Alakamisy IV Karemy
- Vakiteny I : Eksaody 32,7-14,
- Salamo 106 (105), 19-20,21-22,23,
- Evanjely : Md Joany 5,31-47,
Ambaran’ny vakiteny voalohany fa tezitra tamin’ny vahoakany Andriamanitra ary nolazaina fa tsy Izy fa i Moizy no nitondra azy ireo niakatra avy tany Ejipta. Nampanantena an’i Moizy ho tonga vahoaka lehibe Izy, tahaka ny nataony tamin’i Abrahama (Jen 12,2) fa handringana kosa ity vahoaka mafy hatoka ity. Tsy nanaiky izany anefa i Moizy. Izay Mpamimany marina araka ny fon’Andriamanitra dia miray fo mandrakariva amin’ny vahoaka, na dia mpanota aza, ka mitalaho famindram-po ho an’ny vahoaka, manala tsiny azy “eo anatrehan’Andriamanitra” (cf. Amosy 7, 2-3). Ny fangatahany manko tsy miantehitra amin’izay mety ho soa ataon’ny vahoaka, na amin’izay mety ho fibebahany na izay mety ho fampanantenana (poakaty na tsia), fa amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy amin’ny fitiavany tsy mivadika. Mahatoky Izy, ka izay mahalala ny Tavany dia mahalala fa “na manandino ny naterany aza ny reny, Andriamanitra tsy manadino ny vahoakany”.
Tsy Andriamanitra velively no handeha handringana ny vahoaka araka izany. Fantantsika ny tohin’ny tantara ka rehefa tafidina tao an-toby Moizy dia amin’ny anaran’Andriamanitra no nanirahany ny zanak’i Levi nanaiky hiara-dalana aminy ka hahazo ny tso-drano mba handringana ny vahoaka sisa rehetra mikomy. Teo anatrehan’Andriamanitra izy nitalaho fa teo anatrehan’ny zava-misy kosa tsy mbola nahatsindry fo. Lazain’ny Salamo setriny koa fa ny vavak’i Moizy no nampitony ny hatezeran’Andriamanitra. Izany tokoa ve?
Ny Evanjely kosa entin’i Joany hanambarana fa i Jesoa tokoa no ilay Moizy vaovao, mitalaho ho an’ny vahoakany. Tsy manambara tena i Jesoa fa ao ny fanambaran’i Joany Batista, manambara Azy ireo asany izay fanehoana ny Fitiavan’ny Ray izay naniraka Azy. Fa eo koa ny Soratra Masina izay manambara an’i Jesoa, ilay loharanon’ny fiainana mandrakizay. Saingy izay tsy manana ny Fitiavan’ny Ray dia tsy afaka ny hisokatra amin’ny finoana. Izay mitady voninahitra ho an’ny tenany dia tsy maintsy hamalifaly ny olona ka tsy afaka ny hitombo voninahitra eo anatrehan’Andriamanitra. Mazava loatra araka izany fa izay Mpaminany milaza ny marina, satria tsy mitady ny tombontsoany fa milaza kosa izay mahasoa ny olona, manao teny tsy misorona, hoy ny Ntaolo, indrindra amin’ny fananarana mba hialana amin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy, dia ankahalaina, ary vonoina mihitsy aza, toy ny nataon’ny Jody tamin’i Jesoa.
Tsy i Jesoa no hiampanga ny Jody, tsy Andriamanitra no hiampanga ny vahoakany, fa ny fitadiavan’izy ireo ny fahasambarana (ao amin’ny Torah-Lalàna) kanefa hanarahany kosa avy eo ny lalana mifanohitra amin’izany. Ambaran’i Joany mazava araka izany, ary amafisin’i Md Lioka koa izany (Lk 24, 44.47) fa tsy afaka ny hahalala an’i Jesoa izay tsy mino ny nosoratan’i Moizy, satria ny Lalàna sy ny Mpaminany rehetra dia manambara Azy avokoa, manambara ny lalana mitondra amin’ny Tany nampanantenain’Andriamanitra hahasambatra ny zanany rehetra.
Angatahontsika ary ny hitafy ny indrafon’Andriamanitra ka ho tonga apostolin’ny famindram-po tahaka an’i Moizy, ary hisafidy ny fanavotana ho an’ny vahoaka toy izay ny ho tonga firenen-dehibe. Ary hitombo fitiavana ny Soratra Masina anie isika mba hahalalantsika bebe kokoa an’i Kristy ilay hany loharanon’ny Fiainana Mandrakizay.