Alarobia faha-enina mandavantaona
- Tsy ankasa Boky Jenezy 8, 6-13.20-22/Salamo 115/
- Ankasa Jakôba 1, 19-27/Salamo 14/
- Md Marka 1, 22-26
Niverina tany amin’ny tanin’ny Mpanjono (Betsaida) indray i Jesoa sy ny Mpianany. Araka an’i Lioka (Lk 9, 10) dia tao no nizaran’i Jesoa ny Mofo ho an’ny olona dimy arivo, ho an’i Marka kosa, tany no nanirahan’i Jesoa ny Mpianatra nandritra Azy nandrava ny vahoaka, nivavaka tany an-tendrombohitra taorian’ny fizarana ny mofo (Mk 6, 45). Eo no nitondran’ny olona ilay jamba mba hikasika Azy.
Jamba izay tsy afaka ny mibanjina ny hakanton’ny tontolo manodidina azy, ka na ny raozy mahafatifaty eo an-jaridaina aza, heverina ho tsilo mampidi-doza ka tokony hitandremana. Ny ratra na ny tsindrona azontsika avy amin’ny hafa matetika no hahafahantsika mahalala na mahiratra isika na jamba ka tsy afaka ny hijery intsony ny hakanton’ny rahalahy sy anabavy noharian’Andriamanitra mitovy endrika aminy mba handravaka ny zaridainantsika.
Rehefa nangatahin’ireo “mpiantoka” i Jesoa mba “hanendry” azy (ἅπτομαι haptomai > ἅπτω hapto mandrehitra afo). Dia notantanan’i Jesoa hivoaka ny tanàna ilay jamba. Ny tanàna lazaina eto moa dia κώμη (kômè) amin’ny teny grika, hilazana ny fonenana hialan’ny mpiasa sasatra fa ireo koa no tanàna notetezin’i Jesoa mba hampianarany (Mk 6,6) ary ilay tanàna nifatoran’ilay zanak’apondra misy ilan’ny tompony azy (Mk 11,2).
Fa ny fototeny iavian’io κώμη io kosa (κεῖμαι) dia entina hilazana koa ny fomba fatorin’ny maty, hilazana ny toerana mety hanjakan’ny herin’ny maizina. Dia nentin’i Jesoa nivoaka izany “tanàna” izany ilay olona ka nasiany rora ny masony, tahaka ny lelan’ilay moana izay nentiny nitokana (jereo Zoma faha-V mandavan-taona) ka nametrahany tanana ary nanontaniany raha mahita (βλέπω). Niandrandra (ἀναβλέπω) ilay jamba ka nilaza fa nahita (εἰδῶ: izany hoe nijery ary nandinika ny hevitry ny zavatra hita, nanao traikefa, aorista ὁράω, jereo 27 desambra).
Ny fametrahan-tanana voalohany izany nanampy ilay jamba mba handinika misimisy kokoa ny zava-misy, tsy haka an-tendrony fotsiny ihany. Mbola mitovy ihany anefa ny fijeriny ny olona sy ny hazo, saingy efa hitany ny mampiavaka azy, satria mamindra ny olona. Izany no fivoarana idiran’ireo izay manaiky ny fahajambany ka manaiky hoentin’ny hafa eo amin’i Jesoa mba hositraniny. Fahasitranana mandeha tsikelikely, manaraka ambaratonga. Manampy antsika tsy ho kivy amin’ny fivoarana ara-panahy izany, ary manampy koa mba hivoatra, tsy hijanona amin’izay mety ho fahitana tsizarizary, fa hizotra mankamin’ny fahasitranana tanteraka (ἀποκαθίστημι, ἀποκαθιστάνω apokathistemi = miverina amin’ny laoniny).
Dia nametrahan’i Jesoa tanana indray ny masony ka rehefa nijery (ἀναβλέπω) izy dia nahita mazava tsara ny zavatra rehetra (ἐμβλέπω = tsy mijery fe mijery fa mandinika hatrany anatiny, miezaka manakatra izay eritreretin’i Jesoa, jereo 4 janoary ny fanazavana ny Md Joany 1, 35-42). Tsy fahagagan’ny indray andro ny fisokafam-panahy hahazo ny zava-miafin’ny Mistery fa lalana tozoina isan’andro am-paharetana, mandrapahatonga any amin’ilay fifanatrehan-tava hahalalana an’Andriamanitra araka ny tena toetrany ka hahafahantsika mahalala ny tenantsika koa tahaka ny ahalalany antsika (1 Kor 13, 12).
Izay afaka mahita araka ny fanirian’i Jesoa dia irahiny tsy hiditra akory ao an-“tanàna” fa ho ao an-tranony, tahaka ilay nivoahan’i Lejiona (Mk 5, 19), mba hitory ny voninahitr’Andriamanitra satria tsy tranon’ny fieren-jiolahy intsony ny tranon’izay mihevitra tahaka Azy fa “trano fivavahana ho an’ny firenen-drehetra” (Mk 11, 17), trano tsy hiotriana ny asan’olombelona fa hifampizarana ny asa anaehoan’Andriamanitra ny fitiavany.
Ho haintsika koa anie ny hanararaotra ny fahasoavany hampahiratra ny masontsika ka hahalalantsika Azy ho Tompo sy Kristy, tahaka an’i Piera.