Zoma manaraka ny Epifania
- 1 Joany 5, 5-13 /
- Salamo 147 /
- Md Lioka 5, 12-16
Ny fanambaran’Andriamanitra dia nomeny ny fiainana mandrakizay isika ary ao amin’ny Zanaka ihany izany fiainana izany, ka izay manana ny zanaka no manana ny fiainana. Ary ny Zanaka dia efa nanome antsika ny fiainana tamin’ny fanolorany manontolo ny rano sy ny ra ary ny Fanahy hamelona antsika, dia loharanon’ny Sakramentan’ny Fiangonana.
Io Zanaka io no nolazain’i Md Lioka fa nanasitrana ny habokana, areti-mifindra izay noheverin’Israely ho sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra (Det 28, 27.35), ka izay voany dia tsy maintsy roahina hivoaka ny tanàna; manokana toko roa manontolo mikasika izany ny Boky Levitika (Lv 13-14). Io lalàna io no nampisaraka ny “maloto” sy ny “madio”. Noravan’i Jesoa anefa izany rindrina mampisaraka izany: “naninjitra ny tanany izy ka nikasika azy…” Izy no YHWH mpamonjy (Eks 4,4; 7, 19).
Mora kokoa ny mandroaka ilay boka hiala teo, na ny manendrikendrika azy ho tsy mpanara-dalàna satria raha araka ny lalàna manan-kery dia tokony hihorakoraka hoe “Maloto e! Maloto e!” (Lev 13, 45). Fa i Jesoa kosa, feno ny Fanahy Masina ka tonga “hamehy ny ferin’ireo torotoro fo”. Ambarany ho famantarana hahalalan’i Joany Batista azy fa “sitrana ny boka” ary toriana amin’ny mahantra ny Evanjely (Mt 11,5).
Tsy nangataka ny ho sitrana ilay boka lazain’ny Evanjely, fa nagataka ny mba hodiovina, ny mba ho afaka indray hiverina hiara-monina amin’ny havana aman-tsakaiza. Mazàna manko, tsy dia ny aretina na ny halemena loatra no tena mampijaly fa ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana, ny tondromolotra ataon’ny mpiara-monina. Tsy andriamanitry ny tonga lafatra sanatria ny Andriamanitra ambaran’ny Teny tonga nofo, fa Andriamanitra sahy manendry ny boka, sakaizan’ny poblikana sy ny mpanota, mpiray petsapetsa amin’ny vehivavy tsy dia tsara fitondran-tena loatra. Satria ny fitiavan’Andriamanitra dia fahazavana ka tsy matahotra ny haizina. Raha sokafana ny varavaran-kelin’ny trano misy jiro dia tsy ny haizina velively no hiditra ao an-trano fa ny hazavana mandrakariva no hivoaka hanilo ny any alatrano. Izany no hamporisihan’i Jesoa ny mpianany mba tsy ho jiro hisitrika any ambany fandriana sanatria (Mt 5, 15).
Asain’i Jesoa miseho any amin’ny Mpisorona ilay boka voadio mba hanolotra ny fanatitra voadidin’i Moizy noho ny fahasitranany, mba ho vavolombelona amin’ny olona. Voalohany indrindra dia mba entina hilazana ary ampahatsiahivana antsika fa ireo mpisorona mpifehy ny lalàna dia tsy nahay nandio na nanasitrana fa ny manameloka hampiharana ny lalàna aza no nataony. I Jesoa kosa, ilay Moizy vaovao, dia nanao ho lalàna tokana hifehy ny lalàna rehetra ny fitiava-namana. Ankoatra izay dia ampahatsiahivin’i Jesoa fa ny fanatitra, mariky ny fisaorana sy ny fiderana dia atolotra an’Andriamanitra irery ihany. Izy no loharano ipoiran’ny soa rehetra ka ny fahaizana mankasitraka azy dia loharan’ny famonjena ho antsika koa.
Ny fitiavana anefa tsy voatery ho voavaly soa mandrakariva. Ambaran’ny Evanjely fa ilay boka voadio dia tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliany, hany ka i Jesoa indray no nisintaka tany an’efitra, ka nivavaka tao. Raha sanatria ary isika mitondra ny mangidy noho ny fitiavana dia ny vavaka no fanafody hahafahantsika mitahiry ny fiainana, izay sitrak’Andriamanitra omena ny zanany rehetra. Ny vavaka no hahitantsika ny hafaliana na dia ny toeran’ilay. Boka (any an’efitra, mitoka-monina) aza no setrin’ny soa ataontsika. Ny mahafeno fatra ny hasambarana dia ny fahatsapana fa nahasoa ny hafa ny asa soa natao.
Ny finoana no hahafahantsika mandresy an’izao tontolo izao, eny fa na dia tahaka ny jiro kely mitsilopilopy ihany aza, saingy zary fanilo, mety tsy hahazava, fa kosa hanampy antsika, hanampy ny hafa koa mba hahita ny lalan-kombana (Papa Benoit XVI).
Angatahontsika Andriamanitra mba ho tena zanany marina isika ka hanahaka azy amin’ny fikolokoloana ny zanany tsy an-kanavaka, mba hananantsika rehetra ny aina feno, hiriariha sy ho finaritra.