FIAVIANA
Ny Fiaviana dia ny vanimpotoana anombohan’ny Eglizy ny Taona litorjika ary entiny hanomanana ny fankalazana ny Noely. Ny teny latinina hoe “adventus” moa no nadika, entina ilazana ny fahatongavana, ny fiavian’ilay Emanoela, fa ny hevitra lalina tena fonosiny sy hanompanana ny saina dia ny fiandrasana sy ny fiomanana ataontsika amin’izany fahatongavany izany. Ara-tantara anefa dia ny taona 336 vao nakalazaina tao Roma ny Noely voalohany, nefa araka ny Tahirin-kevitry ny Konsily tany Zaragoza kosa (380), dia efa nisy ny fanomanana ny noely nanomboka ny 17 desambra ka hatramin’ny 6 janoary. Any amin’ny taonjato faha-6 araka ny filazan’i Md Gregoire de Tours vao heno ny antsoina hoe “Karemin’i Md Martin”, izay hanombohana ny fanomanana ny Noely manomboka ny 11 novambra, ary mbola io fomba io no voatahiry amin’ny fomba fivavahan’i Md Ambroise, any avaratr’i Italia, izay manomana ny Noely amin’ny alahady 6 hatramin’izao.
Ho an’ireo mampiasa ny Couronne de l’Avent dia mba tiako ny hifampizarana ity aminareo. Araka ny lovantsofina dia fomba nankalazana ny fetin’i Mb Lucie ireo labozia efatra mena. Ary satria ny 13 desambra dia mazàna anatin’ny fotoanan’ny Fiaviana, hany ka noraisin’ny Pastera sasany protestanta io fomba io (satria tsy mankalaza ny olomasina izy ireo: Lucie midika hoe hazavana) hoentina manomana ny noely. Nivoatra tsikelikely araka izany ity fomba ity, hatramin’ny taonjato faha-16 (±). Ny hevi-dehibe fonosiny dia maro, sady samy manana ny fomba nanazavany azy arakaraka ny Fampianarana tiana hovoizina mandritra ny taona litorjika. Ny Couronne aloha midika fa mitohy ny fiainana, ary araka ny hevitry ny besinimaro dia midika fandresena ny fehiloha, dia i Kristy ilay mandresy ny fankahalana sy ny haizina; ny fiainantsika kosa mivoatra tsikelikely hazavain’i Kristy. Ny loko sy ny hevitr’ireo Jiro kosa dia tsy hita be ihany izay marina. Ao ny manohy ny tradition ka manohy ny jiro mena araka ny fomba tamin’ny fetin’i Mb Lucie. Ao ny manao azy ireo volomparasy sy vony (lokon’ny Fanamiana litorjika mandritra ny vanim-potoana). Ao kosa ny milaza loko efatra samihafa…
Ny sasany àry araka izany dia milaza fa manambara ny Mpaminany (Fanantenana), an’i Betlehema (Antso mba ho masina), an’ny Mpiandry ondry (Hafaliana) ary ny Anjely (fitiavana) ny labozia.
Rehefa nandinika ireo rehetra mety ho azoko novakiana sy nohalalinina aho, dia heveriko fa ny marim-pototra indrindra sady manampy antsika hahazo ny misterin’ny Fiaviana mifanaraka amin’ny nandrafetan’ny LItorjia azy dia ny loko efatra ambaran’ny labozia sy ny lokom’my couronne :
- Volomparasy (alahady I) manambara ny famelana (fivalozana) antenaintsika izay nampanantenain’Izy Tompo an’i Adama sy Eva tany am-piandohana.
- Mena (Alahady II) manambara ny finoan’i Abrahama izay tonga rain’ny Mpino
- Mavokely (Rose) (Alahady III = gaudete) manambara ny hafalian’i Davida nampanantenaina fa ho razamben’ny Mesia, ilay Mpanjaka hanjaka mandrakizay amin’i Israely.
- Fotsy (Alahady IV) manambara ny mpaminany izay nilaza fa ho avy ilay Mpamonjy antsika.
- Maitso, manambara ny fanantenana manentana isan’andro antsika mpivahiny manaiky hibebaka ka hino, ho faly mijoro ho vavolombelon’ny fitiavana eo amin’ny andavanandrom-piainana izay toy ny faribolan’ny couronne.
Araka izany, ny taranaka 14 isaky ny vanim-potoana lazain’i Matio (Mt 1,17) dia asongadin’ny arivo taonan’ny tantara: hatramin’i Abrahama; hatreo amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; hatramin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana; hatramin’ny fahababoana ka hatramin’i Kristy…
Rehefa izany dia tonga ny Noely (Mt 1,18)
Faly miarahaba antsika manomboka izao Taom-baovaon’ny Eglizy izao.
“Ny Fiaviana dia fotoam-pahasoavana hahafahantsika mandray Azy Tompo tonga hihaona amintsika, hahafahantsika manamafy ny faniriantsika Azy, hibanjinana ny ho avy ka hanomanana ny fiverenan’i Kristy. Ny Fetin’ny Noely no ankalazantsika ny fiverenany, rehefa mankalaza ny nahatongavany ho nofo amim-panetren-tena teo amin’ny Tantara isika; fa ankalazantsika ihany koa ny fahatongavany ao am-pontsika tsirairay avy rehefa vonona handray Azy isika, ary mbola ho avy koa Izy amin’ny farandro hitsara ny velona sy ny maty. Izany no tokony hiambenantsika lalandava ka hiandrasana amim-paharetana sy amin’ny fanantenana hihaona Aminy” (Angelus 27 novambra 2016).
Ireo Fiaviana telo ireo no ankalazaintsika hanomanana ny Noely, ary miara-dia amin’ny Eglizy manontolo isika, mpivahinin’ny fanantenana, mizotra am-pinoana ao amin’i Kristy mba hiaina sy hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana sy ho taratry ny Evanjeliny.
Manomboka ny Taona litorjika vaovao isika. Tsara ho fantatra ihany araka izay ny drafitra ankapoben’ireo taona litorjika ireo sy ny evanjely vakiana:
- Ny Taona A dia Fandalinana ny Batemy: antsoina handalina ny firosoantsika ho Kristianina isika araka ireo lohahevitra sy Evanjely mifanaraka amin’ny fivoaran’ny maha-kristianina, araka ny drafitra katekomenaly, sy ny fiombonana ao amin’ny Eglizy. Ny Evanjelin’i Md Matio moa no vakìna amin’izany.
- Ny Taona B dia Fandalinana ny Fifandraisana amin’ny Misterin’i Kristy nitsangan-ko Velona. Antsoina handinika ny misterin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy ho velona isika mba hiombonantsika aina Aminy bebe kokoa. Izany fandalinana ny fiainan’i Kristy izany dia miampy ny fampianaran’i Joany voavelabelatra bebe kokoa. Ny Evanjelin’i Md Marka sy ny ampahany maro amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany no vakìna amin’izany.
Rehefa avy nandinika ny fifandraisantsika manokana amin’i Kristy àry isika, avy nandalina ny toerana omentsika Azy eo amin’ny andavanandrom-piainantsika, dia antsoin’ny Eglizy kosa indray hampifanaraka ny fiainantsika amin’izany safidim-piainana izany. Mila fibebahana sy fiovana izany.
- Ny Taona D dia fiantsoana amin’ny fivalozana satria matoky ny Famindram-pon’Andriamanitra. Voantso hizotra ny lalam-pivalozana isika, izay hany hahatsapantsika ny halalin’ny Misterin’ny Paka, fara-tampon’ny Fiombonana amin’ny Ray. Ny fandalinana manokana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny hafaliana vokatry ny fibebahana araka ny Evanjelin’i Md Lioka no imasoana amin’izany.
Tsy hibebaka fe hibebaka anefa no tanjona, fa ny mba hahatonga ny fiainantsika manontolo ho taratr’izany Fitiavana sy Famindram-pon’Andriamanitra izany. Ireo no telo taona hiezahana handalinana ny finoana sy hamakiana ny Tenin’Andriamanitra handalinana ny Misterin’ilay Kristy, ilay Teny tonga nofo.
Raha iverenana ireo alahady mandrafitra ny Fiaviana ao amin’ny Litorjia sy ny Lovam-panahy ao amin’ny Eglizy dia izao no azontsika amintinana azy, indrindra moa ho antsika mankalaza ny Noely ny 25 desambra, hatramin’ny taona 336:
ho an’ny Mpanaraka ny fomba fivavahan’i Md Ambroise (izay manana Alahadin’ny Fiaviana miisa 6, manomboka amin’ny andro ankalazana ny fetin’i Md Martin:
- Alahadin’ny fiavian’ny Tompo
- Alahadin’ny zanaky ny Fanjakan’Andriamanitra
- Alahadin’ny Faminaniana tanteraka
- Alahady fidiran’ny Mesia
- Alahadin’ny Mpialoha lalana
- Alahadin’ny fahatongavana ho nofo
Ho an’ny Fomba fivavahana latinina manaraka an’i Rôma kosa indray, ho antsika izany, dia ireo Tononkira fidirana no manampy antsika hahazo sy hahatadidy ny dingana sy ny firosoana am-panahy mankany amin’ny Fankalazana ny Noely:
- Any aminao, ry Tompo no anandratako ny fanahiko,
Ianao, ry Andriamanitra no ifefeko,
tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavalo!
Izay rehetra mitady Anao, tsy ho azon-kenatra. (Sal 24,1-3) – Ad te levavi - Indro tamy hanavotra ny firenena rehetra ny Tompo, ry vahoakan’i Siôna;
hampanakoako ny feony be voninahitra
ary ho dibo-kafaliana ny fonareo (Iz 30,19.30). Populus Sion - Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo!
Eny averiko indray, mifalia! Satria efa akaiky anie ny Tompo e (Fil 4,4-5) – Gaudete - Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra,
ary aoka ny rahona hampidina ilay Marina toy ny ranon’orana,
ary ny Tany hisokatra hipoiran’ny Mpamonjy (Iz 45,8). Rorate
- Jeremia 33,14-16
- Salamo 24
- 1 Tesalônika 3,12–4,2
- Lioka 21,25-28.34-16
Ho avy i Kristy amin’ny farandro. Vonona ny hitsena azy ve isika?
Izay no foto-kevitra aroson’ny Litorjian’ny Alahady voalohan’ny taona litorjika, hamakiana ny Evanjely Masina nosoratan’i Md Lioka. Taona telo moa no nandrafetana ny taona litorjika araka ny efa voalaza teo aloha: ny Taona voalohany, miaraka amin’i Md Matio andalinana ny maha-Eglizy Fiangonana Fiombonana. Fahasoavana hahafahana mandalina ny hasarobidin’ny Fiangonana, Sakramenta entin’Andriamanitra hamonjena ny olombelona rehetra. Ny taona faharoa kosa (taona B), dia ampian’ny Evanjely nosoratan’i Md Marka isika handalina misimisy kokoa ny fahafantarana an’i Kristy, ka hanamafisana ny maha-kristianina, tsy fanaraha-driandrano sanatria fa fiainana ny maha-mpianany, vonona ny hanara-dia azy: hihaino ny marina satria tia ny hanjakany (Evanjelin’ny Fetin’i Kristy Mpanjaka). Dia avy amin’izay fahavononana ny ho Mpianatr’i Kristy izay no miainga ny taona D. Isak’alahady dia entanin’ny Litorjia isika hanao dingana miroso ho any amin’ny fahalavorariam-piainana, ampifanarahana amin’izany maha-mpianatr’i Kristy izany. Izay no atao hoe fibebahana: miezaka mampifanaraka ny fiainana amin’izay atoron’ny Evanjely, ary izany no lalam-pahasambarana.
Jeremia ao amin’ny vakiteny voalohany (Jr 33,14-16) dia manambara fa “hampitsimoka solofo handala ny marina, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany Andriamanitra”. Tompo fahamarinantsika no hiantsona azy. Isika kosa mba ho afaka handray izany Mpitsara izany dia mila mitondra tena araka ny ankasitrahan’Andriamanitra (1Tes 3,12-4,2). Ny tsy fiainana araka an’Andriamanitra manko dia manakana ny fontsika tsy ho afa-mandray ilay “avy amin’ny anaran’ny Tompo”, ary raha sanatria manohitra izay mety ho fanaontsika ny fahamarinana takian’ny fiaviany dia ny hamantsika azy indray eo amin’ny hazofijaliana no ataontsika! Firifiry ny mpitory ny marina no voatapa-doha, ankahalaina sy hosoram-potaka… saingy manohy ny asan’i Kristy izy ireny, martiry mitory ny marina sy mitolona ho an’ny fiadanana tanteraka araka an’Andriamanitra.
Izay miaina marina ny Evanjely manko dia manjary olana mandrakariva ho an’izay mihevitra ny hanjaka amin’ny zavatry ny tany. Tsy voninahitra sy fieboeboana no andrasan’izay te hiaina araka ny Evanjely sy te hanara-dia an’i Jesoa fa fanenjehana. Raha izaho mpampianatra aza nenjehiny, hoy i Jesoa, dia mila mihevi-tena ny mpianany: nenjehin’ny fahefana ara-pivavahana Izy tamin’izany, natolotra an’i Herôda ary nohelohin’i Pilaty.
Ny fizorana toy ny zanaky ny mazava dia manembantsembana ireo izay nisafidy hitakiky ao amin’ny haizin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra, araka ny efa nolazaintsika teny ambony. Izay mety ho fitsapana mianjady amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny marina dia tsy natao hampihemotra, hoy i Jesoa satria fotoana tsara hahafahana mijoro ho vavolombelona izany. Ny manam-pahefana sy ny mpanjaka mety hanampatra ny fahefany dia tsy hahasakana antsika tsy hiaina ny fitiavana. Izany fitiavana izany no hahafahana mampiteny ny Fanahy, izay hanome antsika fahendrena tsy azon’ny fahavalo hotoherina, no sady hanome antsika kosa ny faharetana.
Tsy afaka ny hiomana amin’ny Noely araka izany izay mbola mieritreritra hanohy ny asa ratsiny, izay tsy mbola vonona ny hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny, izay mbola mahita tory manoloana ny tsy fahamarinana mianjady amin’ny mahantra sy ny madinika.
Ao amin’ny Evanjely, dia antitranterin’i Md Lioka amin’izay mino fa tsy fahavoazana fa fahasoavana ny farandro, satria fisehoan’ny herin’i Kristy, mandresy ny fahavalony rehetra, ary ny fahavalo farany horeseny dia ny fahafatesana. Tsy afaka ny hibanjina izany fandreseny izany anefa isika raha toa ka mbola mibanjina masoandro amam-bolana hafa hanazava ny fiainantsika, raha toa ka mbola ny kintan’izao tontolo izao no mitarika antsika sy mitantana ny dia.
Ndeha hojerentsika ny hafatra atolotry ny Evanjely.
Md Lioka 21,20-28
Rehefa maheno ny teny hoe Apôkalipsa isika dia faharavana sy fahapotehana matetika no masaka ao an-tsaintsika. Fanambarana anefa no heviny, entin’ny mpanoratra hanehoana ny tsiambaratelon’ny zava-miafina. Eto i Md Lioka dia manampy antsika handinika ny zava-misy sy hamaky izany amin’ny hazavan’ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona.
Raha tsy izany dia hanahirana na dia ny hihaino sy hahazo izany hoe hatezeran’Andriamanitra handringana ny olon-drehetra amin’ny sabatra lazain’i Md Lioka amin’ny fiantombohan’ity toko 21 ity, satria tsy afaka ny hihambo ho tsara noho izay heverintsika ho tsy mpino isika. Midika izany fa ny fotoana fiandrasantsika ny farandro dia fotoan’ny “tolona” – satria manosika hibebaka marina tokoa, satria raha tsy mendrika ny maha-izy antsika ny fomba fiainantsika, dia ho zary andro mahatahotra ho antsika ny fiavian’ny Tompo.
Tsara homarihina fa efa rava ny Tempolin’i Jerosalema tamin’ny fotoana nanoratan’i Md Lioka ny Evanjeliny, manome torohevitra ho antsika amin’izay tokony hatao kosa anefa izy raha sanatria mihozongozona izay noheverintsika hianteherana. Ny filazàny fa ny any Jodea handositra any an-tendrombohitra, ny any an-tanàna hivoaka any ivelany (and. 20-22 mialoha ny Evanjely anio) dia toa mifanohitra amin’ny fahendrena sy ny fanao mahazatra ny olona, satria ny tanàna sy ny mandany aza no mety hiarovan-tena kokoa, noho ny fivoahana hifanehatra amin’ny fahavalo. Asainy hiakatra amin’ny toerana avo isika, hanakatra ny fijerin’Andriamanitra mba hahita toa Azy koa ny zava-misy; hiala ao an-tanàna, tsy hihainohaino fa hivoaka hiasa, hanohy ny fivelomana sy ny fiatrehana ny fiainana, fa koa hiala amin’ny mahazatra (ny tanàna moa dia endrika iray ilazana ny toe-tsaina mikombona), ho sahy hanandrana fiainana vaovao, ka izay efa nanaiky hiasa any amin’ny saha, tsy hiverin-dalana indray hamonjy ny tanàna efa nilaozana.
Aoka tsy harebirebin’ny olona amin’izay loza etsy sy eroa isika. Rehefa mamirapiratra amintsika ilay Masoandro manazava ny olon-drehetra, hoy i Joany, dia tsy hila masoandro na volana hanazava azy intsony ny tanàna (Ap 22,5). Izay mahita ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana ho fisehoany am-pahefana sy voninahitra no afaka hampitràka ny lohany ka hihira ny famonjena efa akaiky, hahafahany miala amin’ny fibanjinana ny zavatry ny tany, ka hibanjina ny zavatra any ambonin’ny rahona, any amin’izay itoeran’i Kristy, hoy i Md Paoly (Kôl 3,1)
Araka izany, dia tsy ny hamaky loha hahalala ny farandro no tokony himasoana fa ny hahay hiaina izao fotoana diavintsika izao, satria i Kristy efa nasondrotra tao amin’ny voninahiny tamin’Izy nanolotra ny ainy teo amin’ny hazo, ho voankazo masaka hanohana ny hanoanana sy ny hetahetantsika ho masina tahaka Azy.
Md Lioka 21,34-36
Lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio fa noho ny tahotra ny fahafatesana dia nisy ny niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany (Heb 2,15). Ny tahotra matetika dia manakana antsika tsy hiaina an-kalalahana, tsy hiaina am-pitiavana. Ny zava-doza dia izany tahotra izany no mitondra amin’ny fanandevozana: fanandevozan’ny mason’ny hafa, fanandevozan’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao, araka ny hanafaran’i Kristy antsika amin’ny Evanjely anio.
Tamin’ny fanazavana ny momba ny fahasambarana, tamin’ny fetin’ny olomasina rehetra dia nolazaiko fa tsy fahasambarana mandalo araka ny rendrarendran’izao tontolo izao no atoron’ny Evanjely. Ny tontolo iainantsika dia manao fety mba hitadiavana hafaliana, mba “hanalana azy”; misy olona mahita hafaliana amin’ny fihinanam-be, misy ny sambatsambatra amin’ny fisotrosotroana, ao ny mitady hafaliana amin’ny rendrarendra sy ny hafinaretan’ny nofo. Tandremo, hoy i Jesoa. Mila itandremana ihany koa na dia fiahiana ny fiainana aza, satria hampahavesatra ny fo izany. Ny fo anefa rehefa vesaran’ny fahadisoam-panantenana amin’ny zava-mandalo, dia tsy te hijery ny tena zava-misy, ka aleony manery ny saina sy ny maso hijery zavatra hafa.
Ny tontolo atoron’ny Evanjely hanomanantsika ny fankalazana ilay Teny Tonga nofo amin’izao Fiaviana izao dia mampianatra antsika hanao fety satria faly, satria zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay, satria tafahaona ny “zaza mpandany” sy ny “Ray be fitiavana” (Lk 15). Ho an’ny Kristianina dia tsy fitadiavana hafaliana ny fety (ny fihinanana, ny fisotroana) fa fanehoana ny hafaliana, faly satria efa akaiky ny famonjena, eo anivontsika ny Mpamonjy. Raha sanatria hitadiavana hafaliana no hanaovana fety dia havesatra noho ny teo aloha ny fiatrehana ny fiainana rehefa vita ny “fanalana azy”. Ny “tsara vintana” no sambatra eo amin’izao tontolo izao; ho an’Andriamanitra kosa dia zanaka tiany avokoa, ka izay mahay mitahiry ny fahasambarana omeny sy manaiky hiombom-piainana Aminy no antsoiny hoe “sambatra” (makariôs) nosoavin’Andriamanitra, nosoavin’ny Ray. Zaza teraka ao an-tranonomby, manaiky hitafy ny fahantrantsika olombelona no mahafaly antsika sy hiomanantsika hanaovana fety.
Tsy ampy ny mahafehy tena fa mila mitandrina, ary mila miambina sy mivavaka mandrakariva anefa, hoy i Jesoa, satria fandrika mahavoa ny olon-drehetra ny fivarinan-ko lavo ao anatin’ny hafinaretana mandalo (mivarilavo). Ny tsy fahalalana mialoha ny andro hiafaran’ity fiainana ity ho an’ny tsirairay, sy ny fahataperan’izao tontolo izao ho antsika rehetra, dia manampy antsika hiaina am-piheverana, hampisy heviny ny fiainantsika, tsy hiainana noho ny tahotra ny fahafatesana intsony fa noho ny faniriana hiseho, hiseho tsy amin-tahotra (histèmi) eo anatrehan’ny Zanak’olona.
Miambina (agrypnéô) sy mivavaka (déomai). Ny hoe “Agrupnéô” moa dia tsy hilazana ny fiambenana ivelan’ny trano fotsiny, fa hilazana ihany koa ny tsy fahatongavan’ny torimaso, tsy mahita tory satria mivavaka, déomai, satria mifantoka amin’ny hevitra iray ny fo amam-panahy, mitady izay fomba hiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mahagaga raha toa ka amin’ny valo alina araka ny mahazatra dia efa mierotra ny olona iray, saingy noho ny fitiavana an’i “Barea milalao baolina” ohatra, ny fanarahana tantara na zavatra iray, dia mahatanty tsy matory hatramin’ny misasak’alina aza. Amin’ny fotoana rehetra no ampirisihan’i Jesoa antsika hiambina sy hivavaka, vavaka zary fifantohan’ny fo amam-panahy amin’ny fibanjinana ny misterin’ilay Emanoela nanaiky hiara-monina amintsika ka ny fankalazana ny misterin’ny Pakany izay famonjena antsika, dia efa azo hiotazana kosa ny vokatra, hatao tohana sy vatsy eny an-dalana mizotra mankany amin’ny fihaonana Aminy, any amin’ny mandrakizay.
Iezahantsika ary ny hahita an’i Kristy, ilay fanalahidy, ilay Tsimoka vaovao (solofo), Kintana fitarik’andro sy masoandron’ny fahamarinana, Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana, Filoha manome ny lalàna, Fahendrena mandahatra ny zavatra rehetra amim-pahendrena sy amin-kalemem-panahy (ireo moa no hambaran’ny sasin-kira lehibe “Grand’O” amin’ny havaloan’andro hanomanana ny noely, ny 17 ka hatramin’ny 23 desambra, hamaranantsika ny vanim-potoan’ny Fiaviana).
Tsy mampihontsona an’izay mino ny fandresen’i Kristy ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany, ary ny fivavahana no atoron’i Kristy ho fitaovana hahamendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy hitranga izany. Tsy sanatria ny vavaka piliavava, atao tsianjery dia tanisaina dia vita, sanatria izany. Manampy antsika tokoa ireny tsianjery sy vavaka voasoratra ireny mba hampahatsiaro antsika ny toe-po sy ny toe-panahy mifanaraka amin’ny Evanjely. Mampamokatra izany vavaka izany kosa ny fotoana atokantsika mba hitadiavana ny fomba hampifanarahana ny fiainana amin’izay toe-po sy fanahy novolavolain’ny tsianjery na ny katesizy, na ny teny fanentanana heno na novakìna.
Angatahontsika ary Andriamanitra mba hanampy antsika hivavaka marina tokoa, ka hankahery ny fontsika mba ho masi-pitondran-tena hitsena an’i Kristy, ka hanomana toerana hahaterahany ao am-pontsika, ao amin’ny fianakaviantsika, eo amin’ny firenentsika sy izao tontolo izao.