Sabotsy faha-13 mandavantaona
- Ankasa Amosy 9, 11-15/Salamo 84
- Tsy ankasa Jenezy 27, 1-5.15-29/Salamo 134
- Md Matio 9, 14-17
“Nahoana ny mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikana (τελώνης telones, mpangoron-ketra) sy ny mpanota?” Hatrany am-piandohana dia olana mandrakariva ho an’ny mason’ny olona ny fandraisan’ny mpanota komonio. Mazava ny tenin’i Jesoa fa tsy ny finaritra no mila dokotera (ἰατρός iatros) fa ny mpanota mitady fanasitranana. Na dia averimberina mialoha ny komonio aza fa Zanak’ondry manala ny fahotana no horaisina ary samy miaiky fa tsy misy mendrika ny handray Azy, dia mbola manjaka ny tondromolotra sy ny fanavakavahana eo anivon’ny Fiangonana, tsy ny hifanampy mba hibebaka sy ho masina no imasoana fa ny hiatsara velatsihy hihevitra ho tsara kokoa noho ny hafa.
Iza ary no afaka sy tsy afaka handray komonio? Mazava ny fampianaran’ny Fiangonana saingy vokatry ny fiantsaram-belatsihy sy ny finoana tsy mifototra amin’ny Evanjely dia tonga fanafintohinana mazàna ny fampiharana ireo fepetra napetraka mba hanampy ny olona hiriso bebe kokoa amin’ny fahamasinana. Lazaiko matetika amin’ny kristianina fa mitovy ny hasin’ny Komonio ao amin’ny mofo sy ny divay, sy ny hasin’ny Komonio amin’ny kristianina miombona ho vatana iray ao amin’i Kristy. Ny tsy fanajana ny iray amin’ireo dia tsy fanajàna ny Vatan’i Kristy.
I Kristy no ilay “Mpampiakatra” miantso io vatana io ho tonga nofo iray Aminy, ka miantso ny “ampakarina” ho amin’ny Fanasan’ny Zanak’ondry, ho amin’ny fety tsy manam-pahataperana izay santarina amin’ny Eokaristia. Izy no “Mpampakatra”, tapa-damba vaovao sy divay vaovao tsy afaka mifangaro amin’ny tonta.
Tsy fahatsiarovana ny lasa na sanatria fanembonana ny ho avy ny fampianaran’ny Evanjely fa fiainana ny “anio”, ahatanteranan’ny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny vahoakany (LK 4, 21). Izay mahatsapa izany dia tsy afaka ny tsy hifaly: tsy afaka hisaona ny “zanaky ny mpampakatra”, ireo izay voaantso amin’ny fanasan’ny zanak’ondry. Ho an’ny mpianatr’i Joany batista dia mila fibebahana, mila famolahan-tena sy fifadian-kanina mba hahafahana miaina ny fitiavan’Andriamanitra. Ho an’i Jesoa, ny famindram-pon’Andriamanitra no mialoha ny ezaka ataontsika sy hahafahantsika mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny lalam-pahasambarana atorony.
Lazain’i Jesoa fa hifady hanina ihany koa ny mpianatra rehefa hesorina hiala aminy ny mpampiakatra. Tsy mbola feno ny fiombonantsika amin’i Kristy. Tahaka ireo Apôstôly ny zomà masina koa isika, dia miandrandra ilay Paka mandrakizay, hankalazantsika ny Fanasana tsy manam-pahapaterana any amin’ny Fanjakany. Fa ety an-dalana mankany dia asainy mifady hanina isika mba hahafahana mizara ny eo am-pelatanana amin’ny mahantra sy ny noana, hampiatrano ny tsy manan-kialofana, hampitafy izay miboridana, hanafaka ny mpifatotra sy hanapaka ny jiogan’ny fanandevozana (Izaia 58, 6ss). Ireo no endrika sitrak’ilay “Mpampakatra” hisehoana ka hitiavantsika Azy (Mt 25, 35ss) ka hahafahantsika miditra amin’ny fanjakana nomaniny ho antsika.
Ho haintsika anie ny hitahiry ny akanjo vaovao nampitafiana antsika tamin’ny Batemy ka hahafahantsika miditra amin’ny fampakarana (Mt 22, 11) rehefa manaiky hoentanin’ny Fanahy Masina, Divay vaovao mitarika antsika hiala amin’ny olona tranainy ka hizotra amin’ny Fianam-baovao araka Evanjeliny isika.