ALAHADY FAHA V KAREMY – TAONA D
- Izaia 43,16-21
- Salamo 125
- Filipianina 3,8-14
- Joany 8,1-11
FIAINAM-BAOVAO NY PAKA
Eo am-piomanana amin’ny Paka efa ho avy dia manampy antsika ny Litorjia anio hiaina ny fiverenana an-tranon-dRay tahaka ilay zaza mpandany. Tsy moramora manko ny lalana miverina any amin’izay niaviana. Amin’ny drafitra nandrafetan’ny Eglizy ny litorjia moa dia amin’ity alahady ity no hanavaozan’ny Kristianina ny finoana an’ilay manangana ho velona, hita taratra ao amin’ny fitantarana ny fitsanganan’i Lazara ho velona (Jo 11). Amin’ity taona ity moa dia ny fahavelomana entin’ny famelan-keloka no halalinin’ny litorjia bebe kokoa, famelan-keloka tsy avy amin’Andriamanitra irery ihany fa angatahiny hiainantsika amintsika samy isika ihany koa.
Ny fanafahana antsika amin’ny fomba fiainana mikombona ao amin’ny fahotana ka tsy ahafahantsika mijery afa-tsy ny tombontsoan’ny tena, no hahafahantsika miditra amin’ny tontolo vaovao, ka tsy hitokisana ny tena sy izay mety ho ezaka vita, fa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ambaran’ny Vakiteny I (Iz 43,16-21) fa Andriamanitra mihitsy no miantso antsika tsy hahatsiaro intsony ny lasana sy tsy hihevitra intsony ny zavatra taloha! Kanefa efa nisy tamintsika ve no afaka manadino ny lasa? Tsy afaka ny hanadino isika ary tsy afaka ny hisafidy ny tsy hiheritreritra fa afaka kosa mifafidy izay tiana hanompanana ny saina.
Tsara ho tadidiana koa fa ao amin’ny fiaraha-monina, eny fa na dia eo anivon’ny Eglizy aza dia mety hisy ireo zoky tsy miala an-tranon’ny Ray, kanefa mety ho anton’ny fandosiran’ny zandriny handao ny akany ary zarany aza satria manaporofo izany ny tsy fahazakàny ny fiverenan’ilay zandriny izay tsy nahafaly azy. Ny fahasorenana toy izany dia miafara mandrakariva amin’ny fanaovana tondromolotra sy toeran-tsy zaka, ka himenomenomana, hiheverana fa ny tena ihany no manan-jo ho sambatra satria nanompo.
Ilay zaza mpandany koa anefa, ankoatra ny fiheverana izay mety ho fitiavan’ny Rainy, dia hihevitra ny mety ho vava avoakan’ny zokiny, satria mahatsapa fa tsy manan-jo intsony ao an-tranon-drainy. Tsy niheritreritra ny ho zanaka izy fa natoky ny fitiavan’ny rainy ka ny ho mpanompo no noheveriny hangatahina. Eny amin’izany tany efitry ny fibebahana izany no hampiboiboika rano Izy Tompo ka hanondraka ny tany karakaina, hoy Izaia, ka ny fahatsapana ny soa ataony, ho tonga fiderana tsy miato ho an’Andriamanitra. Izany no ampahatsiahivin’ny vakiteny voalohany, ka raha toa ka tsy afaka ny hanadino ny lasa isika, dia aoka ny tsara sy ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra no hotsaroana, ireny no hosaintsainina. Ny lalana eny amin’ny ranomasina sy ny sakelidàlana mamakivaky rano mahery, dia lalan’ny fitiavana izay nanafahany an’i Israely tany Ejipta fa hitondrany antsika rehetra koa ho amin’ny fahafahana.
Fantatra mazava fa rehefa nandresy an’i Nabokodônôzôra i Sirosy (Kôresy) ny taona 539 tal. K. dia ny taona manaraka an’io ihany (538) dia efa nampodiany tany Siôna ny Jody ary nampanantenainy homena izay ilaina rehetra aza mba hanorenana ny Tempoly. Ambaran’ireo vahoaka mivavaka anefa fa “Izy Tompo no nampody an’i Siôna izay babo”, ary toa nofinofy ihany. Lalina ny nataon’ny Tompo (Sal 125): rehefa haintsika ny mahita ny asan’ny Tompo tanterahiny, eny fa na dia amin’ny alalan’ny olona noheverina ho hafa firenena sy Mpanjanaka aza, tahaka an’i Sirosy ho an’Israely, dia ho feno fatra ny hafaliantsika, mahatsapa fa Andriamanitra no mitantana ny Tantara.
Ny fiverenana avy any an-tsesitany dia tahaka ny fitsanganan-ko velona, sahala an’ilay zaza mpandany, maty ka velona indray, ary ambaran’ny Salamo 125 fa tsy fitanisana ny lasa fotsiny no hahatsiarovana ny asan’Andriamanitra, fa fitalahoana ihany koa mba hanohizany ny asam-panafahana: “Ampodio ry Tompo ny babonay, avereno faingana toy ny ranon-trambo”, sahala amin’ny ranon-trambo manondraka ny faritr’i Negeba, ilay tany efitra tao atsimon’i Jerosalema. Izay nohasoavin’Andriamanitra dia tonga fanasoavana ho an’ny hafa ka tsy afaka ny hanadino izay mbola mijaly.
Fa na mitaky ezaka omban-dranomaso aza indraindray izany lalan’ny fahafahana izany dia sahala amin’ny voa nafafy ka mamokatra hojinjaina, hahafeno fatra ny hafaliana mitondra ny vokatra mody any an-trano.
Ny fahatsiarovana ny asa maherin’Andriamanitra no tohana ho antsika, mankahery ny finoana hiatrehana ny ho avy. Ny fahatsapana izany no hahafahantsika koa mifaly sy mitoky amin’ny zava-baovao asehon’Izy Tompo. Fampanantenana vao miposaka, vao mitsiry fa efa mahafeno fatra ny hafaliana sahady; tahaka an’i Simeôna nitrotro ny Zaza natolotra tao an-tempoly dia nisaotra an’Andriamanitra satria “nahita miharihary ny famonjena nomanin’Andriamanitra”. Fanantenana no vokatry ny finoana mafy orina.
Ao amin’izany fanantenana izany no nahatonga an’i Md Paoly hilaza fa manadino ny lasa ary miezaka hanatontosa ny ho avy satria mitoky amin’ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Izay mahalala fa ny fahamarinana dia avy amin’Andriamanitra, dia hahatsapa fa izay mety ho fahadalàna ho an’ny tsy mpino no zary Fitiavana mambabo ny fontsika, ary izany no hanosika antsika handalina ny fahalalana an’i Kristy mba hahafahana mamoy ny zava-drehetra ka hahazoana Azy noho ny fitiavana Azy (Fil 3,8-14).
Ambaran’i Md Paoly anefa, fa sahala amin’ny mpihazakazaka isika, raha ho variana hitodika amin’ny toerana niaingana dia ho very fotoana ihany, hilaozan’ny mpifaninana. Ny fitodiana ka hihazakazahana mankany amin’ny tanjona kosa, na mbola tsy tonga aza, dia mampanalavitra antsika ny toerana niaingana ary mampanakaiky amin’izay hotratrarina. Raha ny hahatratra an’i Kristy araka izany no tanjona, ary avy eo amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao no nialana, dia mazava loatra fa hazakazaka hanalavirana izay mampanalavitra an’i Kristy no atao. Izay nahatratraran’i Kristy azy, no lazain’i Md Paoly fa tanjony: hanao ny fahalalana an’i Kristy ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana, hahalala, izay hoe ho iray aina Aminy, hiombona tanteraka Aminy.
Tsy fahamarinana araka ny lalàna na izay fahamendrehana anefa, ka izay meloka dia manefa sazy, fa azo maimaim-poana avy amin’ny finoana. Tsy azo adinoina fa fifandirana mikasika ny famoràna no saika nampivaky ny Fiangonana tao Filipy anoratan’i Paoly ity taratasiny ity, ary notapahan’ny Konsily tao Jerosalema moa, fa na dia ny lalànan’i Môizy mikasika ny famoràna aza dia tsy ambony noho ny “Fiainam-baovao” atolotr’i Kristy ho antsika mandray sy miombona aina Aminy amin’ny fiainana araka ny Batemy, amin’ny fiainana amin’ny maha zanak’Andriamanitra.
Eo amin’ny tontolo misy antsika dia misy mandrakariva ny olona mihatsaravelatsihy, ka ny hampihatra ny lalàna amin’ny madinika no mahafinaritra azy. Ambaran’ny Evanjely (Jo 8,1-11) fa nisy vehivavy iray azo nijangajanga. Tamin’iza? Tokony hisy olona tratra niaraka taminy izany teo. Mazava ny voalazan’ny Boky Levitika fa hohelohina ho faty izy roroa, raha misy tratra nijangajanga (Lev 20,10snm). Tsy ny zavatra nandidian’i Môizy araka izany no ataon’izy ireo fa efa lalàna mivilana: olona iray tratra nijangajanga.
Ny madinika no anamparana ny fahefana fa tsy mampaninona izay niaraka taminy satria mety ho olona tsongoin’olom-bolo eo amin’ny fiaraha-monina angamba, ka sao afa-baraka, ary mety ho iray amin’ireo mpiampanga ireo ihany aza. Natsangana (στήσαντες –stèsantes; ἱστημι – histèmi) teo afovoany, teo anoloan’i Jesoa izay “nipetraka” nampianatra mba “hakana fanahy azy ka mba hisy hiampangana azy”, hoy ny Evanjely.
Raha manameloka ilay vehivavy manko i Jesoa araka ny Lalàna (Dt 22,22; Lev 20,10), dia tsy hisy hahasamihafa azy amin’ny ataon’ny Farisianina ary hanohitra ny fampianarany rehetra mahakasika ny famindram-po sy ny fitiavana Izy amin’izany. Raha hanafaka ilay vehivavy kosa, dia hitsangana hanohitra ny Lalànan’i Môizy ka hisy hanamelohana Azy. Tsara homarihina anefa fa io lalàna io dia fantatry ny Jody tsara fa tsy nampiharina ara-bakiteny fa mba hilazana kosa ny halehibeazan’ny fahotana ihany. Helohina ho faty koa ohatra ny mikapoka sy manozona ray aman-dreny (Eks 21,15.17). Hatrany amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny anefa dia efa nambaran’i Md Joany mazava fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka eo amin’izao tontolo izao mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao (Jo 3,17).
Azon’i Jesoa atao tsara ny nilaza tamin’izy ireo mba hanatona ny sanedrìna satria tsy lavitra teo no nisy ny fitsarana, satria teo amin’ny kianjan’ny Tempoly i Jesoa no nampianatra. Saingy nosafidìny ny mba hanaovan’ireo mpaka fanahy fandinihan-tena: fahanginana aloha, satria ao anatin’ny fahanginana no hahafahantsika mihaona amin’ny tenantsika sy ny tena marina fantatsika, fa Izy kosa nanoratra teo amin’ny tany, manoratra eo amin’ilay novolavolaina ka nomeny ny Fofonaina mba ho velona, dia avy eo niteny hoe: “Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Ny “mompera” (πρεσβύτερος – presbuteros, presbytère ny zokiolona) no lohalalana amin’ny fihatakatahana, hoy ny Evanjely. Tsy nisy tavela, hatramin’ireo vahoaka rehetra tonga hihaino ny fampianaran’i Jesoa. Hay moa samy manam-pahotana avy ireo izay nitady hamono an-dravehivavy, ary ny vahoaka rehetra tonga nihaino ny fampianarana koa, toraka izany.
Hain’ny rehetra koa anefa ny lalàna, mikasika ny fitoraham-bato voalohany, na dia tsy amin’ny fijangajangana aza fa amin’ny fanompoan-tsampy no hamaritan’ny lalàna azy: mijoro ho vavolombelona ary tompon’antoka amin’ny fahamarinan’ny fiampangana izay manainga ny tanany hitora-bato voalohany (Dt 13,10; 17,7). Tsy miantso ny vavolombelona anefa i Jesoa mba hitora-bato voalohany, fa miantso izay tsy manam-pahotana (ἀναμάρτητος – anamartètos), mampahatsiaro ny rehetra fa samy mila sy mangetaheta ny famindram-pon’Andriamanitra avokoa ny rehetra. Izay mahatsapa fa mila ny famindram-po, efa namindrana fo kanefa mbola mila izany no afaka hamela heloka sy hamindra fo ihany koa.
Amin’ireo vahoaka ireo ihany manko no nahatratrarana an-dravehivavy nijangajanga, amin’izy ireo koa no tsy maintsy hijoro ho vavolombelona hiampanga izay tratra niaraka tamin-dravehivavy, ary ny ankamaroany tsy nahita maso akory fa dia noho ny siosion-dresaka dia ombika (maika, dodona) mba hanameloka fotsiny ihany. Fanafenana ny haratsiana matetika no hisehosehoana hiaro sy hampihatra ny lalàna ho an’ny hafa, na ny hanamelohana ny hafa amin’ny siosion-dresaka, ka ny antony tsy hanaovan-dratsy amin’izay dia vokatry ny tahotra sy ny henatr’olona fotsiny ihany fa tsy hoe fiezahana hanao ny tsara, ary rehefa any amin’ny takontakona dia ny atao ihany no atao.
Ny fomban’Andriamanitra manoloana ny zanany nanota no asehon’ny fihetsik’i Jesoa ambaran’ity Evanjely ity, izay ambaran’ny mpandalina Baiboly sasany fa nafindrafindra tetsy sy teroa satria nahakasika ny “pretra, presbytère”, ka ny heverina fa ny tena toerany dia ao amin’ny Lk 21,38, izay mitovy amin’ny Jo 8,1-2: nampianatra tao an-tempoly i Jesoa fa nony avy eo dia lasa nivoaka nandritra ny alina tany amin’ny tendrombohitra Oliva. Ary vao maraina koa dia nanatona azy tao an-tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino azy (Lk 21,37-38). I Jesoa nipetraka, ilay vehivavy teo am-povoany, mazava loatra natsangana mba ho hitan’ny rehetra. Rehefa Jesoa sy izy irery sisa no teo dia nolazain’ny Evanjely fa “nitraka” (ἀνακύπτω – anakuptô) i Jesoa, tsy nanambany fa nijery Azy mba hanandratra ny maha olona azy vao nisoka-bava nanontany.
Tsy avy any amin’ny “toerany masina”, amin’ny fiheverana ho ambony noho ny hafa no nitenenany fa amim-panetren-tena: Izy ilay “Teny tonga nofo”, ilay nanana ny toetran’Andriamanitra fa nafoiny mba hitovizany amintsika amin’ny zavatra rehetra. Izy no mahalala ny fahalementsika ka “tsy manameloka” fa maniraka mba “handeha ka tsy hanota intsony”. Tsy fanetseman-keloka manko ny famindram-pon’Andriamanitra fa fisokafan’ny varavarana ho amin’ny fiainana ka hahafahana mihazakazaka manatratra ny hafenoan’ny fiainana. Ny Famindram-po dia tsy hoe mamerina amin’ny laoniny ny zavatra simban’ny fahotana fa manome antsika kosa fahafahana sy hery hahafahana manorina ho avy vaovao. Izay miditra ao amin’izany lalam-baovaon’ny fiainana izany dia iangavian’i Jesoa mba tsy handraraka ilo mby an-doha, mba tsy hanimba ny fiainana intsony amin’ny fahotana. Izany no nanafatrafarany ilay vehivavy mba handeha ka tsy hanota intsony.
Fony mbola mpanota isika no maty ho antsika i Kristy, hoy i Md Paoly (Rm 5,8). Mazàna anefa isika no mitaky amin’izay diso mba hiova raha tsy izany tsy havela heloka, dia adinontsika fa izay tsy manan-kaloa no avela ny trosa (Mt 18,15.21snm). Famelan-trosa ny famelan-keloka fa tsy fandoavan-trosa. Tsara anefa ny manamafy fa tsy famelàna hanao izay tiana atao ny famindram-pon’Andriamanitra fa fanokafana lalana any anaty ranomasina, fanolorana fiainam-baovao, tsy hitodihana amin’ny lasa fa hahafahana hiatrika ny ho avy: famelan-keloka mba tsy hanotàna intsony amin’ny ho avy: fitsanganan-ko velona.
Avoitran’ny Evanjely (Jo 8,1-11) amintsika araka izany fa ny famelan-keloka dia tsy manafoana ny adidy aman’andraikitr’izay voavela heloka: mandehana ka aza manota intsony. Ny fitodihana amin’ny ho avy, mba hahatratrarana ny fahalavorariana, izany hoe amin’ny fakàna tahaka an’i Kristy ary hiombona (Aminy sy amintsika samy isika) ka ho tonga vahoaka hitory fiderana ho azy Tompo (Vakiteny I).
Indraindray anefa, tsy hitantsika ilay rantsan-tanana manoratra amin’ny tany, “soratana amin’ny tany izany manalavitra ny Tompo”, hoy i Jeremia (Jr 17,13), izany dia manambara amintsika fa vovoka isika, malemy, ary samy afa-trosa, matoa mbola afa-mitraka, ary ho levona raha ilaozan’Andriamanitra, loharano velona (Jr 17,13). Ny fiverenana ao anaty, handini-tena marina tokoa, dia hahatonga saina antsika, hahatsiaro fa tsy mamono fa mamelona Andriamanitra, ny famindram-po no sitrany ka asakasak’izay hitoraka ny vato voalohany, hijoro ho vavolombelona hiampanga ny tenany.
I Md Paoly nanao ho fakofako ny zavatra rehetra anefa tsy midika ho fanaovana tsinontsinona ny fampivoarana ny maha olona mba hiaina fari-piainana mendrika izany. Miady amin’ny mety ho fahantrana sy fahoriana manimba ny zo maha olona ny Fiangonana, saingy mampahatsiaro mandrakariva ny zanany fa na miondrika mampiasa ny zava-mandalo ety an-tany aza isika, dia hiraiki-po, hiandrandra ny maharitra mandrakizay hatrany (Prefasy II karemy).
Angatahontsika ny fahasoavan’Andriamanitra mba higohantsika rehetra ny hafalian’ny famelan-keloka avy Aminy ka hizorana am-pinoana sy hiezahana marina tokoa, na dia tsy mbola mahatratra ny fahalavorariana aza, tsy hiverina amin’ny tevan’ny fahotana sy ny tany efitry ny fahababoana.
Ry Andriamanitra tsara fo indrindra izay manavao ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy o, eo anatrehanao ny fahoriana mangeja anay, ary efa nandefa an’i Jesoa tsy hitsara ianao fa mba hamonjy an’izao tontolo izao, koa avelao re ny helokay rehetra ary ampitsirio ao am-ponay ny hiram-pisaorana sy hafaliana hisantaranay ny hasambaran’ny voavela heloka ao Aminao.