Alarobia III Karemy
- Deteronomy 4, 1-9/
- Salamo 147/
- Md Matio 5, 17-19
“Ankehitriny ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany tany nomen’ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo”. Ny vakiteny voalohany dia mampahatsiaro antsika zavatra maro tokony hiainantsika noho ny batemy izay noraisintsika. Nomen’Andriamanitra ny Lalàna, ny torolalana hampizotra ny fiainantsika ho any amin’ny fahasambarana isika. Ambaran’ny vakiteny koa anefa fa io “torolalana” io ihany no hahafahantsika mitahiry izany fahasambarana izany. Ny fanadinoana azy dia midika fiverenana amin’ny fanandevozana. Io lalàna io no mampianantra antsika ny fahendrena ka hahatsapantsika fa “monina eo anivontsika Andriamanitra”. Ny fomba fitehirizana azy tsara indrindra dia ny fitantarana (fampianarana) izany amin’ny zanaka aman-jafy.
Ny Fiangonana, sakramenta manambara amin’izao tontolo izao ny Famonjen’Andriamanitra (Ad Gentes 5) dia tsy manana adidy afa-tsy ny fitoriana ny Evanjely (AG 1), hitory amin’ny olona tsirairay fa tian’Andriamanitra izy. Tsy manana faniriana afa-tsy ny hahasambatra antsika tsirairay avy ny Eglizy, ka hampivondrona antsika ho vahoaka tokana mankalaza an’Andriamanitra (Lumen Gentium LG 17). Ny fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany ao amin’i Kristy no famantarana hita maso manambara amintsika izany fitiavan’Andriamanitra izany.
Henontsika amin’ny vakiteny voalohany tokoa manko fa tsy misy vahoaka hendry sy manan-tsaina, ary manana didy amam-pitsipika marina tahaka an’Israely, satria Andriamanitra marina sy tsy mivadika amin’ny fitiavany no nanome izany. Ary ambaran’i Jesoa fa ny fanatanterahana izany Didy izany sy ny fampianarana azy no maha-lehibe ny olona iray any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afaka ny tsy haniry ho lehibe ny olona, saingy tokony haniry ny fahalehibeazana araka an’Andriamanitra fa tsy araka ny olombelona. Ny fahaizana manoro ny lalana mankany amin’ny fahasambarana amin’ny fomba fiainana (fiainana ny didy) no maha-lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary amin’ny maha-lalana azy, dia sarotra kokoa ny mitadidy ny sakeli-dalana madinidinika, noho ny mitadidy ny arabe migodana.
Moramora kokoa ny mamita-tena mitady ny fahalehibeazana araka ny olombelona. Izany no namerenan’i Jesoa amin’ny mpianany ny “Teny (Didy) Folo” amin’ny fomba hafa, amin’ny fampianarany teo an-tendrombohitra mikasika ny fahasambarana. Izy no ilay Moizy vaovao, miantso antsika hanaraka ny lalàny, izay tsy misolo fa manatanteraka ny lalàn’Andriamanitra hatrizay ihany. Torah, torolalana mitondra amin’ny fahasambarana. Raha toa ka tsy mahatsiaro ho sambatra izany isika, dia ireo no torolalana hahafahana mandinika ny antony sy ny fomba hitsaboana izay mety ho anton’ny tsy fahasambarana.
Tonga hanatanteraka (πληρόω plerôo) ny Lalàna i Jesoa, tonga haneho amintsika ny tena heviny, hanambara amintsika fa fahasambarana no vokatry ny fanatanterahana azy. Nambarany fa ny lalàn’ny fitiavana no mamintina ny lalàna rehetra ka hahafahana miditra amin’ny fahasambarana sy mitahiry azy. Tsy didy natao hangejana ny Didin’Andriamanitra fa didy natao hanafaka (“hahavelona”) sy hitahirizana ny fahasambarana vokatr’izany fahafahana izany (“hahazo ny tany nampanantenaina ka honina ao”). Tsy misy lalàna araka an’Andriamanitra ka tsy hikatsaka ny soa ho an’ny olona.
Ambaran’i Jesoa fa fahasambarana ny fahantrana, ny hanoanana, ny fanenjehana sy izao fahasahiranana rehetra izao, raha ny fitiavana no mahatonga antsika hiharitra izany. Mifanohitra amin’ny toetsain’izao tontolo izao izany, saingy ho an’izay te ho mpianany dia izany Lalan’ny Hasambarana izany no tarigetram-piainana mahasambatra, ny manao soa ho azy no hafaliana lavorary.
Hanafaka antsika amin’ny hadisoan-kevitra rehetra anie ny Komonio Masina ka hahamendrika antsika hahazo ny zava-tsoa nampanantenain’i Jesoa an’izay mandray ny Teniny ka mitandrina azy: ny Fiainana mandrakizay.