Alahady faha-enina fankalazana ny Paka
TAONA D
Ny alahady faha enina amin’ny drafitra “mistagogique” moa dia handinihana manokana ny fampanantenana ny Mpanafaka alahelo: Hangataka amin’ny Raiko aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo (Jn 14, 15-21 : Taona A); dia nidina tamin’ny Jentily ny Fanahy Masina (Asa 10, 25-48 :vakiteny voalohany Taona B), ilay Fanahy hampahatsiaro izay rehetra nolazain’i Kristy (Jn 14, 23-29 : taona D).
Ny Fanahy Masina no omen’ny Ray ho antsika mba handavorary ny fiombonantsika Aminy, ka hahatonga an’Andriamanitra ho zavatra rehetra ao amin’ny olombelona rehetra (tout en tous, 1 Kor 15, 28). Ny Fanahy Masina, ilay nisonenika tambonin’ny rano (Jenezy 1,2), no hahatanteraka ny faminanian’Izaia fa hampianarin’Andriamanitra ny olona rehetra (Iz 54,13), Andriamanitra Ray izay nampianatra ny vahoaka tamin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, niseho ho fantatry ny olona, izany hoe naneho ny tena endriny amintsika tamin’ny fahatongavan’ny Zanany ho nofo ary mampiombona ny olombelona amin’ny fiainany amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Io Fanahy irahin’ny Ray io no maha-zanaka antsika, tsy hamelan’i Jesoa antsika ho kamboty ka hahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe Aba, Ray (Galata 4, 6). Izy no omen’i Jesoa hankahery antsika ka hahafahantsika mahefa ny zavatra rehetra (Filipiana 4, 13).
Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana mamintina amintsika ireo sehatra isehoan’ny Fanahy:
KFK 688. Ny Fiangonana, fiombonana velona ao amin’ny finoan’ny apôstôly izay nampitainy, no toeran’ny fahalalantsika ny Fanahy Masina :
Ny Fanahy no hampianatra fa koa hampahatsiaro (ὑπομιμνῄσκω hypomimnesko) izay nampianarin’i Jesoa mba tsy hanadinoantsika azy mandrakizay.
Izao no fampianaran’ny Eglizy momba izany:
Mino ny Fanahy Masina
KFK 152.
Tsy misy afaka hino an’i Jesoa-Kristy raha tsy manana anjara amin’ny Fanahiny. Ny Fanahy Masina no manambara amin’ny olombelona hoe iza moa i Jesoa? Satria “tsy misy afa-milaza fa i Jesoa no Tompo, raha tsy entanin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). “Mamantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza (…) Tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany” (1 Kôr 2,10-11). Andriamanitra irery no mahalala manontolo ny momba an’ Andriamanitra. Mino ny Fanahy Masina isika satria Andriamanitra Izy.
Tsy mitsahatra manambara ny finoany an’Andriamanitra tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ny Fiangonana.
KFK 687.
“Tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra” (1 Kôr 2,11). Ary, ny Fanahiny izay manambara Azy dia mampahafantatra antsika an’i Kristy, Teniny (son Verbe), Teniny velona (Parole Vivante), fa tsy milaza momba ny tenany. Ilay “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” (DS 150) no ahafahantsika mandre ny Tenin’ny Ray. Fa isika tsy mandre Azy. Tsy mahalala Azy isika afa-tsy amin’ny fihetsika izay anambaràny amintsika an’ ilay Teny sy andrisihany antsika handray Azy amin’ny finoana. Ny Fanahin’ ny Fahamarinana izay “mampiharihary” an’i Kristy amintsika dia “tsy miteny avy amin’ny Tenany” (Jo 16,13). Izany fanaovana tsinontsinona ny tena toy izany, izay tena toetran’ Andriamanitra manokana, no manazava ny antony “tsy ahazoan’izao tontolo izao mandray ny Fanahy, satria tsy hitany Izy ka tsy fantany”, fa ireo izay mino an’i Kristy kosa dia mahafantatra Azy satria mitoetra ao amin’izy ireo Izy (Jo 14,17).
Ny Fanahy izay nampanantenain’Andriamanitra ho an’izay mino azy no antoka mandavorary ny iraka nankinina amin’ny Fiangonana : «ho Vavolombelon’i Kristy hatrany amin’ny faravazan-tany», hamaly amin-kamoram-po sy fanajana izay manontany ny anton’ny fanantenana izay iainantsika (1 Pi, 3, 15-18). Indraindray misy olona mihevitra ho manana ny marina dia mihevitra koa fa afaka miteny izay tiany hotenenina ary miteny amin’ny fomba tiany hitenenana. Ny Kristianina, hoy Md Piera dia hamaly amin-kamoram-po sy fanajana mandrakariva, ka ny fitondran-tena tsara atao ao amin’i Kristy ho hampahamenatra izay mety hanendrikendrika.
Alahady faha-enina fankalazana ny Paka – Taona D
- Asa 15, 1-2.22-29/
- Salamo 66/
- Apokalipsa 21, 10-14.22-23/
- Md Joany 14, 23-29
Efa novakiana nandritra ny herinandro moa ny Vakiteny voalohany. Raha fintinina ny hafatra lehibe sady mafonja tiany ampitaina amintsika dia mikasika ny mety hifangaroan’ny Evanjely sy ny kolontsaina. Izay te hanaraka ny Evanjely dia voaantso hiala amin’izany mifanohitra amin’ny fampianaran’i Kristy (fijangajangana, valifaty, famonoan’olona, fanalan-jaza…). Tsy hoe mifanohitra amin’ny Evanjely manko izay mety ho tsy azonao satria tsy mifanaraka amin’ny kolontsainao. Raha ny marina araka izany dia fitsinjovana ny fivelaran’ny Fiangonana amin’ny foko amam-pirenena rehetra (universalité), etsy and-daniny, saingy fiarovana ny fiombonana sy ny firaisany, amin’ny maha-iray azy kosa (unité), etsy an-kilany. Ny fanapahan-kevitra dia asan’ny Fanahy, izay nitarika ny adihevitra sy ny vavaka maharitra nataon’ny Apôstôly, ny Pretra sy ny Kristianina tafavory tao Jerosalema. Izay sitraky ny Fanahy no ataon’izay mino an’i Kristy.
Ny Fanambaran’i Md Joany dia mampianatra zavatra hafa koa: malalaka ny vavahady miditra ao amin’ny tanàna masina. Na avy any avaratra na avy any atsimo na avy andrefana na avy antsinanana dia samy manana varavarana telo tandrify. Tsy hisy tempoly intsony ao amin’io Jerosalema nidina avy any an-danitra io, hoy i Joany. Midika izany fa ny fomba fivavahana, ny zavatra mahazatra antsika ety an-tany entina hiderana an’Andriamanitra dia tsy hanaraka any amin’ny mandrakizay. Tsy mila fanelanelanana na fombafomba intsony manko ny olona satria hifanatri-tava amin’Andriamanitra. Indraindray manko zavatra mandalo sy tokony hanampy haniriana ilay mandrakizay no manjary mampiady sy mampisaraka, satria adino ny anton’ny fankalazana. Ny Fanahy Masina hatrany no mitarika antsika sy manazava antsika hizotra ho any amin’io Tanàna Masina io.
Ny Evanjely kosa, nentina nankahery ireo kristianina voaenjika ka niandry ny fisehoan’i Kristy am-boninahitra, saingy toa ny fahotana, ny hevi-diso mbamin’ny fitsitokotokoana aza no miha-mahazo vahana. “Izay manana ny didiko sy mitandrina azy no tia ahy”. Mazava ny tenin’i Jesoa. Tsy afaka ny hiteny ho tia ny olona iray ianao raha tsy raharahianao akory ny hafatra navelany. Manana ny didin’i Jesoa izay mitandrina ny teniny am-pinoana ka miezaka mampifanaraka ny fiainana amin’ny fampianarany, amin’ny fitiavana tahaka ny nitiavany.
I Jodasy (rahalahin’i Jakoba Lk 6, 16) dia nihevitra (na ny marimarina kokoa nisolotena ny Apôstôly sy ny Jody rehetra) fa ny fisehoan’i Jesoa (ilay zanak’i Davida) amin’ny hanomezan’ny Ray voninahitra azy dia ny fisehoany amin’izao tontolo izao, ho mpanjaka mamirapiratra araka ny fampanantenana ho an’ny taranak’i Davida. Saingy ambaran’i Jesoa mazava, fa tsy voninahitra araka an’izao tontolo izao ny azy, ka izay tsy mandray ny teniny dia manilika ny tenany tsy handray ny famonjena, satria mandà tsy hiaino ny tenin’ny fiainana, mandà tsy handray ny Fanahy Masina Mpanafaka alahelo izay hampianatra ny zavatra rehetra sy hampahatsiahy ny fampianarany, Fanahy izay irahin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa, izany hoe amin’ny fiombonana aminy, noho ny vavaka ataony (Jn 14, 16).
Ny Fanahy Masina no omen’ny Ray ho antsika mba handavorary ny fiombonantsika aminy, ka hahatonga an’Andriamanitra ho zavatra rehetra ao amin’ny olombelona rehetra (tout en tous, 1 Kor 15, 28).
Ny Fanahy no hampianatra fa koa hampahatsiaro (ὑπομιμνῄσκω hupomimnesko) izay nampianarin’i Jesoa. Izy no mamerina ao am-pontsika ny teny, satria izay tsy ao amin’ny “tsiaro” dia very any amin’ny fanadinoana. Ny Fanahy fitiavana no mamelona eo anivon’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’i Kristy, ka hahafahan’ny Mpino miaina ny fiombonana amin’Andriamanitra izay honina ao amin’izay tia azy. Izany no mahatonga an’i Joany hampahatsiaro fa “ilay fanosorana noraisintsika taminy no mitoetra ao amintsika ka tsy mila ampianarinolona isika, fa izany fanosorana izany no mampianatra antsika ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany antsika” (1 Jn 2, 27-28)
Avy mampanantena ny Fanahy mpisolovava i Jesoa dia mampanantena ny Fiadanana ho an’ny mpianany. Vavaka averimberintsika io isaky ny Lamesa. Ny fiadanana manko no fanomezana lehibe indrindra nomen’i Jesoa, ary fanomezana nomeny ny Mpianany Izy tafatsangan-ko velona. Tsy mitody amin’ny fiadanana araka an’izao tontolo izao. Ny fiteny hoe “Si vis pacem, para bellum”, raha te hiadana ianao dia omany ny ady, mahalaza ny fiadanana araka aizao tontolo izao, satria raha tsy ianao no matanjaka indrindra dia hatahotra hotafihin’izay mahery ianao ka dia hitebiteby lava eo. Fiadanana manelanelana ny ady roa minanesy araka izany ny fiadanan’izao tontolo izao. Fandriam-pahalemana manko no iantsoan’ny teny gasy ny fiadanana: mandry fahalemana izay matory tsara ny alina, tsy mitebiteby, mandry ivohon’ny vato. Ny fiadanan’izao tontolo izao dia korontanin’ny fitiavan-tena sy ny fialonana, miampy ny fahalemena izay efa mpahazo ny olona.
Ny fiadanan’i Kristy kosa dia avy amin’Andriamanitra, manome hafaliana sy fitokisana tanteraka, ka ny fiverenany any amin’ny Ray izay naniraka azy dia hafaliana ho an’ny mpianatra satria fahatanterahan’ny asam-pamonjena, fanehoan’i Jesoa amin’izao tontolo izao ny fitiavany ny Ray ka nanekeny hatramin’ny fahafatesana. Fisarahana amin’ny maha-olona, saingy fiombonana kosa, satria izy lasa any amin’ny Ray, nanaiky ho faty, dia velona kosa mandrakizay eo anivon’ny Fiangonany.
Ny fiadanana lavorary dia ny fahatanterahan’ny faniriana ka tojo izay notadiavina. Ho antsika dia izay nampanantenain’Andriamanitra, izany hoe ny fiainana mandrakizay, no irintsika. Ny fitiavany antsika no antony anomezany antsika izay rehetra mitondra antsika amin’ny fiainana (ary manesotra kosa izay mamono ny aina), avy amin’izay fitiavana izany no hitsirian’ny fiadanana ka hivelarany mba ho tonga hafaliana tsy omby tratra, haharitra mandrakizay.
Izay tia Azy ihany no afaka mahita fa ny Lakroà no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra, hanehoan’i Jesoa ny fitiavany ny Ray ary nanehoany amintsika araka izany ny fitiavany hiombona tanteraka, hatramin’ny fahafatesana, amin’ny sitrapon’ny Ray izay tia ny hahavonjy antsika. Tsy misy madilana hotentenana intsony amin’izany hafenoam-pitiavana izany. Tsy hiteny intsony ilay Teny, saingy amin’ny alalan’ny Evanjely, avy amin’ny fanilovan’ny Fanahiny, dia mampahatsiaro antsika mandrakariva izay nolazainy Izy, ka manentana antsika hampifanaraka ny toe-piainana amin’izany.
Lehibe noho ny Zanaka ny Ray amin’ny maha-iraky ny Ray ny Zanaka. Ka izay miray fo sy miray aina amin’i Jesoa dia hiombon-kafaliana aminy koa amin’ny fahatanterahan’ny iraka nampanaovin’ny Ray azy. Miasa eo anivon’ny Eglizy ny Fanahy Masina ka tsy hanaiky horebireben’ny mpaminany sandoka, tsy mahita afa-tsy ny asan’ny ratsy anie isika, araka ny fampitandreman’i Md Jean XXIII, nankokatra ny Konsily faharoa tao Vatikana, fa hahay kosa himbanjina ny asany izay mitondra fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-panahy, hatsaram-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onona (Gal 5, 22-23).
Iraho ny Fanahinao ry Tompo, dia hohavaozinao ny endriky ny tany (Sal 104, 30).