Alahady faharoa mandavan-taona
I Kristy no Zanak’Andriamanitra velona
- Izaia 49, 3.5-6/
- Salamo 39/
- 1 Kor 1, 1-3/
- Md Joany 1, 29-34
Manohy ny famakivakiana ny andavanandrom-piainana isika ka amin’ny fankalazana ny Paka isan-kerinandro (izay no hevitry ny alahady), amin’ny handinihana manokana ny halehibeazan’ny Famindram-pon’Andriamanitra izay miantso antsika amin’ny fibebahana lalandava. Amin’ity alahady faharoa ity no hamakiana ny herinandro araka ny fitantaran’i Md Joany (Jn 1, 19 – 2, 12) izay zaraina amin’ny taona litorjika telo.
Amin’ny taona fahatelo (taona D) dia ny Fampakaram-bady tao Kanà no vakiana (Jn 2, 1-12). Evanjely tsy zoviana amintsika loatra, hay tsianjery aza, ary lazaintsika hoe ny Epifania fahatelo, nankalazaina ny alahady, ny voaloham-pamantarana nataon’i Jesoa, naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ny fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra (Epifania) hoy i Md Paoly (Vakiteny II alahady heriny Tit 2, 11-14; 3, 4-7) dia mba hanokanany vahoaka ho Azy, vonona hanompo azy amin’ny asam-pahamarinana sy fitiavana. Raha ny fifandraisan’Andriamanitra amintsika no lazaina ho fampakaram-bady, ny divay lazaina fa lany araka izany dia ny fitiavantsika azy izay efa matimaty, ny hafaliana amin’ny fanompoana azy izay tsizarizary; ny sinivato fidiovana tsy misy rano intsony satria tsy noheverin’ny olona ho ilaina intsony ny fanarahana ny lalàna.
Ambaran’i Md Joany anefa fa naneho ny voninahiny i Jesoa ka nino azy ny mpianany. Tsy tahaka ny filazan’ny Evanjelista hafa anefa, amin’ny ninoan’ny vahoaka azy fa voafetra amin’ny mpianatra ihany. Tsy ho didy na tahotra ary sanatria no hivondronantsika isan’alahady, fa hafaliana te hihaona amin’ilay Mpampiakatra, ka hitotorebika satria voaantso handray anjara amin’ny fetin’ny fampakarana. I Kristy no mpampakatra miantso ny Egliziny, ho vady ampakarina, efa nahafoizany ny aina sy nohamasininy mba hiantso ny anarany sy ho vavolombelon’ny fitiavany. Ny safidim-piainana no mety samihafa fa ny fanamasinantsika ny tenantsika no lalana tokana hahafahana mamaly izany fiantsoana izany.
Ny Evanjely dia sombiny amin’ny fitantarana ny fihaonan’i Jesoa amin’ireo mpianatra voalohany. Araka ny fitantaran’i Joany dia tsy any amin’ny sisin’ny Ranomasin’i Galilea fa eny amoron’ny onin’i Jordany no nifanenan’ireo mpianatra voalohany tamin’ilay Mpampianatra. Mpianatr’i Joany Batista moa izy ireo. Efa nanana ny fiainany ary efa babon’ny fampianaran’i Joany, saingy nahafoy izay tsara mba ho amin’ny tsaratsara kokoa.
I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala (αἴρω airo, mitondra, mivesatra) ny fahotan’izao tontolo izao, hoy i Joany mahita an’i Jesoa mandalo. Zanak’ondry tsy manantsiny fa nanaiky hovonoina toy izay hanao herisetra (Izaia 53,7), fa zanak’ondrin’ny Paka ihany koa, manambara ny fanafahana an’Israely amin’ny fanandevozana tany Ejipta (cf Jn 19, 14.33.36// Eks 12, 1-14; 1 Kor 5, 7; 1 Piera 1, 19). Izy no manesotra ny fahotana, sakana tokana dia ny tsy fahafahan’ny olona miditra amin’ny hasambarana atolotr’Andriamanitra azy. Tsy herisetra fa fandeferana, tsy famaliana ny ratsy amin’ny ratsy no hahafahana mandresy ny ratsy. Izy no hivesatra ny fahotan’ny maro ary hitalaho ho an’ny mpanota (Izaia 53, 7.12).
Izany teny izany no averimberina mialoha ny handraisana komonio, ka hahafahantsika mahatsiaro fa tsy mendrika ny handray azy isika, saingy antsoiny kosa tsy hilomano ao anatin’ny haizina sy ny fanandevozan’ny fahotana fa hihavao mandrakariva ao amin’ny hazavany. Mampalahelo ny mieritreritra indraindray ny fiheveran’ny sasany fa valisoan’ny fahamendreham-piainana ny Komonio. Tsara hotadidiana ny Katesizin’i Md Jean Marie Vianney hoe : rehefa handeha handray komonio ianao dia mahatsiaro fa tsy mendrika, ary tena tsy mendrika tokoa ; saingy manatòna am-pinoana satria miandry anao ny Tompo, maniry ny ho raisinao izy, tsy hoe sanatria noho ianao mendrika, fa satria mila azy ianao. Ary hoy i Jesoa hoe : raha tsy izaho dia tsy mahavita na inona na inona ianareo (Jn 15,5).
ἴδε ide, indro, miantso ny mpianany mba hijery. Ambaran’i Joany antsika i Jesoa mba harahina. “Izaho tsy mahalala azy, hoy izy, fa mba hampiseho azy amin’Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”. Hampiseho an’i Jesoa no ilana ny fibebahana, ary izay manaiky hampiseho Azy, izay manaiky ny fiantsoan’Andriamanitra azy, tahaka an’i Joany (ary porofom-pitiavana izany), no afaka hahalala an’i Jesoa. Izay maniry ny fianam-baovao, maniry ny fahafahana marina ihany no afaka hanatona hatao batemim-pibebahana ka haheno ilay feo manambara ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao.
Eto amin’ny andininy faha-29 novakiana androany dia βλέπω ny teny ampiasain’i Md Joany ary ny andro manaraka kosa, vakiana amin’ny taona B (andininy 36) dia ἐμβλέπω no ampiasainy, izany hoe tsy mijery fe mijery fa mandinika hatrany anatiny, miezaka manakatra izay eritreretin’i Jesoa. Izay manana traikefa manokana ka mahafantatra an’i Jesoa sy izay irin’ny fony, no afaka hanoro azy ny hafa mba hanarahan’izy ireo dìa azy. I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Tsy afaka ny ho tonga mpianany izay mitady mpampianatra mahery toy ny liona na mpadravarava toy ny amboadia. Tsy mbola vonton’ny fampianaran’i Jesoa ary tsy afaka hitarika olona hahara-dia azy izay tsy miditra amin’ny “logique”n’ny Zanak’Ondry, manaiky (bonaika) eo anatrehan’ny mpanety azy (Izaia 53, 7.12).
I Joany dia nanao batemy tamin’ny rano, nampahatsiaro ny vahoaka ny fahafahana avy any Ejipta, miverina indray mipita avy any an-dafin’i Jordany ho any amin’ny tany nampanatenaina, fa i Kristy kosa, nidinan’ny Fanahy Masina, miendrika voromahailala, izany hoe, tsy hifindrafindra trano intsony fa honina ao mandrakizay, dia manao batemy antsika amin’ny Fanahy Masina, ilay Fanahy nomeny antsika teo ambony hazofijaliana (Jn 19, 30), ilay Fanahy nomeny ny Apostoly ny Marainan’ny Paka mba hamelan’izy ireo ny fahotana.
Izy no hany Zanak’Andriamanitra ary manome ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra koa an’izay rehetra manaiky handray ka hotarihin’ny Fanahy Masina.
Henontsika tamin’ny vakiteny I teo (Izaia 49, 3.5-6) fa voaantso Israely, mpanompon’YHWH dia voaantso mba hampody ireo sisa voatahiry ao aminy ihany, ary izany no hahatonga azy ho fahazavan’ny firenena. Ny fiezahahtsika manitsy ny fiainana ho taratry ny fandresen’i Kristy, ny fahafahantsika mijoro ho vavolombelona, hiova fo sy hihavao, na amin’ny ezaka ataon’ny tsirairay izany, na amin’ny ezaka iaraha-manao, amin’ny maha-Eglizy, no hahafahantsika mijoro ho fahazavana ka hitaran’ny famonjen’Andriamanitra hatrany amin’ny faravazantany. Tsy fanolorana sorona dorana sy fanatitra izany, fa ny fampifanarahana ny fiainana araka ny sitrak’Andriamanitra, araka ny voalazan’ny salamo 39 setriny.
Angatahontsika Andriamanitra Ray mba hampitombo ny faniriantsika ny hahalala ny tena toetrantsika, amin’ny maha-zanany antsika, amin’ny faniriantsika mba hahalala azy bebe kokoa ka hanahaka azy, hampifanaraka ny fomba fiainana amin’ny fahamarinana, ka hanesorantsika izay mety tsy mbola mifanaraka amin’ny hadiovan’Izy Andriamanitra.
Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra. Hihoitra hiady amin’ny fahotana anie isika, handio ny fontsika mba hibanjinantsika ny voninahitr’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy ka hihobiantsika sy hankalazantsika ny Anarany, mampahatsiaro an’Andriamanitra Vonjin’ny olombelona rehetra.
Tsaroana manokana ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firaisam-pinoana. Lohahevitra entin’ireo Kristianina any Malte sy Gozo hanentana antsika hivavaka moa ny fahatsiarovana ny fandraisan’ireo mponina tao Malta an’i Paoly sy ny mpiara-dia taminy vaky sambo (Asa 28, 2), hoentin’izy ireo mampahatsiaro koa fa ny fitiava-namana, ny fahaizana mandray ny vahiny dia tsy mifototra amin’ny maha-kristianina fa amin’ny maha-olona fotsiny izao. Ny fahaizantsika mandray ny hafa, tahaka ny nandraisan’ireo mponin’i Malte an-dry Paoly, dia fahasoavana hahafahantsika manovo ny harem-panahy sy ny finoana avy amin’ny hafa. Iray ihany no Tompontsika, ary asan’Andriamanitra no hiaraha-mikatroka, hahasoa ny olona rehetra (i Kor 12, 4-11) ho vavolombelona mahatoky sy azo antoka hitory ny evanjely!
Hahay handray ny hafa anie isika, ary ho samy vonona handray finoana ho toy ny fanomezan’Andriamanitra ka hiray fo hijoro ho vavolombelon’izany eo anatrehan’ny tsy mpino, ka hahataona ny olona rehetra amin’ny finoana marina.