Batemin’i Jesoa – TAONA A
I Jesoa natao Batemy: tandindon’ny Batemintsika
- Izaia 42, 1-4.6-7
- Salamo 28
- Asa 10, 34-38
- Md Matio 3, 13-17
Fisehoana teo no ankalazaintsika amin’ny Epifania : ny Fitsaohan’ny Majy, ny Batemin’i Jesoa ary ny Famantarana tao amin’ny Fampakaram-bady tany Kanà . Mankalaza ny Batemin’i Jesoa isika androany. Nahoana no izany fety izany no hanakatonana ny vanimpotoana fankalazana ny Noely ka hidirana amin’ny mandavan-taonan’ny Eglizy? Raha tandindon’ny batemintsika ny Batemy nataon’i Jesoa, raha fanamasinana ny ranon’i Jordany no nanekeny hahatanteraka ny fahamarinana rehetra araka ny henontsika tao amin’ny Evanjely (Evanjely Mt 3, 13-17), dia rariny raha izany fety izany no hanombohana ny andavanandrom-piainantsika.
Tamin’ny alahady II Fiaviana dia efa natsiditsika teto ihany ny momba ny batemin’i Joany:
Araka ny fanazavan’ireo mpandalina ny Soratra Masina dia teo Betabara no nanaovan’i Joany Batemy, 400 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina, ny toerana iva indrindra eto ambonin’ny tany, fa teo ihany koa araka ny lovan-tsofina no niampitan’ny Zanak’Israely avy any amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ny Batemin’i Joany araka izany dia mampahatsiaro antsika ny hasarobidin’ny fahafahana iantsoana ny zanak’Andriamanitra rehetra: tany an’efitra dia ny mana no niveloman’ny zanak’Israely, saingy ambaran’ny Bokin’i Josoe (Jos 5, 12) fa ny ampitson’ny Paka dia nitsahatra ny mana.
Ny tena fibebahana marina araka izany dia ny fandraisana ny andraikitra mba hampamokatra ny tany, hanaja ny tontolo iainana, hanandratra ny soatoavina ka hahafahana misaotra an’Andriamanitra tsy misolo ny olona amin’ny asany, saingy mampamokatra kosa ny fisasarany hikolokolo ny zava-boary. Tsy sakana fa lalana amin’ny fizorana ho amin’ny fiainana araka izany ny filofosana mandavorary ny zava-boary, hahatonga izao tontolo izao ho zaridaina hisantarana sahady ny hamamin’ny fifankatiavana sitrak’Andriamanitra hiadanan’ny voariny rehetra.
Ny Litorjia aroson’ny Eglizy ankalazantsika ny Batemy anio dia mampahatsiaro antsika fa ny “valisoa” (raha izany no ilazana azy), ny fankasitrahana ataon’Andriamanitra an’izay atao Batemy dia ny filazany fa Zanany ankasitrahany. Ny Zanaka no mpandova ny Fanjakana, ka raha te handova ny fanjakana ary isika, rehefa miala amin’ity fiainana ity, dia mila mandini-tena mandrakariva sao tsy mifanaraka amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika ny fiainantsika.
Tsy misy afa-tsy ny fihainoana an’i Kristy, ilay zanaka lahitokan’ny Ray anefa no hahafahana miaina ny maha-zanaka. Ny fiombonantsika aina ao aminy no maha-zanaka antsika satria ny Fanahiny no manangana antsika ho zanany, ka izay manaiky hotarihin’ny Fanahiny no tonga zanak’Andriamanitra. Tsy fombafomba araka izany ny Batemy fa tarigetram-piainana.
Izay manaiky hotarihin’ny fahazavana tahaka ny Majy no omena fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra (hoy ny Evanjely tamin’ny Noely atoandro), dia tahaka. Azy ireo koa, hanolotra ny volamena, satria ekentsika fa Izy no tiantsika hanjaka ao am-pontsika, ao amin’ny fianakaviana sy ny firenena; anolotra ny emboka manitra satria inoantsika fa Izy no Andriamanitra afaka hamonjy antsika ka anolorantsika ny vavaka ho toy ny emboka manitra (Sal 142, 2) hanankinantsika ny fiainana aminy, ary hanolotra ny mira satria ekentsika ka tena olombelona mitovy amintsika Izy, ka na dia hihatra ny fahafatesana aza, dia inonantsika fa afaka hanokatra fanantenana vaovao, satria efa nandresy ny fahafatesana, ilay fahavalo farany horeseny (1 Kor 15, 26).
Ny fitovizantsika endrika amin’i Kristy kosa, noho ny batemy noraisintsika dia mahatonga antsika ho mpanjaka, mpisorona ary mpaminany, ka tokony hitondra toe-piainana mendrika ireo fanomezana ireo. Ny volamenan’ny fitiavantsika amin’ny fampanjakana ny fitiavana sy ny fahamarinana; Ekentsika ny handray ka hanolotra ny emboka manitry ny fivavahantsika, tahaka an’i Jesoa nivoaka ny ony Jordany, mba hahalalan’Andriamanitra ka anambarany fa zanany isika, tonga Vatana nohamasininy ho Tempoly honenany, ary natsangany ho mpandova ny fiainana miaraka amin’ny Zanany lahitokana. Izany rahateo no italahoantsika amin’ny vavaka fangatahana : mba hazoto lalandava hanao izay mahafaly ny Ray (1), amin’ny fiezahana hanahaka an’ilay zanaka lahitokana (2). Ny mira kosa hampahatsiaro antsika tsy hitolefika manoloana ny fahalemen’olombelona, eny fa na di any fahafatesana aza fa hatoky mandrakariva ny herin’ny fahasoavana entin’ilay Emanoela eo anivontsika.
Ny zo maha-zanak’Andriamanitra Mpandova antsika izay azontsika maimaim-poana ary dia mitaky koa andraikitra ny hihaina mifanaraka amin’izany amin’ny andavanandrom-piainantsika, ho voninahitr’Izy Andriamanitra Raintsika.
Ny Noely dia Emanoela, izany hoe fetin’ilay Andriamanitra miara-monina amintsika. Amafisin’ny prefasy amintsika androany fa ilay feo avy any an-danitra no manamafy an’ilay Teny Tonga nofo miara-monina amintsika, voairaka hitory amintsika ny Vaovao Mahafaly . Ny Batemy noraisintsika izany, dia fanamafisantsika ny finoantsika fa indrindra fanomezan-toky « hihaino Azy ».
Epifania ny Batemin’ny Tompo, izany hoe fanehoan’ny Ray amintsika ilay zanany malalany ankasitrahany indrindra ka tokony henointsika. Izy no ilay mpanompo sitraky Ray (Vakiteny I Iz 42, 1-4.6-7) vonona hanorina ny rariny amin’ny tany. Izy ilay Voahosotry ny Ray tamin’ny Fanahy Masina, maneho amintsika fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra (Vakiteny II Asa 10, 34-38) ka mendri-dera ambony indrindra (Salamo 28 setriny). Izy no tohatra mampifandray ny lanitra sy ny tany, ka ny lanitra misokatra, tsy hisy hahakatona intsony satria izy no lalana izoran’ny olona mankany an-tranon’ny Ray, lalana miara-monina amin’ny olon-drehetra.
Nanaiky hatao Batemy ilay Mpamela heloka, nanaiky handray ny batemim-pibebahana, hanambara amintsika fa ny Batemy noraisintsika dia Fiainana, satria IRAKA: fanombohana fa tsy famaranana. Taorian’ny Batemy noraisiny no nanombohan’i Jesoa ny asany an-karihary, tokony ho telopolo taona izy tamin’izay hoy i Lioka (Lk 3,23). Voairaka koa isika hihaina ny maha-kristianina antsika, izany hoe haneho ny maha-zanak’Andriamanitra antsika.
Miara-monina amintsika Andriamanitra. Tsapantsika ve izany? Inoako fa ny andro anio, ankalazana ny batemin’i Jesoa, fa koa hanavaozantsika ny batemy noraisintsika, dia hameno hafaliantsika ny fontsika satria voatsangana ho Zanak’Andriamanitra isika.
Mifarana ny fankalazana ny Noely, saingy tsy mandao antsika ilay Emanoela. Ny tena fibebahana araka izany dia ny fiainantsika araka ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Voninahitra an-tsobika izany ka aoka tsy ataontsika am-patam-bary. Inona tokoa moa no mety ho fahasambarana lehibe kokoa noho ny mahatsapa fa zanaka tian’Andriamanitra?