ALAHADY FAHA 11 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Ezekiela 17,22-24
- Salamo 91
- 2Kôrintianina 5,6-11
- Md Marka 4, 6-34
Ny voa mitsimoka sy mitombo ho azy.
Mankalaza ny fetin’ny Trinite Masina sy ny Sakramenta Masina isika aorian’ny Fankalazana ny Paka mialoha ny hidirana amin’ny andavanandron’ny Fiangonana ary raha ny fizotry ny Litorjia ho an’ny alahady faha-10 no jerena dia manambara ny toetry ny olona manoloana ny fitiavana sy ny fanoloran’Andriamanitra ny Teniny sy ny Tenany ho sakafo. Manoloana an’i Adama sy Eva nanaiky ny fanangolena sy ny fitaka nataon’ny bibilava satria tsy natoky ny baiko nomeny, fa tahaka ireo nilaza koa fa amin’ny anaran’i Belzebola no itenenan’i Jesoa, dia fampanantenana handresy no nataon’Andriamanitra, kanefa fandresena miankina amin’ny safidin’izay te hihaino na tsia ny Teniny ka ho tonga iray tampo, iray aina amin’i Kristy (Jen 3,9-15; Mk 3,20-35).
Io fahafahana io no lazain’ny fanoharana voalohany ao amin’ny Evanjely izay voalaza fa nentina ankaherezana ireo kristianina vaovao amin’ny lalan’ny finoana: ny karazan-tany rehetra no amafazan’Andriamanitra ny Teniny izay manana hery hitombo samirery saingy miankina amin’ny hatsaran’ny tany kosa ny vokatra hotazana (jereo Mt 13).
Fanoharana maro no itenenan’i Jesoa. Tsy sanatria Andriamanitra no manafina ny mistery amin’ny sasany. Mpanavakavaka Izy raha izany. Sitrany ho tonga amin’ny fahalalana ny marina avokoa ny olona rehetra, hoy Md Paoly (1Tm 2,4). Izay tsy manaiky ka manamafy ny fony, tsy hoe tsy hanambaràna ny Teny tsy akory (fombantsika olombelona izany), fa kosa hitoriana azy amin’ny fomba faran’izay tsotra indrindra: apetraka eo anatrehany ny Teny mitondra amin’ny fiainana.
Ny hoe παραβάλλω – paraballô moa dia midika hoe mametraka eo anilany na eo alohany ka avy amin’io matoanteny io ny hoe παραβολή (parabolè) izay nadika hoe fanoharana. Izany no hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany hamafy ny Teniny amin’ny olon-drehetra ka safidin’ny tsirairay ny hanidy sofina sy hanakimpy maso na tsia. Ampahatsiahivina ihany koa fa amin’ny maha fanoharana azy dia fitoriana amin’ny fomba faran’izay tsotra indrindra no ataon’i Jesoa (Sal 78,2, hamoaka ny zava-miafina hatry ny ela): apetraka eo anatrehan’ny olona amin’ny alalan’ny oha-piainana iainany an-davanandro ny Teny.
Tahaka ny tolotra anaty fonosana koa anefa ny fanoharana ka na ho ela na ho haingana, dia hosokafan’izay handray azy, hizahany ny hevitra ambarany. Tahaka ny lahin-jiro mirehitra izy, ka na mitsilopilopy aza, dia ahafahana manilo ny lalan-kombana ihany rehefa ao anatin’ny haizina. Izay manaiky ho mpianatr’i Jesoa, izay tsy mahazo ny dikany kanefa maniry hahalala sy handalina dia omeny tombon-dahiny hanambaràny any amin’ny mangingina ny hevitry ny fanoharana rehetra.
Tsy fandresena miezinezina anefa fa fandresena tahaka ny fanirin’ny voa afafy no entin’Andriamanitra maneho ny heriny: ny tahony, ny salohiny, vao ny ventim-bary amin’ny salohiny. Ny fibanjinana izany herin’Andriamanitra mampitsimoka sy mampitombo ny voa “ka hamokatra ara-potoana” izany no anompanan’ny Litorjia ny fo amam-panahintsika anio.
Ny vakiteny I moa, mitantara ny teny fampanantenana nataon’i Ezekiela ho an’ny Vahoaka Jody manoloana ny zava-nitranga. Sarotra ny hino sy mbola hanantena ilay Mpanjaka nandrandrain’ny Jody, avy amin’ny taranak’i Davida araka ny nampanantenain’i YHWH tamin’ny vavan’i Natana Mpaminany (2Sam 7,4-16), hita koa any amin’ny Bokin’ny Tantara manao hoe:“indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan’ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salômôna no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana i Israely amin’ny androny. Izy no hanao trano ho an’ny anarako; ho toy ny zanaka ho ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy aho, ary hohamafisiko mandrakizay amin’i Israely ny seza fiandrianan’ny fanjakany” (1Tan 22,8-10).
Amin’ny fotoana hitenenan’i Ezekiela anefa, i Jôakima mpanjakan’i Jodà (2Tan 36,9), izay tsy nanjaka iray taona akory (telo volana sy hafoloana 598-597 tal. K.) dia nasian’i Nabokodônôzôra ka nentina ho babo tany Babilôna ka i Tsedekià (Sedesiasa) rahalahin-drainy (zanak’i Jôsiasa) no voatendry handimby azy (597-587 tal. K.), ka ity farany ity indray, nopotserina ny voamasony ary nentina ho babo tany Babilôna koa ny taona 587. Toa very an-javony araka izany ny fampanantenan’Andriamanitra.
Lazain’ny Bokin’ny Tantara (2Tan 36) fa na i Jôakima (Jôakina) na i Sedesiasa dia samy nanao izay ratsy teo imason’Andriamanitra. Nananatra azy ireo ny Mpaminany, nanao teny mahery, tsy sanatria hanozonana fa mba hananarana sao mba hibebaka ihany, saingy tsy nahomby. Vokatry ny fahotana sy ny tsy fianteherana tamin’Andriamanitra, ny tsy fihainoana ny feony, dia nitranga tokoa ny fahavoazana izay efa tsinjon’ilay olon’Andriamanitra. Tsy latsa anefa fa fampanantenana vaovao no nolazainy manoloana izany. Ezekiela moa (יְחֶזְקֵאל- Yeḥezqē’l) dia hoe Andriamanitra mankahery no dikany. Ny hitondra ny teny fampaherezana avy amin’Andriamanitra no niantsoana azy, izay no maha mpaminany. Amin’ny fanombohan’ny Bokiny moa no hahitantsika ireo voary manana aina efatra mitarehina olona eo anoloana, eo an-kavanana mitarehin-diona, eo ankavia tarehin’ombalahy ary eo ivoho mitarehim-boromahery, ireo endrika hahalalantsika ny Evanjely efatra izay fahazavana hanilo izay mety ho fahadisoam-panantenana mihatra eo amin’ny fiainana (Ez 1,4snm).
Mialoha ny vakiteny henontsika anio dia ampahatsiahivin’i Ezekiela an’i Israely ny fahotany sy ny fivadihany tamin’i YHWH. Ao amin’ny toko faha 18 kosa dia mampahatsiaro antsika izy fa misy voka-dratsiny mandrakariva ny fahotana. Kanefa na izany aza dia tsy ny ratsy no tompon’ny teny farany : “hangalako ny tendron’ny sedera avo ka hamboleko”. Ny sedera moa, teo amin’i Israely dia nentina nanambara ny fiketraham-panjakana izay hovolen’Andriamanitra eny an-tendrombohitra avo sy manerinerin’i Israely, ary handratsana sy hamoa (hahazoana sakafo) ka ho tonga fonenan’ny fody amam-boromanidina rehetra izao ny alokaloky ny rantsany. Izany moa dia mba hahalalan’ny hazo rehetra any an-tsaha fa Andriamanitra manetry ny hazo avo ary manandratra ny hazo voaetry, hanamaina ny hazo maitso ary hanamaitso ny hazo maina. Tsy sanatria Andriamanitra mila vaniny no tonga ao an-tsaintsika amin’izany, fa hoentin’ny Mpaminany hilazana kosa fa “mahefa ny zavatra rehetra Izy” ka tsy misy tokony hatahorana, eny fa na dia manoloana ny fahafatesana aza, ary mbola hiverenan’i Ezekiela moa izany amin’ny toko 37 rehefa milaza ny taolana efa maina velomin’ny Tompo izy. Io ilay lazain’i Lioka ao amin’ny Tononkiran’i Maria: manongana ireo izay mpanjakazaka kanefa manandratra ireo ambany (Lk 1,52). Tsy ny hampivadika ny rasa fa ny hamonjy ny olona rehetra no sitrak’Andriamanitra, ary izany no noporofoiny tamin’ny nananganany ny Zanany ho velona, rehefa novonoin’ny olona tamin’ny fahafatesana mahafa-baraka.
Mamarana ny vakiteny anio moa ny fiekem-pinoana teo amin’i Israely: “Izaho YHWH no miteny, ary Izaho no hanatanteraka”. Ny Boky Jenezy moa dia voasoratra tamin’ny fotoana nitenenan’i Ezekiela ihany koa, ka fantatsika ny fitantarany ny fahariana izao tontolo izao tamin’ny Teny: “Ary hoy Andriamanitra… dia nisy” (Jen 1). Midika izany fa ny fampanantenana nataony tamin’i Davida dia hotanterahiny. Tsy araka ny faniriantsika olombelona anefa na araka izay heverintsika fa araka ny fandaharany mahagaga. Ary fantatsika fa ao amin’i Jesoa no nanatanterahany izany, tsy ho an’i Israely irery fa ho an’ny firenen-drehetra.
Ny Salamo 91 (salamo fanao amin’ny Sabata), setrin’ny vakiteny moa dia mampahatsiaro fa ao amin’Izy Tompo Ilay Vatolampy dia rariny avokoa, tsy misy fitaka. Ny hoe vatolampy dia mampahatsiaro mandrakariva ny fiainan’ny vahoaka jody tany Masà (fihantsiana) sy Meribà (fifandirana). Ny fiainantsika dia tolona (Meribà) ka mahatonga antsika hisalasala, hila kisa sy hitsapa fanahy an’Andriamanitra (Masà), tsy hahatoky ny fitiavany, toy ny nanjò ny vahoaka Israely teny an-dalana mankamin’ny fahafahana rehefa main’ny hetaheta ka nitady rano (Eks 17,1-7; Dt 6,19). Ny fahaizana manokatra ny fo ka hihainoana ny feony no lalana tokana hahafahantsika miverina amin’ny fahasambarana sitrany ho an’ny zanany rehetra.
Ampianarin’ny Salamo 91 koa anefa isika mba tsy hamerina ny hadisoana efa naninìan’i Ezekiela an’i Israely, ka sanatria ny hoe eo amin’ilay loharano velona no misy ny faka saingy any an-kafa no handehanan’ny rantsana (Ez 17,1snm). Raha tsy mafy orina ny fitokisantsika ny fitiavan’ny Tompo dia mazava loatra fa tsy maintsy ho latsaka amin’ny fandrika ataon’ny bibilava tahaka an’i Eva sy i Adama isika (vak. I alahady X). Izay mino fa Andriamanitra no vatolampy tsy mikoro, mampiboiboika loharano tsy ritra dia hisaotra ny Tompo lalandava, hitory ny fitiavany sy ny fahamarinany andro aman’alina ary hisandrahaka sy handrobona ao an-tranon’ny Tompo.
Io no lazain’i Jesoa: mitoetra ao amin’ny fitiavany mba hamoa be. Ary hoy i Md Paoly, milaza ilay vatolampy ara-panahy dia i Kristy: izay mandray ny fahasoavana nefa tsy mampifanaraka ny fiainana amin’izany, mimonjomonjo na sanatria miantsampy amin’andriamani-kafa dia ho faty ripaka any an’efitra koa. Ny fakam-panahy midona amin’ny fiainana, ny fisedrana, (tahaka ny nahazo tamin’ny vokatry ny Covid) dia mba hanamafisana ny finoana, satria omen’Andriamanitra ny fahasoavana ampy hizakana ny fitsapana isika (1Kôr 10,4snm).
Izany no ikelezana aina mba hankasitrahan’ny Tompo amin’ny zava-drehetra raha mbola ety an-tsesitany (Vakiteny II) sao sanatria tsy handova ny fiainana nampanantenaina, na handova ihany saingy ho sahala amin’ny mololo doran’ny afo, ho latsain’ny nenina amin’ny fanaovana an-tsirambina ny fampamokarana ny fahasoavana narotsak’Andriamanitra (jereo 1Kôr 3,15). Oharin’i Md Paoly amin’ny fahaterahana ny fisehoana eo amin’ny fitsaran’i Kristy, ka sahala amin’ny zaza ao am-bohoka isika, tsy mahalala izay ho fiainana any ivelan’ny kibon-dreniny, ka zary fahajambana sy tomany ny fahatongavana amin’ny tontolo vaovao. Ny mahasamihafa azy fotsiny dia isika tompon-tsafidy amin’ny fanomanana izany fahaterahana izany, ka efa manandrana sahady ny hafaliana, hitoetra eo akaikin’ny Tompo, ka tsy handositra ny adidy eto an-tany amin’ny fampandrosoana ny rahalahy amin’ny finoana sy ny hafaliana (Fil 1,21-23) no efa manantena hiombona sahady amin’ny hafalian’Andriamanitra satria “nitoetra tao amin’ny fitiavany” (Jo14), satria nikely aina mba hankasitrahany.
Inona moa no hoe ankasitrahan’Andriamanitra?
Hoy ny fanentanan’i Md Paoly ho an’ny kristianina tany Rôma fahiny,kanefa mitombona ho antsika ankehitriny koa: « aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahany no lavorary. » (Rm 12,1-2). Izany fikatsahana ny fahalavorariana izany no fanarahan-dia an’i Jesoa izay ambarany amin’ny ambaratonga telon’ny “sequela” dia ny fandavan-tena, ny fitondrana ny hazofijaliana ary ny fanarahan-dia Azy. Efa nampahalalaina anao ry olombelona izay “tsara sy izay takìn’ny Tompo efa nampahafantarina antsika dia ny hanao ny rariny (מִשְׁפָּט- mishpāṭ), handala ny fitiavana (חֶסֶד- ḥesedh) ary hiara-dia amin’ny Tompo amim-panetren-tena (צָנוּעַ, צָנַע- tsānou‘a –tsāna‘)” (Mi 6,8), hanana an’Andriamanitra ho Tompo tokana ary hampihatra ny fitiavana (חֶסֶד- ḥesed: fitiavana tsy mivadika) sy ny hitsiny (מִשְׁפָּט, fanapahan-kevitra ara-drariny) ary ny rariny (צְדָקָה- tsedāqāh, justice) (Jr 9,22-23). Io ny “rariny (κρίσις – krisis) sy ny famindram-po (ἔλεος– eleos) ary ny finoana (πίστις– pistis)”, izay zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna lazain’ny Evanjely (Mt 23,23).
Ndeha hiverenantsika ny antsipirihan’ny Evanjely.
- Md Marka 4,26-34
Hampamokatra ny Fanjakan’Andriamanitra no iantsoan’Andriamanitra antsika (Mt 21,43). Mitohy ny fampianaran’i Jesoa momba izany fanjakan’ny lanitra izany. Rehefa azontsika fa tsara fo Andriamanitra, ny fitiavany sy ny hatsaram-pony no hiraintsika marain-tsy hariva satria fantatsika fa ny hiadanantsika no sitrapony dia hifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiainantsika, indrindra ao anatin’ny fahasarotana sy ny fitsapana. Lazain’ny Salamo 36 fa raha miantehitra Aminy isika dia Izy no hanao ny fananantsika ny rariny ho mazava atsinanana sy ny fahamarinana ho mitatao vovonana, izany hoe fahasoavana avy aminy no hahafahantsika mampifanaraka ny fiainantsika amin’izay sitraky ny fony.
Ambaran’i Md Marka mazava anefa fa tahaka ny zavaboary ny fanjakan’Andriamanitra, mety ho lasa hazobe hialofan’ny voro-manidina, saingy tsy maintsy afafy aloha ny voa (and. 26) dia avy eo mitsimoka sy mitombo (and. 27-28) ka hahazoantsika izay vokatra nandrasana (and. 29). Ny famafazana sy ny fiotazana ary ny mety ho fikarakarana madinidinika (fanondrahana sy fanisiana zezika…) dia anjaran’ny mpamboly, fa ny mampitombo ny voly kosa dia asan’Andriamanitra irery ihany, ka na eo aza ny asa izay tsy mora ataon’ny mpamboly, dia io herin’ny voa afafy mitombo ho azy io no velabelarin’ny Evanjely.
Amin’ny filazana ny famafazana dia ampiasain’i Marka ny matoanteny βάλλω – ballô, izay tsy dia fampiasa loatra raha hilaza famafazana ara-teknika, satria hilazana ny fandatsahana zavatra iray amin’ny tany ka tsy mampaninona na aiza na aiza hilatsahany: fantatsika, araka ny famelabelaran’i Matio io fanoharana io fa ny sasany latsaka teny amin’ny lalana, ny sasany latsaka teny amin’ny tany be vato, ny sasany latsaka anaty tsilo. Entina hilazana ny hafalian’ilay mpamafy izany, tsy mifidy ny fahamendrehan’ny fontsika mba hamafazany ny Teniny. Ny olon-drehetra, ny firenena rehetra no hamafazany ny voa afafy ho an’ny vahoaka dia ny Teniny izay tsy miverina Aminy raha tsy mahatanteraka izany nandidiany (Iz 55,11).
Rehefa milaza ny fomba fitombon’ny voa indray i Jesoa dia ataony amin’ny antsipiriany araka ny ambaratongany avy, saingy tsy nasiany teny na dia kely aza ny momba ny mpikarakara sy ny asa mety ilaina mba hamokaran’ny voa. Tiany hampitaina amintsika amin’izany ny hery ao anaty hahafahan’ny voa mitsimoka sy mamokatra samirery, na matory na mifoha ny olona. Raha sanatria tsy hanam-paharetana eo ilay mpamafy dia mety hanosy ketsa indray no hiafarany. Mila faharetana mba hahitana ny fitsiriana sy ny fitomboan’ny voa: ny tahony aloha, vao salohy vao ventim-bary amin’ny salohy. Miteny lango eo imason’ny vary izay teren’ny adim-piainana ka tsy afaka ny hiandry fararano.
Tsy sanatria isika no hihevitra hisolo ny Fanahy Masina amin’izay fahamatoran’ny Voa ao am-pon’ny olombelona, na ny ao am-pontsika aza. Ny anjaran’izay nahazo andraikitra hanabe sy “hitory any an-tafontrano izay heno tao amin’ny mangingina” dia ny mitandrina amin’ny fifantenana ny masom-boly, satria na aiza na aiza itoriana ny Teny (ka tenin’Andriamanitra tokoa fa tsy fahendren’olombelona) dia mitsimoka sy miorim-paka ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy fotoana manko hanalana ny vato sy ny tsilo, fa misy fotoana koa tsy maintsy hatoriana sy hiandrasana, raha tiana ny hioty vokatra. Indraindray anefa moramora kokoa ny mihevitra ny hioty anio izay nafafy anio, dia herisetra sy fanimbàna no vokatr’izany, ary mety ho voaongotra miaraka amin’ny tsiparifary ny voa tsara (Mt 13,29).
Manana hery hitombo tahaka ny voan-tsinapy ny Teny. Tsy halehibeazana araka ny hevitr’olombelona anefa izany, ka mety hisy hirehareha amin’ny isan’ny kristianina na ny hatsaran’ny Trano fivavahana sanatria, fa entina kosa hilazana ny herin’ny Fampianaran’i Kristy izay afaka manova ny fiainantsika ho tonga fialokalofan’ny voromanidina (Salamo 91,1), ary tsy ho fisehosehoana ivelany fa ao am-pontsika tsirairay ny Fanjakan’Andriamanitra, hoy i Md Lioka (Lk 17,21). Tsy fijinjana hamaizana fa hafalian’ny mpijinja mitondra ny vokatra mody any an-trano (Sal 125) no entin’ny Evanjely maneho amintsika ny fotoam-pijinjana. Ny hanangona ny zanany rehetra any an-tsompitra no sitrak’Izy Ray ka hiantsoany antsika hanam-paharetana sy handray anjara amin’ny fikolokoloana ny voly, ny tanim-boalobony.
Miantso antsika handinika sy hametra-panontaniana amin’izay mety ho fahalehibeazana heverintsika izany, sao sanatria tsy araka ny Evanjely fa araka izao tontolo izao: izay te ho lehibe dia aoka izy ho mpanompo, ho toy ny zaza vao teraka (Evanjely Timote sy Tito: Md Lioka 22,24-30). Angamba ity no sarotra indrindra amin’ny torohevitry ny Evanjely ka maro no tsy mahazo azy, tsy vitsy no mandika azy vilana mba hiarovana ny fomba fiainana sy ny fahazarana, indrindra rehefa voakitikitika ny tombon-tsoa manokana (vola aman-karena, hafinaretana mandalo, voninahitra sns).
Mila manazatra tena isan’andro isika mba hahaizana mijery araka ny fahitan’Andriamanitra azy ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana, ka hananana fitokisana Aminy, ary izany no hahafahana mikolokolo ny faharetana hamelona ny fanantenana izay tsy manodòka, hoy i Md Paoly (Rm 5,5), ka sady faly isika satria voairaka hijinja amin’izay tsy namafazantsika (Jo 4,38) no vao mainka koa faly fa hisy olon-kafa aoriantsika afaka hijinja amin’izay nisasarantsika, izany no hafalian’ny Evanjely.
Raha tsy azontsika izany dia mila mitokana any amin’ny mangingina miaraka amin’i Jesoa isika, hihaino Azy. Tsy mandeha ho azy araka izany ny fikolokoloana ny Teny fa mila manokana fotoana handinihana sy hamakafakana. Anjaran’ny Mpitondra Fiangonana sy ny tompon’andraikitra ny manomana sambokely hipetrahan’i Jesoa mba hahafahany mampianatra zavatra marobe ny olona, saingy mbola adidiny ihany koa ny manome fanofanana sy fampianarana mafonja, ho an’ireo izay te handalina ny Teny ka manaiky hovany ho tonga rahalahy sy anabavy ary renin’i Jesoa.
Izany no mahatonga ny Papa hampahatsiaro antsika (Antiquum ministerium, 11 mai 2021) fa ny fampianarana katesizy eo anivon’ny fiangonana dia tsy vonjy tavan’andro fa asa fanompoana, anokanana ny tena mandrakizay, ilana fiofanana sy fiomanana tsara sy maharitra, ary asa ifandrombonan’ny Eglizy manontolo amin’ny fampitana, fanabeazana sy fikolokoloana ny finoana, tsy amin’ny fiomanana amin’ny fandraisana sakramenta ihany fa amin’ny fampifanarahana ny fiainan’ny tsirairay sy ny Eglizy manontolo amin’ny Evanjelin’i Kristy.
Ny fiainana ao amin’Andriamanitra dia manahaka ny famindrana ny aina hitantsika eo amin’ny zavaboary: na tahaka ny sedera izay azo atao “bouture” na tahon-tsiry, ka na dia taho heverina ho maitso, tanora, voasaraka amin’ny fototra namelona azy hatrizay aza, mitsatoka amin’ny tany, na atao grefy amin’ny fototra hafa, dia afaka mitsimoka sy tonga hazo mahaleo tena. Tahaka izany koa ny voa, asitrika amin’ny tany, saingy tsy maintsy ambolena sy tondrahana ary kolokoloina mba hitsimoka sy hamokatra. Mety ho tahaka ny antrendry, karazam-boanio maniry amin’ny tany karakaina, fa matoky ny fitsimbinan’ilay Mpandahatra ny zavatra rehetra. Fitokisana ny tsy fanatsikafonana ny tany isaky ny mihetsika aorian’ny famafazana, raha tsy izany dia ho faty indray ny voa efa hanomboka hitsiry, tsy sanatria ny “bouture” efa natsatoka indray no hongotana hijerena raha toa ka efa misy fakany… fahadalàna izany. Amim-pinoana sy fitokisana no tsy maintsy hambolentsika ny fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’izao tontolo izao, ka sady tsy ho kivy manoloana ny fahatanoran’ny rantsana na ny fahakelezan’ny voa afafy, no hahay haiandry amim-paharetana ny fotoana hamoazany araka ny fotoanany avy.
Isika moa efa miara-mientana amin’ny hoe AIZA: ka handalina, hiaina, hizara sy ho saro-piaro amin’ny finoantsika ary miara-miombona amin’ny fankalazana sy ny asam-panompoana satria iraka iray no ankinina amintsika dia ny hitory ny fitiavana sy ny fahamarinan’Andriamanitra na amin’ny teny na amin’ny fiainana.