Talata manaraka ny Epifania
- 1 Joany 4,7-10
- Salamo 71
- Md Marka 6,34-44
Tia antsika Andriamanitra ka naniraka ny zanany ho sorom-panavotana ho antsika. Izy no tia antsika mialoha mba hahafahantsika mitia toy ny nitiavany antsika. Ny Zanany no Mpisolovava (paraklètos) izany hoe ilay olona tsongoin’olom-bolo, henoin-teny ary miantoka fa tsy hohelohina isika noho izy.
Ao amin’ny toko faha-6 amin’ny Evanjelin’i Md Marka dia naniraka ny Apôstôly hitory fibebahana i Jesoa. Henontsika tamin’ny Evanjely alatsinainy (Mt 4) fa nanasitrana ny rofy rehetra Izy mpampianatra. Eto dia lazain’i Marka fa ny Apôstôly koa dia nanosotra menaka ny marary, ary nanasitrana ny maro tamin’izy ireny. Avy eo dia mitantara ny momba an’i Joany Batista novonoina izy, mampahatsiaro an’izay te ho mpianatra fa tsy azo ihodivirana ny fanenjehana, izay mety hiafara hatramin’ny fanapahan-doha aza.
Dia mitohy ny fitantarana ny fiainan’ireo Apôstôly: miverina eo amin’i Jesoa mba hitantara aminy izay rehetra natao sy nampianarina. Izany no atao hoe mivavaka, miala sasatra miaraka amin’Izy Mpampianatra. Saingy ny fahitana ny vahoaka be (eto no manomboka ny Evanjely anio) dia nampangoraka Azy (splanchnizomai), nampangotika ny atin-tsinainy, satria “mamindrafo sy marina ary miantra (raḥam-raḥamîm) ny Andriamanitsika (Sal 116,5) ka nahatonga Azy hampianatra zavatra maro azy ireo, na dia hiala sasatra aza no anton-dia. Saingy nony hariva teo am-pamahanana ny Tenin’ny Fianana ireto vahoaka, dia mitebiteby ny mpianatra, miahy ny sakafon’ny vatana.
Tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eks 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo Izy (raḥoum) fa tsy afaka ny ho faly raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra (ḥannoun). Ho an’ny mpianatra anefa, dia tsotra ny fanafodiny: ravao ny vahoaka hiahy ny tenany, hizaha sakafo hohaniny. Indraindray koa noho ny tahotra sy ny mety tsy fahaizana dia aleo miala andraikitra, saingy mazava anefa ny baiko omen’i Jesoa ny Mpianany: “Omenareo hanina izy ireo”.
Angatahin’i Jesoa ny hahaizantsika mizara ny mofo ananantsika. Legei autois (miteny amin’izy ireo izy): matoanteny tanisaina amin’ny fotoana ankehitriny no itenenan’i Marka azy, mba hahatsapantsika fa amin’ny fotoana rehetra no hitenenan’i Jesoa, miteny amintsika izao koa izy manao hoe “omenareo hanina izy ireo”… Mangataka amintsika tsirairay izy hanome izay eo am-pelatanana mba hifampizarana. Mahagaga ihany manko fa mamokatra avo roa heny amin’izay mety ho lanin’ny mponina rehetra ny tany, saingy indrisy fa misy ny maty noana, satria misy ny mitazona ho azy ny anjaran’ny sasany: izay azoko, tazoniko ho ahy, ny an’ny hafa hifampizarana. Izay mitazona ny zavatra tsy ilainy, hoy Md Jean Chrysostome, dia mpangalatra ny anjaran’ny mahantra.
Ireo Apôstôly ireo dia tsy nanana afa-tsy ny fahalalàna ny boky dimin’i Moizy ary ny lalàna sy ny mpaminany (TNK = Torāh, Neviîm, Ketouvim), saingy ny tso-drano avy amin’ny Mpampianatra no nahazoan’ny vahoaka Apôstôly roa ambin’ny folo, vatofototra iorenan’ny Fiangonana, entin’i Jesoa mamahana ny vahoakany. I Herôda any amin’ny lapam-panjakana no miara-misakafo amin’ny tandapany, fa ny mpianatr’i Jesoa kosa, any an-taniefitra no antsoiny hamahana ny vahoakany, hamaly ny fanontanian’ny Salamo hoe : “hahavokatra latabatra any an’efitra va Andriamanitra” (Sal 78,19). Ny fanekena ny tenin’Izy Tompo no hahafahana mampitsiry ahi-maitso any an’efitra (Iz 35,1), satria ny vahoaka noana dia tarihin’ny Mpiandry azy, toy ny ondry, eny amin’ny ahi-maitso (Sal 22). Any amin’ny toko faha-valo moa i Md Marka dia mbola miverina amin’ny mofo fiton’ny Diakra, mofo fiton’ny fanompoana zary fanomezana fiton’ny Fanahy, manamasina ny Fiangonana maneran-tany.
Nangonina ny sombiny sisa tsy lany, roa ambin’ny folo sobika, hilazana fa avy amin’ny alalan’ny Apôstôly dia manohy mamahana ny vahoakany Andriamanitra. Fitiavana Izy. Tsy nampitombo ny mofo i Jesoa fa nitso-drano azy, mampianatra antsika hahatsiaro fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny sakafo (na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy), ka ny fifampizarana no fitehirizana hahafahana mampitombo azy ka hananana amby ampy hiadanan’ny rehetra, ny fizarana amin’ny hafa no hamenoantsika ny sobika eo am-pelatanantsika, hahafeno fatra ny hafaliantsika: sambatra kokoa izay manome noho izay mandray (Asa 20,35).
Ampianarin’i Jesoa izay mandray ny vokatry ny tany (mofo) sy izay mandray ny vokatry ny fisasarana (trondro) mba hahatsiaro hiandrandra ny lanitra, hisaotra an’ilay manome ny voa afafy ho an’ny mpamboly sy ny hanina ho an’ny mpiasa rehetra (Iz 55,10). Tsy afaka ny hizara izay eo am-pelatanany ho an’ny hafa izay tsy mahatsapa fa fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra izay ananany. I Jesoa dia manome (edidou, avy amin’ny matoanteny didômi amin’ny fotoana lasa imparfait) ny mofo voatsodrano ho an’ny mpianany, entina hilazana fa tsy mitsahatra ny mizara ny tenany ho Mofon’ny fiainana ho antsika Izy. Ireo dimy arivo, isan’ny mpino nandray ny fampianaran’i Piera sy Joany (Asa 4,4) dia nivelona isan’andro ny Eokaristia izay nankalazainy (Asa 4,32-35).
Ho haintsika anie ny hizara izay harena sitrak’Andriamanitra omena antsika ary hampifanaraka ny fiainana andavanandro amin’ny Eokaristia ankalazaintsika.