Sabotsy faha-14 mandavantaona
- Ankasa Izaia 6, 1-8/Salamo 92
- Tsy ankasa Jenezy 49, 29-33; 50, 15-24/Salamo 104
- Md Matio 10, 24-33[1]
“Ny Mpianatra tsy ambony noho ny Mpampianatra” (and. 24, mialoha ny Evanjely anio). Ambaran’i Jesoa mazava amin’izay te hanara-dia Azy fa tsy misy lalan-kafa ankoatr’izay nosoritany mba hahatongavana any amin’ny voninahitry ny Ray. Ny fanendrikendrehana faran’izay ratsy no niantsoan’ny “olona” an’i Jesoa ho Belzebola (tompon-trano), manao soa amin’ny alalan’i Belzeboba (בַּעַל זְבוּב, Lk 11, 15, tompon’ny lalitra), ka tsy ho latsak’izany no hafitsony izay manelingelina ny tombontsoa sy manozongozona ny vahatra hifikiran’ny ratsy. Mazava ny hafatry ny Tompo: Aza matahotra ianareo na dia tsy azo hihodivirana aza ny lalan’ny hazofijaliana. Miverina in-3 ao amin’ny evanjely.
Ny tahotra, izay tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olona, dia tsy tokony ho sakana tsy hanaovana izay tokony hatao. Ny very saina sy ny mihevitra ny tenany ho andriamanitra no mihevi-tena ho tsy matahotra, ka mahatonga azy ireo matetika hanao zavatra hatahoran’ny olona azy. Manampy ho “malina tahaka ny bibilava” ny tahotra, fa kosa raha sanatria tsy voafehy dia hanjary sakana hampiraviravy tanana. Ny fitokisana no hahafahana mandresy azy ary izany no amafisin’i Jesoa ao am-pon’ny Mpianany: “tsy mioha-bidy lavitra noho ny fody maro ve ianareo” (Mt 6,26)?
Tsy ny tahotra araka izany fa ny fitiavana no tokony hibaiko ny fiainana, ary ny fitiavana lavorary no mandroaka ny tahotra, hoy i Md Joany (1 Jn 4, 18), ka hanekentsika hotarihin’ilay Fanahy loharanon’aina (2 Kor 5, 14). Tsy mora ny miaina ny maha-kristianina, indrindra manoloana ny trangan-javatra hiatrehana ny be noho vitsy ka ny sarambabe nisafidy hijanona amin’ny mahazatra kanefa ny Evanjely miantso ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Zavatra iray monja no tokony hatahorantsika: ny fiainana zary fako eo anatrehan’Andriamanitra ka havariny any amin’ny gehena. [2]
Mba hampisy heviny ny fiainana ary dia antsoin’i Jesoa hitory tsy amin-tahotra ny zavatra nolazaina tao amin’ny maizina isika. Ny haizina moa eto dia σκοτία (skotia), tsy hilazana fotsiny ny tsy fahampiana hazavana fa ilazana ihany koa ny mbola tsy fahalavorarian’ny fahalalana an’Andriamanitra, σκότος (skotos), tahaka ireo Apostoly talohan’ny fitsanganan-ko velona. Antsoiny anefa isika hitory izany amin’ny mazava, amin’ny fahazoana mazava (φῶς phos) ny Evanjeliny, satria efa nohazavain’ny Fitsanganany ho velona. Asainy isika hitory fa fahasambarana sy fahombiazan’ny fiainana ny fahafatesana eo ambonin’ny hazofijaliana, fiainana natolotra manontolo ho porofom-pitiavana; araka izany dia tsy tokony hatahotra ny tsy hahomby, na sanatria hatahotra ny tsy hohenoin-teny ka horoahina hiala amin’ny fiaraha-monina na hovonoina ny mpianatra, satria tsy misy na iza na iza afaka hanakana ny fielezan’ny Evanjely (Sal 18).
Izay manda (ἀρνέομαι arneomai) an’i Jesoa eo anatrehan’ny olona, izay tsy manaiky Azy ho rahalahy, tsy manaiky handray ho toy ny mpiray tampo ny zanaky ny Ray, dia mazava loatra fa manala tena tsy ho zanaky ny Rainy. Na handà (ἀρνέομαι arneomai) tsy hahalala Azy tahaka an’i Piera aza anefa isika (Mt 26, 70 ss) dia mahatoky mandrakariva Izy niantso antsika. Sitrany kosa anefa ny hanavaozantsika ny fitiavantsika Azy, ka hanaporofoantsika izany amin’ny famahanana, amin’ny fanaovan-tsoa amin’ireo zandriny, ondry ankininy amin’ny Fiangonany.
Izay hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, izany hoe izay hanambara am-pahibemaso (ὁμολογέω homologeo) fa miaro ny tombontsoako, dia hohekeko koa eo anatrehan’ny Raiko, izay mandà ahy, izay tsy hiraharaha ny tombontsoako (ἀρνέομαι arneomai), dia holaviko koa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra. Tsy misy heviny eo anatrehany izay fiainana tsy nolaniana mba hikatsahana ny tombontsoany, dia tsy inona fa ny fahasambarantsika sy ny an’ny zanany rehetra mandrakizay.
Manazava izany i Md Paoly, manoratra ho an’ Timote, satria fantany fa tsy mora ny maharitra amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy manoloana ny fanenjehana, indrindra moa rehefa ny sakaiza nitokisana aza nivadika. Ny faharetana (izay velomin’ny fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa ho velona) no hiaraha-manjaka amin’i Kristy, hoy izy. Raha mandà an’i Jesoa isika dia tsy maintsy ho laviny, ny fandavana Azy manko dia fandavana ny mety ho fahasambarantsika, ka tsy sitrany izany. Raha toa ka mivadika Aminy (ἀπιστέω apisteo) kosa isika, raha namitaka Azy, na ny marimarina kokoa mamita-tena ka tsy natoky Azy intsony, Izy kosa mijanona ho mahatoky mandrakariva (1 Kor 1, 9) satria tsy afaka ny tsy hikatsaka izay maha-sambatra antsika Izy, ary matoky antsika mandrakariva, manantena fa ho avy ny andro hanekentsika ny fitiavany (2 Tim 2, 8-15).
Hitombo ao amintsika anie ny fitokisana an’ilay Andriamanitra fatra-pitia antsika, dia ilay Ray Mahefa ny zavatra rehetra.
[2] Ny lohasahan’i Hinnom, γέεννα, avy amin’ny teny hebrioגַּיְא – הִנֹּם (Gaie-hinnom, lohasahan’ny fitomaniana) tany ampiandohana dia fanangonana sy fandoroana ny sisan-taolana. Fa rehefa nitranga izay tantarain’ny 2 Mpanjaka 21,6 tamin’ny nisoronan’i Manase ny zaza amin’ny sampy Moloch, dia nataon’ny Jody ho vavahadin’ny Demony io Lohasahan’i Hinnom, atsimo andrefan’i Jerosalema io ka lasa toerana fandoram-pako, nantsoina hoe gehena.