Talata I mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 2 /Salamo 8
- Ankasa 1 Samoela 1, 9-20/1 Samoela 2, 4.5.6.7 8abde
- Marka 1, 21-28
Rehefa avy niantso ny mpianatra ho tonga mpanarato olona i Jesoa dia tonga azo lazaina ho niorim-ponenana tao Kafarnaoma mihitsy (Mt 9,1), ny tranon’i Piera no zary ambohi-pihaonana. Izay te ho mpianany koa dia tsy maintsy mandray azy ao an-tranony, hifanerasera aminy. Tsy dia nifanalavitra loatra amin’ny sinagoga io tranon’i Piera io. Ny Sabata dia any amin’ny Sinagoga no hivondronan’ny olona mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy handray ny fanazavana hahafahana miaina izany. Ny ankamaroan’ny farisiana sy ny lehiben’ny sinagoga dia manazava ny Soratra Masina amin’ny famerimberenana ny fampianaran’ireo olo-malaza, ary izay no mahazatra ny olona.
Dia nampianatra i Jesoa, ary gaga ny rehetra naheno azy satria tsy toy ny mpanora-dalàna no nampianarany fa toy ny manam-pahefana. Tsy famerenana izay nolazain’ny hafa fa filazana izay hevitra lalina ambaran’ny Teny. Izay tsy gaga amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra dia tsy nahazo na inona na inona amin’izay voalaza, na nahazo ihany fa tsy ny hevitra lalina tian’Andriamanitra ambara aminy.
Rehefa toriana araka ny tena izy ny Teny dia manafaka, mandrava ny velam-pandrika sy ny fanjakan’i Satana. Nisy olona iray tao amin’ny Sinagoga, azon’ny fanahy maloto. Mampandinika ihany izany. Sao manko isika mihevitra ho mpamonjy lamesa isan’andro, kanefa sao sanatria mbola andevozin’ny asan’ilay ratsy. Izay mandre ny Teny dia tsy avelany na oviana na oviana hipetrapetraka, hanontany tena sy hanontany an’i Jesoa hoe “ho avy hamongotra anay mialoha ny fotoana va ianao?” Ambaran’i Marka fa tsy iray fa maro ny fanahy ratsy mampanalavitra antsika amin’ny fahasoavana. Saingy iray ihany no ampanginin’i Jesoa.
Masin’Andriamanitra izay mitory ny Teniny araka ny heviny. Tsy be resaka: “Mangìna! Mivohà”. Ambaran’i Marka koa anefa fa ady ny famongorana ny asan’ny ratsy, mampifanitontsitona, mitabataba mafy, saingy tsy maintsy avelan’ny ratsy ho afaka izay mandray ny Teny.
Ao am-piangonana no nanaovan’i Jesoa ny asa fanafahana voalohany, ary fanafahana antsika amin’ny fangejan’ny fanahy maloto izany, rehefa avy toriana amintsika ny Teniny ka raisintsika ho Tenin’ny fiainana mahavelona tokoa. Matoa tsy mandaitra amintsika ny Teny, matoa tsy manova ny fiainantsika, raha milamina ny fiainantsika satria tsy mbola mikiakiaka ny Demony, dia midika izany fa mbola ny toriteny mahazatra ny farisiana sy ny mpanora-dalana no henointsika.
Ny Tenin’Andriamanitra dia manafaka ary manampy antsika handray ny fahasoavan’Andriamanitra ka hizotra amin’ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana.
Izay vonona hanara-dia an’i Jesoa dia vonona ihany koa hitondra fiovana satria matoky ny herin’Izy ilay efa nandresy ny fahafatesana ka nanome antsika ho lova ny fiainana madrakizay. Angatahontsika ny fahasoavana mba handraisantsika ny Teny izay manana hery hanova ny fiainana ho amin’ny fahasambarana.