ALATSINAINY II FIAVIANA
- Izaia 35,1-10
- Salamo 84
- Md Lioka 5,17-26
Ny toko faha-35 manontolon’i Izaia no vakìna anio, manambara ny lalana masin’ny Tompo izay manova ny tany efitra ho tany lonaka maitso mavana. Izay mitebiteby fo dia ilazana fa ho avy ny tenan’Izy Tompo hamonjy antsika. Famonjena manakory tokoa moa no azontsika andrandraina avy Aminy? Ny vavaka fangatahana mitalaho mba hanadiovan’ny Ray ny fontsika miomana amin’ny fankalazana ny Noely.
Fiadanam-pahamarinana no anarana iantsoan’Andriamanitra izay voafidiny, hoy i Baroka Mpaminany (Ba 5,1-9). Hamafisin’ny salamo 84 (salamo fandinihana) fa ny rariny ombam-piadanana hatrany no lalany: izay manao ny marina araka ny hitsiny dia hahazo fiadanam-po, satria ho setrin’izany dia hitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny rariny. Izy Tompo no mpitsara ka izay te hitady ny lalan-kizorany dia mila mizotra amin’izany rariny ombam-piadanana izany.
Izany maha-mpitsara Azy Tompo izany koa no ambaran’ny Evanjely amintsika. Ny Mpampiana-dalàna sy ny Farisiana dia nihevitra ho mpahay ny lalàna sy mpampihatra azy, handidy tsy araka ny hevitr’Andriamanitra fa araka izay heverin’izy ireo ho marina. Iza moa no afaka hanafaka fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany? Marina izany, saingy firifiry ny olona voaheloka ho faty sy tondroi-molotra ary voahilikilika amin’ny anaran’Andriamanitra, satria tsy mampiasa ny fahefany araka ny sitrapon’Andriamanitra ireo nahazo fahefana hanao izany. “Taratry ny famindrampon’Andriamanitra ianao”, hoy i Papa François aminay pretra mampikonfesy.
Ny famelan-keloka eto dia ampifandraisin’i Jesoa amin’ny fahasitranan’ilay lehilahy malemy, izay voavela heloka ka afaka nandeha am-piadanana, tsy menatra ny hitondra ny fandriana nitondrana azy, sady vonona koa hijoro ho vavolombelona hanambara ny voninahitr’Andriamanitra sy hankalaza Azy.
Amin’ity herinandro ity moa isika antsoina mba haneho amin’ny fiainana ny vokatry ny fibebahana. Tsy hambom-pon’olombelona anefa no hanaovana izany fa vokatr’ilay fitiavana mamela heloka, fanirahana ataon’ilay manam-pahefana ka nirahina hitondra famonjena ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Indraindray isika dia tsy afa-mihetsika akory ao amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fahalemena nandamahan’ny fahotana antsika, raha manaiky ny iraka (anjely) alefan’Andriamanitra hitondra antsika eo anatrehany kosa anefa isika dia afaka hihaino izany baiko ataon’i Jesoa izany: ilay fanirahana hitsangana ka hibata ny fandriana ary hody any an-trano. Ny Mpianatr’i Kristy no mandrafitra ireo iraka ireo, irahiny mba hanangona ny olona rehetra ao amin’ny vala tokana, eny fa na dia eo aza ny sakana mety hosedraina noho ny “vahoaka”, noho ny “fombafomba” sy ny “mahazatra”. Mahatsiaro anefa izy ireo fa tsy misy voa afa-mitsiry amin’ny “lalana”, amin’izay andehanan’ny olona rehetra, hany ka nanapa-kevitra ny hiditra avy any ambony, avy any an-tafotrano, amin’ny alalan’ny vavaka, hanandratra ny fony any amin’Andriamanitra, ka hahita ny tafo manandrify an’i Jesoa hohesorina mba hitondrana ny olon-drehetra eo Aminy.
Ny fahefàn’i Jesoa dia tsy tahaka ny an’ny Farisiana sy ny an’ny Mpanora-dalàna. Ireto farany ireto dia mampianatra hanavaka ny tsara sy ny ratsy araka ny lalàna, ka manafaka na manameloka izay heveriny ho mifanaraka na tsia amin’izany. Ny an’i Jesoa kosa anefa dia fahefana hitadiavana izay hitondrana ny olona rehetra amin’ny famonjena, ary izany no tanjon’ny Lalàna. Mpitsabo mamono ny aretina mba hamelomana ny marary izy, fa tsy sanatria mpitsara mamono ny marary miaraka amin’ny aretiny. Ny famelana ny fahotana no lalana itondrany antsika ho ao amin’ny fahasambarana amin’ny maha-zanaka. Ny fahotana no mahatonga antsika hizahozaho, ka hihevitra ny tenantsika ho “andriamanitra”, ka mihevitra fa afaka hanao izay tiantsika atao amin’ny zavatra rehetra, kanefa hampandamaka antsika ihany amin’ny fandriana. Averin’i Jesoa amintsika indray anefa ny hasina maha-zanaka, hiombonana aina amin’ilay loharanom-pahasoavana.
Inona no mora lazaina kokoa: voavela ny helokao sa mitsangàna ka mandehàna? Ho an’ny Farisiana dia fitenenana ratsy an’Andriamanitra ny famelan-keloka ataon’i Jesoa, ho an’ny Jentily kosa, zavatra tsy vitan’ny olombelona ny manasitrana. I Jesoa tena Andriamanitra sy tena olombelona kosa, ho an’i Lioka dia sady namela heloka no nanasitrana. Io no ataon’ny Eglizy amin’ny fankalazana ny Batemy sy ny Sakramenta rehetra, mamela heloka sy manangana ho zanaka, mpitory ny voninahitr’Andriamanitra, amin’ny fandraisana an-tanana ny fiainana (fandriana natoriana) ka hizorana amin’ny lalana mitondra any an-trano, any an-tranon’ny Ray. Fitsanganan-ko velona no vokatry ny Sakramenta, indrindra ny famelan-keloka.
Ny fahasitranana no mariky ny famelàna. Isika izay efa navelan’Andriamanitra heloka, sady efa novidìny tamin’ny rany anie hanaiky ny baikony, ka ho vonona hijoro, hitsangana ho vavolombelon’ny fitiavany, handray an-tanana ny fiainana mba hizotra amin’ny fodiana any an-tranon’ny Ray hankalaza an’Andriamanitra.