Sabotsy manaraka ny Epifania
- 1 Joany 5, 14-21/
- Salamo 149/
- Joany 3, 22-30
Nifanditra tamin’ny Jody ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany. Ny fidiovana (mikveh מִקְוָה) moa di any fomban’izy ireo tsy ho fanadiovana ny vatana ihany fa ho fanajana ny fiaraha-monina sady handraisana ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra mba handio ka hahafahana miara-monina amin’ny hafa. Ny Batemin’i Joany anefa, na dia miainga avy amin’izay fomba amam-panao Jody izay aza dia efa nandingana zana-tohatra hafa: hanamarihan’ny olona ny fahavononana handray ny fampianarany.
Izay manaiky hatao batemy araka izany dia manaiky hiditra ho mpikambana ao amin’ny fianakaviana vaovao izay nosafidiany, satria fidiovana mba hahafahana miara-monina ny hevitra voalohany fonisin’ny batemy. Izay manaiky ataon’i Jesoa batemy izany dia manaiky handray ny fampianarany ary hiditra ho fianakaviana iray miaraka amin’ny mpianany. Lazain’i Joany anefa aoriana kely fa tsy Jesoa loatra no manao batemy fa ny mpianany (Jn 4,2).
Tsy fiombonana fe fiombonana loatra anefa izany fa fanambadiana: fihaonan’ny ampakarina sy ny mpampiakatra (foto-kevitry ny alahady faharoa mandavan-taona, zaraina amin’ny taona telo). Izay manaiky hataon’i Jesoa (na ataon’ny mpianany) batemy araka izany dia manaiky hiombona amin’ny Eglizy, vady malalan’Izy Tompo, tiany sy namoizany ny ainy, fa sitrany koa hiteraka zanak’Andriamanitra, miaina araka ny fahazavany, mitandrina mba tsy hanompo sampy fa hitombo fahalalana an’Andriamanitra marina.
Tsy afaka hanaraka ny fon-tsampiny vetaveta (Ezekiela 11,21) izay mahalala an’Andriamanitra, ary izy Andriamanitra ihany no hamafy rano (βαπτίζω ) handio ny fahalotoana sy ny fahavetavetana rehetra (Ezekiela 36, 25-26). Oharin’ny Soratra Masina amin’ny fahavetavetana manko ny fanompoan-tsampy, ary izay miala amin’izany dia madio fo, tokam-po sahala amin’ny siny ka tsy mahalala mpampiakatra afa-tsy Kristy irery ihany.
Ny hafalian’ny naman’ny Mpampiakatra dia ny mahita azy mampiaka-bady ary faly mihaino ny teniny: fankalazana an’Andriamanitra no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra (salamo 149). Izany koa no hafaliana tokony hokasaintsika hokolokoloina ao am-po raha te ho tonga mpianatra marina isika. Izay tonga zanaka no mandova, ary izay nateraka avy amin’Andriamanitra no miaro tena ka tsy manota ary tsy voakasiky ny ratsy. ao amin’i Kristy no hahafahantsika manovo ny fahazavan-tsaina ka hahalalantsika an’Andriamanitra marina, hahitantsika mazava ny ratsy ateraky ny fahotana ka tsy ho voafandriky ny fanompoan-tsampy.
Andriamanitra ô! Nataonao olom-baovao voatokana ho anao izahay ka enga anie hampian’ny fahasoavanao hitovy endrika aminy fa ao aminy no iraisanay olombelona aminao (vavaka fangatahana).