika no ranon’orana aman’oram-panala mandrotsaka ny fahasoavana avy any an-danitra ho antsika, ka hahavonto sy hahalonaka ny tany…
Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahin’Andriamanitra fa tsy ho sanatria ho mpitrosa amin’ny nofo (Vakiteny II alahady 14A Rm 8, 9.11-13), ka handray ny Tenin’Andriamanitra sy mampamokatra azy eo amin’ny andavanandrom-piainantsika.