Alahady faha-34 mandavantaona Taona B
- Daniela 7, 13-14
- Salamo 92
- Fanambarana 1, 5-8
- Md Joany 18, 33b-37
Ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana dia ho mpanjakantsika i Kristy.
Faran’ny Taona Litorjika, ankalazana ny fetin’i Kristy, Mpanjakan’izao tontolo izao. Ny taona Litorjika moa dia entintsika mandalina ny Firaisantsika aina amin’i Kristy sy ny Fiangonany, mba hivelomantsika amin’ny maha-kristianina, maha-mpanara-dia Azy.
Andeha hampahatsiahivina antsika vetivety ny mikasika ireo taona telo:
Ny taona A (fandalinana ny sakramenta firosoana ho kristiana), dia manolotra antsika ny Evanjely nosoratan’i Matio (Mt 25, 31-46) mamintina ny tokony ho fiainan’ny Kristianina raha manaiky an’i Kristy ho Mpanjakany : hampanjaka an’i Kristy amin’ny fampanjakana ny Fitiavana amin’ireo madinika sy toa niangaran’ny vintana, hiezaka hahita ny hendrik’i Kristy ao amin’izy ireny…
Ny taona B (Fandalinana ny firaisan’aina amin’i Kristy) kosa indray, milaza amintsika fa rahefa mifampikasoka amin’i Kristy Tafatsangan-ko velona marina isika, dia hahatsapa fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakany, fa ho an’ireo izay rehetra mihaino ny marina (Evanjely Jn 18, 33-37). Izay te hampanjaka an’i Kristy araka izany dia mampanjaka ny rariny sy ny Fitiavana.
Ny taona D (ny fibebahana sy ny famindram-po), handalinana indrindra indrindra ny Fampindrampon’ny Ray izay toa tsy miraharaha akory ny adalan-janany (Lk 15) fa vonona ny hamindra fo mandrakariva, hatramin’ny impitopolo fito (Mt 18, 21-22 // Lk 17,4), dia mampiseho amintsika ny Fiangonana amin’ny fandaharany ny vatsim-panahy asehony antsika, fa eo am-pialana aina dia mbola famelana no nanehoan’i Kristy ny maha-Mpanjaka azy : “Lazaiko marina aminao tokoa, fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao” (Evanjely), maneho antsika an’i Kristy hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra, Izy ilay ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika (Vak II). Ambaran’ny Litorjia amin’ny fankalazana an’i Kristy Manjaka amin’izany fa raha Mpanjakantsika marina tokoa i Kristy dia hiezaka handresy ny fanandevozan’ny fahotana isika, ary matoky fa handesy ampian’ny fahasoavany ka vonona hampanjaka ny Fanjakan’ny Fahamarinana sy ny Fiainana, Fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana, izay tanisain’ny Prefasy, antony hanaovana ny Sorom-Pisaorana.
Fanjakana mandrakizay no atolotr’i Kristy ho an’ny Ray, tamin’ny nanekeny hijaly teo amin’ny Hazo ho famonjena antsika: porofom-pitiavana izany, ary ambaran’i Md Paoly fa ny fahavalo farany horesen’i Kristy dia ny fahafatesana (1 Kor 15, 25-26). Amafisin’i Md Joany izany, fa i Jesoa ilay Lahimatoa amin’ny maty dia nanasa antsika tamin’ny Rany ka nanao antsika ho fanjakana Mpisorona hanome voninahitra an’Andriamanitra (Apok. 1, 5-8). Mampahatsiaro antsika ny hasin’ny Batemy noraisintsika izany.
Fintinin’i Joany amin’ireo teny henontsika tamin’ny Vakiteny II ireo ny momba an’i Kristy Mpanjaka: ilay vavolombelona mahatoky, lahimatoa amin’ny maty, filohan’ny Mpanjakan’ny Tany, ilay tia antsika ka nanasa ny otantsika tamin’ny rany. Fa hanao ahoana kosa ny fahitan’ireo nandefona azy? Ho antsika dia fahamenarana sy ny tahotra ny valifaty mazàna no ao an-tsaina amin’izay mety ho fivadihan’ny rasa. Ho an’Andriamanitra kosa dia famonjena mandrakariva ny fitsarany, ka tsy ny hanameloka fa ny hamonjy, eny fa na dia ireo nandefona azy aza no sitraky ny fony, ary izany no mahatonga ny Lovantsofina hilaza fa i “Masindahy” Longin no anaran’ilay miaramila nandefona ny fon’i Jesoa.
I Daniela Mpaminany, manamafy ny faharetan’ilay Fanjakan’ny zanak’olona: fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ka tsy ho levona mandrakizay (Dan. 7, 13-14). Araka izany, tsy fahefana sanatrian’izany miankina amin’ny safidim-pontsika ka hanehoana ambom-po hoe “tsy tianay hanjaka aminay io!” sanatria. Tsy fanjakana mipetraka amin’ny honohono ihany koa anefa. Ny fanontaniana napetrak’i Jesoa tamin’i Pilaty dia apetrany amintsika ihany koa isaky ny misalasala amin’ny fiekena ny fanjakany isika : “Anao irery izany teny izany sa olon-kafa no nilaza Ahy taminao? (Jn 18, 33-37) Ny finoantsika an’i Kristy ve, vokatry ny faharesen-dahatra fa tsy misy zavatra hafa mampisy heviny tsaratsara kokoa ny fiainantsika noho ny fampanarahana azy amin’ny Evanjely, izany hoe ny fiainana ny fitiavana, sa tsianjery heno na novakiana tetsy sy teroa ka arahina sao sanatria mahavery any amin’ny afobe? Tsy ampy ny mahafantatra ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra mba ho voavonjy. Mila miombona anjara amin’ny Fanjakany isika! Mila manaiky an’i Jesoa ho Mpanjakantsika (Vakiteny II) ka hanaraka ny marina satria mihaino ny feony (Evanjely).
Ao amin’ny fanjakan’i Kristy no handraisan’ny zanak’olona, izay ilazana ny olona amin’ny hafenoany ho an’ny Hebrio, handraisany ny fahefana. Hazavain’i Daniela ao amin’ny toko faha-7 io moa ireo biby, izay anoharany ny habibian’ireo izay nahazo fahefana ka nanjaka amin’ny tany. Fantatsika fa amin’izay hiainana ny maha-olona, nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra sy hanahaka Azy, dia misononoka mandrakariva ny fiadanana, ary na izay mahita aza dia vaky vava fa ny manam-panahy no olona, ary ny mifanohitra amin’izany dia habibiana.
Ndeha hojerentsika ilay lazain’i Pilaty hoe: “indro ny lehilahy”, indro ny olona, ilay zanak’olona nasandratra ho mpanjaka teo ambonin’ny hazofijaliana.
Md Joany 18, 33b-37
Ampahan’ny Evanjely vakiana ny Zoma Masina no vakiana amin’ity Alahady famaranana ny taona litorjika ity. Raha iverenana ny resak’i Jesoa sy Pilaty dia manampy antsika hiaina lalindalina kokoa ity fankalazana ity.
Raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako dia ho niady ny oloko ka tsy ho voarain’ny Jody aho, hoy i Jesoa. Manoloana ny olona iray, tsy misy mpiaro, tsy hihevitra velively izay mety ho loza mananontanona ny fitondrana romana i Pilaty. Ambarany fa tsy Jody izy, ary fantany fa ny firenen’i Jesoa sy ny mpiray tanindrazana Aminy no nanolotra Azy taminy. Mazava loatra araka izany fa na dia mety ho mpanjakan’ny Jody aza i Jesoa, dia mpanjaka efa voaongana matoa enina am-patorana eo anatrehan’ny fahavalo.
Fa inona no antony nanoloran’izy ireo an’i Jesoa?
Tsy ny fahamarinana amin’ny maha-fahamarinana azy no amonoan’ny ratsy fanahy ny Marina fa noho ny fombany sy ny fiteniny zary fiampangana ny asa ratsin’izy ireo. Tsy afaka handray ny hazavana izay te hijanona ao anatin’ny haizina, ka aleony ny haizina satria ratsy ny asany, hoy Md Joany (Jn 1, 4-5; 3,19). Tsara hotadidiana mandrakariva araka izany ireo hazavana nentin’i Jesoa ho an’izao tontolo izao, antony namonoan’ny Jody azy, fa mety ho antony hanohizantsika hamono Azy ao amin’ireo mpianany koa ankehitriny raha sanatria tsy azontsika ny maha-mpanjaka Azy:
1- Nohazavainy amintsika, amin’ny fanasana tongotra fa Andriamanitra “andevo” ny Andriamanitra Rainy, ka izay te ho tonga zanany dia tsy misy lalana hafa azony safidianina afa-tsy ny fanompoana. Mazava ho azy fa tsy ho zakan’izay te hanjakazaka sy hanao didiko fe lehibe izany. Andriamanitra “mpamelona” fa tsy mpamono, tsy mpanasazy fa mpanao fety, isaky ny misy zanany miverina ao an-tranony, mitondra ny ondry naniasia an-tsangory mody ao am-bala: fahasorenana ho an’izay hihevitra ny tenany ho “hendry” sy “mpitandrina ny didy” (mihevitra ho zoky tsy miala an-tranon-dray Lk 15) izany; tsy ny sorona dorana no sitrak’io Andriamanitra io fa ny famindram-po: tsy ny fahamendrehantsika na ny haben’ny tolotra no hamonjeny antsika na sanatria ny halavan’ny vavaka ataontsika fa ny fitiavany maimaim-poana. Hanahirana an’izay hihevitra hitady harena sy voninahitra tamin’ny tolotra sy ny fombafomba isan-karazany izany.
2- Nohazavainy koa fa endrik’Andriamanitra ny olombelona ka ny fanahafana an’Andriamanitra amin’ny fitiavana no maha-lehibe azy fa tsy izay hoby sy dera azo avy amin’ny olombelona (Jn 5, 44): izay hahafoy ny ainy ho an’ny hafa no hahavonjy azy! Mazava loatra araka izany fa ho an’ny mpianatr’i Kristy dia mahazo tombom-pitiavana manokana ny mahantra, ny mpanota sy ireo ahiliky ny fiaraha-monina: manahirana ny mpanan-karena sy ny olona mihevitra ho tsongoin’olom-bolo, mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa, izany.
Antony namonoana an’i Jesoa araka izany ny fiantraikan’ny fampianarany amin’ny tombontsoa sy ny voninahitra nimatimatesan’ireo mpitondra fivavahana sy loholona Jody izay tsy nitady afa-tsy ny voninahitr’izao tontolo izao (Mk 12, 38-39). Ambaran’i Joany mazava fa an-tsitra-po no naneken’i Jesoa ny vokatry ny fijoroany ho iraky ny Ray, hanao ny sitrapony na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Izy no manolotra ny ainy (Jn 10, 17-18) ka ny “fahavalony hihemotra sy hilavo lefona”, nianòtra ka nikarapoka tamin’ny tany (Sal 9,4; 27,2/Jn 19,16). Fankaherezana ho an’izay te hijoro ho vavolombelon’ny marina araka an’Andriamanitra izany.
Asesin’i Joany amin’ny fitantarany ny fiatrehan’i Jesoa ireo rehetra tsy afaka ny handray ny tsirim-pahazavana tiany hiredareda eto amin’izao tontolo izao: Ana sy Kaifa lehiben’ny Mpisorona izay very tombontsoa raha toa ka raisin’ny olona ny fampianaran’i Jesoa momba ny Tempoly, nataon’izy ireo fiheren-jiolahy (Lk 19, 46). Ao ilay mpanompon’ny lehiben’ny Mpisorona namely teha-maina an’i Jesoa, tsy dia hoe manana ny heviny fa manompo masira (mpisolelaka) dia manao izay hahafalifaly ireo heveriny ho lehibe hahazoana tombon-tsoa. Ampian’i Jesoa isika handinika ny maha-tsara na maha-ratsy ny zavatra iray, mialoha ny handraisa “position” hitsarana na hanamelohana ny hafa (Jn 18, 23).
Rehefa manomboka maraina ilay andro, izay tonga alina tamin’ny fivoahan’i Jodasy (Jn 13, 30, niala teo anatrehan’ny hazavana), nandavan’i Piera in-telo hatramin’ny marain’akoho, dia indro entina eo anatrehan’i Pilaty i Jesoa satria ireo Jody efa nikasa hitora-bato Azy im-betsaka indray izao no nilaza fa tsy manam-pahefana hanameloka olona. Nivoaka teo alatrano i Pilaty (satria ny Jody tsy afaka niditra tao aminy mba hahafahan’izy ireo mankalaza ny Paka) dia avy eo niditra ka nampiantso an’i Jesoa hiditra ao an-tranon’ny tsy mpino, hilaza aminy fa Andriamanitra no manome ny fahefana ka mazava loatra fa tokony ampiasainy araka an’Andriamanitra amin’ny fihainoana ny marina izany fahefana izany.
Izany fihaonana izany no tantarain’ny Evanjely anio, ary ambaran’i Jesoa mazava fa izay rehetra manaraka ny marina no mihaino ny feony. Saingy tsy nijanona nihaino ny Marina i Pilaty fa lasa nivoaka indray.
Aleony mihaino ny vahoaka sy ny horakoraka, toy izay hihaino ilay “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (Jn 14,6). Mitovitovy aminy ihany izay kristianina avy mihaino ny Evanjely dia mandeha mamonjy ny vahoaka izay tsy hitady afa-tsy ny hamonoana an’i Jesoa sy hanafahana an’i Barabasy (Paka dia avy eo lundi de pâques, avy mivavaka dia mirevy…). Rehefa avy nihaino ny vahoaka i Pilaty dia nanao dingana iray amin’ny fanamelohana an’i Jesoa: nasainy nokapohina Izy. Dia eo ny miaramila, tsy tompon’ny tenany intsony fa ny fijalian’izay resy sy ananany fahefana no hifaliany ka fehiloha tsilo sy akanjo jaky no nampanaoviny ilay noharabian’izy ireo ho Mpanjakan’ny Jody.
Ny fanjakan’izay tontolo izao dia miady mba hahafahana manjakazaka amin’ny hafa. Hatramin’izay dia nitsoaka i Jesoa mba tsy hananganan’ny olona Azy ho mpanjaka (Mt 4, 8-10; Jn 6, 15). Eto kosa dia Izy no manambara ny tenany ho Mpanjaka, ary milaza fa iraka tokana no nahatongavany eto an-tany: hanambara ny marina, hoy ny dikan/tenintsika, fa ny lazain’ny teny grika dia μαρτυρέω (martyreo), ho martiry, hijoro ho vavolombelon’ny marina (ἀλήθεια aletheia). Tsy ny teny fa ny fomba fiainana no anambarantsika ny marina amin’ny hafa.
Mazava loatra araka izany fa ny haneho amin’ny olona ny endrik’ilay Andriamanitra nilaza fa “tsy mba malaky tezitra fa mihantra sy be indrafo” (Eks 34, 6) Izy, hanadio izay rehetra mety ho fanasoketana an’Andriamanitra ho mpanafay na mpanameloka. Amin’izay hatrehany izao amin’ny fanamelohana Azy ho faty no anehoany ny faratenin’Andriamanitra, tsy mivadika amin’ny maha-fitiavana Azy, ka vonona ny hanolotra ny ainy mba hahafahan’izay rehetra mitady ny marina mihaino ny feony.
Izy no ilay Fahamarinana mahatonga antsika ho olona afaka (Jn 8, 32) satria izay mihaino ny feony ka miaina araka ny Evanjely no ho afaka amin’ny fatoran’ny fahotana ka tsy handevozin’ny filana isan-karazany mampivarina amin’ny fahabibiana.
Amin’ny Vavaka nampianarin’i Jesoa antsika dia mitalaho isika mba ho tonga ny Fanjakan’ilay Ray any an-danitra. I Kristy no Tenin’Andriamanitra, tonga hanambara izany Fanjakana izany, ka ny fihainoana ny Teniny ihany no hahafahantsika mahatoky amin’ny fiorenan’ny Fanjakany eo anivontsika.
Indraindray anefa, ilay Tenin’Andriamanitra, noraiketina amin’ny Baiboly, dia mijanona ho Boky, tahaka ny boky hafa rehetra ihany, ka hovakiana mba hahalalàna ny mombamomba an’Andriamanitra! Indraindray adinontsika fa tsy Boky tsy akory ny Tenin’Andriamanitra, fa Andriamanitra tonga Olombelona toa antsika : i Jesoa no Tenin’Andriamanitra, ka ny famakiana ny Baiboly dia fiezahana hahalala Azy ka hampifanarahana ny fiainana amin’ny Azy mba hahalalàn’ny Ray antsika koa ho zanany rehefa tonga ny andro hifanatrehan-tava Aminy. Iezahantsika ary ny hamaky ny Tenin’Andriamanitra ho tahaka ny fihaonana amin’ny Mpanjakantsika, hihainoantsika ny feony, ka hanarahantsika ny marina.
Ny Vavaka fangatahana[1] dia mamintina izany rehetra izany. Andriamanitra izay loharanon’ny fahariana rehetra, nandefa ny Zanany mba handraisantsika anjara amin’ny Fanjaka-Mpisorona anie, hanilo ny fontsika ka hiekentsika fa fanompoana ny maha-mpanjaka, ka hanehoantsika amin’ny fahafoizan-tena hanompo ny rahalahy, ny tsy fivadihantsika amin’i Kristy, Lahy matoan’ny maty rehetra sy mpifehy ny tany tontolo. Hiezahantsika ny hanao ny Famantaran’ny Hazofijaliana ho famantarana maneho fahavononana hanompo, ka hahatsiarovantsika ny fitiavana nanavotana antsika sy ny fahavononan-kanompo iantsoana antsika, ka hanekentsika hifantsika amin’ny Mpanjakantsika, tsy ho menatra na hatahotra ny hiaro ny marina… satria mihaino ny feony.
[1] Ny amin’ny Teny Malagasy ny amin’ny taona A ihany no nadika ho amin’ny taona B sy D. Amin’ny Missel vaovao dia samihafa ireo.