Alahady fahafito fankalazana ny Paka – Taona D
Tokony hangetaheta ny mandrakizay isika.
Ao anatin’ny hasivianandro hivavahana manokana hangatahana ny Fanahy Masina isika izao, araka ny ohatra navelan’ireo Apostoly niaraka amin’i Masina Maria sy ny Vehivavy sasany (Asa 1, 12-14), araka ny nanafaran’i Jesoa azy ireo (Asa 1,4). Zava-dehibe tokoa izany Vavaka izany satria ny Fanahy Masina no mampitsiry sy mamelona ny Fiangonana, manafana ny fontsika ho tonga Vavolombelon’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona. Tsy hoe miankina amin’ny vavaka ataontsika anefa no anomezan’Andriamanitra ny Fanahiny sy ny fahasoavany: maimaim-poana sy tsy misy fetra ny fanomezany (Jn 3, 34; 7,39; 19,30).
——————
Ny alahady fahafito amin’ny fankalazana ny Paka dia entin’ny Litorjia mandinika ny fahalavorarian’ny fitiavana entin’i Kristy nitia ny Fiangonana ary sitrany kosa hiveloman’ny Mpianany mba hahafantaran’izao tontolo izao ny Fitiavan’ny Ray. Asehon’i Md Lioka manokana amintsika, amin’ny fitantarana ny Asan’ny Apostoly izany maha-tena iray an’i Kristy sy ny Fiangonana izany, ka ny lalana nizoran’ny Mpampianatra no izoran’ny mpianatra koa, hanehoana ny halehibe sy ny fandresen’ny fitiavana.
Izany fitiavana izany no nahafahan’i Etiena nijoro ho vavolombelona (Martiry), izy ilay anisan’ireo fito lahy tsara laza sy feno ny Fanahy Masina, natokana mba hikarakara ny mahantra, nahasahy niteny ny marina, milaza amin’ireo mpisambotra azy ho vahoaka mafy hatoka sady mpikomy no manentsi-tadìny, manohitra mandrakariva ny Fanahy Masina (Asa 7, 51). I Jesoa nilaza ny tenany ho ilay Zanak’olona mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, i Etiena kosa mahita Azy “mitsangana” eo an-kavanan’Andriamanitra, manaiky Azy ho ilay Mesia andrasan’Israely hanokatra ny lanitra, araka ny nambaran’ny Mpaminany (Izaia 63, 19)
Fisarihana any ivelan’ny tanàna mba hotoraham-bato anefa no setrin’iznay. Fa Etiena kosa, sady mihira ny Salamo 30/31, mametraka eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fanahiny no mamela ny fahotan’ireo namono azy tahaka an’i Kristy, satria izay onenan’ny fitiavana dia “manala tsiny ny zavatra rehetra” (στέγω stego, manarona ny zavatra rehetra), hoy ilay vavolombelona nanatrika ny namonoana azy , taty aoriana, rehefa nandray ny fahasoavana narotsak’i Etiena tamin’ny alalan’ny rany (1 Kor 13, 7).
Izay mahita an’i Jesoa mitsangana eo an-kavanan’Andriamanitra Ray ihany no afaka hahita ny lanitra misokatra ka handroso am-pitokiana hisedra ny fahoriana sy ny fijaliana. Izay mibanjina an’i Kristy tafatsangan-ko velona ihany no afaka hiantso hoe: “amen! Avia, ry Jesoa Tompo”, satria efa misantatra sahady ny hamamin’ny fiombonana aminy dieny ety an-tany.
Miantomboka amin’ny fanadiovana izay mety ho fanompoan-tsampy anefa izany finoana an’i Kristy mitsangan-ko velona izany. Ny fiketrahan’Andriamanitra mijoro ao amin’ny rariny sy hitsiny. Tsy sanatria ho entina hilazana ny fisian’ny andriamani-kafa anefa ny hoe ny andriamanitra rehetra miankohoka aminy avokoa, Andriamanitra avo noho ireo andriamanitra lazain’ny Salamo 96, fa hanamafisana kosa ny finoana ilay Andriamanitra tokana, hany Andriamanitra, izay tanisain’i Etiena ao amin’ny fiekem-pinoany (jereo Asa 7, 1-54). Ireo andininy tsy novakiana moa no manazava ny momba ireo zavaboary noheverin’ireo firenen-kafa manodidina an’Israely ho andriamaniny.
Io ilay Andriamanitra manambara hoe: “Izaho no voalohany, ary izaho no farany, ary tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy izaho” (Izaia 44, 6); Izaho dia izaho no voalohany, izaho koa no farany (Izaia 48, 12). Io fiekem-pinoana io no averin’i Joany amin’ny fanombohana sy famaranana ny Boky Fanambarana: Izaho no alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ary ny fiandohana sy fiafarana (Apok 22, 13). Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.[…] Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona (Apok 1, 8.17). Teny fankaherezana no ambaran’ireo rehetra ireo, na ny an’i Izaia Mpaminany na ny lazain’i Joany, satria ilay Andriamanitra Mpanjaka sy Mpanavotra no andrasana, ary izay mety ho fitsapana zakaina amin’ny fanamparam-pahefana ataon’ireo mihevitra ny tenany ho andriamanitra tsirefesimandidy, dia mandalo ihany, sady maimaim-poana ny fahasoavana amam-pamonjena omen’Andriamanitra: aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin’izay maniry izany, ka hisotro maimam-poana amin’ny ranon’aina (and. 17)!
Tsy fanadinoana ny andraikitra eo amin’ny fiainana an-davanandro anefa ny fanantenana ny lanitra, na dia maimaim-poana aza ny famonjena sy ny fahasoavana. Nampatsiahivin’ny Litorjia tamin’ny Alakamisy (Fiakarana) ny mba tsy handaniana andro hibanjina ny lanitra fa handehanana hijoro ho vavolombelon’ny famonjena hatrany amin’ny fara vazantany. Mpamafy hasambarana sy fanantenana ny Kristianina, ka izay mino ny fandresen’ny fiainana manoloana ny fahafatesana ihany no afaka hitondra hazavana hanilo ny haizina. Izay mahazo izany no hisahirana hanasa ny akanjony amin’ny Ran’ny Zanak’ondry.
Vavolombelona (martiry) izany mitory ny fandresen’i Kristy mitsangan-ko velona, ka tsy manaiky intsony hanjakan’ny haizina sy ny fahotana fa mitondra hazavana amin’ny fomba fisainany sy ny fomba fiainany vaovao mifanaraka amin’izany. Ireo olomasina, dia nijoro ho vavolombelon’ny finoana, tsy sanatria haneho ny hatsaran’izy ireo noho ny hafa, fa kosa haneho ny herin’Andriamanitra manatanteraka ao amintsika ny asam-pamonjena natombony tao amin’i Jesoa Kristy.
Miray amin’i Kristy, izay no tsiambaratelon’izany fandresena izany. Izay mitoetra ao aminy sy itoerany no afaka mamoa be ho voninahitry ny Ray. Ao amin’io fiombonana io no itomboan’ny Finoana, ka tonga fiainana. Ny fiombonana aminy no mampiombona amin’ny Fiangonana, ka tsy ho andevozin’ny asa pastoraly sy ny tomban’ezaka (initiatives) ampitomboina etsy sy eroa mba hisehosehoana fa tsy hitiavana bebe kokoa. Tsy asan’ny Fiangonana izay tsy mampitombo ny fiombonana aina amin’i Kristy ka mampitombo ny fifankatiavan’ny samy olombelona.
Ny fivavahana samirery sy iombonana dia fanehoana sy fikolokoloana izany fiombonana izany, satria manampy antsika hametraka an’Andriamanitra ho ivon’ny fiainana, ka hahatonga ny fiainantsika ho taratry ny fitiavana dia Andriamanitra, araka ny lazain’i Md Paoly hoe: “Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko” (Ga 2, 20).
Toy ny fifankatiavan’ny mpivady ny fiandrasantsika ny fihaonana amin’Andriamanitra, izay sitrak’i Jesoa ho lavorary tahaka ny fiombonany amin’ny Rainy, ka ho hita taratra amin’ny fiombonan’ireo rehetra mino Azy (Evanjely).