Alakamisy manaraka ny lavenona
- Deterônômy 30, 15-20/
- Salamo 1/
- Lioka 9, 22-25
Manomboka ny Karemy isika dia ampian’ny Litorjia mba hanitsy izay toe-tsaina mety tsy mifanaraka amin’ny maha-kristiannina antsika. Voalohany amin’izany ny fiheverana momba ny voninahitr’Andriamanitra: tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, holavin’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny Mpanora-dalana ary hovonoiny. Ny fahefa-mahefa mihitsy no hioko hanohitra an’i Jesoa. Tsy fandresena fa fahavoazana araka ny fijerin’izao tontolo izao no iantsoan’i Jesoa izay te ho mpianany. Mora ny mampiasa fahefana hanakanana ny hafa tsy hanao ratsy, fa nosafidian’Andriamanitra kosa ny hanaja ny fahafahan’ny olombelona, nataony eo anatrehany ny tsodrano sy ny ozona (Vakiteny I) ka najainy ny safidin’ireo lehibe natao hiaro ny aina sy ny fahamarinana na dia ny fahafatesan’ny Zanany aza no tambin’izany, ary izany no nahafahany nanoratra ny tantaram-pitiavana lehibe indrindra: mahafoy ny ainy ho an’izay tiany. Avy amin’izany faharesena (araka ny toe-tsain’olombelona) izany no nananganany an’i Kristy ho velona amin’ny andro fahatelo.
Ho antsika olombelona, rehefa mamela ny hafa hisafidy mazàna miandry ny fahavoazany mba handatsàna azy, satria hoe efa nampitandremina. Ho an’Andriamanitra kosa, fitiavana mandrakizay Izy, ka na tsy misafidy ny lalan’ny fiainana aza ny zanany dia hafaliana ho Azy mandrakariva ny miandry ny hiverenany: hanaovany fety. Izany lalàn’ny Tompo izany no sain’ny olo-marina, hoy ny Salamo, ka hahafahana mamokatra ara-potoana sy hahomby amin’izay rehetra atao.
Izay te hanaraka an’i Jesoa ary dia tsy maintsy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka azy. Tsipihan’i Md Lioka fa ny olona rehetra no ilazan’i Jesoa izany. Tsy an’ny masera sy ny mompera ihany ny fandavan-tena fa an’izay rehetra te hanaraka Azy:
- Fandavan-tena satria izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy (Lk 17, 33), ny ain’Andriamanitra manko mitombo amin’ny fizarazarana azy;
- fitondrana ny hazofijaliana ka tsy afaka ny ho tonga mpianatra (Lk 14, 27) izay tsy mitondra izany “isan’andro”. Mora ny misehoseho indray na indroa na mandra-paha… tsy izany no angatahin’ny Evanjely fa ny fitozoana isan’andro hitia, tsy hanaiky ho resin’ny fakam-panahin’ny voninahitra sy ny fitiavan-tena. Mazava loatra fa fahafatesana mahafa-baraka no miandry izay te hikitikitika ny “mpifehy ny tontolo” tahaka ny loholona sy mpisorona ary mpanora-dalàna tian’ny andron’i Jesoa.
- Voaantso hanaraka ny diany izay te ho mpianany.
Dia izany ny lalana anasan’ny Fiangonana antsika mba hodiavina. Inona moa no soa azon’ny olona raha very ny tenany ka ho voaheloka izy? Tsy kajikajy hahazoana ny harena sy ny voninahitr’izao tontolo izao tsy akory ny fanarahan-dia an’i Kristy. Tokony handini-tena ihany izay miasa ho an’ny Fiangonana, na ny marimarina kokoa, irahin’ny Fiangonana hiasa, sao ny fampiitomboana ny haren’ny tany no himasoana, ka sanatria adino fa tsy ny harena ihany fa ny tena manontolo mihitsy aza no antsoin’i Jesoa ho lavina ka hanoloran-tena manontolo ho an’i Kristy sy ny Evanjely.
Ny fizorantsika ho any amin’ny Paka anie hampitombo ny faniriantsika hiaina ny Evanjely araka ny irin’i Kristy, handinihantsika ny fijaliany ka hahatsapantsika bebe kokoa hatrany ny fitiavany, tsy hampitombo ny fiatsaram-belatsihy sy ny ranomaso manetsin-keloka fa hampitombo kosa ny finiavana hitia tahaka ny nitiavany antsika. Izany no hanaovana ny Lalan’ny Hazofijaliana isaky ny Zoma.