Sabotsy IV Karemy
- Vakiteny I : Jeremia 11,18-20,
- Salamo 7,2-3,9bc-10,11-12,
- Evanjely : Md Joany 7,40-53
Ny tsy fitovian-kevitra be ihany mikasika an’i Jesoa no ambetin-dresaky ny Litorjia mba hampiditra antsika amin’ny misterim-pitiavana (Passio) izay manomboka ny alahady fahadimy. Na amin’izao fotoana izao aza manko dia mboka manohy ny fijaliany ao amin’ireo vavolombelony i Jesoa. Tokony hazava amintsika anefa fa tsy fitia te hijaly ny azy fa fijoroana amin’ny hitsiny sy ny fiarovana ny fahamarinana no mampitondra fijaliana izay mety hiafara amin’ny fahafatesana aza.
Indraindray aza tahaka ny zanak’ondry bonaika (אַלּוּף al-loof = folaka, animal apprivoisé) hoy i Jeremia ireny olomarina ireny, ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory. Ny teny malefaka sy ny fiatsaram-belatsihy no entin’ny mpanao ratsy avy eo hamongotra azy hatramin’ny voany, tsy ho ety an-tanin’ny velona intsony. Tsy izany anefa no hanakana antsika tsy hanao soa sanatria. Eo ny mety ho fahadisoam-panantenana, izay matetika mampikafara fa tsy ho voan’ny mpamitaka amin’ny lainga tsara lahatra intsony, ary mety ho tonga hatramin’ny fanidiana ny fo mihitsy aza ka tsy hatoky na iza na iza intsony amin’ny manaraka. Mazava anefa ny torohevitry ny Mpaminany. Tsy hiasa saina amin’izany fa hanankina ny zavatra rehetra (ady) amin’Andriamanitra izay mamantatra ny voa, (כִּלְיָה kil’yah, siège de l’emotion et d’affection: ny fietseham-po) sy ny fo (לֵב leb, l’homme interieur: ny atifo). Tsy sakana tsy hanaovan-tsoa ny haratsiam-pon’ny sasany.
Lazain’ny Evanjely fa Nazareana no nahafataran’ny olona an’i Jesoa. I Matio no nanoratra ny fahaterahany tao Betlehema, amin’ny maha-taranak’i Davida Azy (Evanjely Md Josefa). Ho an’ireo lohandohan’ny mpisorona sy Farisiana kosa, tsy mahalala afa-tsy ny maha-galeleana an’i Jesoa izy ireo. Manoloana ny asany sy ny teniny izay nampiloa-bava ny miaramila anefa, dia niha-mafy ihany ny fankahalana an’i Jesoa ary niafara hatramin’ny fanivaivana ny vahoaka izay lazain’izy ireo fa “olon’ny tany” (am’ harets), voaozona satria tsy mahalala sy tsy manam-potoana handalinana ny Lalàna. Eo ihany ny fijoroan’i Nikodema hilaza fa tsy afaka manameloka aloha raha tsy efa avy nihaino ilay nampangaina. Raha ny fiavian’i Jesoa (amin’ny maha galeleanina azy) manko no sakana tokana tsy hinoana Azy, dia fantatsika kosa fa tanteraka ao Aminy amin’izany fankahalana izany ny Soratra Masina.
Tsy ampy araka izany ny mianatra sy mandalina (eny fa na dia ny Soratra Masina aza). Izay te hahalala an’i Jesoa dia tsy maintsy manatona Azy, miray petsapetsa Aminy: “avia ka zahao”, hoy Izy (Joany 1, 39). Izay mihaino Azy amin’ny fo mahitsy no tahaka ireo miaramila koa, ho vaky vava hilaza fa “tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny”, ka tsy nahasahy nisambotra Azy. Izay mitompo teny fantatra dia tsy afaka ny hisokatra amin’ny Fanilovan’ny Fanahy izay manavao sy mandavorary ny zavatra rehetra (sy ny fahalalana).
Sarotra ny hiroso amin’ny fahalalana an’i Kristy raha izay nahazatra sy haintsika tsianjery hatry ny fony kely na izay hevitra masaka ao an-tsaintsika ihany no ekentsika ho marina, ka hikiribiby hanizingizina fa tsy misy Mpaminany avy any Galilea. Tsy fantany anefa fa tsy avy any i Jesoa.
Handio antsika amin’ny hevi-diso anie ny Fanahy Masina ka handavorary ny fontsika ho mendrika an’Andriamanitra, hahalala ka hitombo fitiavana Azy isan’andro, eto ampiandrasana ny fankalazana ny Fandreseny ny fahafatesana.