Alatsinainy faha-32 mandavan-taona
- Ankasa Tito 1, 1-9/Salamo 23
- Tsy ankasa Fahendrena 1, 1-7/Salamo 138
- Md Lioka 17, 1-6
Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray hianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: Miongòta, ka mifindrà any anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
Ny finoana no hahafahana manongotra ny zavatra mety ho lalim-paka tanteraka, heverina fa efa tsara faniry toy ny voaroy ka tsy azo avarina any anaty ranomasina intsony. Ny finoana no hahafahana manesotra ny zavatra mety mibahana ao amin’ny fiainana, zavatra mety heverina ho tsara sy ilaina saingy tsy maintsy hongotana satria manimba ny tany, tsy hahafahany mamoa araka izay ilàna azy. Fa inona ny finoana?
Rahampitso isika mbola miverina amin’izay fa ny tapany voalohany nahatonga ny Apôstôly hangataka mba hampitomboana ny finoany dia satria heverina fa sarotra ny mamela heloka. Tsy maintsy misy ny fanafintohinana, hoy i Jesoa fa loza ho an’izay hiaviany. Manaja ny fahafahantsika Andriamanitra satria tia antsika, ka raha sanatria misy olona mitarika ny hafa ho amin’ny ratsy (manafintohina) dia mbola havela heloka koa ve izy?
Tsy sanatria « peine de mort » no lazain’i Jesoa amin’ny famarinana any anaty ranomasina. Tsy ny hanameloka izay mety ho niavian’ny fanafintohinana no hiantsoany ny mpiananany fa mba hitandrina tsy ho antony hahatafintohina ny hafa (jereo koa Lk 12, 1; 21, 34) ary hitady izay fomba hampibebahana izay mety mahavanon-doza .
Raha diso amintsika aza ny rahalahintsika dia tsy sazy fa fanananarana no tokony hatao azy. ἐπιτιμάω (epitimao, hanaro ny dikan-teny ao) moa dia azo adika hoe: kiakiahana, tenenina mafy, io no ilazana ny fandroahan’i Jesoa ny demony, saingy tsy adinoina ny zo maha-olona sy ny hasina maha-rahalahy azy. Mijanona ho rahalahy na izay nahavita ratsy aza. Izay no teboka hiaingan’ny famindram-po, tsy manafangaro ny ratsy vita amin’izay nanao azy.
Raha mibebaka izy dia avela. Tsy adino anefa fa ny famelana no mialoha ny fibebahana (Lk 6, 27-38). Tsy hoe mifanohitra amin’izay ny voalaza eto fa kosa manamafy fa raha tsy misy fibebahana dia tsy mamokatra akory ny famelana noraisina. Tsy afaka ny ho sambatra sy ho foto-pahasambaran’ny hafa izay mihevitra ny handeha hikonfesy nefa mikiribiby, tsy maniry akory hiala amin’ny ota mahazatra. Mamita-tena ihany.
Ny fibebahana anefa tsy indray andro, lalana tsikelikely ka ny fiverenana mangataka famelana no hahafahana miha-masina isan’andro. Izany no tsy maintsy hamelana mandrakariva, izany hoe hanomezana “possibilité” ny rahalahy mba hahafahany mitozo amin’ny lalam-pibebahana handavorariana ny tena.
Hitombo ao amintsika anie ny finoana fa mialoha ny hamelantsika dia efa navelan’Andriamanitra koa isika.