ALAHADY FAHATELO FANKALAZANA NY PAKA TAONA D
Ny alahady fahatelo dia ankalazana ny “mofo novakiana” : “teo am-pamakiana ny Mofo no nahalalan’ireo mpianatra an’i Jesoa” (Lk, 24, 13-35). Amin’ny taona A dia vakiana ny tantaran’ireo mpianatra roalahy nankany Emaosy (Lk 24, 13-35), amin’ny taona B dia tohizana ny famakiana io evanjely io (Lk, 24, 35-48), ary navohitran’i Lioka ihany ny tapaka hazandrano nohanin’i Jesoa tafatsangan-ko velona… amin’ny taona D kosa dia ny evanjely araka ny nosoratan’i Joany no vakiana, ny fanaratoana : trondro manambara an’i Kristy, ilay zanak’Andriamanitra, mpamonjy antsika (Jn 21, 1-19) Izy ilay mofo sy ny hazandrano tokana eo ambonin’ny vainafon’ny Fanahy, maniry hikambana amin’ny trondro vaovao (voajono ho mpianany) ka vakiana ho sakafo hamelona ny olombelona rehetra.
Ny tanjon’ny fotoana mystagogique moa, araka ny lazaina ombieny ombieny dia ny hanavaozantsika ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ny sakramenta rehetra dia manambara ny misterin’ny Paka, ary manova ny fiainantsika rehefa ekentsika ny hiara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana, mba hitsanganantsika miaraka Aminy amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny finoana nekentsika. Amin’ity herinandro ity moa no hamakiana amin’ny andavanandro ny toko faha-6 manontolo amin’ny Evanjelin’i Md Joany.
Miaraha miasa miaraka amin’i Piera fa izany no Eglizy.
- Asa 5, 27-41
- Salamo 29
- Fanambarana 5, 11-14
- Md Joany 21, 1-19
“Aleo manaiky an’Andriamanitra, toy izay manaiky ny olombelona… ary nony niala teo amin’ny Sanedrìna ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana… noho ny anaran’i Jesoa”.
Efa fisamborana fanintelony no nahazo ny Apostoly teto, fa taorian’ny nahafahany tamin’ny fomba mahagaga (Asa 5, 19) dia mazava loatra fa vao mainka nitombo ny fahasahian’izy ireo. Tsy mahagaga koa anefa satria eto vao manomboka manandrana marina tokoa ny hasambarana natoron’i Jesoa izy ireo: Ho sambatra hianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona. Mifalia hianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany (Lk 6, 22-23). Ho an’i Lioka moa dia mazava fa izay nanjò an’i Jesoa dia mahazo koa ny Eglizy (Jn 15, 20).
Aorian’ny valintenin’i Piera izay manamafy ny maha-mpaminany an’i Jesoa ka hahazoan’izay manaiky an’Andriamanitra ny Fanahy Masina amin’ny alalany, ka nampisafoaka ny Mpisorombe sy ny Sinedrìna izay nifanara-kevitra hamono ny Apostoly, dia misy ny fanelanelanan’i Gamaliela, izay voadingana amin’ny vakiteny anio: ”Tandremo izay ataonareo… sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo” (and. 34-39).
Raha misy olon-kendry toy izany eo amin’ny fiaraha-monina, ary fantatsika fa io Gamaliely io no lazain’i Paoly fa nampianatra azy (Asa 22, 3), dia azo heverina tsara ny hirosoana amin’ny fibanjinana ny asan’Andriamanitra miroso eo amin’ny fandavorariana ny zavatra rehetra ao amin’i KJristy.
Ny salamo 29 moa dia manambara ny fiainan’Israely izay nirehareha no manana an’Andriamanitra saingy sasatry ny miharina amin’ny fanambaniana ataon’ny hafa firenena, izay matetika oharin’ny mpihira salamo amin’ny olona latsaka ao anaty antsana, akohokely latsaka an-kady, ka sady reraky ny fikiakiahana, tsy misy mpihaino no tsy mahavo-tena. Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka, isaory ny Anarany masina, satria fitsapana mandalo ihany no mahazo antsika raha oharina amin’ny fanambinany mandrakizay. Izay nahatsapa fa avy amin’Andriamanitra irery ihany manko ny famonjena, no afaka ny hihira ny aleloia.
Izy ilay ANdriamanitra nitondra ny babo ho amin’ny tanin’ny fahafahana, avy amin’ny halahelo ho amin’ny hafaliana, avy amin’ny fisaonana ho amin’ny androm-piravoravoana, avy amin’ny haizina ho amin’ny mazava, avy ao amin’ny fannadevozan’ny fahazaran-dratsy sy ny fahotana ho amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy: ankalazaina sy isaorana mandrakizay Izy: Aleloia.
Ny vakiteny II moa dia mitohy amin’ny fitantarana ny fandresen’i Jesoa Kristy izay ho fandresen’ireo mijaly noho ny Aminy koa. Mampahazo antsika ny hevitry ny vavaka hanandratana ny Komonio Masina izay lazain’i Joany eto raha azontsika tsara. Efa zatra amin’ny fanazavan’i Md Irénée moa isika amin’ny z a va-manana aina efatra, amin’ny filazàny fa ny Apostoly efatra ireo zava-manana aina efatra lazain’i Joany (Olombelona Matio; Liona Marka; Omby Lioka ary Voromahery Joany Apok 4, 7; Ezekiela 1). Ny mandalina Baiboly anefa dia milaza koa fa izao tontolo izao, ny zava-boary manontolo iorenan’ny voninahitr’Andriamanitra no fintinin’ireo zava-manan’aina efatra: ny olona, ny bibidia sy ny bibifiompy ary ny voro-manidina. Araka izany, ny hafatra ambaran’i Md Joany dia mankahery ireo mihevitra fa olom-boahozona i Jesoa, satria efa ny Lalàna no mamaritra izany: Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin’ny hazo, dia tsy hiloak’alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao mihitsy androtr’iny ihany, satria hiharan’ny fanozonan’Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoinao ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao ho lova (Det 21, 22-23).
I Jesoa dia tsy nandrasana ny fatiny fa nalevina io andro io ihany, satria voahozona izy, araka ny foto-pisainana, eny fa na dia lazain’i Joany aza fa noho ny andro sabata no antony nandevenana azy malaky (Jn 19, 31). Izy ilay Zanak’ondry novonoina tamin’ny ora fahasivy famonoana ny zanakondrin’ny Paka amin’ny andro fiomanana no mendrika handray ny fahefana, ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra, ary ny saotra. Zavatra fito no lazain’i Md Joany eo: ny efatra voalohany dia fahefana ireharehana eto an-tany, ary ny telo kosa dia ny dera sy ny hasina atolotra an’Andriamanitra. I Jesoa, ilay Kristy, Zanakondrin’ny Paka, tena olombelona sy tena Andriamanitra, tompon’ny tany aman-danitra ary velona mandrakizay.
Raha izany finoana izany no entintsika mandray ny Eokaristia dia mino marimarina aho fa hiova ny fo enti-mandray Azy, ary hiova ny fiainana manaiky hiombona Aminy (Komonio) na inona na inona mety ho hamafin’ny fiainana, satria miaraka amin’ilay Mapndresy mandrakariva isika.
Ny Evanjely manokana dia manambara ny mety ho fitondrantenantsika manolana ny zava-mitranga. Ny Apôstôly very hevitra satria toa fongana tanteraka izay nantenaina, dia nanapa-kevitra hiverina amin’ny fanjonoana. Adinon’izy ireo ve sanatria ny fiantsoan’i Jesoa ho Mpanarato olona ka aleony mandeha miverina amin’ny fanaratoana nahazatra.dia mifampitaona handeha hanarato? Sa ny fanaratoana olona mihitsy no lazain’ny Evanjely eto?
Ny Evanjely (Joany 21, 1-19) dia toa milaza ny Apôstôly nandeha nanarato marina tokoa araka ny tenin’i Jesoa fa tsy mora na ho azy ireo aza ny mahalala an’i Kristy tafatsangan-ko velona, izay eo anivon’ny Mpianany, eo anivontsika mandrakariva (Mt 28, 20). Efa fanintelony izao no nisehoany (ἐφανερώθη- φανερόω phaneroô, manao izay hahatsapana ny fisiany), saingy tsy fantatr’izy ireo ihany, toy ny olona mbola tsy hary hitany akory. Tsy fiverenana amin’ity fiainana ity manko ny fitsanganan-ko velona fa fiakaran’i Jesoa any amin’ilay Voninahitra nananany nialohan’ny nidinany teny an-tany. Mazava loatra araka izany fa ilay fijery anaty (emblepo) no hahafahana mahafantatra an’i Jesoa.
Lazain’i Joany fa tany Galilea ireo mpianatra, andro taorian’ny Paka io ka manahirana ihany raha ampitahaina amin’ny fitantarana hafa: tsy niandry ny nidinan’ny Fanahy Masina tao amin’ny Senakla ve ireo Apôstôly dia avy ao dia nivoaka nitory ny Evanjely? Dia ahoana ity lazain’i Joany fa nandeha nanjono ity? Zavatra toy ireny no manampy antsika hanakatra lalindalina kokoa amin’ny hevitra sy ny hafatra tian’ny Evanjelista ampitaina.
Voalohany indrindra dia tsy roambinin’ny folo fa fito ny Apôstôly nolazain’i Joany fa tafaraka: Piera, ilay nandà ho tsy nahalala an’i Jesoa, i Tomà ilay tsy nety nino raha tsy izy no nahita, ry zanak’i Zebede roalahy izay nikasa handatsa-baratra amin’ny samaritana tsy mitody tadin-dokanga aminy (Lk 9, 54), Natanaela izay mifikitra amin’ny fomban-drazana saingy vonona handray ny Vaovao Mahafaly, ary mpianatra roa lahy tsy misy anarana, ny iray amin’ireo moa aoriana kely nolazain’i Joany fa ilay Mpianatra malalan’ny Tompo.
Ny ranomasina moa, dia nentin’ny Israelita hilazana ny hery manohitra ny fahaveloman’ny olona, ary etina ilazana ny tontolon’ny haizina ilomanosan’ny olona andevozin’ny fahotana. Io no nahatonga an’i Md Lioka hilaza fa tsy ho mpanjono fe mpanjono intsony i Piera fa mpanjono ho amin’ny fiainana (ζωγρέω zogreo Lk 5, 10), hanala ny olona ao anatin’ny haizin’ny “ranomasina”-fahotana ka hitondra azy ho amin’ny hazavan’ny “tany”-fiainana. Saingy tsy hisy na inona na inona azo atao rahefa tsy eo ny hazavana. Raha tsy miaraka amin’i Jesoa, raha tsy tsilovin’ny Teniny, tsy afaka ny hanavotra na iza na iza. Izy Tompo no efa nilaza tamin’ny Apôstôly fa “raha tsy Izy, tsy hahefa na inona na inona izy ireo” (Jn 15, 5). Marina fa tsy eo an-tsambokely intsony ny Tompo fa efa ery am-pita, saingy ny Teniny dia fanilo hahafahana mandatsaka ny harato ao an-kavanana ka hahazoana “trondro” hoentina any amin’ny Fanasany, any amin’ny tanin’ny velona, any izy no hampipetraka sy handroso ny “mofo” ho an’ny Mpanompony.
Samy manana ny fomba hilazany ny hevitry ny isa 153 moa fa ny itambaran’izy rehetra dia hoe tsy misy na dia karazan-trondro izay aza tsy voasarika ho eny an-tanety, ho eny amin’ny fiainana, ho any amin’i Kristy tafatsangan-ko velona, ho any Aminy ary handray anjara amin’ny fanasany no hanjonoana antsika. Tsy hitsiatra anefa ny harato satria i Kristy no mampiray antsika. Rehefa tafasandratra amin’ny tany aho, hoy i Kristy dia hitarika ny olon-drehetra hanatona ahy (Jn 12, 32). Antsoiny hisakafo isika, eny fa na dia mbola ety an-dalana aza, dia afaka misantatra sahady ny “sakafon’ny Anjely”, ny Hanina Masina, mamelona antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izany no hevitry ny Komonio masina, fiombonana aina Aminy.
Izay mahatsiaro tena fa mpianatra malala, na ny marimarina kokoa mahatsiaro fa notiavina, no afaka manokatra ny masony hahita an’i Jesoa. Tsy afaka hankalaza ny Eokaristia manko izay tsy mpianatra malala, tsy afaka ny hisaotra izay tsy nahatsapa fa nahazo soa, nohasoavina. “Ny Tompo io”, izay tia no afaka mahalala.
I Kristy tafatsangan-ko velona kosa dia namelona ny fanantenana, nanavao ny fomba fijery satria Izy no ilay “Zanak’ondry natao sorona, hanafaka antsika amin’ny fahafatesana, ka mendrika ny haja amam-boninahitra” (Apok 5, 11-14). Io Soron’ny Zanak’ondry io no ankalazaintsika isaky ny manolotra Sorona Masina isika. Tsy Sorona hafa tsy akory fa ilay Sorona tokan’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana. Sorona mampiombona ny foko amam-pirenena rehetra, izay manaiky ka mahare ny feon’ny Zanak’ondry… izy efa nandray ny hafenoan’ny fahefana sy ny voninahitra.
I Jesoa nasandratr’Andriamanitra ho eo an-kavanany no handrotsahany amintsika ny fahasoavana hibebahana sy ho voavela heloka. Tsy ny hampitomany na hahamenatra amin’ny heloka vita, araka izany no laharam-pahamehan’ny Apôstôly fa ny hanambara fa lehibe noho ny fahotan’ny olombelona ny famindram-pon’Andriamanitra. Vavolombelon’izany izy ireo sy ny Fanahy Masina. I Piera, vao naheno fa ny Tompo io, dia tahaka an’i Adama tao amin’ny sahan’i Edena: naka ravinkazo hanakonan-kenatra (Jen 3, 7), dia naniry hiafina, nitsoraka any anaty rano, saingy hafa ny hevitr’Andriamanitra. Ho an’i Adama dia nanjairany akanjo hoditra ho solon’ny ravina (Jen 3, 21), ho an’i Piera kosa, notafiany ny akanjon’ny “mpamahana ny ondriny” ho solon’ny akanjo voatsirambin’ny tananay teny ambony sambo.
Ilay Tompo nolavina indray no nanontany an’ i Piera raha mbola tia Azy na tsia. Endrey izany ohatra navelan’ny Tompontsika! Tsy vitan’ny namela heloka fa nanokatra midanadana ny fony ho loharanom-pibebahana ho an’ilay nofidiany hitondra ny Fiangonany, ho voalohany amin’ny fiainana sy ny fitoriana ny Fitiavana sy ny famindram-po, ho finoana iorenan’ny Fiangonany. Tsy fitiavana fe fitiavana asesiky ny fietseham-po intsony anefa fa fitiavana mampisiki-ponitra, hamahana ny ondry sy ny zanak’ondry… io fitiavana io no nameno hafaliana ny Apôstôly, ka na manoloana ny fijaliana ombam-pandrahoanana hatramin’ny fahafatesana dia nandeha an-kafaliana hatrany, satria natao mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny Anaran’i Jesoa (Vak I Asa 5, 27-41). Izany no nahatonga an’i Piera ho vavolombelona marina tokoa hitory ny fibebahana sy famelan-keloka amin’ny anaran’i Jesoa, nibebaka ka nankahery (στηρίζω sterizo) ny rahalahiny, satria natoky ny vavak’i Jesoa (Lk 22. 32).
Izany no misterin’ny Fitsanganan-ko velona. Isaky ny mivondrona mankalaza ny “zanak’ondrin’ny Paka” isika dia mamelombelona indray izany finoana izany. Miaiky fa tsy ny lakroà na ny haizin’ny alina nitondra hakiviana no tompon’ny teny farany, fa ny fitsanganan’ny Tompo ho velona. Dia hihaino an-tsitra-po ny feony, tsy hametra-panontaniana amin’ny mety ho mistery fonosin’ilay manome baiko, fa handrotraka ny harato ao an-kavanan’ny sambokely (ao amin’ny misy ny ondry).
Izany no toe-po amam-panahy tokony hoentintsika mankalaza ny Sorona Masina, fa indrindra amin’ny fiomamanana handray ny Tompo amin’ny Eokaristia Masina. Efa nolazaintsika teto ihany ny nikasika ny fanaovana Komonio tsara (jereo eto momba ny sakana sy ny fiomanana handraisana komonio [http://katolika.org/fandalinam-pinoana/sakramenta/manaova-komonio-tsara], saingy mahasoa ny mamerimberina azy ireny matetika, mba hamelombelona ny aim-panahy tsy ho azon’ny fakampanahin’ny fahazarana, indrindra amin’ny vanim-potoana iainantsika izay, mazàna ny fampianaran’ny Fiangonana, heverin’ny sasany ho lay andro, ka ny habibiana na ny fahalemen’ny Mpitondra no hanosoram.potaka ny Fiangoanana iray manontolo.
Ao amin’ity Evanjely ity koa dia tsara ny mampahatsiaro ireo hevi-dehibe tian’i Joany ambara amin’ny anjara toeran’i Piera sy ny Fiangonana amin’ny famahanana ny andian’ondry. Izy (Piera) no nanainga ny mpianatra handeha hanjono, amin’ny fiantombohan’ny toko 21, ary na dia “ilay mpianatra tian’i Jesoa” aza no nahalala fa ny Tompo io, dia izy no nisarika ny harato feno trondro ho eny amin’i Jesoa, kanefa tsy rovitra ny harato. Raha heverina dia misy heviny manokana izany amin’ny fomba fiainan’ny Fiangonana: na dia mety hahalala mialoha ny Tompo aza ilay “mpianatra Malala”, dia anjaran’i Piera no mitarika ny asa apostolika sy mitahiry ny firaisan’ny Fiangonana.
Mampalahelo ny mieritreritra ny zava-misy eo anivon’ny Eglizy indraindray. Ny nangatahan’i Jesoa amin’i Piera, ka mazava ho azy amin’ny dimbiny sy amin’ny Fiangonana manontolo tarihiny, dia tsy “hitery ronono” fa hamahana ny ondry, tsy hibaiko fa hanasa tongotra sy hanompo, tsy hampianatra toy ny mpitari-bato vilam-bava fa ho fakan-tahaky ny ondry tarihina amin-kalemem-panahy (1 Piera 5, 1-4). Mialoha ny hampahatsiahivana ny kristianina ny adidiny amin’ny denier des cultes sy ny rakitra, dia mila mandini-tena ny Mpiandraikitra ao amin’ny Eglizy amin’ny fiezahany mamahana ny ondry amin’ny Tenin’ny Fiainana izay iezahany hiainana ihany koa. “Tsy mety raha hilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra”, hoy i Piera, manamafy izany andraikitra izany (Asa 6, 2).
I Jesoa moa manontany an’i Piera raha toa ka tia (ἀγαπάω agapao) Azy, i Piera mamaly fa valim-pitia (φιλέω phileo) no hany azony ampanantenaina. Moa ve tia ahy ianao? Fantatrao fa tiako ianao. Samy tia no nandikana ny hoe “agapao” sy “fileo” ao amin’ny dikantenintsika. Na dia tsy afaka ny hitia (ἀγαπάω agapao) araka ny hitiavan’Andriamanitra azy aza i Piera, dia eken’i Jesoa ny hitiavany (φιλέω phileo) araka izay vitany. Amin’ny fanontaniana fanintelony dia tsy manontany azy ho tia (ἀγαπάω agapao) intsony i Jesoa fa mampifanaraka ny fanontaniana amin’izay vitan’i Piera: moa tia ahy (φιλέω phileo) va ianao! Hery ampy hanosika an’i Piera hamahana ny ondrin’i Kristy izany. Ambaran’i Joany mazava fa i Kristy no Mpiandry ondry (Jn 10, 11) ary antsoiny hamahana ny ondriny izay nahatsiaro no tiana ka mamaly fitia Azy[1].
Isaky ny avy mihinana isika (avy mandray ny Teniny sy ny Tenany) no anontanian’i Jesoa ka antsoiny hifaninana amin’ny fitiavana Azy isika, “moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?” Dia mazava loatra fa amin’ny fanomezana sakafo hahavelona ny ondriny no hifaninana amin’izany fitiavana izany. raha ny marina anefa, tsy ny fitiavana no hiantefan’ny safidiny, fa ny safidiny sy ny fandraisana andraikitra ao amin’ny Eglizy no itakiana fitiavana an’i Jesoa bebe kokoa. Arakaraka ny hitiavana an’i Jesoa no hitandremana ny ondriny, ka tsy hiheverana ho tompon’ny ondry fa hikarakarana azy kosa araka ny sitrapon’ilay naniraka.
Tia antsika ny Ray, φιλέω fileo fa tsy agapeo no ampiasain’i Joany ao amin’ny Jn 16, 23-28, vakiteny Sabotsy 6 Paka) noho ny fitiavantsika an’i Jesoa. φιλέω (fileo) moa no ampiasain’i Joany eo, hahafahantsika mahazo fa ny fitiavan’Andriamanitra antsika, ilay ἀγάπη (ἀγαπάω agapao, mitia) nasehony tamin’ny nanirahany ny Zanany ho antsika dia tonga fisaikazàna, efa nantsoiny hoe sakaiza isika (φιλος) ary namborahany ny tsiambaratelony manontolo (Jn 15, 15). Isika kosa, toa an’i Md Piera, tsy sahy nampiasa ny ἀγαπάω agapao hilazany ny fitiavany an’Andriamanitra. Araka ny nolazaintsika teo hoe i Jesoa manontany raha tia, agapao, i Piera mamaly hoe fileo, kanefa antsoiny hahatsapa ny fitiavany, ka hizotra tsikelikely avy amin’ny fitia mifamaly (philos) ho amin’ny fahafoizana ny fiainana manontolo hamahanana ny ondry. “Manaraha Ahy”, no amaranan’i Jesoa ny teniny amin’i Md Piera.
Ny hoe “Manaraha ahy” koa dia mampahatsiaro antsika fa tsy mpiandry ondry arahina i Piera fa ondry manaraka an’ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra manala ny fahotany (Jn 1, 36-37), ilay namindra fo taminy tamin’ny fandavany Azy. Manara-dia an’i Jesoa izay tia azy ka miezaka isan’andro hampitovy ny fiainany amin’ny fiainan’i Jesoa. Ny hazavana avy amin’i Jesoa ka tonga aloka amin’izay andalovan’i Piera dia efa ampy hanasitrana raha mino sy mitady ny hazavana marina tokoa isika. Matoa mahita aloka manko, dia mino fa misy ny hazavana.
Tsy valisoa sy fankasitrahana anefa no setrin’izany fanarahan-dia izany, fa “fandehanana amin’izay tsy tiana aleha”, i Piera ilay tsy nanaiky ny hosasana tongotra, fony izy tanora (Jn 13, 6. 36), satria tsy ny mpampianatra velively no ho hilatsa-tena ho mpanompo, dia hiraviravy (ἐκτείνω ekteino= hanampatra) ny tanany eo amin’ny hazofijaliana toa an’i Jesoa (ny taona 64, ary lazain’i Eusebe fa ny lohany no nataony ambany, nasainy natsongoloka ny lakroà namantsihana azy fa tsy mendrika ny hitovy amin’ny Mpampianatra azy izy), ka izany fahafoizany ny ainy ho fijoroana ho vavolombelona ho an’ny andian’ondry voaenjika toa azy izany koa no nanaporofoany ny fitiavany an’i Jesoa (Jn 15, 13). Izany rehetra izany dia mba ho voninahitr’Andriamanitra, tahaka an’i Kristy niditra amin’ny voninahitra, tamin’Izy nasandratra teo amin’ny Hazo (cf. Jn 12,26-33).
Isika no mirafitra ho Fiangonana, miorina eo ambonin’ny finoan’i Piera an’i Jesoa ho Kristin’Andriamanitra (Mt 16, 13ss). Saingy manoloana ny zava-mamoha fady mitranga sy tantaraina etsy sy eroa, dia adinontsika fa isaky ny mankalaza ny Sorona Masina isika, dia mamerimberina, mangataka amin’Andriamanitra tsy hijery ny fahalemena sy ny fahotan’ny mpisorona sy ny vahoakany, fa ny finoan’ny Fiangonana mamondrona ny firenen-drehetra (vavaka fangataham-piadanana aorian’ny Rainay any an-danitra).
Tsy ho adinointsika ary ny hahatsiaro manokana ny Papa, dimbin’i Md Piera, mba hiorina mandrakariva ao amin’ny fitiavana izy, ho feno ny Fanahy Masina, hamahana ny ondry nankinin’ny Tompo aminy, ka isika kosa, hiara-misalahy, Eglizy miara-dia, ho vavolombelon’ny Fitiavan’Andriamanitra, matoky hiara-mandresy amin’ilay Zanak’Ondry.
[1] Catéchèse de Benoît XVI, 24 mai 2006 À propos des versets 15 à 17, le pape fait remarquer l’emploi des deux verbes « agapaô » et « phileô » aux sens voisins mais dont l’emploi précis est très révélateur. En grec, le verbe « phileo » exprime l’amour d’amitié, tendre mais pas totalisant, alors que le verbe « agapao » signifie l’amour sans réserve, total et inconditionnel. La première fois, Jésus demande à Pierre : « Simon… m’aimes-tu (agapâs-me) avec cet amour total et inconditionné (Jn 21, 15) ? » Or, Pierre ne répond pas par le même verbe. Benoît XVI en explique la raison : « Avant l’expérience de la trahisonl’Apôtre aurait certainement dit : ‘Je t’aime (agapô-se) de manière inconditionnelle’. Maintenant qu’il a connu la tristesse amère de l’infidélité, le drame de sa propre faiblesse, il dit avec humilité : ‘Seigneur, je t’aime bien (philô-se)’, c’est-à-dire ‘je t’aime de mon pauvre amour humain’. » Jésus reprend le même verbe « agapao » dans la deuxième question : « Simon, m’aimes-tu avec cet amour total que je désire ?. » Tandis que Pierre persiste à employer le verbe « phileo », il répète la réponse de son humble amour humain : « Kyrie, philô-se », « Seigneur, je t’aime bien, comme je sais aimer. » » La troisième fois, Jésus dit seulement à Simon : « Phileîs-me ?, Tu m’aimes bien ? » Simon comprend que son pauvre amour suffit à Jésus,l’unique dont il est capable. Benoît XVI commente cet emploi du verbe « philein » par le Christ en disant : « On pourrait dire que Jésus s’est adapté à Pierre, plutôt que Pierre à Jésus ! C’est précisément cette adaptation divine qui donne de l’espérance au disciple, qui a connu la souffrance de l’infidélité. C’est de là que naît la confiance qui le rendra capable de suivre le Christ jusqu’à la fin. »