Sabotsy fahatelo tsotra mandavantaona
- Tsy ankasa Hebrio 11, 1-2.8-19/Lc 1, 69-75/
- Ankasa 2 Samoela 12, 1-7a. 10-17/Salamo 50/
- Md Marka 4, 35-40
Misy olona hahazo tory eo ambony sambokely atopatopan’ny onja ve? Ary raha hariva ny andro ka efa reraka i Jesoa, nahoana no tsy nijanona natory tao Kafarnaoma fa mbola nilingilingy hiampita ny ranomasina amin’ny andro alina? Antsimpirihiny manokatra ny masontsika ireny hanakatra fa tsy fitantarana ny zava-misy fa fampianarana teolojika ny Evanjely, manampy antsika hahazo ny fampianaran’ilay Mpampianatra rehetra tojo ny tranga mitovy amin’izany isika. Ndeha ary hoezahantsika hotakarina ny hevitr’ity Evanjely ity.
Hariva ny andro dia niteny tamin’ny Mpianany i Jesoa hoe: andeha isika ho eny an-dafin-drano… ho any an-dafy! Hitantsika any amin’ny toko faha-5 fa tanin’ny mpiompy kisoa ny eny am-pita, izany hoe tanin’ny tsy mpino raha araka ny foto-pisainana Jody. I Jesoa amin’ilay hariva namoronany ny Eokaristia dia naniraka ireo mpianany mba hitory ny Evanjeliny hatrany amin’ny faravazantany. Tsy sambokely iray ihany fa sambokely maromaro izy ireo. Ary i Jesoa natory teo amin’ny sisin’ny sambokely tambonin’ny ondana. πρύμνα (prymna) moa no nadika hoe sisin’ny sambokely, fa io no toeran’ny mpanamory, dia eo no nametrahan’i Jesoa ny lohany teo ambonin’ny ondana, anarana entina hilazana koa ny “coussin” ampiondanana ny razana (pros-kefale, προσκεφάλαιον): nanondrika ny lohany izy dia rendri-torimaso (καθεύδω katheudo, maty), saingy Izy ihany no mpanamory ny sambo.
Ny haizina nandrakotra ny tany ilay mitataovovonana iny no tian’ny fanoharana rehetra holazaina. I Jesoa nanolotra ny ainy no ilay voa nalatsaka tamin’ny tany ka tsy afaka ny hamokatra raha tsy mandalo amin’ny fahalovana.
Tsy mampaninona anao ve raha maty izahay? Tsy ireo apostoly ireo ihany no saro-tahotra ka midradradradra miantso vonjy. Tsy zoviana amintsika ny fomba fivavaky ny mpino maro izay tsy miezaka hahazo ny sitrapon’Andriamanitra fa mihevitra fa arakaraky ny hamaroan’ny teny lazainy no hiainoana azy (Mt 6,7), dia mamokovoko manao vavaka lavareny tsisy farany, nangonina tetsy sy teroa, sao mba miova hevitra Andriamanitra.
Rehefa mivaly ny fanirian’izy ireny dia midehodehoka ho olona henoin’Andriamanitra vavaka izy fa tsy sahala amin’ny mpanota sy poblikana (Lk 18, 10-11) fa raha sanatria kosa tsy araka ny faniriany ny fandehan-javatra dia mety ho very finoana mihitsy aza, mihevitra fa miangatra Andriamanitra na sanatria an’izany mbola matory! Tsy very finoana anefa izy ireo fa “tsy mbola manana finoana”, tsy mbola tafiditra tamin’ny finoana marina.
Amin’ny fiantomboan’ny Evanjeliny dia efa nambaran’i Marka ny fahefan’ny tenin’i Jesoa mandroaka ny fanahy maloto. Saingy mbola fahagagana ihany ho an’ireo mpianatra, ka nampatahotra azy ireo ny mahita an’i Jesoa mifoha avy amin’ny torimasom-pahafatesana, velona eo anivon’ny Fiangonany, ary manan-kery hanome fitoniana: fiadanana ho anareo.
Dia angatahontsika izany fiadanana izany, satria tsy hafa noho ireo apostoly ireo ny fomba fiainantsika ankehitriny, misalasala sy tsy matoky ny herin’i Kristy ka mazàna miantsampy amin’ny herin-javatra hafa mba hiarovan-tena ka hanalavirana ny tena finoana.
Iza moa io fa ny rivotra sy ny ranomasina avy manaiky Azy? Angatahontsika amin’Izy Tompo ny fahasoavana hanandramana isan’andro ny hatsarampony sy ny fitiavany.