ALAHADY FAHA-13 MANDAVAN-TAONA Taona D
- 1 Mpanjaka 19,16b.19-21
- Salamo 15
- Gal 5,1.13-18
- Md Lioka 9, 51-62
Izay manara-dia an’i Jesoa no tena olona afaka.
26 Jona, dia fetim-pirenena, ankalazantsika ny fanambarana ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Hahatsiarovantsika koa ny mivavaka manokana ho an’ny tanindrazana, ka vokatr’izany vavaka izany no hitadiavan’ny olona rehetra izay handraisany anjara amin’izay hahafahany mampandroso ny Firenena.
Ny fanarahana ny fanekem-pihavanana natao tamin’Andriamanitra no fototra iorenan’ny fahasambaran’Israely. Ny hampahatsiaro an’izany fanekem-pihavanana izany no anjara andraikitra voalohan’ny Mpaminany. Vakiana amin’ity alahady ity ny fiantsoana an’i Elisea, izay safidin’Andriamanitra tanterahiny amin’ny alalan’i Elia. Tsy mpiantso fa mpanatanteraka ireo antsoina ho tompon’andraikitra izay efa nialoha lalana amin’izany famaliana ny antso izany moa. Henontsika fa eo am-panatanterahana ny asany an-davanandro no nanipazan’i Elia ny ankanjony teo amin’i Elisea. Tahaka an-dry Moizy, Davida sy Amosy teo am-piandrasana ondry, ry Jedeona nively vary, ry Samoela matory amin’ny alina, ry Saoly nandroaka omby niverina avy any an-tsaha, ny Apostoly voalohany teo am-pikarakarana ny haratony, ry Matio eo am-pamoriana hetra, ary ry Paoly aza, eny an-dalana ho any Damasy, eo am-panenjehana ny Mpianatr’i Kristy heveriny ho entina am-patorana ho any Jerosalema, saingy voaantso kosa handray andraikitra vaovao, hanoy ny asa efa natombok’ilay niantso: hitory Teny soa mahafaly satria ao aminy ny Fanahy. Izany no antsoin’i papa François hoe Pastorale de Proximité, fanakaikezana ny vahoaka amin’izay misy azy andavanandro.
I Elisea mandray ny Kapaotin’i Elia dia nandao ny ombiny, niala tamin’izay nahazatra azy ary tsy nihevitra ny hiverina amin’izany intsony. Porofon’izany ny namonoany ny omby sy nampiasany ny jioga hatao kitay, mba hamahanany ny olona. Raha tsy vonona ny hanome (hahafoy) izay heverintsika ho harena mba hanasoavana ny olona isika, tsy ho afaka ny ho tonga Mpaminany, araka ny sitrapon’Andriamanitra: omenareo hanina izy ireo, hoy i Jesoa amin’ny Mpianany (Lioka 9, 13).
Ilay voaantso kosa, manana ny fahafahany amin’ny famaliana ny antso, ka na dia tsy nalain’i Elia intsony ny Akanjobeny, dia fantatr’i Elisea kosa fa fanaovam-beloma ny raiamandreniny no takian’ny famaliana ny antso: handao ny zavatra rehetra mba hahafahana manatanteraka ny “iraka” ampanaovina. Tsara ho fantatra anefa fa rehefa niakatra any an-danitra i Elia, dia milatsaka io akanjobe io ary amin’izay vao tena ho raisin’i Elisea kosa ny lova, hahafahany manatontosa ny maha-Mpaminany azy. Tsara ho tadidiana fa anjara roa amin’ny fanahin’i Elia no nangatahin’i Elisea ho lovany. Midika zavatra lalina izany: ny roa am-pahatelony dia ny anjara lovan’ny lahimatoa, izay tsy maintsy hitsinjo ny zandriny rehetra rehefa tonga ny fotoana haha-kamboty, hangalàna an’i Elia hiala eo aminy. Fandraisana andraikitra manoloana ny hafa no manaporofo ny fahamarinan’ny fiantsoana avy amin’Andriamanitra. Izay mahatsiaro ho voaantson’Andriamanitra dia tsy maintsy hahatsapa ny andraikiny manoloana ny hafa.
Izany no fahafahana lazain’i Md Paoly fa mifanaraka amin’ny fanavotana nentin’i Kristy ho antsika: milatsa-tena ho mpanompo ny namany. Izay tsy miezaka ho lehibe amin’ny fiezahana manompo (Mt 20, 26), izay hoe tsy miezaka ny hitia ny hafa tahaka ny tenany, dia andevozin’ny fitiavan-tenany ihany. Ary ambaran’i Md Paoly mazava fa izay faniriana kolokolointsika ao am-pontsika ao no handresy mandrakariva.
Amin’ny sarimihetsika iray izay (Tomorrowland, 2015), milaza fa misy biby roa mifandramatra ao am-pontsika ao, ka iza no handresy amin’ireo? Izay omentsika sakafo, hoy ny valiny. Ny faniriana omentsika sakafo no ho velona ao amintsika ka handresy. Izay mikolokolo ny faniriana araka ny Fanahy dia hioty ny vokatry ny Fanahy. Mazava loatra araka izany fa izay tarihin’ny Fanahy, izany hoe manaiky ny hilatsa-tena hanompo ho fanasoavana ny hafa, dia hanandrana ny fahafahana marina, ka tsy ny filam-baniny amin’ny fanarahana ny kipitsopitsony lazain’izay voasoratra ho lalàna no himatimatesana, fa ny fanatratrarana ny tanjona tian’ny Lalàna (izay Fanekem-pihavanana) hahasambatra ny olona manontolo sy ny olona rehetra.
Isika koa moa, vita Batemy tao amin’i Kristy dia mitafy an’i Kristy, nandray ny Akanjo avy Aminy, satria tiany hanohy ny asany eo anivon’ny fiaraha-monina anirahany antsika. Ny Salamo setriny moa dia mbola manamafy ny fahafahana omen’Andriamanitra ny vahoakany, saingy handraràny azy kosa mba tsy hanompo andriamani-kafa na hiankohoka amin’ny sampy. Tsy dia hoe fanompoana an’Andriamanitra tokana ho an’ny firenena rehetra loatra moa no lazaina amin’izany (monothéisme). Sarotra ho an’Israely ny hahazo ny voalazan’ny Bokin’i Jonasa, voairaka ho any amin’ny Asiriana mpanjana-tany. Ny ezaka asaina ataon’Israely eto dia ny lazaina kosa monolatrie, na hénothéisme (enos = un), izany hoe fanompoana Andriamanitra tokana.
Rehefa hiraina moa io salamo 15 io dia tadidiko mandrakariva ny momba an’i Barnabe, Levita avy any Sipra: tsara ho fantatra fa ny Levita raha ny marina dia tsy mba manana zara lova, tsy manana tany amidy. Vavak’izy ireo ny alina io salamo 15 io, hiventesany fa YHWH no hany zara lova (manah) ho azy ireo (Sal 15, 5). Ny fivarotana ny tany, araka izany ho an’i Barnabe, dia fidirana ao amin’ny hasambaran’ny Evanjely, fidirana ho “mahantra” (μακάριος makarios, béni de Dieu) araka ny Evanjely, ka tsy ho azon’ny fakam-panahin’ny fitahirizana ny harena ho zavatra azo ianteherana: “Andriamanitra irery ihany no azo hifefena (Haçah, hihafenana mba hiarovan-tena), Izy irery ihany no tena fananana (tob, Izy no soafanaperana)” (Sal 15, 1-2), izany hoe tsy misy soa mihoatra noho Andriamanitra.
SALAMO 15
Ny Teny sy ny Fanahy no hany herin’izay te handray anjara amin’ny fiasàna ny tany hamafazana ny Teny. Izay te ho “sahaza ny fanjakan’Andriamanitra” dia iangavian’i Jesoa hitoky tanteraka aminy. Izany fitokisana izany no lazain’ny Salamo 15 tamintsika.
“Ambeno aho, ry Tompo fa mifefy aminao: ianao ireny ihany no hany fananako”. Ireo Levita natokana hikarakara ny Tempoly manko tsy manan-jo intsony handova avy amin’ny raiamandreny. Ny “Providence”, ny fitsinjovan’Andriamanitra no toky ho azy ireo, “YHWH no anjara lovany sy miantoka ny anjarany, Izy no mpanolo-tsaina” sy itodihan’ny fisainana andro aman’alina.
Amin’ny dikan-teny ao amin’ny Sorona Masina Alahady sy Andro fety dia “Ataoko eo anoloako foana ny Tompo, izaho tsy hiala eo an-kavanany”. Ao amin’ny Baiboly : fa eo an-kavanako Izy, tsy hiogongozona aho! (Sal 16, 8 setriny)
“Eo aloha ny Tompo”, “eo an-kavanana” ary “hafaliana ny eo an-kavanany”. Izay mitodika amin’ny Tompo, araka izany, tsy afaka ny hitodika any aorina, izay te hianatra ny lalan’ny fiainana dia hianatra hifanatri-tava amin’ny Tompo, hihaona sy hiresaka Aminy (vavaka), hanaiky hotantanany sy hiara-dia Aminy. Hianatra Aminy izay eo an-kavanana fa koa hanaiky ho tanan-kavanany, hanaiky hanao ny sitraky ny fony, izay no eo an-kavanany, ka faly, ravo ary mandry amin-toky. Saingy manoloana ny fetran’ny olona, izay miafara amin’ny fandriana any amin’ny Seoly, dia matoky fa hafinaretan-tava no eo an-kavanan’Andriamanitra, Izy moa izany no eo an-kavanana, Izy no hery. Isaky ny alakamisy hariva dia asain’ny fiangonana isika amin’ny vavaka hatory, hanavao izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany.
Ny vavaka ataontsika amin’ny Ray tokoa moa ve tsy fiezahana hanara-dia an’i Jesoa eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanatanterahana ny sitrapony?
Md Lioka 9, 51-56
Any amin’ny toko faha-7 dia i Joany no nandefa iraka mba hanontany raha i Jesoa no Mesia na hafa no mbola tsy maintsy andrasana. Izy manko mbola any an-tranomaizina, kanefa hanafaka izay voagadra rehetra ihany koa no ahatongavan’ny Mesia. Hafa noho izay heverin’ny olona anefa ny endrik’ilay Mesia irak’Andriamanitra. Ny Evanjely anio dia manambara ihany koa ny toetsaina mbola mila ahitsy ao amin’ireo mpianatra mikasika an’i Kristy.
Antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa eo amin’izao tontolo izao.
Raha ampitahaina ny Lk 9, 51 [ Ἐγένετο δὲ ἐν τῷ συμπληροῦσθαι (συμπληρόω – efa ho tanteraka) τὰς ἡμέρας (pluriel)τῆς ἀναλήψεως (ascension) αὐτοῦ] sy ny Asa 2, 1 [Καὶ ἐν τῷ συμπληροῦσθαι τὴν ἡμέραν (singulier) τῆς Πεντηκοστῆς (Pentecôte)], dia ny andro ahatanterahan’ny fiakaran’i Jesoa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina no lazain’i Lioka. Ny amin’ny fiakarana (ἀναλήψεως) dia andro maro no voalaza (τὰς ἡμέρας), heverina fa entina hilazana tsy ny hateloan’andron’ny Paka ihany fa ny lalana mbola hataony, hanadiovany ny fo amam-panahin’ny Apostoly. Izao no lazain’ny KFK momba io fiakarana io:
“Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olombelona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32). Ny fanandratana teo amin’ny Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-danitra, izay izany no fanombohany. I Jesoa-Kristy, Mpisorona tokan’ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, dia tsy “niditra tao amin’ny fitoerana masina nataon-tanan’olombelona (…), fa any an-danitra, mba hiseho ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika” (Heb 9,24) [KFK 662].
Lazain’i Lioka fa nanapa-kevitra hankany Jerosalema i Jesoa. Ny matoateny στηρίζω (sterizo) moa dia manambara ny fanapaha-kevitra hentitra, tsy miverin-dalana, entina ilazana fa fantatr’i Jesoa tsara ny zavatra miandry Azy any, ary raha adika ara-bakiteny ny teny grika ampiasain’i Lioka dia hoe nanamafy ny “tarehiny” Izy mba hiakatra any Jerosalema[1], mampahatsiahy ny tononkiran’ny Mpanompon’YHWH moa izany, tarehy mafy toy ny vato (Izaia 50, 7). Ilay endrika maha-zanaky ny Ray Azy no namafisiny ary ny haneho izany amin’ny hafenoany no antony iakarany, ary manoloana izany endrika maha-zanaky ny Ray Azy izany no anirahany ireo iraka hanomana ny hiaviany.
Antsoiny koa isika tsirairay avy mba hanapa-kevitra, ka ireo mpitondra hafatra alefany hialoha lalana Azy dia manontany antsika raha vonona ny hiakatra any Jerosalema hiaraka Aminy isika. Ho an’ny Samaritanina, sarotra ny hanaiky hiakatra any Jerosalema, satria ho azy ireo, heveriny ho avonavon’ireo Jody naverin’i Siriosa avy any Babilonina ny Tempolin’i Jerosalema, ka tsy ilaina ny miakatra any (disadisa ho an’ny Jody-Atsimo – Samaritanina-Avaratra). Jesoa rahateo no nilaza fa tsy eny an-tendombohitra tahaka ny mahazatra ny Samaritanina na any Jerosalema no hiderana an’Andriamanitra fa amin’ny Fanahy sy Fahamarinana (Jn 4, 23).
Any Samaria no andehanan’ireo iraka, tanàna nentina nilazana ny fahalotoan’ny fifandraisan’Israely tamin’Andriamanitra, saingy tsy nety nandray Azy ny olona satria ho any Jerosalema no fijeriny Azy. Eto koa anefa i Md Lioka no manomana antsika fa i Jesoa no ilay Samaritana, notsinotsinoavin’ny olona, ka hiakatra avy eo Jerikao mba ho any Jerosalema, hamonjy sy hitondra ho amin’ny fiainana izay rehetra sisam-patin’ny fahotana satria nandositra ny tanànan’ny fiadanana (Jerosalema cf. Lk 10, 29-37).
Amin’izay fandavan’ny Samaritana izay ihany koa anefa dia efa misy hafatra ampitain’ireo Apostoly, voairaka aoriana kely mba hitory amin’ny firenena rehetra. Tsy ny ho eken’ny olon-drehetra no maha-Mesia ny Mesia fa na ny olona efa nailiky ny jody aza, nanilika Azy koa.
Manoloana izay “fanambaniana” atao ny Mesia izany, dia mirehitr’afo ny fon’i Joany sy Jakoba, ireo izay maniry ny toerana voalohany, eo an-kavanana sy eo ankavian’ny Mesia, rehefa mby ao amin’ny voninahiny ka mangataka mba ho potehin’ny afo avy an-danitra izay tsy mandray ny teny.
Mazava ny hafatr’i Jesoa ho azy ireo: tonga hamonjy ny zanak’olona fa tsy hamery. Na dia nankany amin’ny vohitra hafa aza izy ireo, hilazana fa mahasakana ny fiakarana any Jerosalema ny fandavana tsy handray ny iraka, dia any Samaria no mbola hanirahan’i Jesoa ireo Apostoly ireo (Asa 1, 8) ary ireo samaritana ireo ihany koa no faly nidera an’Andriamanitra rehefa nandray ny Tenin’Andriamanitra notorian’i Filipo (Asa 8, 4).
Ny tsy fitovian-kevitra anefa indraindray mitondra amin’ny fahatezerana ary mety hiafara amin’ny fifamotehana. Ireo Boanergesy, Joany sy Jakoba dia tsy dia mifanalavitra amin’izany toe-tsaina izany: hiantso afo avy any an-danitra mba handringana ny Samaritana. Fa notezeran’i Jesoa izy ireo. Fananarana ho antsika rehetra izany. Tsy ny hanery ny hafa hanara-dia azy anefa no sitrak’i Jesoa fa ny hanao dingana miaraka aminy hiakatra ho any Jerosalema mba ho famonjena azy ireo. Fantantsika tsara fa na ny mpianany aza dia tsy nisy tonga niaraka taminy tany amin’ny voninahitr’i Jerosalema, mbola niandry ny fotoana sitraky ny Fanahy.
Izay te hanaraka azy dia mila miresaka aminy, mamaly ny fiangaviany araka ny fepetra apetrany, ka izany fanapahan-kevitra izany no hahafahana manao dingana vaovao hirosoana bebe kokoa amin’ny fiainana maha-kristianina. Tsy manakana ny dia mankany Jerosalema ny mety ho fandavan’ny “samaritana” fa manampy aza handeha amin’ny “tanàna hafa” mba hitoriana any koa.
Tokony hanadio ny fiheverantsika ny momba an’Andriamanitra ny fandinihantsika isan’andro ny Teniny ka hahitantsika ao amin’ny hazofijalian’i Kristy ny famirapiratan’ny voninahiny.
Manampy antsika amin’izany ny tapany faharoa amin’ny Evanjely.
Md Lioka 9, 57-62
“Hanaraka anao aho na aiza na aiza alehanao”. Izany no mampisy heviny ny fiainana, saingy tsy misorona i Jesoa milaza ny zavatra miandry izay te hanara-dia Azy.
Misy olona mangataka an-tsitra-po hanaraka an’i Jesoa. Ho azy ireo mazava ny valintenin’i Jesoa: tsy manana na inona na inona ampanantenaina azy ireo izy, afa-tsy ny fiainany, atolony ho ohatra ho antsika amin’ny dia tsy miverina mankany Jerosalema. Mila dinihina mandrakariva sao sanatria noho ny tombontsoa no hieverantsika hanarahana an’i Jesoa. Mampalahelo ny mahita kristianina mazoto be amin’ny andraikitra ataony kanefa tafintohina sy tsy miditra am-piangonana akory raha sanatria hesorina amin’izany andraikitra izany: izay manompo dia faly rehefa asaina miala sasatra.
Ny amboahaolo sy ny voro-manidina dia hazain’ny olona satria manimba ny fiompiana sy ny fambolena. Na ireny aza anefa dia mba manana lavaka sy akany mba hisitrihana sy hakàna aina lavitra ny mpihaza. Saingy ny zanak’olona, izay handany ny “ainy” mba hanaovana soa kosa, dia tsy manana izay hampandriany ny lohany, tsy hanana akory toerana hahafahana mba miala sasatra, hahazoana fiadanana.
Tsy ny sitrapon’izay te hanaraka an’i Jesoa anefa no atao. Fomban’ny Jody ny mifidy ny mpampianatra harahina. Ho an’i Jesoa, Izy no mifidy, izy no miantso mba hanaraka Azy, ary antsoiny mba hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. tsy Izy no manaraka antsika fa isika no manaraka Azy.
Tsy mpampianatra fotsiny manko i Jesoa fa ilay Tenin’ny Fiainana, tonga nofo, manaporofo amintsika ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny andavanandrom-piainana, ary Izy no tsy maintsy arahin’izay te ho tonga amin’ny hafenoan’ny hafaliana, ilay Tompo halaina tahaka raha te ho zanaka mpandova ny Fiainana mandrakizay. Izay te hanaraka azy dia tsy maintsy hianatra ny “fahantrana” iainany mba hahafahana mandova ny fiainana: sambatra ny mahatra fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Ho an’izay manapa-kevitra ho mpianany dia antsoin’i Jesoa amin’ny lalindalina kokoa. Tahaka ny zaza vao teraka, niala tao an-kibon’ny reny, niala tamin’izay mety nianteherana (lavaka, akany, ondana, fahafinaretana…) dia antsoiny mba hiala koa amin’ny ray, tsy hanatrika ny fandevenana akory, izany hoe antsoiny hiala amin’ny foto-pisainana sy ny fahazarana (fifandraisana, fombafomba, lova sns) mba ho teraka amin’ny fiainam-baovao, ho olona afaka hanatanteraka ny adidy miandry izay te ho mpianatra.
Na ny adidy amin’ny fandevenana aza, izay masina ho an’ny Jody na ho an’ny Malagasy, dia tsy afaka haka ny toerana voalohany. Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, hoy Izy (Mt 6, 33). Raha mbola misy laharam-pahamehana ataontsika eo alohan’ny fitoriana ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa tsy Jesoa intsony no arahintsika.
Izany no mahatonga ilay olona lazain’ny Evanjely fa nangataka hanalavitra (ἀπέρχομαι) an’i Jesoa mihitsy aza, mba hanao ny adidy amin’ny rainy. Dia hoterenao hiandry anao eo izany Jesoa sanatria? Satria raha te hanaraka Azy amin’izay alehany isika, raha vantany vao mijanona dia efa tsy hahita ny misy azy intsony, raha tsy hoe angaha miara-mijanona amintsika Izy.
Ny olona fahatelo lazain’ny Evanjely dia sady manolo-tena ho mpianatra no mametraka ny fepetra hanarahany. Sahala amin’ny hoe ilay mpampianatra tsy maintsy hanaiky azy raha te hanana azy ho mpianatra. Ny loza dia indraindray feno fiantsaram-belatsihy ny fomba fangatahantsika. Fanerena an-kolaka mba hanaovana izay tiana atao, ka ilazana hoe “mba avelao aho” (ἐπιτρέπω epitrepo), omeo alalana aho mba… nefa zavatra efa fantatra fa tsy tokony hatao.
Mety hoe hianatra an’i Elisea nanao veloma ny havany aloha vao nanaraka an’i Elia (1 Mpanjaka 19, 19ss), saingy mazava ny valin-tenin’i Jesoa: tsy misy hatak’andro ny firotsahana hiasa ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hahafahana mitodika any ivoho (Jenezy 19, 26). Ny embona ny lasa na ny fampitahana amin’izay heverina ho tsara kokoa tamin’ny lasa, dia mazava loatra fa tahaka ny mpitana angadin’omby miherika, tsy afaka ny hanitsy ny asany amin’izay tokony ho izy, ka tsy ho sahaza (εὔθετος euthetos), tsy ho tsara toerana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Zavatra telo no takian’i Jesoa amin’ny Mpianany dia ny hanana fo tsy voafatopatotr’izay fananana mety hampiadana ka hampandriana ny loha; toy izany koa ny fahafoizana hatramin’ny lovan’ny raiamandreny aza, ka mazava loatra ny firaiketam-po amin’ny havana aman-tsakaiza; ary ny fahatelo dia ny fisitahana eny fa na dia hatramin’ny tena sy izay lasany aza, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, ka hahafahana mibanjina ny eo aloha, dia i Kristy sy ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Izay mandà ny tenany, mandà ny maha-izy azy ka hitondra ny hazofijaliany no afaka hanaraka Azy.
Raha fintinina izany rehetra izany dia azo lazaina toy izao.
Misy olona sasany iagavian’i Jesoa hanaraka azy saingy miala tsiny mba handeha handevina ny rainy aloha, tsy mahafoy ny lasana sy ny lova avy amin’ny rainy, matahotra ny ho very lova ka hanao an-kilabao ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Fahamarinany no laharam-pahamehana ho an’izay te ho mpianany (Lk 12, 31).
Misy kosa te hanaraka an’i Jesoa saingy mametraka sahady ny “conditions”, ny fepetra harahina: hanao veloma ny ao an-trano. Tsy afaka ny hanokan-tena manontolo ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra isika raha sanatria mbola te hijery ny lasa, hitodika amin’izany heverina ho toky sy andry iankinana. Ny Teny sy ny Fanahy no hany herin’izay te handray anjara amin’ny fiasàna ny tany hamafazana ny Teny. Izay te ho “sahaza ny fanjakan’Andriamanitra” dia iangavian’i Jesoa hitoky tanteraka aminy. Izany fitokisana izany no lazain’ny Salamo 15 tamintsika.
“Ambeno aho, ry Tompo fa mifefy aminao: ianao ireny ihany no hany fananako”. Ireo Levita natokana hikarakara ny Tempoly manko tsy manan-jo intsony handova avy amin’ny raiamandreny. Ny “Providence”, ny fitsinjovan’Andriamanitra no toky ho azy ireo, “YHWH no anjara lovany sy miantoka ny anjarany, Izy no mpanolo-tsaina” sy itodihan’ny fisainana andro aman’alina.
“Eo aloha ny Tompo”, “eo an-kavanana” ary “hafaliana ny eo an-kavanany”. Izay mitodika amin’ny Tompo, araka izany tsy afaka ny hitodika any aorina, izay te hianatra ny lalan’ny fiainana dia hianatra hifanatri-tava amin’ny Tompo, hihaona sy hiresaka aminy (vavaka), hanaiky hotantanany sy hiara-dia aminy, hianatra aminy izay eo an-kavanana, tanan-kavanana, fa koa hanaiky ho tanan-kavanany, hanaiky hanao ny sitraky ny fony, ho eo an-kavanany. Isaky ny alakamisy hariva dia asain’ny fiangonana isika amin’ny vavaka hatory, hanavao izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany.
Ny vavaka ataontsika amin’ny Ray tokoa moa ve tsy fiezahana hanara-dia an’i Jesoa eo ambany fitarihan’ny Fanahy?
[1] αὐτὸς τὸ πρόσωπον αὐτοῦ ἐστήριξεν τοῦ πορεύεσθαι εἰς Ἱερουσαλήμ.