Alarobia Masina
- Izaia 50, 4-9a/
- Salamo 68/
- Md Matio 26, 14-25
Ny vakiteny voalohany dia manohy ny fikaloana an’ilay Mpanompon’YHWH amin’ny tonokalo fahatelo (efa novakiana tamin’ny Alahady). Amin’ny teniny no ankaherezan’ilay mpanompo an’izay reraka. Tsy teniteny foana anefa fa teny ianarana tsara (לִמּוּד, limmòd avy amin’ny לָמַד lamad, mampianatra). Ny fihainoana isa-maraina ny Tenin’ny Tompo no hianarana izany Teny manala alahelo izany. Avy amin’ny fihainoana ny Teniny no hahafahantsika mahatsapa fa mifanalavitra ny fomba fiheverantsika sy ny fiheviny, mifanalavitra ny fahamarinana heverintsika sy ny fitsarany.
Ho antsika dia ny olona manjakazaka sy manapa-pahefana no ambony sy hajaina. Ho an’Andriamanitra kosa, ny Mpanompony voakapoka, ambaniana (ongotana volom-bava), latsaina sy tsiratsiraina (roraina), resy, izany mpanompo izany no tolorany ny famonjeny, anankinany iraka ary hamarininy, satria maheno mandrakariva ny Feony io mpanompo ka matoky Azy ary milaza hoe: “Ny Tompo Andriamanitro mamonjy ahy: ka iza no hanameloka ahy?”
Ny Evanjely moa dia ampahany amin’ny vakitenin’ny Sampankazo amin’ny Taona A. Ambaran’i Matio mazava ny zavatra tiany tsipihina amin’ny nanoratany ny Evanjely: “Ny zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy” (Mt 26, 24), “izany rehetra izany no mitranga dia mba ho tanteraka izay rehetra nolazain’ny Mpaminany ao amin’ny Soratra Masina” (and. 56).
I Jodasy miady varotra ny amin’izay hamarotana an’i Jesoa: homenareo ohatrinona aho dia hatolotro (παραδίδωμι paradidomi) ho anareo izy? Ny Soratra masina milaza fa 30 sikla volafotsy no vidin’ny andevolahy na andevovavy (Eksaody 21, 32) ary Zakaria mpaminany kosa manamafy fa 30 sikla no karaman’ilay mpiandry ondry tsara izay natsipiny tao an-Tempoly, tao amin’ny mpanefy tanimanga (Zak 11,12). Mazava loatra, mba hahazoan’ny mpamaky fa i Jesoa no fahatanterahan’ny Soratra Masina dia farantsa volafotsy 30 no nomen’izy ireo, izay natsipin’i Jodasy tao an-tempoly avy eo (Mt 27, 5) (i Lioka kosa nilaza fa nividianany saha Asa 1, 18).
Ny Salamo 22 moa no raisin’i Md Matio hanohizana ny fandinihana ny fijalian’ilay marina novonoina, saingy hitory ny asa maherin’Andriamanitra amin’ny taranaka amam-para ho avy rehetra, avy eo.
Ny datin’ny paka voalaza eto moa (andro voalohany fihinanana ny Azima, 15 Nissan, hitovizan’i Matio amin’i Marka sy Lioka, synoptiques) dia tsy mifanaraka amin’izay lazain’i Joany izay milaza fa ny zoma no andro fiomanana ka tamin’ny ora faha-sivy, famonoana ny zanak’ondrin’ny Paka no nahafaty an’i Jesoa, Zanak’Ondry tena izy (Jn 19, 36).
Iza no hamadika (παραδίδωμι paradidomi= atolotra, amidy) an’i Jesoa? Araka ny Soratra Masina dia izay notiaviny sy nitokisany indrindra ary notolorany fanajana (Salamo 41, 10). Amin’ny andro faran’ny Karemy dia antsoin’ny evanjely isika mba handini-tena, hanontany tena sao sanatria isika no ilay “hanolotra azy” noho ny fiarovana na ny fitadiavana ny tombon-tsoan’ny tena. Ny valinteny omen’i Matio amin’ny fanontanian’i Jodasy dia “au présent”: Λέγει αὐτῷ (Mt 26, 25). Mamaly azy i Jesoa, tsy omaly fa anio, valinteny omeny antsika mamaky ny Evanjely amin’izao fotoana izao. Lazainy anefa fa isika tsirairay no niara-manatsoboka ny tanantsika amin’i Jesoa tao an-dovia. Ny Sakramenta sy ny fahasoavana isan-karazany dia porofo manambara ny fitiavany antsika manokana. Saingy isika no hamadika Azy.
Rabbì no niantsoan’i Jodasy an’i Jesoa. Rabbì moa dia entin’ny Jody hanajana ny Mpampianatra Lalàna teo aminy. Tsy mahagaga raha i Jodasy irery ihany araka izany no hiantsoana an’i Jesoa hoe “Rabbì” (Izaho va izany Rabbì? Arahaba Rabbì.) ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio, hilazany amintsika fa ny fahalalàna fotsiny, ny fanajana am-bava, dia tsy ampy hijanonana ho mpianatra mahatoky; izay manaja amin’ny molotra dia hanolotra an’Andriamanitra eo an-tanan’ny mpifofo ny ainy, izay famonoan-tena ihany ho antsika, raha sanatria tsy ampifanarahantsika amin’ny fitiavany ny fiainantsika (jereo Talata Masina)
Mila manontany tena isika araka izany sao misy tambiny angatahintsika mba hanaovana soa, satria izay soa rehetra hitadiavantsika valiny na karama dia “fanolorana an’i Jesoa”. Dia mety his hanontany hoe inona no hivelomana raha hiasa maimaim-poana avokoa?
Mendrika ny karamany ny mpiasa, hoy i Jesoa ary mazava ny valitenin’i Joany Batista: “aza mampandoha mihoatra noho izay nasaina nalainareo ary mahaiza mianina amin’ny karamanareo” (Lk 3, 13-14). Izay mpikarama mahasahy mitaky mihoatra noho izay novokariny na mpampiasa tsy mandoha ny karama mifanaraka amin’izay vitan’ny mpiasany moa dia efa mpangalatra, ary izay nohasoavin’Andriamanitra mba ho afaka hanasoa ny hafa, dia tsy hiditra amin’ny fahasambarany, tsy ho tonga mpianatra afaka hanala alahelo amin’ny teniny (Vakiteny I) raha tsy hahafoy hivarotra ny fananany ka hizara ny hareny hanasoavana ny mahantra (Mt 19, 22ss).
Tsy fotoana fanaovana ezaka ny karemy fa fotoana fanazaran-tena hanaovana soa. Hanome hery antsika hatrany anie ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra isa-maraina ka hitomboantsika fitiavana an’i Jesoa sy ireo endrika tiany hisehoana eo anivontsika, ny mahantra.