Alahady faha-3 mandavantaona TAONA A
Masoandro be lohataona i Kristy
ka tsy mifidy olona hohasoavina
Alahadin’ny Tenin’Andriamanitra
- Izaia 8, 23b – 9, 3/
- salamo 26/
- 1 Kor 1, 10-13.17/
- Matio 4, 12-23
Ny 30 Settembre 2019, tamin’ny fahatsiarovana ny faha-1600° taonan’ny nahafatesan’i Md Jeroma moa no nanoratan’i Papa François ny Taratasy “APERUIT ILLIS” izay nanokanany ity alahady faha-telo mandavantaona ity ho “Alahadin’ny Tenin’Andriamanitra”: “dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina” (Lk 24, 45).
Tsara, hoy ny Papa raha toa ka tsy very an-javony eo amin’ny fiainan’ny mpino ny fifampikasohana amin’ny Teny Velona izay ambaran’Andriamanitra tsy tapaka amin’ny silaky ny ainy (vady) mba hahafahany mitombo ao amin’ny fitiavana sy ny amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana marina. Izany no nanokanana ny alahady fahatelo mandavan-taona ho alahady voatokana mba hankalazana, handinihana ary hampielezana ny Tenin’Andriamanitra. Fifandrifian’izany fankalazana izany amin’ny herinandro hiantsoana antsika mba hanamafy ny fifandraisana amin’ny Hebrio sy hivavaka ho an’ny firaisan’ny kristianina, hoy ihany ny Papa, dia mampahatsiaro antsika fa ity fankalazana ity dia manana endrika ekomenika, ary mampahatsiaro antsika fa ny Soratra Masina dia manampy an’izay mihaino azy marina tokoa mba hanorina firaisam-pinoana marina sy maharitra.
Ny Baiboly manontolo, amin’ny maha-Soratra Masina azy, dia miteny momba an’i Kristy ary manambara azy ho ilay tsy maintsy “hiaritra fijaliana be mba hidirany any amin’ny voninahitra” (Lk 24, 26). Tsy ampahany fa ny Soratra Masina manontolo no mitory an’i Kristy, ary ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona dia tsy misy heviny, raha tsy amin’ny alalan’ny Soratra Masina (…) ary avy amin’ny alalan’ny fihainoana ny Soratra Masina ny finoana, ka tokony hanana ny anjara toerana sahaza azy ny fihainoana ny Soratra Masina na amin’ny Fankalazana Litorjika na amin’ny vavaka sy ny fandinihana masina ataon’ny tsirairay.
Tsy hoe fankalazana indray maka isan-taona anefa no atao anio, hoy ny Papa, fa fankalazana indray mandeha kosa haharitra mandritra ny Taona manontolo, hahatonga ny fiainantsika ho fandraisana sy finoana ny Teny toy ny nataon’i Masina Maria. Tsy misy mahantra sambatra satria hoe mahantra anefa, hoy izy, fa kosa amin’ny finoany ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra.
Ity alahady atokana ho am’ny Tenin’Andriamanitra ity anie hampitombo ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra ny fitiavana lalina sy maharitra ny Soratra Masina, ka hahatsiarovantsika ny fampianaran’ny Mpanoratra Masina milaza fa “eo akaiky indrindra ny Teny, dia eo am-bavanao izy sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy” (Det 30, 14).
———–
Mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Mpino izany isika, araka ny voalaza teo, tamin’ny herinandro teo ary mbola hamafisin’i Paoly amintsika androany izany firaisam-po amam-panahy tokony hanentana ny Mpino izany tamin’ny vakiteny faharoa teo (1Kor 1, 10-13.17).
[Lohahevitra entin’ireo Kristianina any Malte sy Gozo hanentana antsika hivavaka moa ny fahatsiarovana ny fandraisan’ireo mponina tao Malta an’i Paoly sy ny mpiara-dia taminy vaky sambo (Asa 28, 2), hoentin’izy ireo mampahatsiaro koa fa ny fitiava-namana, ny fahaizana mandray ny vahiny dia tsy mifototra amin’ny maha-kristianina fa amin’ny maha-olona fotsiny izao. Ny fahaizantsika mandray ny hafa, tahaka ny nandraisan’ireo mponin’i Malte an-dry Paoly, dia fahasoavana hahafahantsika manovo ny harem-panahy sy ny finoana avy amin’ny hafa. Iray ihany no Tompontsika, ary asan’Andriamanitra no hiaraha-mikatroka, hahasoa ny olona rehetra (i Kor 12, 4-11) ho vavolombelona mahatoky sy azo antoka hitory ny evanjely!]
Izany fiombonana izany no ataon’i Paoly antso avo ao amin’ny Vakiteny II teo.
Voaantso ho mpaminany, ho apostoly, ho zanaka hitory ny famonjena hatrany am-paravazan-tany isika. Santa-bokatra sahady ho amin’izany famonjena izany no lazain’i Izaia ao amin’ny vakiteny I (Iz 9, 1-3), dia ilay hazavàna hamirapiratra ao anatin’ny haizina, zary hafaliana ho an’ny vahoaka voafidy.
Tsy ilàna lahateny kanto izany hoy i Paoly, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy (Vak II). Tsy midika ho fanaovana tsinontsinona ny asa fanirahana sy ny asa miandry an’ireo voairaka anefa izany. I Paoly rahateo no mahatsapa fa na malemy aza izy, farany sy toy ny tsy tonga volana amin’ny Apostoly. Tsy mamela hipetra-potsiny manko ny fahasoavana fa maniraka hiasa bebe kokoa (1 Kor 15, 8), hany ka mahatsapa i Paoly fa loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy (1 Kor 9, 16). Ny Hazofijalian’i Kristy araka izany no hery sy loharanon-kery hahafahana mitory an’i Kristy tafatsangana ( Fil 4, 13).
Maimaim-poana anefa izany fitoriana izany (I Kor 9, 18) ary tsy fahefana fa fanompoana. Ny mahagaga anefa ary mampametra-panontaniana dia ny famalian’ny Apostoly ny antson’ny Tompo, henontsika tamin’ny Evanjely (Mt 4, 12-23). Nandao ny harato niaraka tamin’izay[1] izy ireo ka nanaraka azy! Niaraka tamin’izay : (εὐθέως eutheos) izany hoe Aussitot, amin’ny italiana subito : niaraka tamin’ny vava. Io adverbe grika io araka ny Mpandinika baiboly sasany dia tsy mamaritra loatra ny fotoana fa ny fomba hamaliana, izany hoe tsy am-pisalasalana, ary ny qe,wj dia azo adika ihany koa hoe manao fifaninanana!!! Nahoana ary ireo apostoly ireo no nandao ny fivelomana niaraka tamin’ny vava, raha toa ka maimaim-poana ny asa fitoriana? Dia sanatria ve izy ireo no faran’izay adala na misy fahavoazana?
Heveriko fa tokana ny antony, ary izay ihany no hahafahantsika mamaly an-kahalalahana ny antson’ny Tompo : ny faniriana ho sambatra. Fa inona no fahasambarana ho antsika?
Izay noventsoin’ny Mpanao salamo tamintsika : « Zavatra iray loha no angatahiko amin’YHWH sady iriko fatratra: dia te-honina eo an-tranon’YHWH aho, amin’ny andro rehetra iainako, » (Sal 26 [27], 1.4.14). Raha mandinika amin’ny fo mahitsy tokoa isika dia hahatsapa fa ny faniriana zavatra hafa ankoatra izay no mazàna sakana tsy hahafahantsika mamaly εὐθέως (eutheos tsy misy hatak’andro) ny antson’ny Tompo.
Ny Evanjely dia milaza fa rehefa natao an-tranomaizina i Joany dia nanomboka nitory teny i Jesoa. I joany aza voasambotra (παραδίδωμι paradidomi, ampiasaina koa hilazana an’i Jesoa any aoriana any), kanefa noheverina sy najain’ny olona rehetra ho mpamimany lehibe, dia inona no tao an-dohan’i Jesoa mikiribiby hanohy izany fitoriana izany?
Ambaran’ny Evanjelista amin’izany fa fantatr’i Jesoa tsara ny miandry azy: fitsarana tsy an-drariny mafimafy kokoa noho ny an’i Joany. Saingy tsy nampihemotra azy izany.
Tsipihin’i Jesoa amin’izany toriteny voalohany izany ny fibebahana takian’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy afaka hihaino izany fampianarana izany ka ho vonona hibebaka. Ireo nomena fahasoavana manokana kosa dia vonona handao ny zavatra rehetra ka hanaraka azy tsy misy hatak’andro (andininy 18-22 tsy tafiditra amin’ny vakiteny anio).
Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra eran’i Galilea manontolo i Jesoa, nanasitrana ny marary rehetra: ambaran’i Md Matio fa tanteraka ny faminanian’Izaia 53,4 hoe: marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany (cf Mt 8, 17). Fa na aiza na aiza misy zava-baovao ka mety hahitana tombontsoa na dia kely monja aza dia tsy maintsy hitangoronan’ny olona. Fa firy amin’izy ireny no ho tavela eo anoloan’ny hazofijaliana?
Ireo monina any Zabolona (זְבוּלוּן, avy amin’ny זָבַל manaja, mendrika) ny zanaka fahafolon’i Jakoba kanefa voasandratra, mahomby amin’ny fiainana, dia hiposahan’ny hazavana (Mt 4, 13ss) mba ho fanasoavana an’i Neftalì (נַפְתָּלִי avy amin’ny פָּתַל, phatal, miady), ny zanaka faha-enina, miady amin’ny fiainana. Horaisintsika anie ny fahazavana entin’ny Evanjeliny, satria mponin’i Jabolôna (mamboly voky tsy mamboly voky) sy Neftali (mitrongy vao homana) ihany isika rehetra ka mandray anjara amin’ny fankalazana ny Teniny, ary misy aza amin’ny fankalazana ny Tenany, ho sakafom-panahy hahasitrana ny rofy rehetra manakana antsika tsy hibebaka ka handray ao am-pontsika ny Fanjakany.
Antson’i Jesoa koa isika, handao ny harato, ny lakana sy ny ray mba hanaraka azy ho tonga mpanarato olona. Izay tsy mandao ny zavatra nianteherany mba hivelomana (sambo, harato), handao ny fahazarana sy ny asa manavanana, handao, eny fa na dia hatramin’ny kolontsaina sy ny entim-pahazarazana (ray) aza, raha ilaina izany, dia tsy afaka ny ho tonga mpianatra, hitondra hazavana ho an’izao tontolo izao, hanala ny olona amin’ny tontolon’ny fahafatesana sy ny ratsy (ranomasina) ho amin’ny fiainana (tany maina).
Tsy fihaonana voalohany tamin’ny Tompo anefa ny an’ireo apostoly lazain’ny Evanjely fa efa fahamatoran’ny finoana, mivoatra tsikelikely ka nahafahany nahatsapa fa fakofako avokoa ny zavatra rehetra raha oharina amin’ny haren’ny lanitra (1 Kor 4, 8-14).
Ndeha ary hiezaka hanamafy izany faniriana ny lanitra izany, araka ny hafatr’i Md François de Sales nankalazaintsika tamin’ny 24 teo : » na inona na inona fiantsoana niantsoana antsika eo anivon’ny fiaraha-monina, afaka manamasin-tena mandrakariva isika, na tsy mitovy aza ny zavatra takiana amin’izany fanamasinan-tena izany. »
Aoka isika ho toa an’i Kristy : tsy hifidy olona hohasoavina!