Alakamisy manaraka ny Epifania
- 1 Joany 4,19-5,4
- Salamo 71
- Md Lioka 4,14-22a
Lalina ny voalazan’i Md Joany ao amin’ny vakiteny voalohany: tsy afaka misaraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana; izay tia an’Andriamanitra dia tsy afaka ny tsy ho tia ny rahalahy, ary ny marika hahafantarana fa tia ny rahalahy isika dia ny fitandremana ny didin’Andriamanitra, izany hoe ny fitiavana azy. Ny fitiavana marina manko no didin’Andriamanitra, ary hafaliana ho an’izay tia fa mahalala azy izany.
Ny Evanjely dia mitantara ny fiverenan’i Jesoa tany Galilea, tanànany, na faritaniny no marimarina kokoa, izay apetrak’i Md Lioka eo amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny, ho entiny mamintina ny fiainan’i Jesoa manontolo. Sabata ny andro ka nandeha toy ny mahazatra tao amin’ny Sinagôga i Jesoa. Ambohi-pihaonana moa io, azo antsoina hamaky ny Lalàna sy ny mpaminany ary afaka hitory teny avokoa ny Jody olon-dehibe rehetra. Tsy dia sarotra izany satria nahazatra ny olona ny nianatra tsianjery ny toritenin’olo-malaza dia namerina izany…
Fanononana ny Shemà moa no anombohana ny fotoana, izay toy ny fiekem-pinoana ho an’i Israely, avy eo dia manao ny Tsodrano valo ambin’ny folo izay fiomanana amin’ny famakiana sy fihainoana ny Lalàna (Torāh) sy ny Mpaminany (Nebhi’îm). Izay mamaky ny bokin’ny mpaminany no tendrena hanao ny toriteny (fampianarana) mazàna. Tamin’ity Sabata ity dia i Jesoa no notolorana ny Boky.
Misy antsipirian-javatra tsara ho tanana ihany amin’ny fitantaran’i Md Lioka: nandray ny Boky i Jesoa ary manokatra azy. Izy no afaka hanokatra ny Boky, hoy i Md Joany any amin’ny Apôkalipsa. Izy irery ihany no afaka hanome antsika ny tena hevitr’izay voasoratra. Izy no Teny tonga nofo, ankalazaina amin’izao Noely izao, ary Izy maty fa nitsangan-ko velona no manome ny heviny ny faminaniana rehetra momba azy.
Rehefa avy namaky ny Teny i Jesoa dia nipetraka. Araka ny fomba mahazatra anefa dia tokony ho eo am-pitsanganana no hanaovana ny famoaboasana. Izy kosa nipetraka. Io no ataon’ny artista sary amin’ny Kristy pantokrator, mpifehy sy mpampianatra. Ny Testamenta taloha dia mitondra antsika ho eo Aminy, ary rehefa tanteraka izany dia azo averina amin’ny Mpitandrina ny boky, satria ao aminy no hahatanterahan’izay rehetra nolazain’ny Mpaminany. Izy no hany Mpampianatra afaka mipetraka mandrakizay (kathizô amin’ny teny grika, izay azo adika hoe miorim-ponenana), ho fanilo sy hanazava ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.
Efajato taona talohany dia naminany i Izaia, fa ilay voahosotry ny Tompo dia ho feno ny Fanahy Masina mba hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy andron’ny famaliana. Androany no efa tanteraka izany, hoy i Jesoa. Anio no ho afaka ny mpifatotra, ho foana ny herisetra (Salamo 71 setriny). Ny teny hebrio derōr no ampiasain’i Izaia hilazana ny fahafahana, izany hoe ny herin’ny Fanahy Masina no mamaha izay manakana antsika tsy ho afaka hihazakazaka, hanafaka antsika amin’izay fatotra mangeja tsy hahafahana mitia an’Andriamanitra sy ny namana.
Tsy naverin’i Md Lioka moa ny andinin’ny Bokin’i Izaia izay milaza androm-pamaliana (nāqam) ho an’Andriamanitra, tsy novakìn’i Jesoa io (saingy hita ao amin’ny Baiboly malagasy irery ihany). Tsy Andriamanitry ny fahatahoran-tsazy ny Andriamanitsika fa Andriamanitra mamela ny zaza mpandany hanalavitra ny tranony eo am-piandrasana ny andro hanaovana fety amin’ny fiverenany. Fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany mody any aminy, tsy sanatria valifaty (nāqam).
Manafaka fa tsy mamatotra ny Tenin’Andriamanitra, ka hanaiky hafahany sy hoentiny amin’ny fahasambarana lavorary anie isika tsirairay avy.
Zoma manaraka ny Epifania
1 Joany 5,5-13
Salamo 147
Md Lioka 5,12-16
Ny fanambaran’Andriamanitra dia milaza fa nomeny ny fiainana mandrakizay isika ary ao amin’ny Zanaka ihany izany fiainana izany, ka izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana. Ary ny Zanaka dia efa nanome antsika ny fiainana tamin’ny nanolorany manontolo ny rano sy ny ra ary ny Fanahy hamelona antsika, dia ny loharanon’ny Sakramentan’ny Fiangonana.
Io Zanaka io no nolazain’i Md Lioka fa nanasitrana ny habokana, areti-mifindra izay noheverin’i Israely ho sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra (Dt 28,27.35), ka izay voany dia tsy maintsy roahina hivoaka ny tanàna; manokana toko roa manontolo mikasika izany ny Boky Levitika (Lev 13–14). Io lalàna io no nampisaraka ny “maloto” sy ny “madio”. Noravan’i Jesoa anefa izany rindrina mampisaraka izany: “naninjitra ny tanany izy ka nikasika azy…” Izy no YHWH mpamonjy (Eks 4,4; 7,19).
Mora kokoa ny mandroaka ilay boka hiala teo, na ny manendrikendrika azy ho tsy mpanara-dalàna satria raha araka ny lalàna manan-kery dia tokony hihorakoraka hoe “Maloto e! Maloto e!” (Lev 13,45). Fa i Jesoa kosa, feno ny Fanahy Masina: tonga “hamehy ny ferin’ireo torotoro fo”. Ambarany ho famantarana hahalalan’i Joany Batista Azy fa “sitrana ny boka” ary torìna amin’ny mahantra ny Evanjely (Mt 11,5).
Tsy nangataka ny ho sitrana ilay boka lazain’ny Evanjely, fa nangataka ny mba hodiovina, ny mba ho afaka hiverina hiara-monina indray amin’ny havana aman-tsakaiza. Mazàna manko, dia tsy ny aretina na ny halemena loatra no tena mampijaly fa indrindra ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana, ny tondromolotra ataon’ny mpiara-monina. Tsy andriamanitry ny tonga lafatra sanatria ny Andriamanitra ambaran’ny Teny tonga nofo, fa Andriamanitra sahy manendry ny boka, sakaizan’ny poblikana sy ny mpanota, mpiray petsapetsa amin’ny vehivavy tsy dia tsara fitondran-tena loatra. Satria ny fitiavan’Andriamanitra dia fahazavana ka tsy matahotra ny haizina, tonga ho fahazavana ho an’izay mitakiky ao amin’ny haizina. Raha sokafana ny varavaran-kelin’ny trano misy jiro dia tsy ny haizina velively no hiditra ao an-trano fa ny hazavana mandrakariva no hivoaka hanilo ny any alatrano. Izany no hampirisihan’i Jesoa ny mpianany mba tsy ho jiro hisitrika any ambany fandriana sanatria (Mt 5,15).
Asain’i Jesoa miseho any amin’ny Mpisorona ilay boka voadio mba hanolotra ny fanatitra voadidin’i Moizy noho ny fahasitranany, mba ho vavolombelona amin’ny olona. Voalohany indrindra, izany dia entina hilazana ary hampahatsiahivana antsika fa ireo mpisorona mpifehy ny lalàna dia tsy nahay nandio na nanasitrana fa ny nampihatra ny lalàna ho fanamelohana aza no nataony. I Jesoa kosa, ilay Môizy vaovao, dia nanao ho lalàna tokana hifehy ny lalàna rehetra: ny fitiava-namana. Ankoatra izay dia ampahatsiahivin’i Jesoa fa ny fanatitra, mariky ny fisaorana sy ny fiderana dia atolotra an’Andriamanitra irery ihany. Izy no loharano ipoiran’ny soa rehetra ka ny fahaizana mankasitraka azy dia loharan’ny famonjena ho antsika koa.
Ny fitiavana anefa tsy voatery ho voavaly soa mandrakariva. Ambaran’ny Evanjely fa ilay boka voadio dia tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliany, hany ka i Jesoa indray no nisintaka tany an’efitra, nitoka-monina ka nivavaka tao. Raha sanatria àry isika mitondra ny mangidy noho ny fitiavana dia ny vavaka no fanafody hahafahantsika mitahiry ny fiainana sy ny fahasambarana izay sitrak’Andriamanitra omena ny zanany rehetra. Ny vavaka no hahitantsika ny hafaliana na dia ny toeran’ilay boka (any an’efitra, mitoka-monina) aza no setrin’ny soa ataontsika. Ny mahafeno fatra ny hasambarana dia ny fahatsapana fa nahasoa ny hafa ny asa soa natao. Raha tsy izany, dia voady tsy hanao soa intsony no ataontsika.
Ny finoana no hahafahantsika mandresy an’izao tontolo izao, eny fa na dia tahaka ny jiro kely mitsilopilopy ihany aza, saingy zary fanilo, mety tsy hahazava, fa ampy hoentintsika hanampy ny hafa koa mba hahitany ny lalan-kombana (Papa Benoit XVI, Porta fidei).
Angatahontsika Andriamanitra mba ho tena zanany marina isika ka hanahaka Azy amin’ny fikolokoloana ny zanany tsy an-kanavaka, mba hananantsika rehetra ny aina feno, hiriaria sy ho finaritra.