ALAHADY 6 MANDAVANTAONA TAONA D
- Jeremia 17, 5-8
- Salamo 1
- 1 Korintianina 15, 12. 16-20
- Md Lioka 6, 17. 20-26
Andriamanitra no tena mahasambatra fa tsy ny haren’ny tany.
Voaantso ho Mpaminany, hanarato ny olona ho amin’ny fiainana isika. Asa fanirahana mandrafitra ny Eglizy rahateo moa izany, araka ny ampatsiahivin’ny Konsily Vatikana II antsika fa “ny fitoriana ny Vaovao Mahafalin’i Jesoa Kristy no voalohany indrindra hanorenana ny Fiangonana araka ny sitrapon’Andriamanitra izany tia ny hahavonjy ny olona rehetra” (Ad Gentes 6-8).
Fanohizana ny nataon’i Jesoa izany fitoriana ny Evanjely izany. Izy no nilaza tamin’ireo mpianany fa tahaka ny nanirahan’ny Ray Azy no anirahany antsika koa (Jo 20,21). Ny fahasamihafana amin’ny fitantaran’’ny Evanjely mahakasika ny fitorian’i Jesoa dia mety hampametra-panontaniana ka hahafahantsika mandalina bebe kokoa izany iraka izany.
Araka ny lazain’i Lioka dia hoe teny an-tany lemaka ny fampianarana, nefa ao amin’ny fitantaran’i Matio dia eny an-tendrombohitra (Mt 5, 1-12). Mifandraika indrindra amin’ny TORAH, ny lalàna izay nohavaozin’i Kristy amin’ny fanatanterahana azy ho tonga lalam-pahasambarana ho amin’ny Fanjakan’ny lanitra manko ny fitantaran’i Matio (Mt 5, 17-19). Ho an’i Md Lioka kosa, ao amin’ny andininy 18-19 (navela amin’ny Evanjely anio Lk 6, 17-26) dia milaza ny olona miatrika ny fiainana, mila ilay hery niala avy amin’i Jesoa ka nitondra fanasitranana, hery afaka hitondra ho amin’ny fiainana izay nitady hanendry Azy. Ny Mpianatra manko, rehefa voaantso hiroso amin’ny lalina, dia nandao ny sambokely, namoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa (Evanjely Alahady V), mazava kokoa ao amin’ny fitantaran’i Md Marka: Andeha hanaraka ahy fa ataoko mpanarato olona ianareo (Mk 1, 17).
Zavatra mandeha ho azy ho an’ny olombelona ny hamoy izay ananany mba hahazoana ny tsaratsara kokoa, hany ka tsy mahagaga raha nanaraka an’i Jesoa ny vahoaka satria nahita ny famantarana amam-pahagagàna nataony. Tsy tokony ho fanarahana noho ny zava-mandalo ihany anefa izany (Jo 6, 26) fa kosa noho ny finoana fa tapi-dalan-kaleha isika, ho any amin’iza moa, satria ao amin’i Kristy no misy ny fiainana mandrakizay ( Jo 6, 68).
Izay no fototra hahafahana mahazo ny hasambarana araka ny lazain’ny Evanjely. Eo am-pihainoana ireo hasambarana efatra lazain’i Lioka dia mametra-panontaniana isiika hoe: Inona no fahasambarana ho ahy! sambatra ny mahantra fa azy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra; sambatra ny noana fa ho voky; sambatra ny mitomany fa ho faly; sambatra ny ankahalaina sy mijaly fa ho lehibe ny valisoany any an-danitra! Tsy valisoa amin’ity fiainana ity araka izany no ampanantenain’ny Evanjely ary tsy valisoa any an-koatra mbola miandry aorian’ny fahafatesana fa valisoa ankoatr’ity fiainana ity. Izay mino ka manaiky handray ny Teny (Jo 6,47), manaiky hihinana ny Mofo (Jo 6, 51snm) dia efa miditra amin’ny fiainana ka efa manandrana sahady ny hafalian’ny lanitra, efa afaka mifaly fa voasoratra any an-danitra ny anarana (Lk 10,20).
Tsy mahagaga ary raha mitohy ny fitarainantsika, tahaka ny traikefam-piainan’ny Mpihira Salamo, ka indraindray mialona ny ratsy fanahy amin’ny fahombiazana amin’ity fiainana ity (Sal 73) ka mieritreritra fa miankina amin’izay ananana ny aina sy ny fahoriana amin’ny fandaozana ity fiainana ity (Lk 12, 20-21). Araka izany, ny mifikitra amin’ny haren’ny tany ka manao ny vola ho andriamaniny dia tsy afaka handova ilay fanjakana voavoatra ho an’izay mitovy amin’ny zaza manankim-po ny fiainany amin’ny raiamandreny (Lk 18, 16-17), tahaka ireo apostoly, nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa…
Ny Evanjely amin’ny alahady VII (Lk 6, 27-35) moa manamafy fa ny fitiavana marina no hahafahantsika miaina izany fanarahan-dia an’i Kristy izany… ka hahafahantsika mitia ny fahavalo sy manao soa ny mpankahala. Dia ho vitantsika ve ny hanao soa, rehefa hosoram-potaka sy dradradradraina eny imasom-bahoaka ny teny fanebahana manohitra antsika?
Vitantsika ny manatanteraka izany raha ny Tompo no hany toky ho antsika (Jer 17, 5-8) ka hahatsiarovantsika fa raha tsy Izy, tsy ho afaka ny ho isika akory isika. Hoy ny Papa Benoit XVI hoe ny fahamarinan’Andriamanitra dia ilay marina maty ho an’ny tsy marina fa nitsangan-ko velona ho tonga tso-drano ho antsika (Ga 3, 13-14) ka hahatsapantsika fa manana trosam-pitiavana isika, ary hisikim-ponitra hanorina fiaraha-monina anjakan’ny fahamarinana miorina ao amin’ny fitiavana[1]…
Mifototra amin’ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona anefa izany rehetra izany (Vakiteny II 1Kor 15, 12-20), miankina amin’ny fo amam-panahintsika, lanaky ny adim-piainana sy ny olana isan-karazany, te hitantara sy hiala vonkona amin’izay rehetra mandalo ka miseho ho vahiny ho any Emaosy (Lk 24)… saingy raha manaiky hitoetra eo amin’ny latabatry ny Soratra Masina sy ny Fizarana ny Mofo isika, raha mitalaho Aminy mba hiara-mitoetra amintsika dia hanokatra ny masom-panahintsika Izy mba hahalalantsika Azy, ka hahatonga antsika ho vavolombelona haneho Azy marina, hahafoy ny zava-mandalo mha hifikitra amin’ny mandrakizay!
Salamo 1
Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, hoy ny Salamo: toy ny hazo maniry amoron-drano velona, tsy malazo ravina ary izay rehetra ataony mahomby avokoa. Tsy fahombiazana araka ny fisainan’izao tontolo izao anefa izany, sanatria, fa fahombiazana mampisy heviny ny fiainana, ka tsy hampanakofa azy. Misy heviny ny fiainana rehefa mandeha araka izay irin’Andriamanitra ary mifanaraka amin’izany faniriany izany ny faniriantsika. Misy heviny ny fiainana, hoy ny torohevitry ny Evanjely, rehefa hatolotsika ho sorona, hanasoavana ny hafa, araka ny fanirian’Andriamanitra dia ny hahasambatra ny zanany rehetra.
Ndeha hiverenantsika ny Evanjely.
Md Lioka 6, 20-26
Rehefa tafidina eny amin’ny tany lemaka i Jesoa, nahita ny olona nanatona azy mba hahazo fanasitranana, dia niatrana nijery ireo mpianany Izy, tsy avo fijery araka ny fiteny araka izany fa mitràka (ἐπαίρω epairo) fijery, manaiky ho mpanompon’ireo mpianatra. Ary izao no Teny naloaky ny vavany:
“Sambatra ianareo mahantra fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra”. Toa zavatra mifanohitra amin’ny fomba fiheveran’ny tontolo no nolazainy. Tsy asan’olombelona anefa izany fa ny fandaharan’Andriamanitra mahefa araka ny fahendreny lavorary, ka hahatsiarovan’ny olona kosa fa tsy ny tanjany na ny hareny no hahafahany mandova ny Fanjakana, fa ny fitiavana maimaim-poanan’ilay Ray tia ny hahavonjy ny zanany rehetra. Tsy afaka ny hahazo izany Teny izany anefa afa-tsy ny Mpianatra ihany, izany hoe ireo izay efa nahita ny Harena miafina ka vonona ny hahafoy ny zavatra rehetra mba hanarahan-dia an’i Jesoa. Safidy araka izany fa tsy lahatra ny fahasambarana, dia ny hisafidianana an’Andriamanitra ho harena tokana.
Raha ny mahantra fadiranovana mifanena amintsika no ilazantsika hoe: “sambatra ianao”, dia hafahafa ihany, saingy raha asehontsika azy kosa ny fahamboniany eo anatrehantsika (miatrana, tahaka an’i Jesoa isika mijery azy) dia mety hiova ny fandraisany ny teny lazaintsika. Ny “pauvre” araka ny dikany avy amin’ny pauper (latinina) moa dia ny olona mifanohitra amin’ny mpanankarena. Ireto moa mahazo tombontsoa miavosa amin’ny zara raha isasarana, ireroa kosa maty misasatra nefa zara raha mahazo karama vary masaka. Ny teny grika ptochoì aza dia ilazana ireo tsy manana na dia ny hotafiana sy ny harapaka aza, fadiranovana, ka zary miforitra anaty, miafina satria matahotra (ptochos). Nahoana moa izy ireo no sambatra?
Tsy hoe nahafoy akory fa satria ireo no zanaka arovan’ny Tompo, anatanterahany ny fampanantenany (Izaia 61, 1), ary izay rehetra mihevitra ho zanak’Andriamanitra dia tsy afaka ny tsy hiombom-po Aminy amin’ny fiarovana ireo zanany ireo. Na inona na inona manko karazana fahantrana dia tsy maintsy misy tsy fahamarinana mandrakariva any ifotony any. Tsy afaka ny hiala tsiny eo anatrehan’ny tsy fananan’ny hafa izay te hiombona amin’ny fahasambaran’Andriamanitra. Izay voahosotry ny Fanahy dia tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely amin’ny mahantra (Lk 4, 18).
“Mahafaly ahy ny mahita ny Fiangonanareo mahantra eo anilan’ny mahantra”, hoy Papa François namangy antsika ny taona 2019. Teny efa nolazainy taoriana kelin’ny naha-voafidy azy ho Papa izany. Ny Mpianatra no nitodian’i Jesoa ka nilazany fa sambatra satria mahantra, anawim, mahantran’YHWH, mahantra satria lany nozaraina amin’ny famonjena ny rahalahy ny fananana (Asa 11, 29snm; 24, 17), mahantra satria tsy manana ianteherana intsony afa-tsy ny fitsimbinan’Andriamanitra, mahantra satria nianjadian’ny tsy rariny ataon’ny maty eritreritra. Izay te ho mpianatr’i Kristy dia tsy afaka ny hihavaka amin’izany.
Afaka miteny amin’ireo noana hoe “sambatra ianareo”, izay vonona ny hiaina tahaka ny nataon’i Jesoa ilay teraka tao an-tranon’omby (Lk 2, 7), nisakafo tamin’ny fanasana ataon’ny hafa (Lk 5, 29; 7, 37), nitomany (Lk 19, 41) ary maty nohelohina ho faty tsy an-drariny (Lk 23, 25), kanefa nisikim-ponitra nanasoa ny olona no nanome baiko ny Apôstôly mba “hanome hanina ny olona”. Ny hanoanan’ny hafa, ny fijalian’ny hafa dia miantso antsika mba hanao izay vita, hanala fangirifiriana sy hitondra fiadanana ho an’ny olon-drehetra.
Amin’ireo mpianatra koa no hilazan’i Jesoa fa mampalahelo ny fiainan’izy ireo raha toa ka simbain’ny fifikirana amin’ny harena, ny fahafinaretana, ny rendrarendra sy ny voninahitry ny tany. Loza ho an’izay mametraka ny fitokisany amin’ny haren’ny tany, satria sarotra ny hisokafan’ny fony hiandrandra ny harena holovain’izay miaina ny maha-zanaka ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Tsy ho afaka ho tonga fahasambarana ny haren’ny tany hiheverana ho ambony noho ny hafa. Tsy hampisy heviny ny fiainana izay mety ho harena tsy ampiasaina hanasoavana, fa vao mainka moa ny harena azo tsy ara-drariny.
Ny fitadiavana ny hafinaretana sy ny voninahitry ny tany dia hanimba ny fo ka tsy hahafahana miaina araka ny maha-zanaka, tsy hahafahana hizara ny harena, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra mba hanasoavana ny tena sy ny hafa, ka hanao izay hahazoana voninahitra eo anatrehan’ny olona ihany, ka tsy hiraharaha izay mety hifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny intsony.
Mazava ny hafatr’i Md Paoly ho antsika: “hialana izay rehetra mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana ka tokony hikatsaka mandrakariva ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy, eo ankavanan’Andriamanitra” (Kol 3, 1-11).
Sambatra ianareo mahantra! Ireo nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka azy (Lk 5,11) no afaka mandray izany teny izany. Tsy afaka ny ho mpianany manko ireo mbola mifikitra amin’izay mety heverina ho fananany (Lk 14,33). Fanomezan’Andriamanitra avokoa izay eo am-pelantanantsika ka tokony hampiasaina hanitarana ny fanjakany, hanaovana soa mba hiadanan’ny vahoaka. Izay mihevitra ny tenany ho mpanakarena araka izany dia mila loza satria hifikitra amin’ny zava-mandalo ihany ny fo ka sarotra ny hananana traikefan’ny hafaliana feno atoron’i Kristy ho lalana hisantarana ny Fiainana mandrakizay.
Gaudete et exultate. Nampahatsiahivin’i Papa François antsika fa ny fahasambaran’ny Evanjely no fahamasinana hiantsoan’i Kristy antsika rehetra mpianany. Tsy fahasambarana araka ny fiheveran’ny filosofia sy ny fisainan’izao tontolo izao anefa izany, ka hotratrarina amin’ny fiezahana sy ny fitsembohana (eudaimonia araka an’i Aristote) fa μακάριος (makarios, makaroi), fahasambarana izay efa santarina sahady dieny izao, tsy valin’ny soa na ny ezaka natao fa fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Tsy afaka ny handray izany fanomezana maimaim-poana izany raha tsy ny πτωχός (ptokos, ptokoi), ny mpangataka, satria izay mihevitra ny tenany ho mpanan-karena dia hifandrombaka amin’ny zavatra lafo vidy, ka tsy hila velively afa-tsy izay hahafahany mirehareha sy mampiseho ny hareny.
Hitombo mandrakariva ao amintsika anie ny fahantrana am-panahy, hahaizantsika mandray ny fahasambarana omen’Andriamanitra antsika, ka tsy hireharehantsika amin’izay mety ho fananantsika fa mba hisehoan’ny voninahiny amin’ny fiderantsika azy.
Ry Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy ô, ny hiara-tsambatra Aminao no naharianao ny olombelona, nefa maro no mijaly amin’izao fiainana izao noho ny tsy rariny. Dia naniraka ny Zanakao lanao hanambara amin’izy ireo ny Vaovao Mahafaly hoe: Anareo ny fanjakan’ny lanitra, fa izay mitomany ankehitriny mbola homena hafaliana. Koa ny Fanahinao Fitiavana anie hanampy ny ory hisantatra dieny izao ny hasambarana nomaninao ho Azy ireo any amin’ny fanjakanao.
[1] Benoit XVI, Hafatra Karemy 2010 (jereo En français)