Alahady faha-5 A Karemy
I Kristy no Fiainana sy Fananganana ho velona.
- Vakiteny I : Ezekiela 37,12-14,
- Salamo 130,1-2,3-4ab,4c-6,7-8,
- Vakiteny II : Romana 8,8-11,
- Evanjely : Md Joany 11,1-45.
« Ampio izahay, ry Tompo, hizotra faingana ho any amin’i Kristy Zanakao! ». Izany vavaka anombohana ny Sorona Masina izany, raha vokatry ny fo, dia mamintina ny fampianarana ampitain’ny vakiteny anio : « Mpivahiny isika no ety an-tany, tany fandalovana no ety. » Fa handalo ho aiza anefa. Mila mazava ao an-tsaina koa ny tanjon’ny dia.
Ambaran’i Ezekiela Mpaminany (Vakiteny I) fa « ny Fanahin’Andriamanitra ataony ao anatintsika no loharanon-kavelomana », ka hamoaka antsika hiala amin’ny fasana. Io ilay Fanahy nanangana an’i Kristy ho velona (Vakiteny II) sady manadio ny fahotantsika, ary ny marainan’ny Paka dia io Fanahy io no nomen’i Jesoa ny Apostoly hahafahan’izy ireo mamela heloka (Jn 20, 22-23). Ny fanavotana andrasan’ny olombelona manko dia izay nodradradradraintsika tamin’ny salamo 129 : « Ny famelàn-keloka angatahina amin’ny Tompo« . Maimaim-poana izany famelan-keloka saingy tsy ny rehetra no mahatsapa ny hasarobidiny sy ny lanjany. Izany no mahatonga ny Mpanao salamo milaza hoe: sambatra ny olona voavela heloka (Sal 32).
Inona moa no fasana mitana antsika tsy ho velona raha tsy ny fahalemena sy ny fahotana izay maneho ny fetrantsika olombelona manoloana ny avonavona te hitovy amin’Andriamanitra, te hitantana ny fiainantsika araka izay heverintsika ka anilihana ny fitiavany. Ny Vakiteny II tamin’ny alahady heriny (Efezy 5, 8-14) dia mampahatsiaro antsika fa ny fizorana amin’ny mazava no hahafahana mahita ny haratsin’ny fahotana ka hankahalana azy ary hitsanganana ho velona (eigerô) ho amin’ny fiainam-baovao.
Ny Evanjely (Jn 11, 1-45) izay mitantara ny nanaganan’i Jesoa tamin’ny maty an’i Lazara sakaizany, dia mametraka antsika ao anatin’ny Lovam-panahin’ny Karemy, amin’ireo Alahady dimy izay nanomanana ireo Katekomena amin’ny sakramenta Firosoana ho Kristiana. Ny Katekomena moa dia anarana iantsoana ireo nangataka ny ho kristianina ary tsy mbola vita batemy fa efa voaray am-pahibemaso kosa teo anivon’ny Fiangonana; ireo efa vita batemy dia nantsoina ho « fidèle« , Mpino mahatoky satria efa voasedra. Raha atao dikanteny malalaka moa ny hoe katekomena (participe passé de Katecheo) dia manambara ny fianaram-pinoana noraisina ka mitaky ny fampiharana izany eo amin’ny fiainana (Kata= avy any ambony/mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy echo = misy akony/ankatoavina ka ampiharina eo amin’ny fiainana).
Tsara ny ampatsiahivana fohy ireo dingam-piofanana ireo, satria hahafahantsika manavao koa ny maha-Mpino antsika izany.
Ny firosoana ho kristianina dia miainga avy amin’ny hetahetam-po te hihaona amin’ny Tompo. Izany no anasiana tsindrim-peo amin’ny fifadian-kanina (fandavorariana ny fifandraisana amin’ny zavaboaary), amin’ny fifampizarana (fandavorariana ny fifandraisana amin’ny namana, tsy fihantrana ny hafa fa fampahantrana ny tena) sy amin’ny fivavahana (fandavorariana ny fifandraisana amin’Andriamanitra). Ireo no lalana, kiady telo atoron’ny Evanjely raha tiantsika ny ho lavorary. Izay ezaka ataontsika izay anefa dia tsy fisehosehoana ivelany ihany fa tolona mandritra ny Fiainana. Voaantso ho amin’ny fanantenana isika Kristiana, voaantso hanatanteraka ny Lalàna sy ny Mpaminany tahaka an’i Kristy, hany ka mila manovo hery ao amin’ny hazavany mba hankahery antsika amin’ny andro sarotra (Ny fiovan’ny Tompo tarehy, alahady II).
Ny fahatapahan-kevitra hiroso amin’ny batemy na hanavao ny toky nomena tamin’ny batemy, dia fiekem-pinonana lalina, satria faniriana ilay « rano omen’i Kristy, izay tonga loharano miboiboika ao anaty, hatrany amin’ny fiainana mandrakizay« . Na mety hampisitri-belona antsika ao am-pasana aza ny henatr’olona sy ny tahotra, i Jesoa kosa mahita mandrakariva ny fomba hanantonana antsika, tahaka ny nataony tamin’ilay Samaritana nandeha nantsaka mitataovovonana (nanilika ny tenany: alahady III), tahaka ny nataony tamin’ilay teraka jamba voaroaka tao amin’ny sinagoga (nahiliky ny mpitondra fivavahana: alahady IV), ary na dia any am-pasana aza isika, nototofan’ny olona vatobe mba tsy hivoaka ao intsony, dia mbola Izy Jesoa ihany no ho avy hamonjy antsika any (nahiliky ny fiaraha-monina mihitsy, efa maimbo: alahady V). Antsoiny isika mba hanamafy ny fitokisana an’Andriamanitra, ka hitory izany amin’ny hafa.
Izany manaiky hiray aina amin’Ilay Iraky ny Ray (farihin’i Siloè) dia mila mandrakariva ny fanilovan’ny Fanahy mba hampijoro azy koa ho iraka. Io no Fankaherezana ijoroantsika ho vavolombelon’i Kristy, tsy sanatria hatahotra tahaka ireo raiamandrenin’ilay teraka jamba fa hiaiky ny marina, hahatsapa ny fitiavany (Lk 15)[1] ka hanambara izany amin-kerim-po. Ny sakramentan’ny firosoana ho kristiana mbamin’ny “fampihavanana sy fibebahana” (konfesy) dia efa santarin’ny katekomena tsikelikely amin’ny dingana telo ataony mialoha ny batemy. Izany no iantsoana ireo mpiroso amin’ny dingana ho “voafidy”, ary anaovana ny fombam-pivavahana “fanadiovana” sy “fanazavana”, hilazana sy hiekena ny hamafin’ny fon’ny olombelona tsy mety mibebaka ka mila ny fanampian’ny fahasoavana. (Azo jerena ireo dinika telo ao amin’ny Vavaka sy Hira p. 108izay mizara roa : fivavahana sy fandroahana demony … batemin’olon-dehibe).
Ny fahotana sy ny heloka vitantsika anefa dia tsy hahafahantsika mitraka, mamarina antsika anaty hantsana lalina (Salamo 129) ary indraindray aza, hitsaran’ny fiaraha-monina antsika tsy ho mendrika ny velona intsony (tahaka ilay vehivavy tratra nijangajanga. Jn 8, 1-11 vakiana ny Alahady 5 taona D). Raha iverenantsika anefa ny vakiteny anio, dia manampy antsika Ezekiela Mpaminany mba hahatsiaro fa tsy vitan’ny hoe babo isika fa tahaka ny maty efa mandry any am-pasana mihitsy kanefa Izy Tompo no manome ny Fanahy mba hahavelona antsika. Izy no mamerina antsika amin’ny tany sitrany hamokarantsika.
Ny famelan-keloka atolony an’izay eo anilany (Sal 129) dia fanavaozan’Izy Ray ny fanekem-pihavanana mba hahafahan’ny zanany rehetra mihazo ny lalam-pahasambarana ka hihaiky sy hidera ny hatsaram-pony tsisy fetra. Io Famindram-po io no anehoany ny heriny tsy hay tohaina (Prefasy Fampihavanana I) ka tsy hanararaotra izany sanatria ireo izay mino Azy fa hiezaka kosa hanahaka ny fahalavoriana asehony amin’ny asany mahatalanjona. Ny “Tahotra an’Andriamanitra” dia ny fiekena fa raha tsy ao Aminy tsy afaka ny hahefa na inona na inona isika (Jn 15, 5).
I Md Paoly ao amin’ny vakiteny faharoa dia milaza fa tanteraka amin’ny maha-vatana iray antsika ao amin’i Kristy ny Faminanian’i Ezekiela satria efa nomena antsika mba hanangana antsika ho velona ilay Fanahy nananganana an’i Kristy ho velona. Izay tsy mifanaraka amin’ny fahalavorarian’ny fitiavan’Andriamanitra araka izany dia zavatry ny nofo ihany ka tsy tokony hifikirana akory.
Ny Evanjely kosa dia mamarana ny fitantarana ny asa nataon’i Jesoa hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra kahanombohany ny fitantarana ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan-ko velona. Ny “fananganana an’i Lazara ho velona mandrakizay” no fanambarana fa Izy no loharanon’ny Fiainana, Izy no fiainana ka afaka manome antsika ny aina feno amin’ny maha-Zanaka lahitokana mpandova ny Ray Azy (Jn 10, 8ss).
Amin’ny fanomezany ny hafenoan’ny fiainana ho an’i Lazara (אֶלְעָזָר ‘El`azar, midika hoe novonjen’Andriamanitra, anarana manambara fa ilay mahantra dia tsy adinon’Andriamanitra tao am-pasana tsy akory) no handraisan’i Jesoa kosa ny fanamelohana avy amin’ireo niketry ny hahafaty Azy (Jn 11, 53). Ny fahafatesany no tambin’ny aina natolony ho antsika. Izay hahafoy ny ainy anefa no hahavonjy azy, hoy ny fampianarany ary izany fahafoizana hanomezany antsika ny hafenoan’ny aina izany no handreseny ny fahavalo farany dia ny fahafatesana (1 Cor 15, 26).
Maro ireo Aban’ny Fiangonana no nahita ao amin’ny fanangana an’i Lazara ho velona ny fiainantsika vita batemy, maty ny amin’ny fahotana (Jenezy 3, 19) mba hitsangana kosa amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Tsy maintsy esorina anefa ny vato natsindry ny fasana, vato nentin’ny Jody hahatsiarovana ny fiainan’ilay nalevina, fa vato koa mety hanakana azy tsy hanelingelina ireo mihevitra ho velona. Ny sasany, avy mametraka ny vato dia mihira ny salamo (Sal 3,3) manao hoe: Tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin’Andriamanitra!
I Maria sy ny Jody moa nitomany (κλαίω klaio), midradradradra noho ny fahadisoam-panantenana amin’ny nahafatesan’i Lazara (and. 33), i Jesoa koa nitomany (δακρύω dakruo), nandrotsaka ny ranomasony (and. 35). Tsy ny fahafatesan’i Lazara anefa no tena nampitomany Azy fa ny tsy finoan’ny mpianany sy ny tahotra nameno ny fon’izy ireo. Tsy tomanin’ny very toky fa alahelom-pitiavana. Henontsika teo ny vavan’i Tomà : » Andeha koa isika mba hiara-maty aminy » (and. 16), ny an’i Marta sy Maria: “Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko” (and. 21.32), izao “efa maimbo izy izay” (and. 39).
I Kristy anefa tonga mitady ny very ary manangana ny olona rehetra ho velona ao Aminy. Ary izay maty ka miara-mitsangana miaraka Aminy, hoy i Paoly dia tsy ny zavatry ny tany fa ny zavatra any ambony any amin’izay misy an’i Kristy no katsahina (Kolosy 3, 1). Tsy “Lazara” (voalevina) ihany araka izany no atsangan’i Kristy ho velona fa ireo anabaviny (mpandevina) sy ny Jody koa, satria izay mino dia tsy ho faty fa ho velona mandrakizay (Jn 11, 26, mampahatsiaro ny toko faha-6 manontolo izay efa voalazany, hoy Jesoa). Izay mino no afaka manala ny vato tsindrin’ny fasana sy hamaha ny fatoran’ireo mbola andevozin’ny aloky ny fahafatesana sy ny fahotana ka hamela azy handeha, hizotra ny lalam-baovao mitondra mankany amin’ny fahasambarana.
Ny voalaza amin’ny dikantenintsika moa dia hoe: “niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa hoe: Mivoaha, ry Lazara”. Ny hoe “mivoaha” eto amin’ny teny grika dia δεῦρο (deurô, izay adverbe), “avia aty”, “aty amiko”. Io teny io koa no ampiasain’i Jesoa amin’ilay zatovo te ho lavorary ka rehefa avy mivarotra ny fananany rehetra sy hanome ny vidiny ho an’ny mahantra (mivoaka amin’ny fasan’ny harena namatotra azy) dia antsoiny (deurô) hanaraka Azy (Mt 19, 21/Lk 18, 22), io ihany koa no ampiasain’i Joany ho an’izay voaantso hizaha ilay ampakarina ho Vadin’ny Zanak’Ondry any amin’ny fanjakan’ny lanitra (Fan 21, 9). Ny ho any Aminy, hanara-dia Azy, hiombom-piainana Aminy, araka izany no iantsoan’i Jesoa antsika hiala ao amin’ny fasana na amin’ity fiainana ity na any amin’ny mandrakizay.
Tsy fahataperam-piainana araka izany ny fahafatesana, na ny amin’ny fahotana izany na ny amin’ity fiainana ara-boajanahary (biolojika) ity. Manova ny fomba fisainana manontolo ny fanantenana ny Fiainan-ko avy fa manova ny fomba fiainana kosa ny fanandramana izany fiainana izany dieny izao, amin’ny fiaraha-misakafo amin’i Jesoa ao amin’ny Teniny sy amin’ny Tenany. Izay manaiky ho faty ny amin’ny fahotana, hiala ao amin’ny aloky ny fahafatesana sy ny fahotana ihany anefa no afaka hanandrana amin’izany fanasana izany.
Manazava izany koa ny tohin’ny Evanjely. Ao amin’ny toko faha 12 dia mitohy ny fitantaran’i Joany fa niverina tany Betania i Jesoa (henemana talohan’ny paka) ka teo koa i Lazara ilay natsangany ho velona (ἐγείρω egeiro), tsy tompontrano fa mpiara-misakafo i Lazara, ary sakafo hariva no natao. Nanaovana nahandro moa ny dikan-teny ao, fa ny δεῖπνον (deipnôn) dia sakafo hariva no dikany, ary ampiasain’i Joany hilazana ny sakafo farany namoronan’i Jesoa ny Sakramentan’ny fanompoana (Jn 13, 2-3; 21, 20) sy ilazany ilay fanasan’ny Zanak’Ondry any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra ihany koa (Apok 19, 9.17). “Vahao izy ka avelao handeha” (Jn 11, 44). Navela handeha nanatrika ireo fanasana ireo izany i Lazara.
Ny fanetren-tena hitalahoana mandrakariva ny famindrampon’Andriamanitra dia anisan’ny maha-kristianina ny kristianina. Ambaran’ireo fanompoam-pivavahanana amin’ny firosoana ho kristianina izany, fa ampahatsiahivin’ny Litorjian’ny Lamesa ihany koa, indrindra moa manoloana ny tsiambaratelon’ny fahafatesana[2] izay mampivaraontsana mandrakariva ny fon’ny olombelona (GS 18).
Alao hery ary ny fiomanantsika amin’izao Paka izao (eny fa na dia tsy araka ny fomba mahazatra isan-taona no hiainana azy noho ny Covid-19 tamin’ity taona 2020, ka hampitomboana ny fotoana hivavahana any an-tokantrano, handalinana bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra sy ny hahatonga nofo azy eo amin’ny fiainana an-davanandro), satria fiainantsika isan’andro no tian’i Jesoa hazavaina amin’ny misterin’ny Fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.
Dia samia manokana fotoana handinihana izay
fiezahana natao nandritra izay karemy izay, indrindra amin’ny lafin’ny fivavahana,
ny famolahan-tena ary ny asa hanehoana ny fitiavan’Andriamanitra.
[1] Amin’ny taona D dia ny Evanjelin’ny Zaza mpandany no vakiana eto (Lk 15)