8 DESAMBRA: FANKALAZANA AN’I MASINA MARIA NOTORONTORONINA TSY AZON-KELOKA,
Mpiaro Voalohany an’i Madagasikara (1 aogositra 1644 Mgr Pierre Dalmond)
- Jenezy 3,9-15.20
- Salamo 97
- Efeziana 1,3-6.11-12
- Md Lioka 1,26-38
Ny fiekentsika an’i Jesoa ho Andriamanitra dia manosika antsika hanaja an’i Masina Maria ho Renin’Andriamanitra, ary Izy no hajaina ho Mpanjakavavy dia satria izy no Reny niteraka an’ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka, dia i Jesoa ilay maty fa nasandratra ho be voninahitra, hanehoan’Andriamanitra ny herin’ny Fitiavana, mandresy hatramin’ny fahafatesana. Mazava ny fanambarana nataon’ny Papa Pie faha-9 tamin’ny 1854 fa i Masina Maria tsy azon-keloka dia tandindon’ny Fiangonana be voninahitra tsy misy panda na ketrona fa masina tsy manantsiny amam-pondro.
Ny Mpanjakavavy manko dia tsy ny vadin’ny Mpanjaka (izay mety ho marobe, 1000 ny an-dry Salômôna) fa izay renin’ny zanaka nofidìn’ny Andriamanjaka ho Mpanjaka handimby azy. Ny fankalazana an’i Masina Maria ho Mpanjakavavy araka izany dia manamafy ny fametrahantsika ny Evanjelin’i Kristy ho kiady sy fenitra ho an’ny fiainantsika.
Ny tantara entin’ny Bokin’ny Jenezy manoritsoritra ny vokatry ny fahotana sy ny antony mahatonga antsika olombelona hirona amin’ny fahotana no nahatonga an’i Md Augustin hampianatra mikasika ny fahotana tamin’ny fototra, ifandovan’ny olombelona hatrany am-bohoka. Tsara homarihina anefa fa ao amin’ny vakiteny faharoa dia henontsika i Md Paoly nilaza mazava fa “nifidy antsika tao amin’i Kristy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Andriamanitra mba ho masina isika sy tsy manan-tsiny (immaculés) eo anatrehany… mba ho zanany hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika”. Ahoana àry no hahazoantsika izany?
Henontsika tao amin’ny vakiteny voalohany ny vokatry ny fahotana: henatra. Menatra satria nahatsapa fa hadalana ihany ny fiheverana fa ny tsy fanekena (na fanaovana di-doha) dia hampitovy saranga amin’Andriamanitra, hany ka ny fialan-tsiny azo atao dia ny manome tsiny an’Andriamanitra: “Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho”. Dia toy izany koa ravehivavy: ny bibilava no fositra, raha ny marina moa dia fanomezan-tsiny an’Andriamanitra avokoa ireo satria Izy no nahary ny zavatra rehetra…
Ny valintenin’Andriamanitra amin’ny bibilava anefa dia Vaovao Mahafaly ho antsika: hikisaka amin’ny kibony ary hihinana vovotany (Mikea na Mi 7,17) mandrakizay izy. Tsy tokony horaisina ara-bakiteny anefa izany ka hieritreretana sanatria hoe taloha nitsangana ny bibilava dia izao mandady, sady fantatsika fa tsy mivelona amin’ny vovotany velively ny bibilava. Amin’ny teny hebrio, ny bibilava dia nāḥāsh, teny entina ilazana koa ny finoanoam-poana, araka ny fomba fivavahan’ny Madianita – mpisorombe tao amin’io vahoaka io ny rafozan’i Moizy. Raha misy sendrasendra te hanontany mikasika ny bokin’ny Fanisana (Fan 21,8) dia tsara ny mahafantatra fa bibilava mirehitra na mahamay (sārāph, izany hoe endriky ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fanoloran-tena mirehidrehitra, ho lany sabora amin’ny fanasoavana ny hafa) no nasain’Andriamanitra natao, dia bibilava (nāḥāsh, mitovy amin’ny ampiasaina ao amin’ny bokin’ny Jenezy) no nataon’i Moizy, ary varahina (neḥosheth), izay misy mandika ihany koa fa manambara ny fivadibadihana sy ny fivarotan-tena hahazoana tombontsoa.
Ny fikisahana amin’ny tany kosa dia fomba fiteny ampiasain’ny Baiboly mba hilazana ny faharesena mahafa-baraka. Fampanantena fiadanana tsy marina sy azo mora fa tahirizina lafo no atolotr’izay mety ho fanompoan-tsampy rehetra. Ny “bibilava” ilay fetsy indrindra (‘āroum; marihina fa misy karazana kilalaonteny mitovy fototeny [‘rwm] amin’io ao amin’ny Jen 2,25 [‘ārōm] sy Jen 3,10 [‘êrôm] izany hoe miboridana, izay azo heverina fa samy avy amin’ilay mpamari-toetra ‘aram, midika hoe fetsy), mihevitra ny hitovy amin’Andriamanitra dia ho menatra foana noho ny fahareseny, ho voaozona (‘ārour). Ary tsy ho azy sanatria ny fandresena fa ho an’ilay hateraky ny vehivavy.
Tsy azo adinoina fa miandalana ny fahafantarantsika an’Andriamanitra, ary tsy tokony hohadinoina izany fivoarana izany ao amin’ny Baiboly. Na i Jesoa (Izy ilay hafenoan’ny fanambaran’Andriamanitra) aza dia nilaza tamin’ny mpianany (izay tsy nanafenany na dia kely aza izay rehetra henony tamin’ny Ray) fa misy zavatra maro tsy mbola zakan’izy ireo fa hambaran’ny Fanahy Mpanafaka alahelo amin’ny fotoana mampety azy.
Ambaran’i Md Lioka ao amin’ny Evanjely fa ao amin’i Jesoa no tanteraka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, hanehoany ny fitiavany tapitr’ohatra antsika olombelona. I Masina Maria dia fitaovana ihany, saingy fitaovana nanaiky hiasan’ny fahasoavana ka hahafahantsika manantena miaraka aminy ny Famonjena mandrakizay. Izay te handresy ny bibilava àry, araka izany, dia mila maka tahaka ny « eny » nataon’i Masina Maria, ka ho zary fitaovana mahomby eo am-pelatanan’Izy Ray, haneho ny fitiavany ny olombelona, tsy hivaro-panahy hitadiavana tombon-tsoa ho an’ny tena fa hanolo-tena ho sorona hanasoavana ny hafa.
Tsy misy zanak’ikalahafa eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fitiavana nitiavany ny Zanany, izay nitiavany an’i Maria no itiavany antsika tsirairay avy. Lova nomen’Andriamanitra antsika, hoy i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny II, ny “tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra”, koa ndeha horaisintsika mba hanova ny fiainantsika ho fanomezana ho an’ny hafa, ho Sorona Velona ankasitrahan’Andriamanitra, ka hahatonga antsika ho fankalazana ny voninahiny.
Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny Teninao. Ho tanteraka ao amintsika anie ny sitrapon’Andriamanitra ho antsika tsirairay avy.
- Md Lioka 1,26-38
Rehefa nandray enim-bolana i Joany dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely ho any Galilea, ho any Nazareta. Fotoana mampahatsiaro ny andro faha-enina naharian’Andriamanitra ny olombelona, mampahatsiaro ny ora faha-enina nipetrahan’i Jesoa reraka teo akaikin’ny fantsakan’i Jakôba (Jo 4,6), mampahatsiaro ny ora faha-enina nanombohan’ny haizin-kitroka nandrakotra ny tany (Lk 23,44), ora nipetrahan’i Pilaty hitsara an’i Jesoa (Jo 19,13). Rehefa tonga ny hafenoan’ny fotoana dia nirahin’Andriamanitra hamonjy antsika ny Zanany, hoy i Paoly (Ga 4,4).
Miravoravoa ianao ry ilay feno hasoavana: ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao. Io no vavaka heveriko fa ventesintsika matetika indrindra amin’ireo nifandovana ato amin’ny Fiangonana: Arahaba, ry Maria. Kanefa indraindray tsy dia dinihina loatra izay tena heviny. I Maria, ilay feno hasoavana, no ilay vehivavy navotan’ilay lehilahy marina mba tsy ho fatin’ny tora-bato amin’ny fanendrikendrehana fa nanitsakitsaka ny fofom-badiny, manaporofo izany ny fanivaivana nataon’ny olona an’i Jesoa (tsy teraka tanatin’ny fijangajangana izahay: Jo 8,41).
Feno hasoavana ilay vehivavy miandry vohoka, mitotototo handeha hisoratra avy any Nazareta ho any Betlehema, avy eo sesitany tany Ejipta ary niverina tany Nazareta indray. Feno hasoavana izy voatery nitady an-janany izay efa noheverin’ny olona ho adala sy very saina (Mk 3,30sns). Feno hasoavana izy niatrika ny fanamelohana sy ny fandevenana ny Zanany voaheloka ho faty amin’ny hazofijaliana. Feno hasoavana izy nandevina ny Zanany.
Indraindray mifangaro manko ny fiheverantsika ny fahasoavana vokatry ny fiombonana amin’Izy Tompo sy ny fahafinaretana mety ho azo amin’ny fiainana mizotra araka ny fanirian’olombelona. Ny fahasoavan’Andriamanitra no nameno ny fiainan’i Masina Maria, ary ny fanekeny ny sitrapon’Andriamanitra no nanamasinany ny fiainany ka nahafahan’izany fahasoavana izany “hanao zava-dehibe”, loharanom-pamonjena ho antsika.
Fototry ny finoantsika manko ny maha-olombelona an’i Jesoa, ilay zanak’Andriamanitra, tena Andriamanitra. Fandalinana sy fampianarana mikasika izany maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an’i Jesoa izany no nimasoan’ny Fiangonana hatrany am-piandohana. Na ny drafitra narahin’i Md Lioka amin’ny fanoratana ny Evanjeliny aza dia manampy antsika hahazo izany Mistery izany, ka hampiharana azy amin’ny fomba fiaina andavanandro.
Nofidìn’Andriamanitra manokana i Masina Maria, ny antony hoy i Lioka dia satria hitany ny fanambaniana (tapeinosis) nahazo ny ankizivaviny, hitany ny fahorian’ny vahoakany. Tombom-pitiavana izany, saingy tsy ho an’i Maria ihany fa ho antsika rehetra koa, ho an’ny olombelona tsirairay. Fa tahaka ny fitiavana rehetra izy io, tsy manery fa miangavy. Ny “eny” nataon’i Maria no mirakitra ny halehibeazany, ka izay te ho zanany, izay te ho sambatra miaraka aminy, izay fatra-panaja azy marina tokoa, dia ho lany andro hitanisa ny “arahaba ry Maria” fotsiny, raha toa ka tsy mitombo miaraka amin’ny isan’izay voatanisa ny faniriana hanao “eny” amin’ny tolo-pitiavana iantsoan’Andriamanitra antsika mba hahatongavan’i Kristy ho nofo eo amin’izao tontolo izao.
Arahaba ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao (chairé, kecharitômenè, ho kurios meta sou – Lk 1,28). Arahaba moa no nandikana azy, fa fiarahabana manokana kosa no dikany: chairé kecharitômenè: mifalia ianao izay nohasoavina. Antsoin’ny Anjely hifaly i Maria. Araka ny voalazantsika teo aloha dia tsy hoe fiainana milamina, tsy hoe harena sy voninahitra no niainan’i Maria fa “tapeinosis”, tsy fietren-tena fotsiny fa fiainana tsizarizary, toa tsy afaka ny hiarina akory. Taratr’ilay niandry ny fanambaran’Andriamanitra manko i Masina Maria, ao aminy no tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, niantso ny vahoakany hifaly (jer. oh. Sôf 3,14-18; Za 2,14; 9,9-10). Tanteraka izany fampanantenana izany satria nahay “nanaiky” i Maria, ilay ankizivavin’ny Tompo.
Ahoana no hahafahana mifaly, ahoana no hahitana ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny fahoriana? Ho an’i Masina Maria manokana dia tsy maintsy hiatrika ny fiainana izy: iza no hino fa “zanak’Andriamanitra” ilay zaza torontoronina tao an-kibony? Ahoana àry no hahatsapana fa na eo aza ny fijaliana sy ny adim-piainana (ny valan’aretina sy ny fahalovan’ny fahotana) dia “tian’Andriamanitra manokana” tahaka an’i Masina Maria isika tsirairay avy? Ny fandinihana ny halehibeazan’ny finoan’ity zazavavy kely ity no manampy antsika hanao dingana amin’ny finoana koa. Isika manko efa nohasoavina ary mino ny fitsanganan’i Kristy ho velona. I Maria kosa nanomana izany tam-pinoana. Sambatra izy, tsy nahita kanefa nino fa “momba ny vahoakany Andriamanitra”, tsy mandao ny vahoakany Andriamanitra, “ilay Misy” no Anarany, “Emanoela, Andriamanitra miara-monina mandrakariva amintsika”.
Rariny araka izany raha “atao tsara laza” (eulogèmenè, nadika hoe nosoavina) noho ny vehivavy rehetra i Masina Maria, tsy afaka ny tsy hibanjina ny halehibeazan’ny finoany izay te hanara-dia an’ilay “zanak’Andriamanitra” tonga nofo vokatr’izany faneken’i Maria izany (karpos na vokatra), ary izay manao tsara laza an’i Maria dia “mankalaza” ihany koa ilay nateraky ny kibony, ary Andriamanitra Ray no voalohany mitsodrano sy mankalaza Azy. I Maria no loharano nahazoantsika ny “loharanom-pahasoavana” hoy i Md Bernard, ka raha avy aminy no nahazoantsika ny Mpamonjy, fahasoavana inona no tsy homen’Andriamanitra amin’ny alalany? Tsy afaka ny tsy ho any an-doharano izay maniry hantsaka rano. Tsy afaka ny tsy hanaja an’i Masina Maria izay te ho tonga mpianatr’i Jesoa, satria ao aminy no ianarantsika rehetra ny fanekena ny Teny, ka hahatonga nofo Azy ao amin’ny fiainantsika.
Ambaran’i Md Lioka koa fa i Masina Maria no tena “Mpanompo(vavi)n’Andriamanitra” (Hè doulè Kyriou, Lk 1,38). Raha fakafakaina moa ny anarana hoe Maria, ankoatra ireo izay niezahana nandikana azy (malala, kintan’ny ranomasina…), ny matoanteny marah amin’ny teny hebrio dia midika hoe mandà, mioko, mikomy. Na dia fatra-pandà, fatra-pioko sy mpikomy aza ilay “zanakavavin’i Siôna”, i Maria kosa, feno hasoavana satria nahay “nanaiky”. Izany fanekena izany no maha-mpanompon’Andriamanitra azy. Tsy fietren-tena na fanambanian-tena ny filazana fa mpanompon’Andriamanitra izy, raha ny marina aza dia fanandratana, fankalazana (eulogeô). Izany dia entin’i Md Lioka milaza fa i Masina Maria no ilay “Mpanompovavy” sitrak’Andriamanitra, tsy ambakan’ireo Mpanompon’Andriamanitra hafa voatanisa ao amin’ny Baiboly, toa an-dry Abrahama, ry Moizy sy Elia Mpaminany. Ilay Zanaka tonga nofo tao an-kibony moa no ilay “Mpanompon’i YHWH, sitraky ny fony”, araka ny nolazain’i Izaia (Vakiteny mandritra ny herinandro masina).
Asan’ny Fanahy Masina ny manavao ny zavatra rehetra. Iraho ny Fanahinao, ry Tompo, dia ho àry ny zavatra rehetra (Sal 104,30). Dia tao amin’ny faneken’i Masina Maria no nahafahan’Andriamanitra nanavao ao amin’ny Zanany tonga nofo ny fitiavany antsika rehetra. I Masina Maria kosa, niandry am-pitokiana ny fahatanterahan’ny lahatr’ilay tia mandrakizay: “Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao” (genoito moi, Lk 1,38), ny matoateny grika ginomai, izay midika hoe tanteraka, miseho miharihary eto dia amin’ny filazam-potoana aoriste optatif [Mode – Optatif (Optionnel) Le mode « optatif » s’emploie généralement dans les conditions de « quatrième type », qui expriment un désir, un souhait pour qu’une action dont on ignore le résultat puisse se réaliser. Ce mode est très rarement utilisé dans le Nouveau Testament, car il n’était presque plus en usage à cette époque. Dans quelques cas, le mode optionnel est utilisé sans clause conditionnelle, pour exprimer le très fort désir de voir se réaliser l’action considérée. Ceci correspond à ce qui apparaît dans la phrase « mê genoito », traduit par « A Dieu ne plaise! » (Luc 20:16) (cfr. Note Bibleworks 10)], izany hoe lazain’i Md Lioka fa indrakindrafana be ihany i Maria mandra-pahatanterak’izany sitrapon’Andriamanitra izany.
Ny famerimberenana ny fiarahaban’ny Anjely dia tokony hamelombelona ao anatintsika koa ny faniriana izany hafaliana sitrak’Andriamanitra ho tonga lafatra ao amin’ny zanany rehetra izany. Ny Teny tonga nofo tao amin’i Masina Maria no sitrany koa ho tonga nofo ao amintsika tsirairay avy. Asan’ny Fanahy Masina izany kanefa kosa miankina amin’ny fanekentsika ka hamelantsika azy hiasa.
Isika tsirairay avy koa dia efa samy nandray ny Fanahy Masina. Ohatra ho antsika i Masina Maria amin’ny fanekentsika hovolavolain’ny Herin’ny Avo indrindra ka hahafahantsika mivelona araka ny Evanjely, hiteny toa an’i Md Paoly fa tsy isika intsony no velona fa Izy Kristy no velona ao amintsika.
Hanahaka an’i Masina Maria anie isika hanetry tena [izany hoe hankatò ny herin’Andriamanitra mandahatra ny zavatra rehetra] sy hiraiki-po amin’izay sitrak’Andriamanitra ary ny fanajana azy; ary ny fanaovana sapile matetika anie hanampy antsika hitombo finoana sy hafaliana hiandry am-pitokisana ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hahamasina sy mba tsy hananantsika rehetra tsiny eo anatrehany.