Ireo alahadin’ny Paka: Mystagogie – Sakramenta 7
Raha mino amin’ny fonao tokoa ianao dia hovonjena, hoy ny mpitoriteny… dia hoy aho hoe mba tena mino ve ireo mpitory ankehitriny, sa mitory ihany mba hahazo laza na hahazo tombontsoa fotsiny? Inona no hahafantarana fa mino ny olona iray?
Raha miresaka momba ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona isika dia mazàna lasa resaka habobo no atao, izany hoe terena hino ny tsy hain’ny tena hazavaina akory ny olona. Tsy misy afaka mampita ny finoana manko afa-tsy izay efa niaina ny hamamin’ny fiainana vokatry ny finoana.
Ao amin’ny Fampianaran’ny Fiangonana dia efatra no fototra hiorenan’izany finoana izany:
- ny fiekem-pinoana izay hamariparitana ny finoana, tsy araka ny hoza-dohan’olombelona fa kosa valinteniny an-kalalahana manoloana ny fanambaran’Andriamanitra (révélation).
- ny fankalazana izany finoana izany ao amin’ny litorjia sy ny sakramenta;
- ny toe-piaina mifanaraka amin’izany finoana izany
- ary ny vavaka mampifandray ireo rehetra ireo.
Anisan’ny fanehoana sy fankalazana ny finoana izany ny Sakramenta (Ny famaritana ny sakramenta, araka ny katesizy, dia Famantarana hita maso na tsapain’ny tanana na renesin’ny sofina, manambara sy mampahazo ny Fahasoavana), izay hifampizarako aminao etoana. Aorian’ny Paka no fotoana nandalinan’ny kristianina ny tena maha-kristianina azy, araka ny lovam-panahy nifandovana tamin’ny taonjato maro nifandimby, hatrany am-pihandohana. Nandritra ny karemy manko, ireo nantsoina hoe katekomena (avy amin’ny grika hoe κατηχομενος izay midika: mampianatra amin’ny feo avo, tsy azo afangaro amin’ny katesizy izay midika akon’ny fampianarana amin’ny fiainana) dia niomana ho amin’ny fandraisana ny batemy.
Tsy hoe ny efapolo andron’ny karemy ihany anefa no fiomanana fa efa nialohavana fotoana elaela nizahana toetra ireo nangataka hiroso ho amin’ny batemy. Ny κατηχομενος moa (participe passé de Katecheo) dia manambara ny fianaram-pinoana noraisina ka mitaky ny fampiharana izany eo amin’ny fiainana (Kata= avy any ambony/mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy echo = misy akony/ankatoavina ka ampiharina eo amin’ny fiainana). Noho izany raha tsy hita ny fahatapahan-kevitra hiaina ny fitsipi-piainana maha-kristianina dia tsy naroso amin’ny sakramenta mihitsy izy ireo. Dia izay ilay hoe : “Miara-maty amin’i Kristy, ny amin’ny fahotana”.
Aorian’ny fankalazana koa, dia natokana ho fotoana “mystagogique” ny vanimpontoanan’ny Paka, fotoana handinihana manokana ny misterin’ny finoana. Ireo alahady 7 amin’ny Paka, araka izany dia nandinihana manokana ny sakramenta fito loharanom-pahasoavana ho an’ny mpino.
Ny alahady voalohany dia niainana sy nanavaozana ny tokin’ny batemy (ankoatry ny fankalazana ny sakramentan’ny Batemy, ny litorjian’ny Jiro sy ny Rano dia manavao ny toky nomena tamin’ny batemy ny Kristianina). Isan-kalahady moa no hanavaozana amin’ny Fiekem-pinoana izany fitokisana amin’Andriamanitra irery ihany izany.
Ny alahady faharoa, alahadin’ny famindrapon’Andriamanitra, hiderana ilay famindram-po tsy misy fetra: “Raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavela…” (Jn 20,19-31).
Ny alahady fahatelo dia ankalazana ny “mofo novakiana” : “teo am-pamakiana ny Mofo no nahalalan’ireo mpianatra an’i Jesoa” (Lk, 24, 13-35). Amin’ny taona A dia vakiana ny tantaran’ireo mpianatra roalahy nankany Emaosy (Lk 24, 13-35), amin’ny taona B dia tohizana ny famakiana io evanjely io (Lk, 24, 35-48), ary navohitran’i Lioka ihany ny tapaka hazandrano nohanin’i Jesoa tafatsangan-ko velona… amin’ny taona D kosa dia ny evanjely araka ny nosoratan’i Joany no vakiana, ny fanaratoana : trondro manambara an’i Kristy, ilay zanak’Andriamanitra, mpamonjy antsika (Jn 21, 1-19) Izy ilay mofo sy ny hazandrano tokana eo ambonin’ny vainafon’ny Fanahy, maniry hikambana amin’ny trondro vaovao (voajono ho mpianany) ka ho doran’ny Fanahy Masina toa, hatono ka hozaraina ho sakafo hamelona ny olombelona rehetra.
Ny alahady faha-efatra, alahadin’ny Mpiandry Ondry tsara, dia vakiana ny Evanjely araka an’i Joany (Jn 10, 1-30) : i Jesoa ilay vavahadin’ny ondry (taona A : Jn 10, 1-10), mahafohy ny ainy ho an’ny ondriny (taona B : Jn 10, 11-18) ary manome ny fiainana mandrakizay izay manaraka Azy (Taona D : Jn 10, 27-30). Izany no antony hivavahana manokana ho an’ny mpitondra fiangonana sy ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy ho relijiozy amin’io alahady io, mba hahafahan’izy ireo hijoro ho vavolombelona hitondra ny vahoaka hanaraka ilay Mpiandry tokana ihany.
Ny alahady faha-dimy dia manisy tsindrim-peo amin’ny didim-pitiavana tokony hihainan’ny Kristianina: ny fifidianana ireo fito lahy hanompo sy hitantana ny fizarana ny fiantrana (Asa 7, 1-7 : vakiteny I taona A), araka ny didin’i Kristy dia ny hinoantsika Azy sy ny hifankatiavantsika (1Jn 3, 18-24 : Vakiteny II taona B / Jn 13, 31-33° : Evanjely Taona D), mba tsy hisy intsony ny alahelo amam-pitarainana (Apok 21, 1-5 : vakiteny II taona D). Amin’ny alahady fahadimy dia tsy milaza mazava momba ny sakramenta, fa mamporisika kosa hitsinjo ny mahantra sy ny osa, ary mazava loatra fa anisan’ireny ny marary. Ny sakramentan’ny marary manko tsy hoe hahazoan’ny marary fahasitranana am-panahy sy ara-batana fotsiny ihany fa koa porofom-pitiavana asehon’ny Fiangonana ho an’ny zanany osa.
Ny alahady faha enina dia ny fampanantenana ny mpanafaka alahelo. Hangataka amin’ny Raiko aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo (Jn 14, 15-21 : Taona A), dia nidina tamin’ny Jentily ny Fanahy Masina (Asa 10, 25-48 :vakiteny voalohany Taona B), ilay Fanahy hampahatsiaro izay rehetra nolazain’i Kristy (Jn 14, 23-29 : taona D).
Ny alahady faha-fito kosa, ialohavan’ny Fiakarana any an-danitra ‘Ascension’ amin’ny faritra sasany, alahadin’ny fiakarana ho an’ny sasany, dia mamintina ny vavaka nataon’i Kristy ho an’ny fiangonana : mba ho iray ihany izy rehetra. (Jn 17, 1-11a [taona A]; 11b-19 [taona B]; 20-26 [taona D], mampahatsiaro ilay sakramenta manambara ny misterin’i Kristy sy ny Fiangonana, ny misterin’ny Fitiavana. Ny Taratasin’i Paoly ho an’ny Efesiana (Ef 5, 21-33) milaza momba ny Fifankatiavan’ny lahy sy ny vavy no mampatsiaro antsika kristianina fa ny fifankatiavan’ny Mpianakavy (Mpivady + zanaka) no Sakramenta manambara ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonany.
Raha manaraka ireo tsipihevitra lazaiko ireo ianao dia hahatsapa fa ny fandinihana manokana ny sakramenta tsirairay dia manambara ny fifandraisana misy amin’izy ireo tsirairay avy. Ny zava-dehibe dia ny fiverenantsika matetika amin’ny fandinihana ny hasarobidin’ny fiantsoana niantsoana antsika.
Ny tanjon’ny fotoana mystagogique dia ny hanavaozantsika ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ny sakramenta rehetra dia manambara ny misterin’ny Paka, ary manova ny fiainantsika rehefa ekentsika ny hiara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana, mba hitsanganantsika miaraka Aminy amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny finoana nekentsika.
Dia samia mandinika ny fiainany hoe tamin’ny inona no niarahako maty tamin’i Kristy… ho ahy manokana manko, mbola manana matoatoa (ireo fahotana sy ireo zavatra nolaviko mba hanarahako ny Tompo, nefa avy eo toa mahafinaritra ahy indray ny miverina aminy avy eo… toa tsy foiko hofongorana tanteraka) mandehandeha ao am-poko aho ka mazava loatra ireo no manakana ahy tsy hihaina tanteraka ny misterin’ny Paka.
Dia sahy hilaza ve aho hoe : mino?
Mino aho Tompo fa mba vonjeo re ity tsy finoako… (Mk 9, 23-24)