Zoma faha-26 mandavantaona
- Ankasa Joba 38, 1-21; 40, 3-5/Salamo 138
- Tsy ankasa Baròka 1, 15-22/salamo 78
- Md Lioka 10, 13-16
[Hitondra fiadanana no antony anirahana azy ireo, ka izany fiadanana izany no rariany ho an’izay trano idirany. Izay mandray izany fiadanana izany ihany manko no afaka mandray koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tahaka ny zanak’ondry eo anivon’ny amboadia anefa ny mpianatra, ka tsy sanatria hivadika amboadia koa mahita ny amboadia. Ny fandavana no farahery ananan’ny ratsy ka raha maharitra amin’ny maha-zanak’ondry azy ny mpianatra dia mandresy ny fitiavana, ka izay heverin’ny ratsy ho fandreseny no fahafatesany mandrakizay, tahaka an’i Jesoa voafantsika teo amin’ny hazofijaliana. Izany no mahatonga ny mpianatra hanintsana ny vovoka amin’ny tongotra, hilazany fa tsy hanaraka ny mety ho faharatsian’izay tsy nandray ny Teny izy.
Ny teny ampiasaina amin’ny grika nadika hoe: manintsana (ἀπομάσσομαι, ἀπομάσσω: apomassomai) sy miraikitra (κολλάω) anefa dia azo ilazana ihany koa ny fanamainana ny fery mba hijanonan’ny ra (ἀπομάσσω), ary fikatonan’ny fery rehefa sitrana (κολλάω, kollao). Ny ratrany no nanasitranany antsika, hoy Izaia Mpaminany (Izaia 53, 5). Mbola mitondra izany fery izany amin’ny tenako aho, hoy i Md Paoly (Gal 6, 17).]
Ny mpianatra araka izany, raha sanatria misy fandavana dia mandray anjara amin’ny fandavana an’i Jesoa. Tsy ny fandavan’ny olona tolorana tsy akory no hanidy ny fon’izay vonona hizara. Tsy resaka “fanatisme” na filan-dera manko no antony hitoriana fa noho ny fo tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliana maha-zanaky ny Ray. Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy i Md Paoly (1 Kor 9, 16).
Izay tsy mandray araka izany dia tsy voahozona fa hitomaniana. οὐαί (ouai) moa amin’ny grika dia maneho ny alahelo amin’ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, ny alahelon’ilay nanao izay tratry ny aina saingy nolavin’ilay notiavina kosa. Na ny dikan-teny vaovao hoe “mila loza ianao aza” tsy mahadika azy. Ny marimarina kokoa dia hoe “loza ho ahy noho ianao”, ary izany no noporofoin’i Jesoa maty teo ambony hazofijaliana noho ny fahotan’ny olona.
Ny fitiavana, na dia tsy valiam-pitia aza tsy mba mamaly faty, tsy miandry kendry tohina. Ny mpianatra, araka ny voalazantsika teny aloha, mijanona ho zanak’ondry na dia eny afovoan’ny amboadia aza. Tsy ny habetsahan’ny fahagagana no hampibebaka ny fo fa ny fisokafana amin’ny hazavana entin’i Kristy. Raha ny fahagagana natao tany Tira (צוֹר tsôr, vatolampy) sy Sidona (צִידוֹן Tsidôn, fanjonoana mioham-pampana) no natao tany Korozaïna (miafinkafina, maizin’ny setroka) sy Betsaida (צַיָּד tsayad, tananan’ny jono) dia efa ela no nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona (tahaka an’i Niniva, fahavalon’Israely nanirahana ny mpaminany Jonasa 3, 8).
Izay tsy mandray ny fahasoavana azony araka izany ka mahay mampiasa azy araka ny tokony ho izy, dia mampalahelo ihany. I Kafarnaoma (tananan’ny fanalana alahelo), nanombohan’i Jesoa ny fampianarany, araka izany raha tsy mibebaka dia haetry hatrany amin’ny afobe (hades, toeran’ny maty), saingy ny fitiavan’Andriamanitra, ventesintsika amin’ny fiekem-pinoana dia manambara fa hatrany amin’ny “afobe” (שְׁאוֹל – shéol na ᾅδης hades: a-εἰδῶ eido, fiainan-tsy hita, hoy ny protestanta) dia nidinan’i Jesoa koa mba hitondrany ny hazavan’ny fitsanganany ho velona (KFK 633).
Izay manaiky ho iraka ary araka izany dia mahatsapa fa tsy azy fa an’i Jesoa, an’ny Ray ny fanirahana, ka Izy no mijaly kokoa noho izay mety tsy nahazo fahombiazana ary Izy koa no sambatra kokoa noho ireo voasoratra anarana any an-danitra (rahampitso). Himombom-po tokoa aminy anie isika nofidiany ka hanana fo mangoraka tahaka ny Azy, malemy fanahy sy manetry tena.