Alahady faha-28 mandavantaona Taona B
- Fahendrena 7, 7-11
- Salamo 89
- Hebrio 4, 12-13
- Md Marka 10, 17-30
Mety hisakana tsy ho tafiditra any an-danitra ny harena
Amin’ny vakiteny voalohany dia mampianatra antsika fa tsy harena na fahaizana azontsika hireharehana ny fahendrena fa fanomezana mila angatahina amim-panentren-tena avy amin’Andriamanitra. Ka na izay mihevitra ho olon-kendry sy tototr’izao fahefana sy harena rehetra izao aza, tahaka an’i Salomona teo amin’ny voninahiny, dia mila mangataka ao amin’ny vavaka ny fahendrena mandrakariva (1 Mpanjaka 3).
Ny fahiratan-tsaina (φρόνησις) moa dia ny fahendrena hahafahana manapa-kevitra am-piheverana sy araka ny tokony ho izy. Lazain’ny Vakiteny fa tonga miaraka amin’ny Fanahy Fahendrena ny soa rehetra sy ny harena tsy hita lany. Io ilay fo mahay mihaino nangatahin’i Salomona, efa hitantsika tamin’ny alahady 23.
Misy fiantraikany amin’ny fomba fiainana ny fandrenesana, ka mila mandinika izay zavatra henoiny matetika ny kristianina, ary mila mangataka amin’i Kristy mba tsy ho vokin’ny resaka hampanalavitra amin’ny fihainoana ny Tenin’ny fiainana. Ny Teny voalohany lazain’YHWH ho an’ny Vahoakany dia fiantsoana mba hihaino: שְׁמַ֖ע יִשְׂרָאֵ֑ל, Mihainoa ry Israely (Det 6, 4) ary ny vavaka lafatra indrindra lazain’ny Baiboly dia izay nataon’i Salomona nangataka ny fo mahay mihaino ( לֵ֤ב שֹׁמֵ֙עַ֙ , leb soméa, 1 Mpanjaka 3, 9) izay nadikan’ny Baibolintsika hoe “saina mahiratra”, satria izay mahay mihaino no mahay manavaka, hahira-tsaina ka tsy hanaonao foana ; izay mahay mihaino no afaka hahita ny fitiavan’Andriamanitra any ankoatry ny olana sy ny zava-manahirana, ka afaka hifaly amin’ny andro sisa iainana satria efa hetsaka ny fitiavan’Andriamanitra (Salamo 89 setriny).
Sarotra ny mahazo izay lazain’ny Boky Fahendrena raha toa ka tsy mbola nanandrana ny hafaliana amin’ny fiainana araka ny fahendrena ny olona. Eo amin’ny tontolo misy antsika, raha dinihina dia maimaim-poana avokoa ny zavatra mitondra amin’ny fahendrena, ary andoavam-bola ireo mitondra amin’ny filibana sy ny fahazaran-dratsy. Ny mahagaga anefa dia mora ho an’ny maro ny mandany vola, eny fa na dia amin’ny zavatra fantatra fa hanimba ny fahasalamana, mety hanimba ny fiaraha-monina sy ny fahasambarana aza. Mety hitondra fahasambarana mandalo fa tsy mahasoa akory. Mazava loatra, araka izany fa raha manomboka mandinika ny fiainana ka hianatra hanisa ny andro iainana ny olona dia hanomboka hisy fahendrena ao am-pony (Sal 89), satria hahatsapa fa tsy ny harena na izay mety hireharehan’ny olona no hahavonjy azy sy hahatahiry ny ainy ho mandrakizay. Izany no hanosika azy tsy hitoky afa-tsy amin’ilay afaka manome ny tsimoky ny mandrakizay entin’ilay Fanahy Fahendrena.
Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio, ary tahaka ny sabatra roa lela, manasaraka satria mahafantatra mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo. Raha te hahalala ny fontsika, raha te hahalala antsika marina tahaka ny hahalalan’Andriamanitra antsika isika, araka izany, dia ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana hanilo antsika amin’izany. Io Teny io no “fiainantsika”, hoy ny Boky Deteronomy (Det 32, 47).
Ndeha hovakiantsika ny voalaza mikasika izany (Det 30, 14-20):
“ Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy. Indro, nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara, ny fahafatesana sy ny ratsy, tamin’ny nandidiako anao androany ho tia ny Tompo Andriamanitrao sy handeha amin’ny làlany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsìpiny, mba ho velona hianao, sy hihamaro ary hambinin’ny Tompo Andriamanitrao any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy. Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa mety hotarihina hiankohoka amin’andriamani-kafa sy hanompo azy, dia ambarako anareo dieny ankehitriny, fa ho ringana tokoa hianareo; tsy ho lava andro any amin’ny tany efa hidiranao hanananao azy, rahefa tafita an’i Jordany, hianao. Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo aho anio, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tsodrano sy ny ozona; koa fidio ary ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, amin’ny fitiavana an’ny Tompo Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’ny Tompo homena an’i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, razanao”.
Araka izany, tsy sazy avy amin’Andriamanitra fa vokatry ny safidy malalaka ataontsika ny hizotra ho amin’ny lalan’ny fiainana na tsia izay mety ho fahafatesana sy tsy fahasambarana mety ho sendra antsika. Araka izany, tsy sabatra hamono fa hisava ny lalana hizorana amin’ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra. Izany no lazain’YHWH amin’ny alalan’i Osea mpaminany hoe :
Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety. izany nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany, toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao. Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana (Os 6, 4-6).
Io ilay Andriamanitra lazain’Izaia fa ”hikapoka ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy (ny haratsiam-panahy) amin’ny fofon’ain’ny molony” (Iz 11, 4). Ambaran’ilay Teny tonga nofo moa izany fa “Andriamanitra tsy naniraka ny zanany mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao” (Jn 3, 16-18).Izay teny tsy mitondra amin’ny fahavelomana araka izany dia tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra izay “velona sy mahery”.
Ndeha hodinihintsika ny fahendrena entin’ny Evanjely, manilo antsika ho amin’ny lalan’ny fahavelomana.
Md Marka 10, 17-27
Ny zaza no afaka handray ny Fanjakan’Andriamanitra ary tsy afaka ny hiditra ao isika raha tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka azy ireo (Marka 10, 13-16), hoy ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny.
Ankoatry ny fahafahana migaga, eny fa na amin’ny zavatra madinika indrindra aza dia mampiavaka azy ireo ny fiankinana amin’ny hafa satria mahatsapa fa tsy mahavita tena. Heverina ho maha-tonga taona sy maha-olon-dehibe aza ny fisintahana amin’ny Raiamandreny ka hahazakàna tena mba tsy hiankinan-doha amin’izy ireo sy “mba hahafahana manao izay tiana atao”. Mazava loatra araka izany fa izay manana harem-be dia azom-pakam-panahy hiantehitra amin’izany ka ho voafitaka hihevitra fa mahavita tena.
Lazain’ny Evanjely anio anefa fa nisy lehilahy mpanan-karena izay nidodododo nandohalika teo anatrehan’i Jesoa. Inona no tsy ampy aminy? Ny marary efa lany haiky tamin’ny fitsaboana, ny mahantra sy ny kilemaina, ny manana havana na zanaka andohariana tsy miandry afa-tsy fahagagana intsony no matetika hitantsika ao amin’ny Evanjely fa midodododo mandohalika tahaka izany. Ny fangatahan’ilay ranamana dia ny hahalala izay atao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay!
Ny voambolana ampiasain’i Marka moa dia ny κληρονομησω (klêronomêsô), izany hoe handray ny anjara lovany (κληρος= anjara lova) amin’ny fiainana mandrakizay. Mazava loatra fa tsy nahafa-po azy ny fiainany: izay nolovainy avy amin’ny raiamanadreny dia tsy maintsy havela ho lovan’ny hafa ihany koa (Sal 49, 8.11) ka hitany tao amin’i Jesoa ilay mpampianatra tsara fanahy, afaka hanoro azy ny lalam-pahasambarana.
Eto dia mazava ny fampianaran’ny Evanjely: tsy valin’ny tomban’ezaka ataontsika no hahazoana ny fiainana mandrakizay fa lova, ka izay manaiky ny ho zanaka ihany, mitondra tena ho fahazavana ka azo fantarina ao anatin’ny haizina (Mt 25, 12 Virjiny adala ao amin’ny haizina ka tsy fantatry ny Tompon-trano), no afaka handova izany fiainana izany. Tsy noho ny fahamendrehana sanatria, fandrao hirehareha isika, hoy Md Paoly, fa araka ny « fikasàny sy ny fahasoavany » mba « hiankinantsika mandrakariva amin’ny herin’Andriamanitra » izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina » ka tsy ho menatra ho vavolombelony« (2Tim 1, 8-10).
Fanontaniana no navalin’i Jesoa ny fanontanian’ilay lehilahy: fa angaha misy tsara mihoatra an’Andriamanitra? Ka raha Ray tsara fo izy, mazava loatra araka izany fa tsy handà ny anjara lova tandrify ny zanaka tsirairay. Ny lalana natorony hahafahantsika mitahiry izany lova izany dia ny didy izay navelany. Didim-pitiavana mitondra ho amin’ny hafenoan’ny fiainana. Tsipihin’i Marka anefa amin’ny fitantarany fa ireo didy maneho ny fitiavana amin’ny olombelona ihany no notanisain’i Jesoa. Tsy miandry valim-pitia avy amintsika ankoatra ny fanehoantsika ny endriny fitiavana Andriamanitra.
Ny zanaka no mpandova, ka izay te handova dia tsy maintsy miseho ho zanaka amin’ny fiainana araka ny maha-zanaka: taha-dRay. Ny fanajana ny hafa, ny fananany sy ny ainy ary ny asany dia lalana mitondra amin’ny fitiavana, lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Fomban’Andriamanitra maneho ny hatsarany izany rehetra izany. Izy irery no tsara (ἀγαθός agathos), ary matoa manaiky an’i Jesoa ho tsara ny Apostoly, dia satria mino fa Izy sy ny Ray dia iray ihany (Jn 10, 30).
Nahoana àry no tsy mbola sambatra ilay lehilahy nidodododo nanatona an’i Jesoa na dia efa nitandrina hatry ny fony kely ireo lalàna rehetra ireo aza? Izay manao ny tsara noho ny tahotra ny ho voasazy dia tsy mbola nanalavitra loatra ny ratsy, hoy i Md Grégoire, satria te hanota ihany izy ary ataony izany raha toa ka tsy maha-voasazy. Araka ny fampianaran’ireo Farisiana teo amin’Israely koa dia mety ho antony hanajana sy hitandremana ny lalàna ny avonavona sy ny fitia te hisehoseho, hanana filakitera lehibebe kokoa noho ny hafa. Dia tsy maha-sambatra izany. Tsy tanjona fa lalana ny lalàna, ary ny hoe sambatra, amin’ny teny hebrio, dia אֶשֶׁר (‘esher), aser (אָשֵׁר ‘Asher, sambatra, na ny marimarina kokoa, izay mizotra amin’ny lalam-pahasambarana araka ny matoanteny hoe אָשַׁר ‘ashar).
Eto ary, am-pitiavana no nilazan’i Jesoa amin’ilay lehilahy fa ny maha-zanak’Andriamanitra dia lavorary rehefa izy irery ihany no harena ho antsika, ka izay rehetra eo am-pelatanantsika no sitrany hamidy ka ampiasaina mba hahasambatra ny olombelona rehetra fa tsy ny vitsy an’isa monja. Raha dinihina ny teny ampiasain’i Md Marka dia azontsika alalinina hatrany. Maninona no tsy zaraina amin’ny mahantra ny harena dia vita fa mbola hisahirana hivarotra indray? Tsy afa-misaraka ny fampivoarana sy ny asa fanasoavana. Lazain’ny Asan’ny Apôstôly fa nifampizara fananana ireo Mpianatra ka ny niafarany dia maty noana tao. Izay manana harena dia mila kolokoloina, amidy, izany hoe asiana “valeur” ka tsy hisy hivarotra zavatra ratsy, ny mivarotra dia maka tombony saingy araka ny evanjely: tombony tsy ho an’ny tena fa ho an’ny mahantra. Mora ny mivarotra ho an’ny tombontsoan’ny tena, fa mahasambatra kosa ny misiki-ponitra, hitady tombony mba hiadanan’ny hafa.
Tsy ny olon-drehetra anefa no mahazo izany teny izany. Ny fialan’ilay lehilahy tamin’alahelo teo anatrehan’i Jesoa dia mampandinika antsika tsirairay avy amin’izay zavatra mety hiraiketan’ny fontsika ka manakana antsika tsy ho sambatra.
Fantatr’i Jesoa ny fahasarotan’ny fidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy mpanan-karena hangataka izany. Hisambotra mba hangalarana sy hamitahana angaha dia hataony. Tsy asan’olombelona anefa ny fidirana amin’ny fanjakan’ny lanitra fa an’Andriamanitra izay mahavita ny zavatra rehetra. Ny fitokisana Azy, ilay hany tsara, no lalana tokana hahafahantsika mizotra amin’ny fahasambarana. Izay manana Azy ho harena tokana no hahafoy izay heveriny hananana, ka hanome izany ny mahantra, tsy amin’ny anaran’ny tenany, fa amin’ny anaran’i Jesoa, satria mahatsiaro tena fa “mpiandry omby volavita ihany, tsy tompony fa mpamerin-doha”, tsy azy fa fanomezan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao ny harena eo am-pelatanany.
Md Marka 10, 28-31
Mandehana amidio ny fanananao rehetra dia omeo ny mahantra mba ho rakitra any an-danitra dia rehefa izany dia avia manaraka ahy.
Ny Mpianatra dia nandao ny haratony, nandao ny mahazatra azy, mba hanokan-tena hanara-dia an’i Jesoa, handray ka hiaina ny fampianarany ary hanohy ny asa fitoriana natombony. Asan’Andriamanitra izany fa tsy misy hireharehan’olombelona. Rariny raha niteny i Piera hoe: indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. Sambatra izy satria tsy ny nofo aman-drà fa ny Ray izay any an-danitra no nanambara taminy fa i Jesoa no Kristy (Mt 16, 17) ka izay no nanarahany Azy
Tsy fireharehana amin’ny zava-bita araka izany no hilazan’i Piera izany. Tsy mifampitohy manko ny resaka raha izay, satria ireo Apôstôly nisalasala amin’ny mety ho famonjena ny olombelona manan-karena dia nilazain’i Jesoa fa hain’Andriamanitra atao ny misarika ny fon’ny olona handao ny harena mba hanaraka Azy. Porofoin’i Piera fa vavolombelon’izany asan’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra izany izy ireo. Izay voaantso dia tokony hanana mandrakariva izany “reflexe” izany, hahatsiaro tena fa “fanaka voafidy” haneho ny asa maherin’Andriamanitra ny fiainany, ka sady mitoky no mahatoky amin’ilay niantso azy.
Ambaran’i Jesoa fa tsy ho very valisoa izay mahafoy. Tsy ao anatin’ireo voalaza fa hafoy ny vady. Mazava loatra fa sady tsy manaja ny maha-olona no tsy ara-dalana ny hanariana ny vady. Manaporofo izany moa ny lazain’i Md Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina: “Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ny mino va izahay, tahaka ny Apôstôly sasany koa sy ny rahalahin’ny Tompo ary Piera?” (1 Kor 9, 5). Mazava loatra araka izany fa niarahan’ireo Apôstôly (efa nanambady) misalahy tamin’ny vadiny ny fitoriana ny Evanjely. Amin’ireo valisoa miampy fanenjehana kosa, dia tsy ao intsony ny “ray”, satria ilay ray nafohy dia nanjary Ray iombonana, mampitombo isa ny rahalahy sy anabavy. Fahafoizana noho ny fitiavana an’i Jesoa sy ny Evanjely no valian’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay.
Mampifamadika ny fomba fisainana izany, ka tsy azon’izay tsy mahay mandray ny fahasoavana. Tsy hoe Andriamanitra manko no tsy manome ny fahasoavany, fa isika no mandraraka ilo mby an-doha indraindray. Ny tsy fahaizana mandinika ka miaina araka ny fahasoavana, hitadiavana ny toerana voalohany sy ny voninahitr’izao tontolo izao no mety hampitsitotongana any amin’ny farany, satria mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany, mampanalavitra ny hatsarantsika sy ny hatsarany.
Angatahontsika mba hahaizantsika mibanjina mandrakariva ny zava-mahagaga tanterahiny eo amin’ny fiainantsika, hahaizantsika manesotra ny fontsika amin’ny firaiketana amin’ny zavatry ny tany ka hahatonga antsika ho fanomezan-tsarobidy, hanolo-tena hanara-dia azy hitory ny Evanjely eo am-pihirana lalandava ny halalin’ny fitiavany mitsimbina ny fahantrana sy ny fahalementsika.
Ho haintsika anie ny handray ny hazavana mahavelona avy amin’ny Teny, ka hahazoantsika ny fahasoavana maha-zanaka, hahafoy ny harena mandalo mba ho antoka hahazoana ny harena maharitra mandrakizay.